previous next

Asan'ny Apostoly 5

Ny namatorana ny Apostoly rehetra, sy ny nitondrana azy teo anatrehan'ny Synedriona

1 Fa nisy kosa lehilahy atao hoe Ananiasy sy Safira vadiny nivarotra tany,2 ka nanafenany ho azy ny vola vidiny, ary ny vavy koa nahalala izany; dia nentiny ny vola sasany vidiny ka napetrany teo anoloan'ny tongotry ny Apostoly.3 Ary hoy Petera: Ry Ananiasy, nahoana Satana no nameno ny fonao handainga amin'ny Fanahy Masina ka hanafina ny vola sasany vidin'ny tany?4 Fony tsy namidy, tsy anao ihany va izy? Ary rehefa namidy, tsy anao hanaovanao izay sitraponao koa va? Nahoana no nisaina izany tao am-ponao ianao? Tsy nandainga tamin'olona ianao, fa tamin'Andriamanitra.5 Ary Ananiasy, nony nandre izany teny izany, dia nikarapoka, ka afaka ny ainy; dia raiki-tahotra loatra izay rehetra nandre izany.6 Ary nitsangana ny zatovo, dia nofonosiny ny faty ka nentiny nivoaka, dia naleviny.7 Fa rehefa afaka tokony ho ora telo, dia niditra koa ny vavy, nefa tsy fantany izay efa nanjo teo.8 Ary hoy Petera taminy: Lazao amiko: Izany ihany va no vola vidin'ny taninareo? Dia hoy izy: Eny, izany ihany.9 Ary hoy Petera taminy: Nahoana ianareo no niray tetika haka fanahy ny Fanahin'ny Tompo? Indro, eo am-baravarana ny tongotr'izay nandevina ny vadinao, ary hitondra anao hivoaka koa izy.10 Dia nikarapoka teo anoloan'ny tongony niaraka tamin'izay koa izy, ka afaka ny ainy; ary raha niditra ny zatovo, dia hitany fa maty, ary nentiny nivoaka ka naleviny teo anilan'ny lahy.

11 Dia raiki-tahotra indrindra ny fiangonana rehetra sy izay rehetra nandre izany.

12 Ary ny tanan'ny Apostoly no nanaovana famantarana sy fahagagana maro teo amin'ny vahoaka; ary izy rehetra niray saina teo amin'ny Fialofan'i Solomona;13 ary tsy nisy tamin'ny olona sisa rehetra sahy niray taminy; nefa nankalaza azy ny vahoaka.14 Ary vao mainka nisy olona maro koa na lahy na vavy izay nino ny Tompo nanampy ho isany;15 ka dia nentiny teny an-dalambe aza ny marary ka napetrany teny ambony farafara sy fandriana, mba hisy ho azon'ny tandindon'i Petera ahay, raha mandalo izy.

16 Ary ny olona maro avy tamin'ny vohitra manodidina an'i Jerosalema dia nivory koa, nitondra ny marary sy izay nampahorin'ny fanahy maloto; dia sitrana avokoa izy rehetra.

17 Ary nitsangana ny mpisoronabe mbamin'ny namany rehetra (izay antokon'ny Sadoseo), fa feno fialonana izy,18 dia nisambotra ny Apostoly izy ka nanao azy tao an-tranomaizina.19 Fa nisy anjelin'ny Tompo namoha ny varavaran'ny tranomaizina nony alina, dia nitondra azy nivoaka ka nanao hoe:20 Mandehana, ka mitsangàna, ary mitoria amin'ny vahoaka eo an-kianjan'ny tempoly ny teny rehetra milaza izany fiainana izany.21 Ary rehefa nandre izany izy, dia niditra maraina koa teo an-kianjan'ny tempoly ka nampianatra. Ary rehefa tonga ny mpisoronabe sy ny namany, dia nampiangona ny Synedriona sy ny loholona rehetra tamin'ny Zanak'isiraely izy ka naniraka nankao amin'ny tranomaizina haka ny Apostoly.22 Fa nony tonga ny mpiandry raharaha, dia tsy nahita azy tao an-tranomaizina; dia niverina izy ka nilaza hoe:23 Ny tranomaizina dia hitanay mihidy tsara, ary ny mpiambina mitsangana eo am-baravarana; kanefa nony novohanay, dia tsy nahita olona tao izahay.24 Ary ny lehiben'ny mpiambina ny tempoly sy ny lohan'ny mpisorona, rehefa nandre izany teny izany, dia niroahana ny amin'izay ho faran'izany.25 Dia nisy tonga ka nilaza taminy hoe: Ireny lehilahy izay nataonareo tao an-tranomaizina ireny, dia indreo izy mitsangana eo an-kianjan'ny tempoly ka mampianatra ny olona.26 Dia lasa ny lehiben'ny mpiambina sy ny mpiandry raharaha ka nitondra azy, nefa tsy nanao mahery, satria natahotra ny vahoaka izy, fandrao hotorahany vato.27 Ary rehefa nentiny, dia napetrany teo anatrehan'ny Synedriona ireo, ary ny mpisoronabe nanontany azy28 ka nanao hoe: Efa noraranay mafy dia mafy ianareo tsy hampianatra amin'izany anarana izany; kanjo, indro, efa nofenoinareo ny fampianaranareo Jerosalema, ka tianareo hankinina aminay ny ran'izany Lehilahy izany.29 Fa Petera sy ny Apostoly namaly ka nanao hoe: Andriamanitra no tokony hekena mihoatra noho ny olona.30 Andriamanitry ny razantsika efa nanangana an'i Jesosy, Izay novonoin'ny tananareo nahantonareo teo amin'ny hazo.31 Izy nasandratry ny tanana ankavanan'Andriamanitrat ho Tompo sy Mpamonjy, hanome fibebahana sy famelan-keloka ho an'ny Isiraely.32 Ary izahay dia vavolombelon'izany zavatra izany, ary ny Fanahy Masina koa, Izay efa nomen'Andriamanitra ny manaiky Azy.33 Ary raha nandre izany izy, dia lotika ny fony, ka nihendry hamono azy izy.34 Dia nitsangana teo amin'ny Synedriona ny Fariseo anankiray atao hoe Gamaliela, mpampiana-dalàna, izay nalaza teo amin'ny olona rehetra, ary nasainy navoaka kely ireo olona ireo.35 Dia hoy izy tamin'ny namany: Ry lehilahy Isiraely, tandremo tsara izay hataonareo amin'ireo olona ireo.36 Fa nitsangana fahiny Teodasy ka nanao ny tenany ho zavatra; tokony ho efa-jato no isan'ny lehilahy izay niandany taminy; fa novonoina izy ka nihahaka izay rehetra nanaiky azy ka tonga tsinontsinona.37 Ary nanarakaraka azy indray, tamin'ny andro nanoratana ny vahoaka, dia nitsangana Jodasy avy any Galilia; ary izy nitaona olona hikomy hanaraka azy; dia novonoina koa izy, ka nihahaka izay rehetra nanaiky azy.38 Ary ankehitriny dia lazaiko aminareo: Mandefera amin'ireo olona ireo, ka avelao ihany izy; fa raha avy amin'olona izao saina na asa izao, dia ho foana;39 fa raha avy amin'Andriamanitra kosa izao, dia tsy ho azonareo foanana, sao dia miseho ho mpiady amin'Andriamanitra ianareo.40 Dia nanaiky azy izy; ary rehefa niantso ny Apostoly izy, dia nikapoka azy sady nandrara azy tsy hiteny amin'ny anaran'i Jesosy intsony, ary dia nandefa azy handeha.41 Ary ireo dia niala teo anatrehan'ny Synedriona, sady faly, satria natao miendrika hitondra fahafaham-baraka ho voninahitr'izany anarana izany.

42 Ary tsy nitsahatra nampianatra sy nitory an'i Jesosy ho Kristy isan'andro teo an-kianjan'ny tempoly sy tao an-trano izy.

Acts 5

1 But a certain man named Ananias, with Sapphira his wife, sold a possession,2 and kept back part of the price, his wife also being privy to it, and brought a certain part, and laid it at the apostles’ feet.3 But Peter said, Ananias, why hath Satan filled thy heart to lie to the Holy Spirit, and to keep back part of the price of the land?4 While it remained, did it not remain thine own? and after it was sold, was it not in thy power? How is it that thou hast conceived this thing in thy heart? thou has not lied unto men, but unto God.5 And Ananias hearing these words fell down and gave up the ghost: and great fear came upon all that heard it.6 And the young men arose and wrapped him round, and they carried him out and buried him.7 And it was about the space of three hours after, when his wife, not knowing what was done, came in.8 And Peter answered unto her, Tell me whether ye sold the land for so much. And she said, Yea, for so much.9 But Peter said unto her, How is it that ye have agreed together to try the Spirit of the Lord? behold, the feet of them that have buried thy husband are at the door, and they shall carry thee out.10 And she fell down immediately at his feet, and gave up the ghost: and the young men came in and found her dead, and they carried her out and buried her by her husband.11 And great fear came upon the whole church, and upon all that heard these things.12 And by the hands of the apostles were many signs and wonders wrought among the people; and they were all with one accord in Solomon’s porch.13 But of the rest durst no man join himself to them: howbeit the people magnified them;14 and believers were the more added to the Lord, multitudes both of men and women;15 insomuch that they even carried out the sick into the streets, and laid them on beds and couches, that, as Peter came by, at the least his shadow might overshadow some one of them.16 And there also came together the multitudes from the cities round about Jerusalem, bring sick folk, and them that were vexed with unclean spirits: and they were healed every one.17 But the high priest rose up, and all they that were with him (which is the sect of the Sadducees), and they were filled with jealousy,18 and laid hands on the apostles, and put them in public ward.19 But an angel of the Lord by night opened the prison doors, and brought them out, and said,20 Go ye, and stand and speak in the temple to the people all the words of this Life.21 And when they heard this, they entered into the temple about daybreak, and taught. But the high priest came, and they that were with him, and called the council together, and all the senate of the children of Israel, and sent to the prison-house to have them brought.22 But the officers that came found them not in the prison; and they returned, and told,23 saying, The prison-house we found shut in all safety, and the keepers standing at the doors: but when we had opened, we found no man within.24 Now when the captain of the temple and the chief priests heard these words, they were much perplexed concerning them whereunto this would grow.25 And there came one and told them, Behold, the men whom ye put in the prison are in the temple standing and teaching the people.26 Then went the captain with the officers, and brought them, but without violence; for they feared the people, lest they should be stoned.27 And when they had brought them, they set them before the council. And the high priest asked them,28 saying, We strictly charged you not to teach in this name: and behold, ye have filled Jerusalem with your teaching, and intend to bring this man’s blood upon us.29 But Peter and the apostles answered and said, We must obey God rather than men.30 The God of our fathers raised up Jesus, whom ye slew, hanging him on a tree.31 Him did God exalt with his right hand to be a Prince and a Saviour, to give repentance to Israel, and remission of sins.32 And we are witnesses of these things; and so is the Holy Spirit, whom God hath given to them that obey him.33 But they, when they heard this, were cut to the heart, and minded to slay them.34 But there stood up one in the council, a Pharisee, named Gamaliel, a doctor of the law, had in honor of all the people, and commanded to put the men forth a little while.35 And he said unto them, Ye men of Israel, take heed to yourselves as touching these men, what ye are about to do.36 For before these days rose up Theudas, giving himself out to be somebody; to whom a number of men, about four hundred, joined themselves: who was slain; and all, as many as obeyed him, were dispersed, and came to nought.37 After this man rose up Judas of Galilee in the days of the enrolment, and drew away some of the people after him: he also perished; and all, as many as obeyed him, were scattered abroad.38 And now I say unto you, Refrain from these men, and let them alone: for if this counsel or this work be of men, it will be overthrown:39 but if it is of God, ye will not be able to overthrow them; lest haply ye be found even to be fighting against God.40 And to him they agreed: and when they had called the apostles unto them, they beat them and charged them not to speak in the name of Jesus, and let them go.41 They therefore departed from the presence of the council, rejoicing that they were counted worthy to suffer dishonor for the Name.42 And every day, in the temple and at home, they ceased not to teach and to preach Jesus as the Christ.