previous next

2 Timoty 3

Famporisihana an'i Timoty handroso tsara araka ny efa nataony ihany

1 Fa aoka ho fantatrao izao: fa any am-parany any dia hisy andro mahory.2 Fa ny olona ho tia tena, ho tia vola, ho mpandoka tena, mpiavonavona, miteny ratsyt, tsy manoa ray sy reny, tsy misaotra, tsy manaja izay masina,3 tsy manam-pitiavana, mpanontolo fo, mpanendrikendrika, tsy mahonom-po, lozabe, tsy tia ny tsara,4 mpamadika, kirina, mpieboebo, tia ny fahafinaretana mihoatra noho ny fitiavany an'Andriamanitra,5 manana ny endriky ny toe-panahy araka an'Andriamanitra, nefa nandà ny heriny; ireny koa dia halaviro.6 Fa isan'ireny izay misokosoko miditra any an-tranon'ny sasany ka mahalasa ho babo ny vehivavy adaladala, vesaran'ny fahotana, entin'ny filàna maro,7 mianatra mandrakariva, nefa tsy mahatratra ny fahalalana ny marina.8 Ary tahaka ny nanoheran'i Jana sy Jambra an'i Mosesy no anoheran'ireo koa ny fahamarinana, dia olona maloto saina sady tsy manam-pinoana marina.

9 Kanefa tsy handroso intsony izy; fa ny hadalany dia haseho amin'ny olona rehetra, tahaka ny an'ireo koa.

10 Fa ianao kosa dia efa nanaraka tsara ny fampianarako, ny fitondran-tenako, ny fisainako, ny finoako, ny fandeferako, ny fitiavako, ny faharetako,11 ny nanenjehana ahy, ny fahoriana izay nanjo ahy tany Antiokia, tany Ikonioma, tany Lystra, dia ny fanenjehana izay niaretako; ary ny Tompo nahafaka ahy tamin'izany rehetra izany.12 Eny, izay rehetra te-ho velona amin'ny toe-panahy araka an'Andriamanitra, izay ao amin'i Kristy Jesosy, dia henjehina.13 Fa ny ratsy fanahy sy ny mpanoloky kosa dia handroso hiharatsiratsy kokoa sady mamitaka no fitahina.14 Fa ianao kosa dia mahareta amin'izay zavatra nianaranao sy nampinoana anao, satria fantatrao izay nampianatra anao izany;15 fa hatry ny fony vao zaza ianao dia efa nahalala ny Soratra Masina, izay mampahahendry anao ho amin'ny famonjena amin'ny finoana izay ao amin'i Kristy Jesosy.16 Izay soratra rehetra nomen'ny tsindrimandrin'Andriamanitra dia mahasoa koa ho fampianarana, ho fandresen-dahatra, ho fanitsiana izay diso, ho fitaizana amin'ny fahamarinana,

17 mba ho tanteraka ny olon'Andriamanitra, ho vonona tsara ho amin'ny asa tsara rehetra.

2 Timothy 3

1 But know this, that in the last days grievous times shall come.2 For men shall be lovers of self, lovers of money, boastful, haughty, railers, disobedient to parents, unthankful, unholy,3 without natural affection, implacable, slanderers, without self-control, fierce, no lovers of good,4 traitors, headstrong, puffed up, lovers of pleasure rather than lovers of God;5 holding a form of godliness, but having denied the power therefore. From these also turn away.6 For of these are they that creep into houses, and take captive silly women laden with sins, led away by divers lusts,7 ever learning, and never able to come to the knowledge of the truth.8 And even as Jannes and Jambres withstood Moses, so do these also withstand the truth. Men corrupted in mind, reprobate concerning the faith.9 But they shall proceed no further. For their folly shall be evident unto all men, as theirs also came to be.10 But thou didst follow my teaching, conduct, purpose, faith, longsuffering, love, patience,11 persecutions, sufferings. What things befell me at Antioch, at Iconium, at Lystra; what persecutions I endured. And out of them all the Lord delivered me.12 Yea, and all that would live godly in Christ Jesus shall suffer persecution.13 But evil men and impostors shall wax worse and worse, deceiving and being deceived.14 But abide thou in the things which thou hast learned and hast been assured of, knowing of whom thou hast learned them.15 And that from a babe thou hast known the sacred writings which are able to make thee wise unto salvation through faith which is in Christ Jesus.16 Every scripture inspired of God is also profitable for teaching, for reproof, for correction, for instruction which is in righteousness.17 That the man of God may be complete, furnished completely unto every good work.