previous next

1 Petera 5

Fananarana ny loholona mba ho malemy fanahy sy ho mahatoky, ary fananarana ny olona rehetra mba hanetry tena sy hitandrina. Vavaka farany sy fanaovam-beloma

1 Koa ny amin'ny loholonat izay eo aminareo, izaho, izay naman ny loholonat sy vavolombelon'ny fijalian'i Kristy ary mpiombona ny voninahitra efa haseho koa, dia mananatra azy hoe:2 Andraso ny ondrin'Andriamanitra izay eo aminareot, mitandrina azy tsy an-tery, fa amin'ny sitrapo,[araka an'Andriamanitra]; tsy amin'ny fitiavana harena maloto, fa amin'ny zotom-panahy;3 tsy ho mpanjakazaka, amin'ny anjara-fiandrasana, fa ho fianaran'ny ondry.

4 Ary rehefa miseho ny Lohan'ny mpiandry, dia hahazo ny satro-boninahitra tsy mety simba ianareo,
5 Ary ianareo izay mbola tanora fanahy kosa, dia maneke ny loholonat. Eny, samia misikina fanetren-tena ianareo ka mifanompoa; fa "Andriamanitra manohitra ny miavonavona, fa manome fahasoavana ho an'ny manetry tena" (Oha. 3.34).6 Koa amin'izany manetre tena ambanin'ny tàna-maherin'Andriamanitra, mba hanandratany anareo amin'ny fotoan'andro;7 ary apetraho aminy ny fanahianareo rehetra; fa Izy no miahy anareo (Sal. 55.22).8 Mahonòna tena, miambena: fa ny devoly fahavalonareo mandehandeha tahaka ny liona mierona mitady izay harapany;9 tohero izy, ka miorena tsara amin'ny finoana ianareo, satria fantatrareo fa izany fahoriana izany dia manjo ny rahalahinareo rehetra eran'izao tontolo izao.10 Ary Andriamanitry ny fahasoavana rehetra, Izay efa niantso anareo ho any amin'ny voninahiny mandrakizay ao amin'i Kristy, rehefa niaritra fahoriana vetivety ianareo, dia Izy no hahatanteraka sy hampiorina ary hampitoetra anareo.11 Ho Azy anie ny fanjakana mandrakizay mandrakizay. Amena.12 Efa manoratra teny fohifohy ho aminareo aho hampitondraina an'i Silasy, izay ataoko ho rahalahy mahatoky, dia mananatra anareo aho ka manambara fa izany no tena fahasoavan'Andriamanitra,- tomoera tsara amin'izany ianareo.13 Izay any Babylona, voafidy ho namanareo, manao veloma anareo, ary Marka zanako koa.

14 Mifanaova veloma amin'ny fanoroham-pitiavana. Ho aminareo rehetra izay ao amin'i Kristy anie ny fiadanana.

1 Peter 5

1 The elders among you I exhort, who am a fellow-elder, and a witness of the sufferings of Christ, who am also a partaker of the glory that shall be revealed:2 Tend the flock of God which is among you, exercising the oversight, not of constraint, but willingly, according to the will of God; nor yet for filthy lucre, but of a ready mind;3 neither as lording it over the charge allotted to you, but making yourselves ensamples to the flock.4 And when the chief Shepherd shall be manifested, ye shall receive the crown of glory that fadeth not away.5 Likewise, ye younger, be subject unto the elder. Yea, all of you gird yourselves with humility, to serve one another: for God resisteth the proud, but giveth grace to the humble.6 Humble yourselves therefore under the mighty hand of God, that he may exalt you in due time;7 casting all your anxiety upon him, because he careth for you.8 Be sober, be watchful: your adversary the devil, as a roaring lion, walketh about, seeking whom he may devour,9 whom withstand stedfast in your faith, knowing that the same sufferings are accomplished in your brethren who are in the world.10 And the God of all grace, who called you unto his eternal glory in Christ, after that ye have suffered a little while, shall himself perfect, establish, strengthen you.11 To him be the dominion for ever and ever. Amen.12 By Silvanus, our faithful brother, as I account him, I have written unto you briefly, exhorting, and testifying that this is the true grace of God. Stand ye fast therein.13 She that is in Babylon, elect together with you, saluteth you; and so doth Mark my son.14 Salute one another with a kiss of love. Peace be unto you all that are in Christ.