1 Tesaloniana 5
Fananarana sy fanaovam-beloma
1 Fa ny amin'ny andro sy ny fotoana, ry rahalahy, dia tsy misy tokony hosoratako aminareo,2 satria ianareo mahalala marimarina fa ho avy toy ny mpangalatra amin'ny alina ny andron'ny Tompo.
3 Raha misy olona manao hoe: Miadana sy mandry fahizay, dia hanjo azy tampoka ny fandringanana, toy ny fahararian'ny vehivavy raha miteraka, ka tsy ho afa-mandositra mihitsy izy.
4 Fa ianareo, ry rahalahy, tsy ao amin'ny maizina, mba hahatratra anareo toy ny mpangalatra izany andro izany.5 Fa ianareo rehetra dia zanaky ny mazava sy zanaky ny andro; tsy an'ny alina na an'ny maizina isika.6 Koa dia aza mba matory toy ny sasany isika, fa aoka hiambinat ka hahonon-tena.7 Fa izay matory dia matory amin'ny alina; ary izay mamo dia mamo amin'ny alina.8 Fa satria an'ny andro isika, dia aoka hahonon-tena ka hitafy ny finoana sy ny fitiavana ho fiarovan-tratra, ary ny fanantenana ny famonjena ho fiarovan-doha.9 Fa Andriamanitra tsy nanendry antsika ho amin'ny fahatezerana, fa mba hahazo famonjena amin'ny alalan'i Jesosy Kristy Tompontsika,10 Izay maty hamonjy antsika, mba hiara-belona aminy isika, na mahatsiaro na matory.
11 Koa mifananara sy mifampahatanjaha, tahaka ny ataonareo ihany.
12 Ary mangataka aminareo izahay, ry rahalahy, mba hekenareo izay mikely aina eo aminareo sy mitondra anareo amin'ny Tompo ary mananatra anareo,13 ary mba hohajainareo indrindra amin'ny fitiavana izy noho ny asany. Mihavàna tsara.14 Ary mananatra anareo izahay, ry rahalahy; anaro izay tsy mitoetra tsara; omeo toky ny malemy saina; ampaherezo ny reraka; mandefera amin'ny olona rehetra.15 Tandremo mba tsy hisy hamaly ratsy olona; fa miezaha mandrakariva hitady izay tsara, na amin'ny namanareo na amin'ny olona rehetra.16 Mifalia mandrakariva.17 Mivavaha, ka aza mitsahatra.18 Misaora amin'ny zavatra rehetra; fa izany no sitrapon'Andriamanitra ao amin'i Kristy Jesosy ho anareo.19 Aza mamono ny Fanahy.20 Aza manao tsinontsinona ny faminaniana.21 Fantaro ny zavatra rehetra; hazòny mafy izay tsara.
22 Fadio ny fanao ratsy rehetra.
23 Ary Andriamanitry ny fiadanana anie hahamasina anareo samy ho tanteraka, ka aoka harovana avokoa ny fanahinareo sy ny ainareo ary ny tenanareo ho tanteraka ka tsy hanan-tsiny amin'ny fihavian'i Jesosy Kristy Tompontsika.24 Mahatoky Izay miantso anareo, sady Izy ihany no hanefa izany.25 Ry rahalahy, mivavaha ho anay.26 Manaova veloma ny rahalahy rehetra amin'ny fanorohana masina.27 Mampianiana anareo amin'ny Tompo aho mba hovakina amin'ny rahalahyt rehetra ity epistily ity.
28 Ho aminareo anie ny fahasoavan'i Jesosy Kristy Tompontsika.
1 Thessalonians 5
1 But concerning the times and the seasons, brethren, ye have no need that aught be written unto you.2 For yourselves know perfectly that the day of the Lord so cometh as a thief in the night.3 When they are saying, Peace and safety, then sudden destruction cometh upon them, as travail upon a woman with child; and they shall in no wise escape.4 But ye, brethren, are not in darkness, that that day should overtake you as a thief:5 for ye are all sons of light, and sons of the day: we are not of the night, nor of darkness;6 so then let us not sleep, as do the rest, but let us watch and be sober.7 For they that sleep sleep in the night: and they that are drunken are drunken in the night.8 But let us, since we are of the day, be sober, putting on the breastplate of faith and love; and for a helmet, the hope of salvation.9 For God appointed us not into wrath, but unto the obtaining of salvation through our Lord Jesus Christ,10 who died for us, that, whether we wake or sleep, we should live together with him.11 Wherefore exhort one another, and build each other up, even as also ye do.12 But we beseech you, brethren, to know them that labor among you, and are over you in the Lord, and admonish you;13 and to esteem them exceeding highly in love for their work’s sake. Be at peace among yourselves.14 And we exhort you, brethren, admonish the disorderly, encourage the fainthearted, support the weak, be longsuffering toward all.15 See that none render unto any one evil for evil; but always follow after that which is good, one toward another, and toward all.16 Rejoice always;17 pray without ceasing;18 in everything give thanks: for this is the will of God in Christ Jesus to you-ward.19 Quench not the Spirit;20 despise not prophesyings;21 prove all things; hold fast that which is good;22 abstain from every form of evil.23 And the God of peace himself sanctify you wholly; and may your spirit and soul and body be preserved entire, without blame at the coming of our Lord Jesus Christ.24 Faithful is he that calleth you, who will also do it.25 Brethren, pray for us.26 Salute all the brethren with a holy kiss.27 I adjure you by the Lord that this epistle be read unto all the brethren.28 The grace of our Lord Jesus Christ be with you.