previous next

1 Korintiana 10

Fananarana fandrao misy manaram-po araka ny nofo ka tratry ny loza

1 Fa tsy tiako tsy ho fantatrareo, ry rahalahy, fa ny razantsika rehetra dia tambanin'ny rahona, ary izy rehetra namaky ny ranomasina,2 ary izy rehetra dia natao batisa ho amin'i Mosesy tao amin'ny rahona sy ny ranomasina,3 ary izy rehetra nihinana ny fihinam-panahy iray ihany,4 ary izy rehetra nisotro ny fisotrom-panahy iray ihany; fa nisotro tamin'ny vatolampy fanahy izay nanaraka azy izy, ary Kristy izany vatolampy izany.5 Nefa ny ankabiazany dia tsy sitrak'Andriamanitra, fa naringana tany an-efitra.6 Ary izany zavatra izany dia tonga anatra ho antsika, mba tsy ho mpila zava-dratsy isika toy ny nilan'ireny.7 Ary aoka tsy ho mpanompo sampy ianareo tahaka ny sasany amin'ireny, araka ny voasoratra hoe: Ny olona nipetraka hihinana sy hisotro, dia nitsangana hilalao (Eks. 32. 6).8 Ary aoka tsy hijangajanga isika tahaka ny sasany tamin'ireny, ka telo arivo amby roa alina no ringana indray andro.9 Ary aoka tsy haka fanahy ny Tompot isika, tahaka ny nakan'ny sasany tamin'ireny fanahy Azy, ka matin'ny menarana ireny.10 Ary aoka tsy himonomonona ianareo tahaka ny sasany tamin'ireny, izay matin'ny mpandringana.11 Ary izany dia nanjo azy mba ho anatra, sady voasoratra izany ho fananarana antsika izay niharan'ny faran'izao tontolo izao.12 Koa izay manao azy fa efa mijoro tsara, dia aoka izy hitandrina, fandrao ho lavo.13 Tsy misy fakam-panahy nahazo anareo afa-tsy izay zakan'ny olombelona; nefa mahatoky Andriamanitra ka tsy hamela anareo halaim-panahy mihoatra noho izay zakanareo; fa momba ny fakam-panahy dia hasiany lalana hahafahanareo koa mba hahazakanareo izany.14 Koa amin'izany, ry malala, mandosira ny fanompoan-tsampy.15 Miteny toy ny amin'ny olo-manan-tsaina aho; heveronareo izay lazaiko.16 Ny kapoaky ny fisaorana izay isaorantsika, tsy firaisana amint'ny ran'i Kristy va izany? Ny mofo izay vakintsika, tsy firaisana amint'ny tenan'i Kristy va izany?17 Satria iray ihany ny mofo, dia tena iray ihany isika na dia maro aza; fa isika rehetra dia samy mandray amin'izany mofo iray izany avokoa.18 Indreo ny Isiraely araka ny nofo; moa izay mihinana ny fanatitra tsy mpiombona amin'ny alitara va?19 Inona ary no holazaiko? Mety ho zavatra va ny hena aterina amin'ny sampy, na mety ho zavatra va ny sampy?20 Tsia, fa izay zavatra aterin'ny jentilisa ho fanatitra, dia ateriny amin'ny demonia, fa tsy amin'Andriamanitra (Deo. 32. 17); koa tsy tiako ho mpiombona amin'ny demonia ianareo.21 Tsy mahazo misotro amin'ny kapoaky ny Tompo sy ny kapoaky ny demonia ianareo; tsy mahazo mihinana amin'ny latabatry ny Tompo sy ny latabatry ny demonia ianareo.

22 Mampahasaro-piaro ny Tompo va isika? Mahery noho Izy va isika?
23 Ny zavatra rehetra azo atao, nefa tsy ny zavatra rehetra no mahasoa; ny zavatra rehetra azo atao, nefa tsy ny zavatra rehetra no mampandroso.24 Aoka tsy hisy olona hitady ny hahasoa ny tenany, fa ny hahasoa ny namany.25 Izay hena rehetra amidy eny an-tsena dia hano, fa aza manontany akory noho ny fieritreretana;26 fa an'i Jehovah ny tany sy izay rehetra eo aminy (Sal. 24. 1).27 Ary raha misy amin'ny tsy mino manasa anareo, ka ta-handeha ianareo, dia hano izay arosony eo anoloanareo, fa aza manontany akory noho ny fieritreretana.28 Fa raha misy manao aminareo hoe: Hena naterina tamin'ny sampy io, dia aza homana noho ny amin'ilay nilaza sy ny fieritreretana.29 Fieritreretana, hoy izaho, tsy ny an'ny tenanano, fa ny an'ny olon-kafa; fa nahoana ny fahafahako no dia tsarain'ny fieritreretan'ny olon-kafa?30 Fa raha amin'ny fisaorana no andraisako izany, nahoana aho no tenenina ratsy amin'izay anaovako fisaorana?31 Koa amin'izany, na mihinana na misotro ianareo, na inona na inona ataonareo, dia ataovy ho voninahitr'Andriamanitra izany rehetra izany.32 Aza manao izay hahatafintohina ny Jiosy na ny jentilisa na ny fiangonan'Andriamanitra,

33 dia tahaka ahy koa manao izay hahafinaritra ny olona rehetra amin'ny zavatra rehetra ka tsy mitady ny mahasoa ahy ihany, fa ny mahasoa ny maro mba hovonjena izy.

1 Corinthians 10

1 For I would not, brethren, have you ignorant, that our fathers were all under the cloud, and all passed through the sea;2 and were all baptized unto Moses in the cloud and in the sea;3 and did all eat the same spiritual food;4 and did all drink the same spiritual drink: for they drank of a spiritual rock that followed them: and the rock was Christ.5 Howbeit with most of them God was not well pleased: for they were overthrown in the wilderness.6 Now these things were our examples, to the intent we should not lust after evil things, as they also lusted.7 Neither be ye idolaters, as were some of them; as it is written, The people sat down to eat and drink, and rose up to play.8 Neither let us commit fornication, as some of them committed, and fell in one day three and twenty thousand.9 Neither let us make trial of the Lord, as some of them made trial, and perished by the serpents.10 Neither murmur ye, as some of them murmured, and perished by the destroyer.11 Now these things happened unto them by way of example; and they were written for our admonition, upon whom the ends of the ages are come.12 Wherefore let him that thinketh he standeth take heed lest he fall.13 There hath no temptation taken you but such as man can bear: but God is faithful, who will not suffer you to be tempted above that ye are able; but will with the temptation make also the way of escape, that ye may be able to endure it.14 Wherefore, my beloved, flee from idolatry.15 I speak as to wise men; judge ye what I say.16 The cup of blessing which we bless, is it not a communion of the blood of Christ? The bread which we break, is it not a communion of the body of Christ?17 seeing that we, who are many, are one bread, one body: for we are all partake of the one bread.18 Behold Israel after the flesh: have not they that eat the sacrifices communion with the altar?19 What say I then? that a thing sacrificed to idols is anything, or that an idol is anything?20 But I say, that the things which the Gentiles sacrifice, they sacrifice to demons, and not to God: and I would not that ye should have communion with demons.21 Ye cannot drink the cup of the Lord, and the cup of demons: ye cannot partake of the table of the Lord, and of the table of demons.22 Or do we provoke the Lord to jealousy? are we stronger than he?23 All things are lawful; but not all things are expedient. All things are lawful; but not all things edify.24 Let no man seek his own, but each his neighbor’s good.25 Whatsoever is sold in the shambles, eat, asking no question for conscience’ sake,26 for the earth is the Lord’s, and the fulness thereof.27 If one of them that believe not biddeth you to a feast, and ye are disposed to go; whatsoever is set before you, eat, asking no question for conscience’ sake.28 But if any man say unto you, This hath been offered in sacrifice, eat not, for his sake that showed it, and for conscience sake:29 conscience, I say, not thine own, but the other’s; for why is my liberty judged by another conscience?30 If I partake with thankfulness, why am I evil spoken of for that for which I give thanks?31 Whether therefore ye eat, or drink, or whatsoever ye do, do all to the glory of God.32 Give no occasions of stumbling, either to Jews, or to Greeks, or to the church of God:33 even as I also please all men in all things, not seeking mine own profit, but the profit of the many, that they may be saved.