1 Korintiana 12
Ny amin'ny fanomezam-pahasoavana samy hafa
1 Ary ny amin'ny zava-panahy, ry rahalahy, dia tsy tiako tsy ho fantatrareo.2 Fantatrareo fa fony jentilisa ianareo, dia nentina tany amin'ny sampy moana araka izay nitaomana anareo.
3 Koa mampahafantatra anareo aho fa tsy misy olona ampitenenin'ny Fanahin'Andriamanitra ka manao hoe: Voaozonat Jesosy; ary tsy misy mahay manaiky hoe: Jesosy no Tompo, raha tsy amin'ny Fanahy Masina.
4 Zarazaraina ho samy hafa ny fanomezam-pahasoavana, nefa ny Fanahy dia iray ihany.5 Ary zarazaraina ho samy hafa ny fanompoana, nefa ny Tompo dia iray ihany.6 Ary zarazaraina ho samy hafa ny asa, nefa Andriamanitra dia iray ihany, Izay miasa ny zavatra rehetra amin'ny olona rehetra.7 Ary izy rehetra dia samy nomena ny fampisehoanat ny Fanahy hahasoa.8 Fa ny anankiray nomen'ny Fanahy teny fahendrena, ary ny anankiray teny fahalalana, araka izany Fanahy izany ihany,9 ary ny anankiray finoana, amin'izany Fanahy izany ihany, ary ny anankiray fanomezam-pahasoavana ho enti-mahasitrana, amin'izany Fanahy iray izany ihany,10 ary ny anankiray ny manao fahagaganat, ary ny anankiray ny maminany, ary ny anankiray ny mahafantatra fanahy samy hafa, ary ny anankiray ny miteny amin'ny fiteny samy hafa tsy fantatra, ary ny anankiray ny mandika fiteny tsy fantatra.11 Ireo rehetra ireo dia asan'ny Fanahy iray ihany, zarazarainy ho azy rehetra avy araka ny sitrapony.12 Fa tahaka ny tena iray ihany, anefa maro no momba ny tena, ary ireo rehetra momba ny tena ireo, na dia maro aza, dia tena iray ihany, dia tahaka izany koa Kristy.13 Fa Fanahy iray ihany no nanaovam-batisa antsika rehetra ho tena iray, na Jiosy an jentilisat, na andevo na tsy andevo; ary isika rehetra dia efa nampisotroina ny Fanahy iray.14 Nefa ny momba ny tena tsy iray, fa maro.15 Raha ny tongotra hanao hoe: Satria tsy tanana aho, dia tsy mba momba ny tena, amin'izany dia tsy momba ny tena va izy?16 Ary raha ny sofina hanao hoe: Satria tsy maso aho, dia tsy mba momba ny tena,- koa amin'izany dia tsy momba ny tena va izy?17 Raha maso avokoa ny tena rehetra, aiza ary izay fandrenesana? Raha fandrenesana avokoa, aiza ary izay fanimboloana?18 Fa Andriamanitra efa nametraka izay rehetra momba ny tena, samy ho eo amin'ny tena araka ny sitrapony.19 Ary raha izay rehetra momba ny tena no tonga iray monja, aiza intsony izay tena?20 Fa maro ny momba ny tena, nefa ny tena dia iray ihany.21 Ary ny maso tsy mahazo manao amin'ny tanana hoe: Tsy mila anao aho; ary indray, ny loha tsy mahazo manao amin'ny tongotra hoe: Tsy mila anareo aho.22 Fa mainka ilaintsika aza ny momba ny tena izay atao ho malemilemy kokoa noho ny sasany.23 Ary ny momba ny tena izay ataontsika ho kely voninahitra kokoa dia tafiantsika voninahitra bebe kokoa; ary izay tsy misy haja amin'ny momba ny tenantsika no hajaintsika kokoa;24 fa tsy mila izany ny efa misy haja rahateo amin'ny momba ny tenantsika. Fa tamin'ny nanamboaran'Andriamanitra ny tena, dia izay kely voninahitra no nomeny voninahitra bebe kokoa,25 mba tsy hisy fisarahana eo amin'ny tena, fa mba hifampiahy ny momba ny tena rehetra.26 Ary raha mijaly ny anankiray amin'ny momba ny tena, dia miara-mijaly avokoa izay rehetra momba ny tena; fa raha omem-boninahitra kosa ny anankiray amin'ny momba ny tena, dia miara-mifaly avokoa izay rehetra momba ny tena.27 Ary ianareo no tenan'i Kristy, ka samy momba ny tenany avokoa araka ny anjaranareo avy.28 Ary Andriamanitra efa nanendry ny sasany teo amin'ny fiangonana, voalohany Apostoly, faharoa mpaminany, fahatelo mpampianatra, manaraka izany dia fahagaganat, dia fanomezam-pahasoavana ho enti-mahasitrana, dia fanampiana, dia fitondrana, dia fiteny samy hafa tsy fantatra.29 Apostoly va izy rehetra? Mpaminany va izy rehetra? Mpampianatra va izy rehetra? Manao fahagagana va izy rehetra?30 Manana fanomezam-pahasoavana ho enti-mahasitrana va izy rehetra? Miteny amin'ny fiteny tsy fantatra va izy rehetra? Mandika teny va izy rehetra?
31 Nefa maniria fatratra ny fanomezam-pahasoavana lehibe indrindra; ary, indro, izay lalana tsara indrindra no atoroko anareo:
1 Corinthians 12
1 Now concerning spiritual gifts, brethren, I would not have you ignorant.2 Ye know that when ye were Gentiles ye were led away unto those dumb idols, howsoever ye might led.3 Wherefore I make known unto you, that no man speaking in the Spirit of God saith, Jesus is anathema; and no man can say, Jesus is Lord, but in the Holy Spirit.4 Now there are diversities of gifts, but the same Spirit.5 And there are diversities of ministrations, and the same Lord.6 And there are diversities of workings, but the same God, who worketh all things in all.7 But to each one is given the manifestation of the Spirit to profit withal.8 For to one is given through the Spirit the word of wisdom; and to another the word of knowledge, according to the same Spirit:9 to another faith, in the same Spirit; and to another gifts of healings, in the one Spirit;10 and to another workings of miracles; and to another prophecy; and to another discernings of spirits; to another divers kinds of tongues; and to another the interpretation of tongues:11 but all these worketh the one and the same Spirit, dividing to each one severally even as he will.12 For as the body is one, and hath many members, and all the members of the body, being many, are one body; so also is Christ.13 For in one Spirit were we all baptized into one body, whether Jews or Greeks, whether bond or free; and were all made to drink of one Spirit.14 For the body is not one member, but many.15 If the foot shall say, Because I am not the hand, I am not of the body; it is not therefore not of the body.16 And if the ear shall say, Because I am not the eye, I am not of the body; it is not therefore not of the body.17 If the whole body were an eye, where were the hearing? If the whole were hearing, where were the smelling?18 But now hath God set the members each one of them in the body, even as it pleased him.19 And if they were all one member, where were the body?20 But now they are many members, but one body.21 And the eye cannot say to the hand, I have no need of thee: or again the head to the feet, I have no need of you.22 Nay, much rather, those members of the body which seem to be more feeble are necessary:23 and those parts of the body, which we think to be less honorable, upon these we bestow more abundant honor; and our uncomely parts have more abundant comeliness;24 whereas our comely parts have no need: but God tempered the body together, giving more abundant honor to that part which lacked;25 that there should be no schism in the body; but that the members should have the same care one for another.26 And whether one member suffereth, all the members suffer with it; or one member is honored, all the members rejoice with it.27 Now ye are the body of Christ, and severally members thereof.28 And God hath set some in the church, first apostles, secondly prophets, thirdly teachers, then miracles, then gifts of healings, helps, governments, divers kinds of tongues.29 Are all apostles? are all prophets? are all teachers? are all workers of miracles?30 have all gifts of healings? do all speak with tongues? do all interpret?31 But desire earnestly the greater gifts. And moreover a most excellent way show I unto you.