1 Jaona 5
Ny amin'ny fivavahana ary ny tsi-fitovian'ny zanak'Andriamanitra amin'ny ratsy fanahy
1 Izay rehetra mino fa Jesosy no Kristy dia naterak'Andriamanitra; ary izay rehetra tia Izay niteraka dia tia izay naterany koa.2 Izao no ahafantarantsika fa tia ireo zanak'Andriamanitra isika, dia ny itiavantsika an'Andriamanitra sy ny ankatoavantsika ny didiny.3 Fa izao no fitiavana an'Andriamanitra, dia ny hitandremantsika ny didiny, sady tsy mavesatra ny didiny.4 Fa izay rehetra naterak'Andriamanitra dia maharesy izao tontolo izao; ary ny fandresena izay enti-maharesy izao tontolo izao dia ny finoantsika.
5 Iza moa no maharesy izao tontolo izao afa-tsy izay mino fa Jesosy no Zanak'Andriamanitra?
6 Izy ilay avy tamin'ny rano sy ny rà, dia Jesosy Kristy; tsy tamin'ny rano ihany, fa tamin'ny rano sy ny rà. Ary ny Fanahy no manambara, satria ny Fanahy no fahamarinana.7 Fa misy telo izay manambara,8 dia ny Fanahy sy ny rano ary ny rà; ary mifanaraka tsara izy telo.9 Raha mandray ny fanambaran'ny olona isika, lehibe lavitra ny fanambaran'Andriamanitra; fa ny fanambaran'Andriamanitra dia ny nanambarany ny Zanany.10 Izay mino ny Zanak'Andriamanitra no manana ny fanambarana ao anatiny; izay tsy mino an'Andriamanitra dia efa nampandainga Ary, satria tsy mino ny fanambarana izay nanambaran'Andriamanitra ny Zanany izy.11 Ary izao no fanambarany: Fiainana mandrakizay no omen'Andriamanitra antsika, ary ao amin'ny Zanany izany fiainana izany.
12 Izay manana ny Zanaka no manana ny fiainana; izay tsy manana ny Zanak'Andriamanitra no tsy manana ny fiainana.
13 Izany no nosoratako aminareo, izay mino ny anaran'ny Zanak'Andriamanitra, mba ho fantatrareo fa manana fiainana mandrakizay ianareo.
14 Ary izao no fahasahiana ananantsika eo anatrehany: Raha mangataka zavatra araka ny sitrapony isika, dia mihaino antsika Izy;15 ary raha fantatsika fa mihaino antsika Izy, na inona na inona no angatahintsika, dia fantatsika fa azontsika izay angatahintsika aminy.16 Raha misy mahita ny rahalahiny manao ota tsy mahafaty, dia aoka hifona ho azy izy, ary Andriamanitra no hanome azy fiainana ho an'izay manao ota tsy mahafatyt. Misy ota mahafatyt; tsy mba lazaiko fa tokony hangataka ny amin'izany izy.17 Ota avokoa ny tsi-fahamarinana rehetra; ary misy ota tsy mahafatyt.18 Fantatsika fa izay rehetra naterak'Andriamanitra dia tsy manota; fa izay naterak'Andriamanitra, dia miaro ny tenanyt ka tsy mikasika azy akory ilay ratsy.19 Fantatsika fa avy amin'Andriamanitra isika, ary izao tontolo izao kosa dia mipetraka eo amin'ilay ratsy avokoa.20 Ary fantatsika fa tonga ny Zanak'Andriamanitra ka efa nanome antsika ny fahazavan-tsaina, mba ho fantatsika ilay marina; ary isika ao amin'ilay marina, dia ao amin'i Jesosy Kristy Zanany. Izy no Andriamanitra marina sy fiainana mandrakizay.
21 Anaka, arovy ny tenanareo amin'ny sampy.
1 John 5
1 Whosoever believeth that Jesus is the Christ is begotten of God: and whosoever loveth him that begat loveth him also that is begotten of him.2 Hereby we know that we love the children of God, when we love God and do his commandments.3 For this is the love of God, that we keep his commandments: and his commandments are not grievous.4 For whatsoever is begotten of God overcometh the world: and this is the victory that hath overcome the world, even our faith.5 And who is he that overcometh the world, but he that believeth that Jesus is the Son of God?6 This is he that came by water and blood, even Jesus Christ; not with the water only, but with the water and with the blood.7 And it is the Spirit that beareth witness, because the Spirit is the truth.8 For there are three who bear witness, the Spirit, and the water, and the blood: and the three agree in one.9 If we receive the witness of men, the witness of God is greater: for the witness of God is this, that he hath borne witness concerning his Son.10 He that believeth on the Son of God hath the witness in him: he that believeth not God hath made him a liar; because he hath not believed in the witness that God hath borne concerning his Son.11 And the witness is this, that God gave unto us eternal life, and this life is in his Son.12 He that hath the Son hath the life; he that hath not the Son of God hath not the life.13 These things have I written unto you, that ye may know that ye have eternal life, even unto you that believe on the name of the Son of God.14 And this is the boldness which we have toward him, that, if we ask anything according to his will, he heareth us:15 and if we know that he heareth us whatsoever we ask, we know that we have the petitions which we have asked of him.16 If any man see his brother sinning a sin not unto death, he shall ask, and God will give him life for them that sin not unto death. There is a sin unto death: not concerning this do I say that he should make request.17 All unrighteousness is sin: and there is a sin not unto death.18 We know that whosoever is begotten of God sinneth not; but he that was begotten of God keepeth himself, and the evil one toucheth him not.19 We know that we are of God, and the whole world lieth in the evil one.20 And we know that the Son of God is come, and hath given us an understanding, that we know him that is true, and we are in him that is true, even in his Son Jesus Christ. This is the true God, and eternal life.21 My little children, guard yourselves from idols.