previous next

3 Jaona 1

Fisaorana an'i Gaio noho ny nandraisany vahiny, sy filazana ny amin'i Diotrefa sy Demetrio

1 Izaho loholonat mamangy an'i Galo, ilay malala, izay tiako amin'ny fahamarinana.
2 Ry malala, mangataka aho mba hambinina sy ho salama amin'ny zavatra rehetra anie ianao, tahaka izay anambinana ny fanahinao ihany.3 Fa faly indrindra aho, fony nisy rahalahy tonga ka nanambara ny fahamarinanao, dia toy ny andehananao araka ny fahamarinana.4 Tsy manana fifaliana mihoatra noho izao aho, dia ny andrenesako fa mandeha araka ny fahamarinana ny zanako.5 Ry malala, manao asa mahatoky ianao na amin'inona na amin'inona ataonao amin'ireo rahalahy ireo, na dia vahiny aza izy,6 izay nanambara ny fitiavanao teo anatrehan'ny fiangonanat; dia ho soa no ataonao, raha mamoaka azy koa araka izay miendrika hatao noho ny amin'Andriamanitra ianao;7 fa noho ny Anarana no niangany, ka tsy naka na inona na inona tamin'ny jentilisa izy.8 Koa isika dia tokony handray tsara izay toy izany, mba ho mpiara-miasa aminy amin'ny fahamarinana.9 Nanoratra tamin'ny fiangonanat Ihany aho; nefa Diotrefa, izay te-ho lohany, dia tsy mba mandray anay.10 Koa amin'izany, raha tonga aho, dia hotsarovako izay asa ataony, fa mibedibedy foana manaratsy anay izy; ary tsy afa-po amin'izany ihany, fa ny tenany dia tsy mandray ireo rahalahy ireo, ary izay ta-handray azy dia raràny sy roahiny hiala amin'ny fiangonanat.11 Ry malala, aza ny ratsy no alain-tahaka, fa ny tsara. Izay manao ny tsara no avy amin'Andriamanitra; fa izay manao ny ratsy tsy mba nahita an'Andriamanitra.

12 Demetrio dia tsara laza amin'ny olona rehetra sy amin'ny fahamarinana koa; ary izahay koa manambara izany, ary fantatrao fa marina ny fanambaranay.
13 Nanana zavatra maro hosoratana aho, nefa tsy tiako hosoratana aminao amin'ny ranomainty sy ny peninat;

14 fa manantena hahita anao faingana ihany aho, dia hiteny mifanatrika isika. Ho aminao anie ny fiadanana. Ny sakaiza atỳ manao veloma anao. Veloma amin'ny sakaiza tsirairay araka ny anarany avy.

3 John 1

1 The elder unto Gaius the beloved, whom I love in truth.2 Beloved, I pray that in all things thou mayest prosper and be in health, even as thy soul prospereth.3 For I rejoiced greatly, when brethren came and bare witness unto thy truth, even as thou walkest in truth.4 Greater joy have I none than this, to hear of my children walking in the truth.5 Beloved, thou doest a faithful work in whatsoever thou doest toward them that are brethren and strangers withal;6 who bare witness to thy love before the church: whom thou wilt do well to set forward on their journey worthily of God:7 because that for the sake of the Name they went forth, taking nothing of the Gentiles.8 We therefore ought to welcome such, that we may be fellow-workers for the truth.9 I wrote somewhat unto the church: but Diotrephes, who loveth to have the preeminence among them, receiveth us not.10 Therefore, if I come, I will bring to remembrance his works which he doeth, prating against us with wicked words: and not content therewith, neither doth he himself receive the brethren, and them that would he forbiddeth and casteth them out of the church.11 Beloved, imitate not that which is evil, but that which is good. He that doeth good is of God: he that doeth evil hath not seen God.12 Demetrius hath the witness of all men, and of the truth itself: yea, we also bear witness: and thou knowest that our witness is true.13 I had many things to write unto thee, but I am unwilling to write them to thee with ink and pen:14 but I hope shortly to see thee, and we shall speak face to face. Peace be unto thee. The friends salute thee. Salute the friends by name.