1 Korintiana 15
Ny amin'ny fitsanganan'ny maty
1 Ary ampahafantariko anareo, ry rahalahy, ny filazantsara izay notoriko taminareo sy noraisinareo sady iorenanareo,2 izay amonjena anareo koa, raha tananareo tsara araka izay teny notoriko taminareo, raha tsy nino foana ianareo.3 Fa natolotro anareo ho isan'ny zavatra voalohany indrindra ilay noraisiko, dia izao: Kristy maty noho ny fahotantsika araka ny Soratra Masina,4 dia nalevina, ary natsangana tamin'ny andro fahatelo araka ny Soratra Masina;5 ary niseho tamin'i Kefasy Izy, dia vao tamin'ny roa ambin'ny folo lahy koa.6 Rehefa afaka izany, dia niseho tamin'ny rahalahy tsy omby dimam-jato Izy, ny ankamaroan'ireny dia mbola velona mandraka ankehitriny, fa ny sasany efa nodi-mandry.7 Rehefa afaka izany, dia niseho tamin'i Jakoba Izy, dia tamin'ny Apostoly rehetra.8 Ary faran'izy rehetra, izaho, izay toy ny tsy tonga volana aza, dia mba nisehoany koa.9 Fa izaho dia ambany indrindra amin'ny Apostoly ka tsy miendrika hatao hoe Apostoly, satria efa nanenjika ny fiangonant'Andriamanitra aho.10 Fa ny fahasoavan'Andriamanitra no nahatoy izao ahy; ary tsy foana ny fahasoavany ato amiko; fa efa niasa fatratra mihoatra noho izy rehetra aho, nefa tsy izaho, fa ny fahasoavan'Andriamanitra no niara-niasa tamiko.11 Koa na izaho na ry zareo, dia araka izany no fitorinay, ary araka izany koa no ninoanareo.12 Ary raha Kristy no torina fa natsangana tamin'ny maty, ahoana no ilazan'ny sasany eo aminareo fa tsy misy fitsanganan'ny maty?13 Fa raha tsy misy fitsanganan'ny maty, na dia Kristy aza dia tsy natsangana;14 ary raha tsy natsangana Kristy, dia foana ny toriteninay, ary foana koa ny finoanareo.15 Ary dia hita ho vavolombelona mandainga ny amin'Andriamanitra izahay, satria efa nilaza fa Andriamanitra no nanangana an'i Kristy; nefa raha tsy hatsangana ny maty, dia tsy mba natsangany Izy.16 Fa raha tsy hatsangana ny maty, na dia Kristy koa aza dia tsy natsangana;17 ary raha tsy natsangana Kristy, dia foana ny finoanareo; ary mbola ao amin'ny fahotanareo ihany ianareo;18 dia very koa izay efa nodimandry ao amin'i Kristy.19 Raha amin'izao fiainana izao ihany no anantenantsika an'i Kristy, dia mahantra indrindra noho ny olona rehetra isika.20 Nefa tsy izany, fa efa natsangana tamin'ny maty tokoa Kristy ho santatr'izay efa nodi-mandry.21 Ary satria ny olona iray no nisehoan'ny fahafatesana, dia ny Olona iray kosa no nisehoan'ny fitsanganan'ny maty.22 Fa tahaka ny ahafatesan'ny olona rehetra ao amin'i Adama no ahaveloman'ny olona rehetra kosa ao amin'i Kristy.23 Nefa samy amin'ny filaharany avy: Kristy no santatra; rehefa afaka izany, dia izay an'i Kristy amin'ny fihaviany.24 Ary rehefa afaka izany, dia avy ny farany, ka amin'izay dia hatolony ho an'Andriamanitra Ray ny fanjakana, rehefa nofoanany ny fanapahana rehetra sy ny fahefana rehetra ary ny hery rehetra.25 Fa tsy maintsy manjaka Izy, mandra-panaony ny fahavalony rehetra ho eo ambanin'ny tongony (Sal. 110. 1).26 Ny fahafatesana no fahavalo farany horesena.27 Fa ny zavatra rehetra efa nampanekeny ho eo ambanin'ny tongony (Sal. 8. 6). Fa na dia hataony hoe aza: Ny zavatra rehetra no nampanekena, dia fantatra marina fa tsy mba isan'izany Izay nampanaiky ny zavatra rehetra Azy.28 Ary rehefa nampanekena Azy ny zavatra rehetra, dia ny tenan'ny Zanaka koa aza no hanaiky Izay nampanaiky ny zavatra rehetra Azy, mba tsy hisy fototra sy antony afa-tsy Andriamanitra ihanyt.29 Raha tsy izany, hanao ahoana izay atao batisa ny amint'ny maty? Raha tsy hatsangana mihitsy ny maty, nahoana ireny no atao batisa ny aminy?30 Ary nahoana izahay no manao vy very ny ainay mandrakariva?31 Lazaiko marinat, ry rahalahy, amin'ny fireharehako noho ny aminareo, izay ananako ao amin'i Kristy Jesosy Tompontsika, fa maty isan'andro aho.32 Raha araka ny fanaon'olona no niadiako tamin'ny bibi-dia tany Efesosy, inona no soa azoko amin'izany? Raha tsy hatsangana ny maty, dia aoka isika hihinanat sy hisotro, fa rahampitso dia ho faty (Isa. 22. 13).33 Aza mety hofitahina ianareo; ny fikambanana amin'ny ratsy manimba ny fitondran-tena tsara.34 Mifohaza tsarat, ary aza manota; fa ny sasany tsy manana ny fahalalana an'Andriamanitra; ny hampahamenatra anareo no ilazako izany.35 Fa hisy hanao hoe: Hatao ahoana ary no fanangana ny maty? Ary tena manao ahoana no hisehoany?36 Ry adala, izay afafinao tsy hovelomina, raha tsy maty aloha;37 ary izay afafinao, tsy dia ny tenany izay ho avy no afafinao, fa ny voa fotsiny ihany, na voambaryt, na voa hafa;38 fa Andriamanitra manome azy tena araka izay sitraky ny fony, ary ny voany rehetra dia samy omeny ny tenany avy.39 Tsy mitovy ny nofo rehetra; fa hafa ny an'ny olona, ary hafa ny nofon'ny biby, ary hafa ny nofon'ny vorona, ary hafa ny an'ny hazandrano.40 Ary misy tenan'ny any an-danitra, ary misy tenan'ny etỳ an-tany; fa hafa ny voninahitry ny any an-danitra, ary hafa ny an'ny etỳ an-tany.41 Hafa ny voninahitry ny masoandro, ary hafa ny voninahitry ny volana, ary hafa ny voninahitry ny kintana; fa ny kintana anankiray dia hafa voninahitra noho ny kintana anankiray.42 Dia toy izany koa ny fitsanganan'ny maty: Afafy amin'ny fahalòvana izy, atsangana amin'ny tsi-fahalòvana;43 afafy amin'ny fahafaham-boninahitra izy, atsangana amin'ny voninahitra; afafy amin'ny fahalemena izy, atsangana amin'ny hery;44 afafy tena araka ny fomban'aina izy, atsangana ho tena araka ny fombam-panahy. Raha misy tena araka ny fomban'aina, dia misy araka ny fombam-panahy koa.45 Ary araka izany koa no voasoratra hoe: Adama voalohan-dahy natao manan'aina (Gen. 2. 7); Adama farany natao fanahy mahavelona.46 Anefa tsy izay amin'ny fanahy no voalohany, fa izay amin'ny manan'aina, dia vao izay amin'ny fanahy.47 Ny olona voalohany avy amin'ny tany, dia tany; ny olona faharoa dia avy any an-danitra.48 Izay amin'ny tany dia tahaka ilay amin'ny tany; ary izay any an-danitra dia tahaka Ilay any an-danitra.49 Ary toy ny nitondrantsika ny endriky ny amin'ny tany no hitondrantsika ny endrik'ilay any an-danitra koa.50 Fa izao no lazaiko, ry rahalahy: Ny nofo aman-drà tsy mahazo mandova ny fanjakan'Andriamanitra, ary ny fahalòvana tsy mandova ny tsi-fahalòvana.51 Indro, zava-miafina no ambarako aminareo: tsy hodi-mandry avokoa isika rehetra,52 fa vetivety, toy ny indray mipi-maso, rehefa maneno ny trompetra farany, dia hovana isika rehetra; fa hotsofina ny trompetra, ary ny maty hatsangana tsy ho lò intsony, ary isika hovana.53 Fa ity mety lò ity tsy maintsy hitafy ny tsi-fahalòvana, ary ity mety maty ity tsy maintsy hitafy ny tsi-fahafatesana.54 Fa rehefa mitafy ny tsi-fahalòvana ity mety maty ity, ary mitafy ny tsi-fahafatesana ity mety maty ity, dia ho tanteraka ny teny voasoratra hoe: Ny fahafatesana noresena ka levonat (Isa. 25. 8).55 Ry fahafatesana ô, aiza ny fandresenao? Ry fahafatesana ô, aiza ny fanindronanao? (Hos. 13. 14).56 Fa ny ota no fanindronan'ny fahafatesana; ary ny lalàna no herin'ny ota.57 Fa isaorana anie Andriamanitra, Izay manome antsika ny fandresena amin'ny alalan'i Jesosy Kristy Tompontsika.
58 Koa amin'izany, ry rahalahy malalako, dia miorena tsara, aza miova, ary mahefà be mandrakariva amin'ny asan'ny Tompo, satria fantatrareo fa tsy foana tsy akory ny fikelezanareo aina ao amin'ny Tompo.
1 Corinthians 15
1 Now I make known unto you brethren, the gospel which I preached unto you, which also ye received, wherein also ye stand,2 by which also ye are saved, if ye hold fast the word which I preached unto you, except ye believed in vain.3 For I delivered unto you first of all that which also I received: that Christ died for our sins according to the scriptures;4 and that he was buried; and that he hath been raised on the third day according to the scriptures;5 and that he appeared to Cephas; then to the twelve;6 then he appeared to above five hundred brethren at once, of whom the greater part remain until now, but some are fallen asleep;7 then he appeared to James; then to all the apostles;8 and last of all, as to the child untimely born, he appeared to me also.9 For I am the least of the apostles, that am not meet to be called an apostle, because I persecuted the church of God.10 But by the grace of God I am what I am: and his grace which was bestowed upon me was not found vain; but I labored more abundantly than they all: yet not I, but the grace of God which was with me.11 Whether then it be I or they, so we preach, and so ye believed.12 Now if Christ is preached that he hath been raised from the dead, how say some among you that there is no resurrection of the dead?13 But if there is no resurrection of the dead, neither hath Christ been raised:14 and if Christ hath not been raised, then is our preaching vain, your faith also is vain.15 Yea, we are found false witnesses of God; because we witnessed of God that he raised up Christ: whom he raised not up, if so be that the dead are not raised.16 For if the dead are not raised, neither hath Christ been raised:17 and if Christ hath not been raised, your faith is vain; ye are yet in your sins.18 Then they also that are fallen asleep in Christ have perished.19 If we have only hoped in Christ in this life, we are of all men most pitiable.20 But now hath Christ been raised from the dead, the firstfruits of them that are asleep.21 For since by man came death, by man came also the resurrection of the dead.22 For as in Adam all die, so also in Christ shall all be made alive.23 But each in his own order: Christ the firstfruits; then they that are Christ’s, at his coming.24 Then cometh the end, when he shall deliver up the kingdom to God, even the Father; when he shall have abolished all rule and all authority and power.25 For he must reign, till he hath put all his enemies under his feet.26 The last enemy that shall be abolished is death.27 For, He put all things in subjection under his feet. But when he saith, All things are put in subjection, it is evident that he is excepted who did subject all things unto him.28 And when all things have been subjected unto him, then shall the Son also himself be subjected to him that did subject all things unto him, that God may be all in all.29 Else what shall they do that are baptized for the dead? If the dead are not raised at all, why then are they baptized for them?30 Why do we also stand in jeopardy every hour?31 I protest by that glorifying in you, brethren, which I have in Christ Jesus our Lord, I die daily.32 If after the manner of men I fought with beasts at Ephesus, what doth it profit me? If the dead are not raised, let us eat and drink, for to-morrow we die.33 Be not deceived: Evil companionships corrupt good morals.34 Awake to soberness righteously, and sin not; for some have no knowledge of God: I speak this to move you to shame.35 But some one will say, How are the dead raised? and with what manner of body do they come?36 Thou foolish one, that which thou thyself sowest is not quickened except it die:37 and that which thou sowest, thou sowest not the body that shall be, but a bare grain, it may chance of wheat, or of some other kind;38 but God giveth it a body even as it pleased him, and to each seed a body of its own.39 All flesh is not the same flesh: but there is one flesh of men, and another flesh of beasts, and another flesh of birds, and another of fishes.40 There are also celestial bodies, and bodies terrestrial: but the glory of the celestial is one, and the glory of the terrestrial is another.41 There is one glory of the sun, and another glory of the moon, and another glory of the stars; for one star differeth from another star in glory.42 So also is the resurrection of the dead. It is sown in corruption; it is raised in incorruption:43 it is sown in dishonor; it is raised in glory: it is sown in weakness; it is raised in power:44 it is sown a natural body; it is raised a spiritual body. If there is a natural body, there is also a spiritual body.45 So also it is written, The first man Adam became a living soul. The last Adam became a life-giving spirit.46 Howbeit that is not first which is spiritual, but that which is natural; then that which is spiritual.47 The first man is of the earth, earthy: the second man is of heaven.48 As is the earthy, such are they also that are earthy: and as is the heavenly, such are they also that are heavenly.49 And as we have borne the image of the earthy, we shall also bear the image of the heavenly.50 Now this I say, brethren, that flesh and blood cannot inherit the kingdom of God; neither doth corruption inherit incorruption.51 Behold, I tell you a mystery: We all shall not sleep, but we shall all be changed,52 in a moment, in the twinkling of an eye, at the last trump: for the trumpet shall sound, and the dead shall be raised incorruptible, and we shall be changed.53 For this corruptible must put on incorruption, and this mortal must put on immortality.54 But when this corruptible shall have put on incorruption, and this mortal shall have put on immortality, then shall come to pass the saying that is written, Death is swallowed up in victory.55 O death, where is thy victory? O death, where is thy sting?56 The sting of death is sin; and the power of sin is the law:57 but thanks be to God, who giveth us the victory through our Lord Jesus Christ.58 Wherefore, my beloved brethren, be ye stedfast, unmoveable, always abounding in the work of the Lord, forasmuch as ye know that your labor is not vain in the Lord.