2 Korintiana 10
Teny nentin'i Paoly namaly izay nanohitra sy nanevateva ny fahefany ka azy tsy ho Apostoly marina
1 Ary ny tenako, izaho Paoly, dia mananatra anareo amin'ny hamoram-panahy sy ny fandeferan'i Kristy, dia izaho, izay manetry tena, hono, raha eo anatrehanareo, fa sahy aminareo kosa, raha tsy eo.2 Dia mangataka aho mba tsy ho sahy, rehefa tonga, amin'ny fahatokiana izay kasaiko hahasahiana amin'ny sasany, izay manao anay ho mandeha araka ny nofo.3 Fa na dia velona amin'ny nofo aza izahay, dia tsy mba miady araka ny nofo4 (fa tsy avy amin'ny nofo ny fiadian'ny tafikay, fa mahery amin'Andriamanitra handrava fiarovana mafy);5 fa mandrava ny fisainana sy ny zavatra avo rehetra izay atsangana hanohitra ny fahalalana an'Andriamanitra izahay ka mamabo ny hevitra rehetra hanaiky an'i Kristy,6 ary vonona hamaly ny tsi-fanarahana rehetra izahay, rehefa tanteraka ny fanarahanareo.7 Mijery zavatra araka ny fisehony ihany va ianareot? Raha misy olona matoky ny tenany fa an'i Kristy, aoka izay hisaintsaina izao indray, fa tahaka ny mah'an'i Kristy azy no mah'an'i Kristy anay koa.8 Fa na dia bebe ihany aza ny fireharehako ny amin'ny fahefanay izay nomen'i Kristy anay hananganana, fa tsy handravana anareo, dia tsy hahazo henatra aho,9 mba tsy hisehoako toy ny ta-hampitahotra anareo amin'ny epistily.10 Fa ny epistiliny, hoy izy, dia mavesatra sy mahery; fa malemy kosa ny fanatrehan'ny tenany, ary tsinontsinona ny teniny.11 Aoka izany olona izany hihevitra izao, fa tahaka ny fiteninay amin'ny epistily, raha tsy eo izahay, dia ho tahaka izany koa ny asanay rehefa tonga izahay.12 Fa izahay tsy sahy hanao ny tenanay ho isan'ny sasany izay midera tena, na hampitaha ny tenanay aminy; fa tsy hendry ireny, satria manohatra ny tenanay amin'ny tenany sy mampitaha ny tenany amin'ny tenanay.13 Fa izahay tsy mba hirehareha tsy amin'ohatra, fa araka ny ohatry ny voafaritr'Andriamanitra ho anjaranay, dia ohatra mihatra aminareo.14 Fa tsy toy izay tsy mihatra aminareo izahay ka mihoatra ny faritry ny anjaranay; fa tonga hatrany aminareo aza izahay amin'ny filazantsaran'i Kristy;15 tsy mirehareha tsy amin'ohatra amin'izay nisasaran'ny sasany izahay, fa manana fanantenana izahay fa rehefa mitombo ny finoanareo, dia hohalehibiazina ao aminareo izahay araka ny voafaritra ho anjarany, sady mbola handroso ihany16 ka hitory ny filazantsara amin'ny tany any ankoatranareo, ary tsy hirehareha amin'izay efa vonona rahateo ao anatin'ny voafaritra ho an'ny sasany.17 Fa izay mirehareha, dia aoka Jehovah no ho reharehany (Jery. 9, 23)
18 Fa tsy izay midera tena no ankasitrahana, fa izay derain'ny Tompo.
2 Corinthians 10
1 Now I Paul myself entreat you by the meekness and gentleness of Christ, I who in your presence am lowly among you, but being absent am of good courage toward you:2 yea, I beseech you, that I may not when present show courage with the confidence wherewith I count to be bold against some, who count of us as if we walked according to the flesh.3 For though we walk in the flesh, we do not war according to the flesh4 (for the weapons of our warfare are not of the flesh, but mighty before God to the casting down of strongholds),5 casting down imaginations, and every high thing that is exalted against the knowledge of God, and bringing every thought into captivity to the obedience of Christ;6 and being in readiness to avenge all disobedience, when your obedience shall be made full.7 Ye look at the things that are before your face. If any man trusteth in himself that he is Christ’s, let him consider this again with himself, that, even as he is Christ’s, so also are we.8 For though I should glory somewhat abundantly concerning our authority (which the Lord gave for building you up, and not for casting you down), I shall not be put to shame:9 that I may not seem as if I would terrify you by my letters.10 For, His letters, they say, are weighty and strong; but his bodily presence is weak, and his speech of no account.11 Let such a one reckon this, that, what we are in word by letters when we are absent, such are we also in deed when we are present.12 For we are not bold to number or compare ourselves with certain of them that commend themselves: but they themselves, measuring themselves by themselves, and comparing themselves with themselves, are without understanding.13 But we will not glory beyond our measure, but according to the measure of the province which God apportioned to us as a measure, to reach even unto you.14 For we stretch not ourselves overmuch, as though we reached not unto you: for we came even as far as unto you in the gospel of Christ:15 not glorying beyond our measure, that is, in other men’s labors; but having hope that, as your faith groweth, we shall be magnified in you according to our province unto further abundance,16 so as to preach the gospel even unto the parts beyond you, and not to glory in another’s province in regard of things ready to our hand.17 But he that glorieth, let him glory in the Lord.18 For not he that commendeth himself is approved, but whom the Lord commendeth.