previous next

1 Korintiana 5

Anatra noho ny tsy nanesorany ilay lehilahy nanao fitondran-tena vetaveta

1 Efa re marina fa misy fijangajangana atỳ aminareo, eny, dia fijangajangana izay tsy misy tahaka azy na dia amin'ny jentilisa asa, fa misy anankiray manambady ny vadin-drainy.2 Ary ianareo indray va no mirehareha, ka tsy nampalahelo anareo akory izany, mba hesorina tsy ho ao aminareo ilay nanao izany zavatra izany?3 Fa izaho, na dia tsy teo aza ny tenako, nefa teo ihany ny fanahiko, dia efa nitsara sahady an'ilay nanao toy izany, tahaka ny teo ihany aho:4 amin'ny anaran'i Jesosy Tompontsika - rehefa tafangona ianareo sy ny fanahiko omban'ny herin'i Jesosy Tompontsika -5 hanolotra izany anankiray izany ho an'i Satana hanimbana ny nofo, mba hamonjena ny fanahy amin'ny andron'i Jesosy Tompo.6 Tsy mety ny fireharehanareo. Tsy fantatrareo va fa ny masirasira kely dia mahazo ny vongana rehetra?7 Esory ny masirasira ela, mba ho vongana vaovao ianareo, araka izay tsy maha-misy masirasira anareo. Fa voavono Kristy, Paska ho antsika;8 ka dia aoka isika hanao andro firavoravoana, tsy amin'ny masirasira ela, na amin'ny masirasira lolompo sy faharatsiana, fa amin'ny mofo tsy misy masirasira, dia ny fahadiovam-po sy ny fahamarinana.9 Nanoratra taminareo teo amin'ny epistily aho mba tsy hiharoharoanareo amin'izay mpijangajanga;10 nefa tsy ny mpijangajanga rehetra amin'izao tontolo izao, na ny mpierina sy ny mpanao an-keriny, na ny mpanompo sampy; fa raha izany, dia tsy maintsy miala amin'izao tontolo izao ianareo.11 Fa ny nanoratako taminareo, dia ny mba tsy hiharoharoanareo aminy, raha misy atao hoe rahalahy, nefa mpijangajanga, na mpierina, na mpanompo sampy, na mpanaratsy, na mpimamo, na mpanao an-keriny, dia aza miara-mihinana akory amin'ny toy izany ianareo.12 Fa ahoako ny hitsara ny any ivelany? Tsy ny ao anatiny va no tsarainareo?

13 Fa ny any ivelany dia tsarain'Andriamanitra. Esory aminareo ilay mpanao ratsy.

1 Corinthians 5

1 It is actually reported that there is fornication among you, and such fornication as is not even among the Gentiles, that one of you hath his father’s wife.2 And ye are puffed up, and did not rather mourn, that he that had done this deed might be taken away from among you.3 For I verily, being absent in body but present in spirit, have already as though I were present judged him that hath so wrought this thing,4 in the name of our Lord Jesus, ye being gathered together, and my spirit, with the power of our Lord Jesus,5 to deliver such a one unto Satan for the destruction of the flesh, that the spirit may be saved in the day of the Lord Jesus.6 Your glorying is not good. Know ye not that a little leaven leaveneth the whole lump?7 Purge out the old leaven, that ye may be a new lump, even as ye are unleavened. For our passover also hath been sacrificed, even Christ:8 wherefore let us keep the feast, not with old leaven, neither with the leaven of malice and wickedness, but with the unleavened bread of sincerity and truth.9 I wrote unto you in my epistle to have no company with fornicators;10 not at all meaning with the fornicators of this world, or with the covetous and extortioners, or with idolaters; for then must ye needs go out of the world:11 but as it is, I wrote unto you not to keep company, if any man that is named a brother be a fornicator, or covetous, or an idolater, or a reviler, or a drunkard, or an extortioner; with such a one no, not to eat.12 For what have I to do with judging them that are without? Do not ye judge them that are within?13 But them that are without God judgeth. Put away the wicked man from among yourselves.