previous next

1 Korintiana 3

Ny amin'ny raharahan'ny mpitoriteny, sy ny mbola hizahan-toetra azy

1 Ary izaho, ry rahalahy, tsy nahazo niteny taminareo tahaka ny amin'izay araka ny Fanahy, fa tahaka ny amin'izay mbola nofo, dia tahaka izay mbola zaza ihany ao amin'i Kristy.2 Ronono no nomeko anareo, fa tsy ventin-kanina, satria tsy mbola natanjaka ianareo; eny, mbola tsy matanjaka mandraka ankehitriny aza,3 fa mbola araka ny nofo ihany ianareo. Fa raha misy fialonana sy fifandirana eo aminareo, tsy araka ny nofo va ianareo ka mandeha araka ny fanaon'ny olona?4 Fa raha hoy ny anankiray: Izaho an'i Paoly, ary ny anankiray kosa: Izaho an'i Apolosy, moa tsy olona ihany va ianareo?5 Koa inona moa Apolosy, ary inona moa Paoly? Mpanompo ihany izay nahatonga anareo ho mpino ireo, dia samy araka ny nomen'ny Tompo azy avy.6 Izaho namboly, Apolosy nandena, fa Andriamanitra no nampitombo.7 Ka dia tsinontsinona izay mamboly, na izay mandena, fa Andriamanitra Izay mampitombo no izy.8 Ary iray ihany ny mpamboly sy ny mpandena; nefa samy handray izay valim-pitiany avy araka ny fisasarany izy.9 Fa mpiara-miasa amin'Andriamanitra izahay; ary sahan'Andriamanitra sy trano arafitr'Andriamanitra ianareo.10 Araka ny fahasoavan'Andriamanitra nomena ahy, tahaka ny fanaon'ny mpità-marika mahay no nanaovako ny fanorenana, ary ny hafa mandrafitra eo amboniny; nefa aoka ny olona rehetra hitandrina izay arafiny eo amboniny.11 Fa tsy misy mahay manao fanorenana hafa afa-tsy izay natao, dia Jesosy Kristy.12 Ary raha misy mandrafitra volamena, na volafotsy, na vato tsara, na hazo, na bozaka, na mololo, eo ambonin'ny fanorenana,13 dia haseho avokoa ny asan'ny olona rehetra; fa ny andro no hampiseho azy, satria haseho amin'afo izany andro izanyt, ka dia hozahan-toetra, amin'ny afo ny asan'ny olona rehetra.14 Raha maharitra ny asan'ny olona, izay narafiny teo amboniny, dia handray valim-pitia izy.15 Raha ho levon'ny afo ny asan'ny olona, dia ho fatiantoka izy; fa ny tenany kosa dia hovonjena, nefa toy ny avy ao amin'ny afo ihany izy.16 Tsy fantatrareo va fa tempolin'Andriamanitra ianareo, ary ny Fanahin'Andriamanitra mitoetra no anatinareo?17 Raha misy manimba ny tempolin'Andriamanitra, dia mba hosimban'Andriamanitra kosa izy; fa masina ny tempolin'Andriamanitra, dia ianareo izanyt.18 Aza misy mamita-tena. Raha misy eo aminareo manao azy ho hendry amin'izao tontolo izao, aoka ho adala izy mba ho hendry.19 Fa ny fahendren'izao tontolo izao dia fahadalana eo anatrehan'Andriamanitra; fa voasoratra hoe: Ny hafetsen'ny hendry ihany no entiny misambotra azy (Joba 5. 13).20 Ary indray: Jehovah no mahalala ny hevitry ny hendry fa zava-poana izany (Sal. 94. 11)21 Ka dia aza misy manao olona ho reharehany; fa anareo ny zavatra rehetra:22 na Paoly, na Apolosy, na Kefasy, na izao tontolo izao, na fiainana, na fahafatesana, na ny zavatra ankehitriny, na ny zavatra ho avy; dia anareo izany rehetra izany;

23 ary ianareo an'i Kristy ary Kristy an'Andriamanitra.

1 Corinthians 3

1 And I, brethren, could not speak unto you as unto spiritual, but as unto carnal, as unto babes in Christ.2 I fed you with milk, not with meat; for ye were not yet able to bear it: nay, not even now are ye able;3 for ye are yet carnal: for whereas there is among you jealousy and strife, are ye not carnal, and do ye not walk after the manner of men?4 For when one saith, I am of Paul; and another, I am of Apollos; are ye not men?5 What then is Apollos? and what is Paul? Ministers through whom ye believed; and each as the Lord gave to him.6 I planted, Apollos watered; but God gave the increase.7 So then neither is he that planteth anything, neither he that watereth; but God that giveth the increase.8 Now he that planteth and he that watereth are one: but each shall receive his own reward according to his own labor.9 For we are God’s fellow-workers: ye are God’s husbandry, God’s building.10 According to the grace of God which was given unto me, as a wise masterbuilder I laid a foundation; and another buildeth thereon. But let each man take heed how he buildeth thereon.11 For other foundation can no man lay than that which is laid, which is Jesus Christ.12 But if any man buildeth on the foundation gold, silver, costly stones, wood, hay, stubble;13 each man’s work shall be made manifest: for the day shall declare it, because it is revealed in fire; and the fire itself shall prove each man’s work of what sort it is.14 If any man’s work shall abide which he built thereon, he shall receive a reward.15 If any man’s work shall be burned, he shall suffer loss: but he himself shall be saved; yet so as through fire.16 Know ye not that ye are a temple of God, and that the Spirit of God dwelleth in you?17 If any man destroyeth the temple of God, him shall God destroy; for the temple of God is holy, and such are ye.18 Let no man deceive himself. If any man thinketh that he is wise among you in this world, let him become a fool, that he may become wise.19 For the wisdom of this world is foolishness with God. For it is written, He that taketh the wise in their craftiness:20 and again, The Lord knoweth the reasonings of the wise that they are vain.21 Wherefore let no one glory in men. For all things are yours;22 whether Paul, or Apollos, or Cephas, or the world, or life, or death, or things present, or things to come; all are yours;23 and ye are Christ’s; and Christ is God’s.