previous next

2 Timoty 1

Famporisihana an'i Timoty mba hamelona tsara ny fanomezam-pahasoavana azony avy tamin'Andriamanitra.

1 Paoly, Apostolin'i Kristy Jesosy noho ny sitrapon'Andriamanitra, mba ho mpitory ny teny fikasana milaza ny fiainana izay ao amin'i Kristy Jesosy,

2 mamangy an'i Timoty, zanako malala: ho aminao anie ny fahasoavana sy ny famindram-po ary ny fiadanana avy amin'Andriamanitra Ray sy Kristy Jesosy Tompontsika.
3 Misaotra an'Andriamanitra aho, Izay tompoiko araka ny nataon'ny razako amin'ny fieritreretana madio, fa tsy manam-pitsaharana akory ny fahatsiarovako anao amin'ny fivavahako andro aman'alina;4 ary maniry hahita anao ahot (satria tsaroako ny ranomasonao), mba ho feno fifaliana aho;

5 fa nisy nahatsiarovako ny finoana tsy mihatsaravelatsihy izay ao anatinao, izay nitoetra taloha tao anatin'i Loisa renibenao sy Eonika reninao, ary matoky aho fa ao anatinao koa izany.

6 Ary noho izany dia mampahatsiaro anao aho mba hamelomanao ny fanomezam-pahasoavana avy amin'Andriamanitra, izay ao anatinao tamin'ny fametrahako ny tanako.7 Fa tsy nomen'Andriamanitra fanahy osa isika, fa fanahy mahery sy fitiavana ary fahononan-tena.8 Koa aza menatra ny ho vavolombelon'ny Tompontsika, na ahy mpifatony ianao; fa aoka ianao ho mpiombona ny fahoriana noho ny filazantsara araka ny herin'Andriamanitra,9 Izay namonjy antsika sy niantso antsika tamin'ny fiantsoana masina, tsy araka ny asantsika, fa araka ny fikasany sy ny fahasoavany izay nomena antsika tao amin'i Kristy Jesosy hatry ny fony fahagola;10 fa naharihary ankehitriny tamin'ny nisehoan'i Kristy Jesosy, Mpamonjy antsika, Izay nahafoana ny herin'ny fahafatesana, ka ny filazantsara no nampisehoany mazava ny fiainana sy ny tsi-fahalòvana mandrakizay;11 ny amin'io filazantsara io no nanendrena ahy ho mpitory sy Apostoly ary mpampianatrat.12 Ary noho izany koa no iaretako izao zavatra izao, ka tsy menatra aho, satria fantatro Izay inoako, ary matoky aho fa Izy dia mahatahiry ilay zavatra natolotro Azyt mandra-pihavin'izay andro izay.13 Tano amin'ny finoana ny ny fitiavana ao amin'i Kristy Jesosy ny mariky ny teny tsy misy kilema, izay efa renao tamiko.14 Ilay zavatra tsara natolotra anao dia tehirizo amin'ny fampaherezan'ny Fanahy Masina, Izay mitoetra ao anatintsika.15 Fantatrao fa efa nahafoy ahy izay rehetra any Asia; isan'ireny Fygelo sy Hermogena.16 Homen'ny Tompo famindram-po anie ny ankohonan'i Onesiforosy; satria namelombelona ny fanahiko matetika izy, fa tsy menatra ny gadrako;17 fa raha tany Roma izy, dia nitady ahy fatratra ka nahita

18 (ny Tompo anie hampahita azy famindram-po amin'ny Tompo amin'izay andro izay); ary ny hafatratry ny nanompoany ahy tany Efesosy dia fantatrao tsara.

2 Timothy 1

1 Paul, an apostle of Christ Jesus through the will of God, according to the promise of the life which is in Christ Jesus,2 to Timothy, my beloved child: Grace, mercy, peace, from God the Father and Christ Jesus our Lord.3 I thank God, whom I serve from my forefathers in a pure conscience, how unceasing is my remembrance of thee in my supplications, night and day4 longing to see thee, remembering thy tears, that I may be filled with joy;5 having been reminded of the unfeigned faith that is in thee; which dwelt first in thy grandmother Lois, and thy mother Eunice; and, I am persuaded, in thee also.6 For which cause I put thee in remembrance that thou stir up the gift of God, which is in thee through the laying on of my hands.7 For God gave us not a spirit of fearfulness; but of power and love and discipline.8 Be not ashamed therefore of the testimony of our Lord, nor of me his prisoner: but suffer hardship with the gospel according to the power of God;9 who saved us, and called us with a holy calling, not according to our works, but according to his own purpose and grace, which was given us in Christ Jesus before times eternal,10 but hath now been manifested by the appearing of our Saviour Christ Jesus, who abolished death, and brought life and immortality to light through the gospel,11 whereunto I was appointed a preacher, and an apostle, and a teacher.12 For which cause I suffer also these things: yet I am not ashamed; for I know him whom I have believed, and I am persuaded that he is able to guard that which I have committed unto him against that day.13 Hold the pattern of sound words which thou hast heard from me, in faith and love which is in Christ Jesus.14 That good thing which was committed unto thee guard through the Holy Spirit which dwelleth in us.15 This thou knowest, that all that are in Asia turned away from me; of whom are Phygelus and Hermogenes.16 The Lord grant mercy unto the house of Onesiphorus: for he oft refreshed me, and was not ashamed of my chain;17 but, when he was in Rome, he sought me diligently, and found me18 (the Lord grant unto him to find mercy of the Lord in that day); and in how many things he ministered at Ephesus, thou knowest very well.