previous next

1 Korintiana 1

Anatra noho ny fifampiandanian'ny fiangonana tao Korinto, sy filazana ny amin'ny nitorian'Paoly ny filazantsara

1 Paoly, voantso ho Apostolin'i Jesosy Kristy noho ny sitrapon'Andriamanitra, ary Sostena rahalahy,2 mamangy ny fiangonan'Andriamanitra any Korinto, dia izay nohamasinina ao amin'i Kristy Jesosy, olona voantso sady masina, mbamin'izay rehetra miantso ny anaran'i Jesosy Kristy Tompontsika eny amin'ny tany rehetra, dia azy sy antsika:3 ho aminareo anie ny fahasoavana sy ny fiadanana avy amin'Andriamanitra Raintsika sy Jesosy Kristy Tompo.4 Misaotra an'Andriamanitro mandrakariva ny aminareo aho noho ny fahasoavan'Andriamanitra izay nomena anareo ao amin'i Kristy Jesosy,5 dia ny nampananana harena anareo ao aminy amin'ny zavatra rehetra, na ny teny rehetra, na ny fahalalana rehetra,6 araka ny niorenan'ny filazana an'i Kristy teo aminareo,7 ka dia tsy latsaka amin'ny fanomezam-pahasoavana rehetra ianareo, miandry ny fisehoan'i Jesosy Kristy Tompontsika,8 Izay hampiorina anareo koa hatramin'ny farany, ka dia tsy hanan-tsiny ianareo amin'ny andron'i Jesosy Kristy Tompontsika.

9 Mahatoky Andriamanitra, Izay nahatonga ny fiantsoana anareo hanananareo firaisana amin'ny Zanany, dia Jesosy Kristy Tompontsika.

10 Ary mananatra anareo aho, ry rahalahy, amin'ny anaran'i Jesosy Kristy Tompontsika, mba hiray teny ianareo rehetra, ka tsy hisy fisarahana eo aminareo, fa mba ho tafakambana tsara ianareo hiray saina sy hevitra.11 Fa efa voalazan'ny avy amin'ny ankohonan'i Kloa tamiko ny amin'ny toetrareo, ry rahalahiko, fa misy fifampiandaniana eo aminareo.12 Izao anefa no anaovako izany: Hianareo samy manao hoe: Izaho an'i Paoly, na: Izaho an'i Apolosy, na: Izaho an'i Kefasy, na: Izaho an'i Kristy.13 Voazarazara va Kristy? Paoly va no voahombo tamin'ny hazo fijaliana hamonjy anareo, sa ho amin'ny anaran'i Paoly no nanaovam-batisa anareo?14 Misaotra an'Andriamanitra aho fa tsy nisy nataoko batisa ianareo afa-tsy Krispo sy Gaio,15 fandrao misy milaza fa efa natao batisa ho amin'ny anarako ianareo.16 Nefa mba efa nanao batisa ny ankohonan'i Stefanasy koa aho; afa-tsy ireo dia tsy hitako izay nataoko batisa.17 Fa Kristy tsy naniraka ahy hanao batisa, fa hitory ny filazantsara, tsy tamin'ny teny fahendrena, fandrao ho foana ny hazo fijalian'i Kristy.18 Fa ny teny ny amin'ny hazo fijaliana dia fahadalana amin'izay ho very, fa herin'Andriamanitra kosa amintsika izay hovonjena.19 Fa voasoratra hoe: Hofoanako ny fahendren'ny hendry, Ary holaviko ny fahalalan'ny mahalala (Isa. 29. 14).20 Aiza ny hendry? Aiza ny mpanora-dalàna? Aiza ny mpiady hevitra avy amin'izao tontolo izao? Tsy nampodin'Andriamanitra ho fahadalana va ny fahendren'izao tontolo izao?21 Fa satria, na dia naseho aza ny fahendren'Andriamanitrat, ny fahendrena dia tsy nahatonga izao tontolo izao hahalala an'Andriamanitra, ka dia ny fahadalan'ny fitorian-teny no sitrak'Andriamanitra hamonjeny izay mino;22 fa ny Jiosy mila famantarana, ary ny jentilisat mitady fahendrena,23 fa izahay kosa mitory an'i Kristy voahombo tamin'ny hazo fijaliana, dia fahatafintohinana amin'ny Jiosy ary fahadalana amin'ny jentilisat,24 fa amin'izay voantso kosa, na Jiosy na jentilisat, dia Kristy, Izay herin'Andriamanitra sy fahendren'Andriamanitra.25 Fa ny fahadalan'Andriamanitra dia hendry noho ny olona; ary ny fahalemen'Andriamanitra mahery noho ny olona.26 Fa hevero ny fiantsoana anareo, ry rahalahy, fa tsy firy no olon-kendry araka ny nofo, tsy firy no olona mahery, tsy firy no avo razana;27 fa ny adala amin'izao tontolo izao no nofidin'Andriamanitra hampahamenatra ny hendry; ary ny malemy amin'izao tontolo izao no nofidin'Andriamanitra hampahamenatra ny mahery;28 ary ny iva razana amin'izao tontolo izao sy izay fanevateva no nofidin'Andriamanitra, dia ny atao ho tsy misy aza, mba hahafoana ny misy,29 mba tsy hisy nofo hahazo mirehareha eo anatrehan'Andriamanitra.30 Fa avy aminy no nanaovana anareo ho ao amin'i Kristy Jesosy, Izay nataon'Andriamanitra fahendrena sy fahamarinana sy fahamasinana ary fanavotana ho antsika,

31 mba ho araka ny voasoratra hoe: Izay mirehareha, aoka Jehovah no ho reharehany (Jery. 9. 23).

1 Corinthians 1

1 Paul, called to be an apostle of Jesus Christ through the will of God, and Sosthenes our brother,2 unto the church of God which is at Corinth, even them that are sanctified in Christ Jesus, called to be saints, with all that call upon the name of our Lord Jesus Christ in every place, their Lord and ours:3 Grace to you and peace from God our Father and the Lord Jesus Christ.4 I thank my God always concerning you, for the grace of God which was given you in Christ Jesus;5 that in everything ye were enriched in him, in all utterance and all knowledge;6 even as the testimony of Christ was confirmed in you:7 so that ye come behind in no gift; waiting for the revelation of our Lord Jesus Christ;8 who shall also confirm you unto the end, that ye be unreproveable in the day of our Lord Jesus Christ.9 God is faithful, through whom ye were called into the fellowship of his Son Jesus Christ our Lord.10 Now I beseech you, brethren, through the name of our Lord Jesus Christ, that ye all speak the same thing and that there be no divisions among you; but that ye be perfected together in the same mind and in the same judgment.11 For it hath been signified unto me concerning you, my brethren, by them that are of the household of Chloe, that there are contentions among you.12 Now this I mean, that each one of you saith, I am of Paul; and I of Apollos: and I of Cephas; and I of Christ.13 Is Christ divided? was Paul crucified for you? or were ye baptized into the name of Paul?14 I thank God that I baptized none of you, save Crispus and Gaius;15 lest any man should say that ye were baptized into my name.16 And I baptized also the household of Stephanas: besides, I know not whether I baptized any other.17 For Christ sent me not to baptize, but to preach the gospel: not in wisdom of words, lest the cross of Christ should be made void.18 For the word of the cross is to them that perish foolishness; but unto us who are saved it is the power of God.19 For it is written, I will destroy the wisdom of the wise, And the discernment of the discerning will I bring to nought.

20 Where is the wise? where is the scribe? where is the disputer of this world? hath not God made foolish the wisdom of the world?21 For seeing that in the wisdom of God the world through its wisdom knew not God, it was God’s good pleasure through the foolishness of the preaching to save them that believe.22 Seeing that Jews ask for signs, and Greeks seek after wisdom:23 but we preach Christ crucified, unto Jews a stumblingblock, and unto Gentiles foolishness;24 but unto them that are called, both Jews and Greeks, Christ the power of God, and the wisdom of God.25 Because the foolishness of God is wiser than men; and the weakness of God is stronger than men.26 For behold your calling, brethren, that not many wise after the flesh, not many mighty, not many noble, are called:27 but God chose the foolish things of the world, that he might put to shame them that are wise; and God chose the weak things of the world, that he might put to shame the things that are strong;28 and the base things of the world, and the things that are despised, did God choose, yea and the things that are not, that he might bring to nought the things that are:29 that no flesh should glory before God.30 But of him are ye in Christ Jesus, who was made unto us wisdom from God, and righteousness and sanctification, and redemption:31 that, according as it is written, He that glorieth, let him glory in the Lord.