Asan'ny Apostoly 6
Ny amin'i Stefana
1 Ary tamin'izany andro izany, rehefa nihamaro ny isan'ny mpianatra, dia nimonomonona tamin'ny Hebreo ny Helenista, satria tsy mba enina tamin'ny fiantrana isan'andro ny mpitondratenany.2 Ary ny roa ambin'ny folo lahy nampiangona ny mpianatra rehetra ka nanao hoe: Tsy mety raha mandao ny tenin'Andriamanitra hitandrina latabatra izahay.3 Koa amin'izany, ry rahalahy, mizahà fito lahy eo aminareo, izay tsara laza sady feno ny Fanahy sy fahendrena, mba hotendrenay hitandrina izany raharaha izany.4 Fa izahay kosa haharitra amin'ny fivavahana sy ny fampianarana.5 Dia sitraky ny olona rehetra ny teniny, ka nifidy an'i Stefana izy, lehilahy feno finoana sy ny Fanahy Masina, ary Filipo sy Prokoro sy Nikanora sy Timona sy Parmena ary Nikoleo (proselyta avy any Antiokia),6 ireo dia narosony teo anatrehan'ny Apostoly; ary rehefa nivavaka ny Apostoly, dia nametra-tanana taminy.
7 Dia nandroso ny tenin'Andriamanitra; ary nihamaro indrindra ny isan'ny mpianatra tany Jerosalema; ary maro be kosa ny mpisorona nanaiky ny finoana.
8 Ary Stefana, feno fahasoavana sy hery, dia nanao fahagagana sy famantarana lehibe teo amin'ny vahoaka.9 Fa ny sasany, izay avy amin'ny synagoga atao hoe Synagogan'ny Libertina sy ny Kyreniana sy ny Aleksandriana mbamin'izay avy any Kilikia sy Asia, dia nitsangana ka niady hevitra tamin'i Stefana.10 Fa tsy nahatohitra ny fahendrena sy ny Fanahy izay nitenenany ireo;11 dia nisy olona nomeny vava hanao hoe: Efa renay niteny ratsyt an'i Mosesy sy Andriamanitra ity.12 Ary nampitaitra ny olona sy ny loholona ary ny mpanora-dalàna izy, dia nankeo amin'i Stefana ka nisarika azy, dia nitondra azy ho eo amin'ny Synedriona;13 ary izy nanangana vavolombelona mandainga, izay nanao hoe: Io lehilahy io tsy mitsahatra miteny ratsy ity fitoerana masina ity sy ny lalàna;14 Fa efa renay izy nilaza fa ilay Jesosy avy any Nazareta dia handrava ity fitoerana ity sy hanova ny fomba izay natolotr'i Mosesy antsika.
15 Ary izay rehetra nipetraka teo amin'ny Synedriona, raha nandinika an'i Stefana, dia nahita ny tarehiny tahaka ny tarehin'anjely.
Acts 6
1 Now in these days, when the number of the disciples was multiplying, there arose a murmuring of the Grecian Jews against the Hebrews, because their widows were neglected in the daily ministration.2 And the twelve called the multitude of the disciples unto them, and said, It is not fit that we should forsake the word of God, and serve tables.3 Look ye out therefore, brethren, from among you seven men of good report, full of the Spirit and of wisdom, whom we may appoint over this business.4 But we will continue stedfastly in prayer, and in the ministry of the word.5 And the saying pleased the whole multitude: and they chose Stephen, a man full of faith and of the Holy Spirit, and Philip, and Prochorus, and Nicanor, and Timon, and Parmenas, and Nicolaus a proselyte of Antioch;6 whom they set before the apostles: and when they had prayed, they laid their hands upon them.7 And the word of God increased; and the number of the disciples multiplied in Jerusalem exceedingly; and a great company of the priests were obedient to the faith.8 And Stephen, full of grace and power, wrought great wonders and signs among the people.9 But there arose certain of them that were of the synagogue called the synagogue of the Libertines, and of the Cyrenians, and of the Alexandrians, and of them of Cilicia and Asia, disputing with Stephen.10 And they were not able to withstand the wisdom and the Spirit by which he spake.11 Then they suborned men, who said, We have heard him speak blasphemous words against Moses, and against God.12 And they stirred up the people, and the elders, and the scribes, and came upon him, and seized him, and brought him into the council,13 and set up false witnesses, who said, This man ceaseth not to speak words against this holy place, and the law:14 for we have heard him say, that this Jesus of Nazareth shall destroy this place, and shall change the customs which Moses delivered unto us.15 And all that sat in the council, fastening their eyes on him, saw his face as it had been the face of an angel.