1 Korintiana 6
Ny amin'ny fijangajangana tsy azo atao ho isan'ny zavatra tsy mampaninona, tahaka ny hanina samy hafa
1 Misy aminareo va, raha manana ady amin'ny namany, sahy handeha hotsarain'ny olona tsy marina, fa tsy eo anatrehan'ny olona masina?2 Sa tsy fantatrareo fa ny olona masina dia hitsara izao tontolo izao? Ary raha hitsara izao tontolo izao ianareo, moa tsy miendrika hitsara izay zavatra madinika indrindra va ianareo?3 Tsy fantatrareo va fa hitsara anjely isika? mainka fa izay zavatra momba izao fiainana izao.4 Koa raha misy hotsarainareo ny amin'ny momba izao fiainana izao, moa izay ataon'ny fiangonana ho tsinontsinona va no tendrenareo ho mpitsara?5 Hampahamenatra anareo no itenenako izany. Hay! dia tsy misy olon-kendry aminareo, na dia iray akory aza, izay mahay manamboatra ny adin'ny rahalahiny?6 Fa ny rahalahy mandeha hiady amin'ny rahalahiny, na dia hotsarain'ny tsy mino aza.7 Ary ankehitriny dia kilema aminareo ny anananareot ady amin'ny namanareo. Nahoana no tsy aleo mandefitra ny tsy rariny aza ianareo? Nahoana no tsy aleo maharitra hambakaina aza ianareo?8 Kanjo ianareo indray no manao izay tsy marina ka manambaka na dia ny rahalahinareo aza.9 Moa tsy fantatrareo va fa ny olona tsy marina tsy mba handova ny fanjakan'Andriamanitra? Aza mety hofitahina ianareo: fa ny mpijangajanga sy ny mpanompo sampy sy ny mpaka vadin'olona sy ny sodomitat10 sy ny mpangalatra sy ny mpierina sy ny mpimamo sy ny mpanaratsy ary ny mpanao an-keriny dia tsy mba handova ny fanjakan'Andriamanitra.
11 Ary efa mba toy izany ihany ny sasany aminareo, saingy efa voasasat ianareo, efa nohamasinina ianareo, efa nohamarinina ianareo, tamin'ny anaran'i Jesosy Kristy Tompo sy tamin'ny Fanahin'Andriamanitsika.
12 Ny zavatra rehetra azoko atao, nefa tsy dia ary mahasoa avokoa ny zavatra rehetra; ny zavatra rehetra azoko atao, nefa izaho tsy mety handevozin-javatra na inona na inona.
13 Ny hanina dia ho an'ny kibo, ary ny kibo ho an'ny hanina; nefa samy holevonin'Andriamanitra izy roroa. Fa ny tena kosa dia tsy ho an'ny fijangajangana, fa ho an'ny Tompo; ary ny Tompo ho an'ny tena.
14 Ary Andriamanitra efa nanangana ny Tompo sady hanangana antsika koa amin'ny heriny.15 Tsy fantatrareo va fa momba ny tena'i Kristy ny tenanareo? Moa hanala ny momba ny tenan'i Kristy va aho ka hanolotra izany ho momba ny tenan'ny vehivavy janga? Sanatria izany!16 Moa tsy fantatrareo va fa izay miray amin'ny vehivavy janga dia tena iray aminy? fa hoy Andriamanitra: Ho nofo iray ihany izy roroa (Gen. 2. 24).17 Fa izay miray amin'ny Tompo kosa dia fanahy iray aminy.18 Mandosira ny fijangajangana. Izay fahotana rehetra ataon'ny olona dia eny ivelan'ny tena ihany; fa ny mpijangajanga kosa dia manota mihatra amin'ny tenany.19 Ahoana ary? Moa tsy fantatrareo fa ny tenanareo dia tempolin'ny Fanahy Masina, Izay ao anatinareo sady efa azonareo tamin'Andriamanitra? ka tsy tompon'ny tenanareo ianareo.
20 Fa olom-boavidy ianareo, koa dia mankalazà an'Andriamanitra amin'ny tenanareo.
1 Corinthians 6
1 Dare any of you, having a matter against his neighbor, go to law before the unrighteous, and not before the saints?2 Or know ye not that the saints shall judge the world? and if the world is judged by you, are ye unworthy to judge the smallest matters?3 Know ye not that we shall judge angels? how much more, things that pertain to this life?4 If then ye have to judge things pertaining to this life, do ye set them to judge who are of no account in the church?5 I say this to move you to shame. What, cannot there be found among you one wise man who shall be able to decide between his brethren,6 but brother goeth to law with brother, and that before unbelievers?7 Nay, already it is altogether a defect in you, that ye have lawsuits one with another. Why not rather take wrong? why not rather be defrauded?8 Nay, but ye yourselves do wrong, and defraud, and that your brethren.9 Or know ye not that the unrighteous shall not inherit the kingdom of God? Be not deceived: neither fornicators, nor idolaters, nor adulterers, nor effeminate, nor abusers of themselves with men,10 nor thieves, nor covetous, nor drunkards, nor revilers, nor extortioners, shall inherit the kingdom of God.11 And such were some of you: but ye were washed, but ye were sanctified, but ye were justified in the name of the Lord Jesus Christ, and in the Spirit of our God.12 All things are lawful for me; but not all things are expedient. All things are lawful for me; but I will not be brought under the power of any.13 Meats for the belly, and the belly for meats: but God shall bring to nought both it and them. But the body is not for fornication, but for the Lord; and the Lord for the body:14 and God both raised the Lord, and will raise up as through his power.15 Know ye not that your bodies are members of Christ? shall I then take away the members of Christ, and make them members of a harlot? God forbid.16 Or know ye not that he that is joined to a harlot is one body? for, The twain, saith he, shall become one flesh.17 But he that is joined unto the Lord is one spirit.18 Flee fornication. Every sin that a man doeth is without the body; but he that committeth fornication sinneth against his own body.19 Or know ye not that your body is a temple of the Holy Spirit which is in you, which ye have from God? and ye are not your own;20 for ye were bought with a price: glorify God therefore in your body.