Kolosiana 1
Fivavahan'i Paoly ho an'ny Kolosiana, sy filazana ny fahalehibiazan'ny voninahitr'i Kristy
1 Paoly, Apostolin'i Kristy Jesosy noho ny sitrapon'Andriamanitra, ary Timoty rahalahy,2 mamangy ny olona masina any Kolosia, dia ny rahalahy mahatoky ao amin'i Kristy: ho aminareo anie ny fahasoavana sy ny fiadanana avy amin'Andriamanitra Raintsika.3 Misaotra an'Andriamanitra, Rain'i Jesosy Kristy Tompontsika, izahay amin'ny fangatahanay mandrakariva ho anareo,4 rehefa renay ny finoanareo an'i Kristy Jesosy sy ny fitiavanareo ny olona masina rehetra,5 noho ny fanantenana izay tehirizina any an-danitra ho anareo, dia ilay efa renareo fahiny tamin'ny tenin'ny fahamarinan'ny filazantsara,6 izay efa mby eo aminareo, tahaka ny eny amin'izao tontolo izao koa, sady vokatra sy mitombo tahaka ny eo aminareo koa hatramin'ny andro nandraisanareo sy nahalalanareo tsara ny fahasoavan'Andriamanitra araka ny marina;7 tahaka ny efa renareo tamin'i Epafra, mpanompo namanay sady malala, izay mpanompon'i Kristy mahatoky ho anayt,
8 sady efa nanambara taminay koa ny fitiavanareo ao amin'ny Fanahy.
9 Ary noho izany izahay koa hatramin'ny andro nandrenesanay dia tsy mitsahatra mivavaka sy mangataka ho anareo, mba hofenoina fahalalana tsara ny sitrapony ianareo amin'ny fahendrena sy ny fahazavan-tsaina rehetra avy amin'ny Fanahy,10 mba handehananareo miendrika ny Tompo, hanaovana ny sitrapony amin'ny zavatra rehetra, dia mahavokatra amin'ny asa tsara rehetra sady mitombo amin'ny fahalalana tsara an'Andriamanitra,11 ary ampahatanjahina amin'ny hery rehetra araka ny herin'ny voninahiny ho amin'ny faharetana rehetra sy ny fandeferana amin'ny hafaliana,12 ka misaotra ny Ray, Izay nampahamendrika antsika hanana anjara amin'ny lovan'ny olona masina eo amin'ny mazava,13 sady nahafaka antsika tamin'ny fahefan'ny maizina ka namindra antsika ho amin'ny fanjakan'ny Zanany malalany,14 Izay ananantsika fanavotana, dia ny famelana ny helotsika.15 Izy no endrik'Andriamanitra tsy hita, ny Lahimatoa talohan'izao zavatra ary rehetra izao;16 fa tao aminy no nahariana ny zavatra rehetra any an-danitra sy etỳ ambonin'ny tany, dia ny hita sy ny tsy hita, na fiandriananat, na fanjakana, na fanapahana, na fahefana, Izy no nahariana ny zavatra rehetra, sady ho Azy izany;17 ary Izy no talohan'ny zavatra rehetra, sady ao aminy no aharetan'ny zavatra rehetra.18 Ary Izy no Lohan'ny tena, dia ny fiangonanat; Izy no voalohany, dia ny Lahimatoa tamin'ny maty, mba ho Lohany amin'ny zavatra rehetra Izy.19 Fa sitraky ny Ray ho ao aminy no hitoeran'ny fahafenoana rehetra,20 sady Izy no hampihavanany ny zavatra rehetra aminy, ka dia ny ràny teo amin'ny hazo fijaliana no nanaovany fampihavanana - eny, Izy, hoy izaho, no fampihavanana izany, na ny etỳ ambonin'ny tany, na ny any an-danitra.21 Ary ianareo, izay olon-ko azy fahiny sy fahavalo tamin'ny sainareo noho ny fanaovan-dratsy, no efa nampihavaniny ankehitriny22 tao amin'ny tenan'ny nofony, tamin'ny fahafatesana, mba hatolony ho masina sady tsy hanan-tsiny amam-pondro eo anatrehany,23 raha maharitra amin'ny finoana ianareo ka mafy orina sady tafatoetra ary tsy mety hafindra hiala amin'ny fanantenana avy amin'ny filazantsara, izay efa renareo sady notorina eny ambanin'ny lanitra rehetra eny; ary izany no nanaovana ahy Paoly ho mpanompo.24 Ankehitriny dia mifaly amin'ny fiaretako ho anareo aho, ary mahatanteraka ao amin'ny nofoko izay tsy vita tamin'ny fahorian'i Kristy ho an'ny tenany, dia ny fiangonanat,25 izay nanaovana ahy ho mpanompo araka ny fitondran'Andriamanitra nomena ahy ho anareo, hahatanteraka ny fitoriana ny tenin'Andriamanitra,26 dia ny zava-miafina, ilay voàfina hatramin'ny fahagola sy ny taranaka maro, fa voaseho ankehitriny amin'ny olony masina,27 izay efa tian'Andriamanitra ho nampahafantarina ny haren'ny voninahitr'ity zava-niafina ity any amin'ny jentilisa, dia Kristy ao anatinareo, Izay fanantenana ny voninahitra;28 Izy no torinay, ka samy anarinay sy ampianarinay amin'ny fahendrena rehetra ny olona rehetra, mba samy hatolotray ho tanteraka ao amin'i Kristy izy rehetra.
29 Ary ny hahatanteraka izany no ikelezako aina koa sy iezahako fatratra araka ny fiàsan'ny herin'ilay miasa mahery ato anatiko.
Colossians 1
1 Paul, an apostle of Christ Jesus through the will of God, and Timothy our brother,2 To the saints and faithful brethren in Christ that are at Colossae: Grace to you and peace from God our Father.3 We give thanks to God the Father of our Lord Jesus Christ, praying always for you,4 having heard of your faith in Christ Jesus, and of the love which ye have toward all the saints,5 because of the hope which is laid up for you in the heavens, whereof ye heard before in the word of the truth of the gospel,6 which is come unto you; even as it is also in all the world bearing fruit and increasing, as it doth in you also, since the day ye heard and knew the grace of God in truth;7 even as ye learned of Epaphras our beloved fellow-servant, who is a faithful minister of Christ on our behalf,8 who also declared unto us your love in the Spirit.9 For this cause we also, since the day we heard it, do not cease to pray and make request for you, that ye may be filled with the knowledge of his will in all spiritual wisdom and understanding,10 to walk worthily of the Lord unto all pleasing, bearing fruit in every good work, and increasing in the knowledge of God;11 strengthened with all power, according to the might of his glory, unto all patience and longsuffering with joy;12 giving thanks unto the Father, who made us meet to be partakers of the inheritance of the saints in light;13 who delivered us out of the power of darkness, and translated us into the kingdom of the Son of his love;14 in whom we have our redemption, the forgiveness of our sins:15 who is the image of the invisible God, the firstborn of all creation;16 for in him were all things created, in the heavens and upon the earth, things visible and things invisible, whether thrones or dominions or principalities or powers; all things have been created through him, and unto him;17 and he is before all things, and in him all things consist.18 And he is the head of the body, the church: who is the beginning, the firstborn from the dead; that in all things he might have the preeminence.19 For it was the good pleasure of the Father that in him should all the fulness dwell;20 and through him to reconcile all things unto himself, having made peace through the blood of his cross; through him, I say, whether things upon the earth, or things in the heavens.21 And you, being in time past alienated and enemies in your mind in your evil works,22 yet now hath he reconciled in the body of his flesh through death, to present you holy and without blemish and unreproveable before him:23 if so be that ye continue in the faith, grounded and stedfast, and not moved away from the hope of the gospel which ye heard, which was preached in all creation under heaven; whereof I Paul was made a minister.24 Now I rejoice in my sufferings for your sake, and fill up on my part that which is lacking of the afflictions of Christ in my flesh for his body’s sake, which is the church;25 whereof I was made a minister, according to the dispensation of God which was given me to you-ward, to fulfil the word of God,26 even the mystery which hath been hid for ages and generations: but now hath it been manifested to his saints,27 to whom God was pleased to make known what is the riches of the glory of this mystery among the Gentiles, which is Christ in you, the hope of glory:28 whom we proclaim, admonishing every man and teaching every man in all wisdom, that we may present every man perfect in Christ;29 whereunto I labor also, striving according to his working, which worketh in me mightily.