previous next

Asan'ny Apostoly 18

Ny niverenan'i Paoly nankany Antiokia, sy ny nandehanany indray namaky an'i Galatia sy Frygia, ary ny nahatongavany tao Efesosy sy ny nampianarany tao

1 Ary rehefa afaka izany, dia niala tany Atena Paoly ka nankany Korinto.2 Ary izy nahita Jiosy anankiray atao hoe Akoila, izay teraka tany Ponto, vao avy tany Italia, ary Prisila vadiny (fa Klaodio efa nandidy ny Jiosy rehetra hiala tany Roma), dia nankeo amin'izy mivady Paoly.3 Ary satria niray raharaha taminy izy, dia nitoetra tao aminy ka niasa; fa ny manao lay no raharahany.

4 Ary niady hevitra isan-tSabata tao amin'ny synagoga izy ka nampanaiky ny Jiosy sy ny jentilisa.
5 Ary rehefa tafidina avy tany Makedonia Silasy sy Timoty, dia voaterin'ny teny Paoly ka nanambara tamin'ny Jiosy fa Jesosy no Kristy.6 Ary nony nanohitra sy niteny ratsy ireo, dia nanopakopa-damba izy ka nanao taminy hoe: Aoka ho ao an-dohanareo ny ranareo; afaka aho; ary amin'izao sisa izao dia hankany amin'ny jentilisa aho.7 Ary raha niala teo izy, dia niditra tao an-tranon'ny lehilahy atao hoe Titosy Josto, izay nivavaka tamin'Andriamanitra; ary ny tranony nifanolotra tamin'ny synagoga.8 Ary Krispo, mpanapaka ny synagoga, mbamin'ny ankohonany rehetra dia nino ny Tompo; ary maro koa ny Korintiana, raha nandre, dia nino ka natao batisa.9 Ary ny Tompo niteny tamin'i Paoly tamin'ny fahitana nony alina ka nanao hoe: Aza matahotra, fa mitenena ihany, ka aza mangina;10 fa Izaho momba anao, ary tsy hisy olona hihazona anao hanisy ratsy anao; fa manana olona maro amin'ity tanàna ity Aho.11 Ary izy nitoetra teo herintaona sy enim-bolana ka nampianatra ny tenin'Andriamanitra teo aminy.12 Fa raha Galio no governora tany Akaia dia niray tetika hisambotra an'i Paoly ny Jiosy, ary nitondra azy nankeo amin'ny fitsarana,13 ka dia nanao hoe: Ilehio mampanaiky ny olona hivavaka amin'Andriamanitra, nefa tsy araka ny lalàna.14 Ary raha hiloa-bava Paoly, dia hoy Galio tamin'ny Jiosy: Ry Jiosy, raha misy heloka, na zavatra ratsy natao, dia mety raha mandefitra aminareo.aho;15 fa raha ady hevitra sy anarana ary ny lalànareo kosa, dia ataovinareo ihany; fa izaho tsy te-hitsara izany raharaha izany.16 Ary nandroaka azy hiala teo anoloan'ny fitsarana izy.

17 Ary izy rehetra nisambotra an'i Sostena, mpanapaka ny synagoga, dia nikapoka azy teo anoloan'ny fitsarana. Nefa tsy nahoan'i Galio izany zavatra izany.

18 Ary Paoly mbola nitoetra teo andro maromaro ihany, ary rehefa nanao veloma ny rahalahy izy, dia niondrana an-tsambo nankany Syria, ary Prisila sy Akoila niaraka taminy koa; ny volon-dohany nohetezany tany Kenkrea, satria efa nivoady izy.

19 Ary tonga tany Efesosy izy, dia nandao azy mivady teo Paoly ka lasa niditra tao amin'ny synagoga ka niady hevitra tamin'ny Jiosy.
20 Ary nangataka azy hitoetra elaela kokoa ny olona, fa tsy nety izy,21 fa nanao veloma azy ka nanao hoe: Mbola hiverina hankatỳ aminareo indray aho, raha sitrapon'Andriamanitra. Dia niondrana an-tsambo niala tany Efesosy izy.22 Ary rehefa tafatody tany Kaisaria izy, dia niakatra ka niarahaba ny fiangonana vao nidina nankany Antiokia.

23 Ary rehefa nitoetra tao elaela ihany izy, dia lasa nandeha nitety ny tany Galatia sy Frygia ka nampahery ny mpianatra rehetra.
24 Ary tonga tany Efesosy ny Jiosy anankiray atao hoe Apolosy, izay teraka tany Aleksandria, lehilahy nahay nandaha-teny sady nahery tamin'ny Soratra Masina.25 Izany lehilahy izany efa nampianarina ny lalan'ny Tompo; ary nafana fo izy, dia niteny sy nampianatra marimarina ny amin'i Jesosy, kanefa ny batisan'i Jaona ihany no fantany.26 Ary izy niteny tamin'ny fahasahiana teo amin'ny synagoga; ary rehefa nandre azy Prisila sy Akoila, dia nandray azy hankao aminy ka nampianatra azy marimarina kokoa ny amin'ny lalan'Andriamanitra.27 Ary rehefa ta-handroso hankany Akaia izy, dia namporisika azy ny rahalahy sady nanoratra taratasy ho any amin'ny mpianatra mba handray azy tsara; ary rehefa tonga izy, dia nampahatanjaka tsara izay efa nino noho ny fahasoavana;

28 fa izy nahery nandresy lahatra ny Jiosy teo imason'ny olona ka naneho marimarina tamin'ny Soratra Masina fa Jesosy no Kristy.

Acts 18

1 After these things he departed from Athens, and came to Corinth.2 And he found a certain Jew named Aquila, a man of Pontus by race, lately come from Italy, with his wife Priscilla, because Claudius had commanded all the Jews to depart from Rome: and he came unto them;3 and because he was of the same trade, he abode with them, and they wrought, for by their trade they were tentmakers.4 And he reasoned in the synagogue every sabbath, and persuaded Jews and Greeks.5 But when Silas and Timothy came down from Macedonia, Paul was constrained by the word, testifying to the Jews that Jesus was the Christ.6 And when they opposed themselves and blasphemed, he shook out his raiment and said unto them, Your blood be upon your own heads; I am clean: from henceforth I will go unto the Gentiles.7 And he departed thence, and went into the house of a certain man named Titus Justus, one that worshipped God, whose house joined hard to the synagogue.8 And Crispus, the ruler of the synagogue, believed in the Lord with all his house; and many of the Corinthians hearing believed, and were baptized.9 And the Lord said unto Paul in the night by a vision, Be not afraid, but speak and hold not thy peace:10 for I am with thee, and no man shall set on thee to harm thee: for I have much people in this city.11 And he dwelt there a year and six months, teaching the word of God among them.12 But when Gallio was proconsul of Achaia, the Jews with one accord rose up against Paul and brought him before the judgment-seat,13 saying, This man persuadeth men to worship God contrary to the law.14 But when Paul was about to open his mouth, Gallio said unto the Jews, If indeed it were a matter of wrong or of wicked villany, O ye Jews, reason would that I should bear with you:15 but if they are questions about words and names and your own law, look to it yourselves; I am not minded to be a judge of these matters.16 And he drove them from the judgment-seat.17 And they all laid hold on Sosthenes, the ruler of the synagogue, and beat him before the judgment-seat. And Gallio cared for none of these things.18 And Paul, having tarried after this yet many days, took his leave of the brethren, and sailed thence for Syria, and with him Priscilla and Aquila: having shorn his head in Cenchreae; for he had a vow.19 And they came to Ephesus, and he left them there: but he himself entered into the synagogue, and reasoned with the Jews.20 And when they asked him to abide a longer time, he consented not;21 but taking his leave of them, and saying, I will return again unto you if God will, he set sail from Ephesus.22 And when he had landed at Caesarea, he went up and saluted the church, and went down to Antioch.23 And having spent some time there, he departed, and went through the region of Galatia, and Phrygia, in order, establishing all the disciples.24 Now a certain Jew named Apollos, an Alexandrian by race, an eloquent man, came to Ephesus; and he was mighty in the scriptures.25 This man had been instructed in the way of the Lord; and being fervent in spirit, he spake and taught accurately the things concerning Jesus, knowing only the baptism of John:26 and he began to speak boldly in the synagogue. But when Priscilla and Aquila heard him, they took him unto them, and expounded unto him the way of God more accurately.27 And when he was minded to pass over into Achaia, the brethren encouraged him, and wrote to the disciples to receive him: and when he was come, he helped them much that had believed through grace;28 for he powerfully confuted the Jews, and that publicly, showing by the scriptures that Jesus was the Christ.