previous next

1 Petera 4

Fananarana mba hiaritra, raha enjehina noho ny fahamarinana

1 Koa satria niaritra tamin'ny nofo Kristy, dia alao mba ho fiadianareo izany saina izany; fa izay niaritra tamin'ny nofo dia efa afakat tamin'ny ny ota;2 mba tsy handanianareo ny andro sisa iainanareo amin'ny nofo araka ny filan'ny olona intsony, fa araka ny sitrapon'Andriamanitra.3 Fa ampy izay ny andro lasa ho nanaovana ny fanaon'ny jentilisa tamin'ny nandehanana tamin'ny fijejojejoana sy ny fanirian-dratsy sy ny fimamoana sy ny filalaovan-dratsy sy ny fisotroan-toaka ary ny fanompoan-tsampy izay fady indrindra;4 ary amin'izany dia gaga izy ireo, satria tsy miara-mihazakazaka aminy ianareo amin'izany fanaranam-po amin'ny ratsy izany, ka dia teneniny ratsy;5 nefa hampamoahin'ilay efa vonona hitsara ny velona sy ny maty6 Fa noho izany no nitoriana ny filazantsara tamin'izay maty aza; mba hotsaraina araka ny olona amin'ny nofo izy fa ho velona araka an'Andriamanitra amin'ny fanahy.7 Fa antomotra ny faran'ny zavatra rehetra; koa hendre ka mahonòna tena ho amin'ny fivavahana.8 Ary mihoatra noho ny zavatra rehetra, mifankatiava tsara; fa "ny fitiavana manarona fahotana maro" (Oha 10.12)9 Mifampiantranoa, ka aza mimonomonona.10 Samia mifanompo araka ny fanomezam-pahasoavana izay noraisinareo, dia tahaka ny mpitandrina tsara ny fahasoavana maro samy hafa izay an'Andriamanitra.

11 Rana misy olona miteny, dia aoka izy hiteny toy ny milaza tenin'Andriamanitra, raha misy olona manompo, dia aoka izy hanao izany araka ny hery izay omen'Andriamanitra azy; mba hankalazana an'Andriamanitra amin'ny zavatra rehetra amin'ny alalan'i Jesosy Kristy; fa Azy ny voninahitra sy ny fanjakana mandrakizay mandrakizay. Amena,

12 Ry malala, aza gaga noho ny fizahan-toetra mahamay izay mahazo anareo ho fitsapan-toetra, ary aza atao ho zavatra mahagaga manjo anareo izany,13 fa araka ny iombonanareo fijaliana amin'i Kristy, dia mifalia, mba hiravoravoanareo indrindra amin'ny fisehoan'ny voninahiny koa.14 Sambatra ianareo, raha haratsina noho ny anaran'i Kristy, fa ny Fanahin'ny voninahitra, dia ny Fanahin'Andriamanitra, mipetraka ao aminareo.15 Fa aoka tsy hisy aminareo hijaly satria mpamono olona, na mpangalatra, na mpanao ratsy, na mpiraharaha ny an'olona.16 Fa raha misy mijaly satria Kristiana, dia aoka tsy ho menatra izy; fa aoka hankalaza an'Andriamanitra amin'izany anarana izany izy.17 Fa tonga ny andro hiantombohan'ny fitsarana hatrao amin'ny ankohonant'Andriamanitra; ary raha miantomboka amintsika izany, dia hanao ahoana kosa no hiafaran'izay tsy manaiky ny filazantsaran'Andriamanitra?18 Ary "raha saiky tsy voavonjy ny marina, aiza no hisehoan ny ratsy fanahy sy sy ny mpanota? (Oha 11. 31).

19 Koa izay mitondra fahoriana araka ny sitrapon'Andriamanitra, dia aoka ny fanaovan-tsoa no hanolorany ny fanahiny ho an'ilay mahatoky, dia ny Mpanao azy.

1 Peter 4

1 Forasmuch then as Christ suffered in the flesh, arm ye yourselves also with the same mind; for he that hath suffered in the flesh hath ceased from sin;2 that ye no longer should live the rest of your time in flesh to the lusts of men, but to the will of God.3 For the time past may suffice to have wrought the desire of the Gentiles, and to have walked in lasciviousness, lusts, winebibbings, revellings, carousings, and abominable idolatries:4 wherein they think it strange that ye run not with them into the same excess of riot, speaking evil of you:5 who shall give account to him that is ready to judge the living and the dead.6 For unto this end was the gospel preached even to the dead, that they might be judged indeed according to men in the flesh, but live according to God in the spirit.7 But the end of all things is at hand: be ye therefore of sound mind, and be sober unto prayer:8 above all things being fervent in your love among yourselves; for love covereth a multitude of sins:9 using hospitality one to another without murmuring:10 according as each hath received a gift, ministering it among yourselves, as good stewards of the manifold grace of God;11 if any man speaketh, speaking as it were oracles of God; is any man ministereth, ministering as of the strength which God supplieth: that in all things God may be glorified through Jesus Christ, whose is the glory and the dominion for ever and ever. Amen.12 Beloved, think it not strange concerning the fiery trial among you, which cometh upon you to prove you, as though a strange thing happened unto you:13 but insomuch as ye are partakers of Christ’s sufferings, rejoice; that at the revelation of his glory also ye may rejoice with exceeding joy.14 If ye are reproached for the name of Christ, blessed are ye; because the Spirit of glory and the Spirit of God resteth upon you.15 For let none of you suffer as a murderer, or a thief, or an evil-doer, or as a meddler in other men’s matters:16 but if a man suffer as a Christian, let him not be ashamed; but let him glorify God in this name.17 For the time is come for judgment to begin at the house of God: and if it begin first at us, what shall be the end of them that obey not the gospel of God?18 And if the righteous is scarcely saved, where shall the ungodly and sinner appear?19 Wherefore let them also that suffer according to the will of God commit their souls in well-doing unto a faithful Creator.