previous next

2 Korintiana 12

1 Tsy maintsy mirehareha aho, na dia tsy mahasoa aza izany; fa handroso hilaza fahitana sy fanambaran'ny Tompo aho.2 Mahalala olona anankiray ao amin'i Kristy aho, tokony ho efatra ambin'ny folo taona lasa izay - na tao amin'ny tena, na tsy tao amin'ny tena, tsy fantatro, Andriamanitra no mahalala - ilay anankiray dia nakarina ho any amin'ny lanitra fahatelo.3 Ary mahalala ilay olona anankiray aho - na tao amin'ny tena, na tsy tao amin'ny tena, tsy fantatro, Andriamanitra no mahalala -4 fa nakarina ho any Paradisa izy ka nandre teny tsy azo tenenina sady tsy tokony holazain'olona.5 Ilay anankiray no hataoko rehareha; fa ny amin'ny tenako dia tsy hirehareha aho afa-tsy amin'ny fahalemena ihany.6 Fa na dia te-hirehareha aza aho, dia tsy ho adala, fa hilaza ny marina; nefa tsy manao izany aho, fandrao misy olona mihevitra ahy ho mihoatra noho izay ahitany ahy na izay andrenesany ny teniko.7 Ary fandrao hirehareha noho ny habetsaky ny fanambarana aho, dia nasiana tsilo tamin'ny nofot, dia irak'i Satana hamely ahy, fandrao hirehareha aho.8 Izany no nangatahako intelo tamin'ny Tompo, mba hialan'izany amiko.9 Nefa hoy Izy tamiko; Ampy ho anao ny fahasoavako; fa ny heriko. dia tanterahina amin'ny fahalemena. Koa mainka sitrako ny hirehareha amin'ny fahalemeko, mba hitoeran'ny herin'i Kristy amiko.10 Koa dia finaritra aho amin'ny fahalemena, amin'ny fampahoriana, amin'ny fahaterena, amin'ny fanenjehana, amin'ny fahantrana, noho ny amin'i Kristy; fa ny fahalemeko no fahatanjahako.11 Efa tonga adala aho; ianareo no nahatery ahy; fa tokony hoderainareo aho, satria tsy latsaka noho ireo Apostoly ambony indrindrat ireo, na dia tsinontsinona aza aho.12 Ny famantarana mah'Apostoly ahy dia natao teo aminareo tokoa tamin'ny faharetana rehetra, tamin'ny famantarana sy ny fahagagana ary tamin'ny asa lehibe.13 Fa inona moa no nahalatsaka anareo noho ny fiangonana sasany, afa-tsy ny tsy namakiako tratra anareo? Mamelà ahy ary amin'izany fahadisoana izany.14 Indro, efa fanintelony izao no vonona hankatỳ aminareo aho, nefa tsy hahavaky tratra anareo; fa tsy ny fanananareo no tadiaviko, fa ianareo; fa tsy ny zanaka no tokony hihary ho an'ny ray aman-dreniny, fa ny ray aman-dreniny no tokony hihary ho an'ny zanany.

15 Ary izaho dia faly indrindra handany sy holanina hahasoa ny fanahinareo, na dia araka ny fitombon'ny fitiavako anareo aza no fihenan'ny fitiavanareo ahy.
16 Kanefa, na dia izany aza, izaho tsy nahavaky tratra anareo, fa nanao saina, hono, aho, dia nahazo anareo tamin'ny fihendrena.17 Moa izay nirahiko tany aminareo va nisy nanaovako anareo ho vola aman-karena?

18 Nangataka an'i Titosy aho, sady nirahiko nomba azy ilay rahalahy. Moa Titosy va nanao anareo ho vola aman-karena? Tsy fanahy iray ihany va no nandehananay? Tsy iray ihany va no dianay?
19 Efa ela izay no nanaovanareo anay ho miala tsiny aminareo. Eo anatrehan'Andriamanitra no itenenanay ao amin'i Kristy; fa ny zavatra rehetra, ry malala, dia ho fampandrosoana anareo.20 Fa matahotra aho, fandrao, rehefa tonga aho, dia hahita anareo ho toy izay tsy tiako, ary ho hitanareo aho ho toy izay tsy tianareo ; fandrao hisy fifandirana, fialonana, fiafonafonana, fifampiandaniana, fanaratsiana, fibitsibitsihana, fieboeboana, fikotranana, -

21 eny, fandrao, rehefa tonga indray aho, dia hampietry ahy eo anatrehanareo Andriamanitro, ary izaho hanana alahelo amin'ny maro izay nanota teo aloha ka tsy mbola nibebaka tamin'ny fahalotoana sy ny fijangajangana ary ny fijejojejoana nataony.

2 Corinthians 12

1 I must needs glory, though it is not expedient; but I will come to visions and revelations of the Lord.2 I know a man in Christ, fourteen years ago (whether in the body, I know not; or whether out of the body, I know not; God knoweth), such a one caught up even to the third heaven.3 And I know such a man (whether in the body, or apart from the body, I know not; God knoweth),4 how that he was caught up into Paradise, and heard unspeakable words, which it is not lawful for a man to utter.5 On behalf of such a one will I glory: but on mine own behalf I will not glory, save in my weaknesses.6 For if I should desire to glory, I shall not be foolish; for I shall speak the truth: but I forbear, lest any man should account of me above that which he seeth me to be, or heareth from me.7 And by reason of the exceeding greatness of the revelations, that I should not be exalted overmuch, there was given to me a thorn in the flesh, a messenger of Satan to buffet me, that I should not be exalted overmuch.8 Concerning this thing I besought the Lord thrice, that it might depart from me.9 And he hath said unto me, My grace is sufficient for thee: for my power is made perfect in weakness. Most gladly therefore will I rather glory in my weaknesses, that the power of Christ may rest upon me.10 Wherefore I take pleasure in weaknesses, in injuries, in necessities, in persecutions, in distresses, for Christ’s sake: for when I am weak, then am I strong.11 I am become foolish: ye compelled me; for I ought to have been commended of you: for in nothing was I behind the very chiefest apostles, though I am nothing.12 Truly the signs of an apostle were wrought among you in all patience, by signs and wonders and mighty works.13 For what is there wherein ye were made inferior to the rest of the churches, except it be that I myself was not a burden to you? forgive me this wrong.14 Behold, this is the third time I am ready to come to you; and I will not be a burden to you: for I seek not yours, but you: for the children ought not to lay up for the parents, but the parents for the children.15 And I will most gladly spend and be spent for your souls. If I love you more abundantly, am I loved the less?16 But be it so, I did not myself burden you; but, being crafty, I caught you with guile.17 Did I take advantage of you by any one of them whom I have sent unto you?18 I exhorted Titus, and I sent the brother with him. Did Titus take any advantage of you? walked we not in the same spirit? walked we not in the same steps?19 Ye think all this time that we are excusing ourselves unto you. In the sight of God speak we in Christ. But all things, beloved, are for your edifying.20 For I fear, lest by any means, when I come, I should find you not such as I would, and should myself be found of you such as ye would not; lest by any means there should be strife, jealousy, wraths, factions, backbitings, whisperings, swellings, tumults;21 lest again when I come my God should humble me before you, and I should mourn for many of them that have sinned heretofore, and repented not of the uncleanness and fornication and lasciviousness which they committed.