1 Korintiana 14
Ny fihoaran'ny fahaizana haminany noho ny fahaizana hanao fiteny tsy fantatra
1 Miezaha mitady ny fitiavana, nefa maniria fatratra ny zava-panahy koa, indrindra fa ny haminany2 Fa izay miteny amin'ny fiteny tsy fantatra dia tsy miteny amin'olona, fa amin'Andriamanitra; fa amin'ny fanahy no itenenany zava-miafina, ka tsy misy olona mahalala;3 fa izay maminany kosa miteny amin'olona ho fampandrosoana sy ho famporisihana ary ho fampiononana.4 Izay miteny amin'ny fiteny tsy fantatra dia mampandroso ny tenany; fa izay maminany kosa mampandroso ny fiangonanat.5 Tiako raha samy hiteny amin'ny fiteny tsy fantatra ianareo rehetra; nefa aleo haminany; fa izay maminany dia lehibe noho izay miteny amin'ny fiteny tsy fantatra, raha tsy mandika teny koa izy hahazoan'ny fiangonanat fampandrosoana.6 Nefa, ry rahalahy, raha mankeo aminareo aho ka miteny amin'ny fiteny tsy fantatra, inona moa no soa ho vitako aminareo amin'izany, raha tsy fanambarana, na fahalalana, na faminaniana, na fampianarana, no hitenenako aminareo?7 Ary ny zavatra tsy manana aina, na sodina, na lokanga, na dia maneno aza, raha tsy manao feo samy hafa, ahoana no hahafantarana izay ataony, na amin'ny sodina, na amin'ny lokanga?8 Fa raha manao feo hafahafa ny trompetra, iza no hiomana hiady?9 Dia toy izany koa ianareo: raha tsy mazava ny teny aloaky ny vavanareo, hatao ahoana no fahafantatra izay lazainareo? Fa raha tsy izany, dia hiteny amin'ny rivotra ianareo.10 Misy fiteny maro samy hafa amin'izao tontolo izao, ka samy manana ny heviny avy.11 Koa raha tsy mahalala ny hevitry ny fiteny aho, dia ho vaka amin'izay miteny, ary izay miteny ho vaka amiko kosa.12 Ary toy izany ihany koa ianareo: raha fatra-paniry ny zava-panahy, dia izay hampandroso ny fiangonanat no tadiavo indrindra.13 Koa aoka izay miteny amin'ny fiteny tsy fantatra hangataka mba hahay mandika teny koa.14 Fa raha mivavaka amin'ny fiteny tsy fantatra aho, dia ny fanahiko ihany no mivavaka, fa ny saiko kosa tsy mahavanona.15 Ahoana ary no izy? Sady hivavaka am-panahy no hivavaka an-tsaina koa aho; sady hihira am-panahy no hihira an-tsaina koa aho.16 Fa raha misaotra am-panahy fotsiny ihany ianao, hataon'izay tsy mahay ahoana no hanao Amena, raha misaotra ianao? satria tsy mahalala izay lazainao Izy.17 Fa ianao dia misaotra tsara ihany, nefa ny hafa kosa tsy mba ampandrosoina.18 Misaotra an'Andriamanitra aho fa miteny amin'ny fiteny tsy fantatra mihoatra noho ianareo rehetra aho;19 nefa raha ao am-piangonanat, dia aleoko manao teny dimy fantatry ny saiko mba hampianarako ny sasany koa, toy izay hanao teny iray alina amin'ny fiteny tsy fantatra.20 Ry rahalahy, aza mba ho zaza amin'ny fahalalana; raha amin'ny lolompo dia aoka ho zaza-bodo aza, fa amin'ny fahalalana kosa dia aoka ho lehilahy tokoa.21 Voasoratra amin'ny lalàna hoe: Amin'ny olona hafa fiteny sy amin'ny molotry ny olon-kafa no hitenenako amin'ity firenena ity; fa na dia amin'izany aza dia tsy hihaino Ahy izy, hoy Jehovah (Isa. 28. 11, 12).22 Koa ny fiteny tsy fantatra dia famantarana amin'ny tsy mino, fa tsy amin'ny mino; fa ny faminaniana kosa dia amin'ny mino, fa tsy amin'ny tsy mino.23 Koa raha vory ny mpiangona rehetra, ary ny olona rehetra samy miteny amin'ny fiteny tsy fantatra, ary miditra ny tsy mahay, na ny tsy mino, tsy holazainy va fa very saina ianareo?24 Fa raha samy maminany izy rehetra, ary miditra ny tsy mino, na ny tsy mahay, dia ho voan'ny anatra ataon'izy rehetra izy sady hotsarain'izy rehetra;25 ka dia miseho ny zavatra takona ao am-pony, dia hiankohoka izy ka hivavaka amin'Andriamanitra sady hilaza fa Andriamanitra dia ao aminareo marina tokoa.26 Ahoana ary no izy, ry rahalahy? Raha miangona ianareo, misy ta-hanao hira ianareo, misy ta-hanao fampianarana, misy manana fanambarana, misy manana fiteny tsy fantatra, misy manana fandikan-teny. Aoka ny zavatra rehetra hatao ho fampandrosoana.27 Raha misy miteny amin'ny fiteny tsy fantatra, dia avelao ho roa na telo, fa aza atao mihoatra noho izany, ka ampifanarakarahina; ary avelao hisy iray mandika teny.28 Fa raha tsy misy mpandika teny, dia aoka izy hangina eo amin'ny fiangonanat; fa aoka hiteny amin'ny tenany sy amin'Andriamanitra ihany izy.29 Ary aoka ny mpaminany roa na telo no hiteny, fa aoka ny hafa hamantatra.30 Fa raha misy tsindrian'ny Fanahy ao am-pipetrahana, dia aoka hangina kosa ny voalohany;31 fa mahazo maminany tsirairay ianareo rehetra, mba hianaran'izy rehetra sy hamporisihana azy rehetra;32 ary ny fanahin'ny mpaminany dia manaiky hozakain'izy mpaminany.33 Fa Andriamanitra tsy tompon'ny fikotronana, fa tompon'ny fiadanana. Araka ny fanaon'ny fiangonant'ny olona masina rehetra,34 dia aoka hangina ny vehivavy raha ao am-piangonanat; fa tsy avela hiteny izy, fa aoka hanoa tsara araka ny lazain'ny lalàna koa.35 Ary raha misy tiany hianarana, dia aoka izy hanontany ny lahy raha mby any an-trano; fa mahamenatra raha miteny ao am-piangonanat ny vehivavy.36 Avy aminareo va no nihavian'ny tenin'Andriamanitra, sa ao aminareo ihany no nahatongavany?37 Raha misy manao azy ho mpaminany, na ho manana fahaizam-panahy, dia aoka ho fantany tsara fa didin'ny Tompo ny teny izay soratako ho aminareo.38 Fa raha misy tsy mahalala, dia avelao tsy hahalala ihany izy.39 Koa amin'izany, ry rahalahiko, maniria fatratra ny haminany, ary aza mandrara tsy hiteny amin'ny fiteny tsy fantatra;
40 kanefa aoka ny zavatra rehetra hatao amin'ny fahamendrehana sy ny filaminana.
1 Corinthians 14
1 Follow after love; yet desire earnestly spiritual gifts, but rather that ye may prophesy.2 For he that speaketh in a tongue speaketh not unto men, but unto God; for no man understandeth; but in the spirit he speaketh mysteries.3 But he that prophesieth speaketh unto men edification, and exhortation, and consolation.4 He that speaketh in a tongue edifieth himself; but he that prophesieth edifieth the church.5 Now I would have you all speak with tongues, but rather that ye should prophesy: and greater is he that prophesieth than he that speaketh with tongues, except he interpret, that the church may receive edifying.6 But now, brethren, if I come unto you speaking with tongues, what shall I profit you, unless I speak to you either by way of revelation, or of knowledge, or of prophesying, or of teaching?7 Even things without life, giving a voice, whether pipe or harp, if they give not a distinction in the sounds, how shall it be known what is piped or harped?8 For if the trumpet give an uncertain voice, who shall prepare himself for war?9 So also ye, unless ye utter by the tongue speech easy to be understood, how shall it be known what is spoken? for ye will be speaking into the air.10 There are, it may be, so many kinds of voices in the world, and no kind is without signification.11 If then I know not the meaning of the voice, I shall be to him that speaketh a barbarian, and he that speaketh will be a barbarian unto me.12 So also ye, since ye are zealous of spiritual gifts, seek that ye may abound unto the edifying of the church.13 Wherefore let him that speaketh in a tongue pray that he may interpret.14 For if I pray in a tongue, my spirit prayeth, but my understanding is unfruitful.15 What is it then? I will pray with the spirit, and I will pray with the understanding also: I will sing with the spirit, and I will sing with the understanding also.16 Else if thou bless with the spirit, how shall he that filleth the place of the unlearned say the Amen at thy giving of thanks, seeing he knoweth not what thou sayest?17 For thou verily givest thanks well, but the other is not edified.18 I thank God, I speak with tongues more than you all:19 howbeit in the church I had rather speak five words with my understanding, that I might instruct others also, than ten thousand words in a tongue.20 Brethren, be not children in mind: yet in malice be ye babes, but in mind be men.21 In the law it is written, By men of strange tongues and by the lips of strangers will I speak unto this people; and not even thus will they hear me, saith the Lord.22 Wherefore tongues are for a sign, not to them that believe, but to the unbelieving: but prophesying is for a sign, not to the unbelieving, but to them that believe.23 If therefore the whole church be assembled together and all speak with tongues, and there come in men unlearned or unbelieving, will they not say that ye are mad?24 But if all prophesy, and there come in one unbelieving or unlearned, he is reproved by all, he is judged by all;25 the secrets of his heart are made manifest; and so he will fall down on his face and worship God, declaring that God is among you indeed.26 What is it then, brethren? When ye come together, each one hath a psalm, hath a teaching, hath a revelation, hath a tongue, hath an interpretation. Let all things be done unto edifying.27 If any man speaketh in a tongue, let it be by two, or at the most three, and that in turn; and let one interpret:28 but if there be no interpreter, let him keep silence in the church; and let him speak to himself, and to God.29 And let the prophets speak by two or three, and let the others discern.30 But if a revelation be made to another sitting by, let the first keep silence.31 For ye all can prophesy one by one, that all may learn, and all may be exhorted;32 and the spirits of the prophets are subject to the prophets;33 for God is not a God of confusion, but of peace. As in all the churches of the saints,34 let the women keep silence in the churches: for it is not permitted unto them to speak; but let them be in subjection, as also saith the law.35 And if they would learn anything, let them ask their own husbands at home: for it is shameful for a woman to speak in the church.36 What? was it from you that the word of God went forth? or came it unto you alone?37 If any man thinketh himself to be a prophet, or spiritual, let him take knowledge of the things which I write unto you, that they are the commandment of the Lord.38 But if any man is ignorant, let him be ignorant.39 Wherefore, my brethren, desire earnestly to prophesy, and forbid not to speak with tongues.40 But let all things be done decently and in order.