previous next

Kolosiana 3

Ny tokony hanariana ny asan'ny nofo sy ny hitondran-tena miendrika ny filazantsara

1 Koa raha niara-natsangana tamin'i Kristy ianareo, dia katsaho ny zavatra any ambony, any amin'ny itoeran'i Kristy, Izay mipetraka eo an-tanana ankavanan'Andriamanitra.2 Saino ny zavatra any ambony, fa tsy ny zavatra etỳ an-tany.3 Fa efa maty ianareo, ary ny fiainanareo miara-miafina amin'i Kristy ao amin'Andriamanitra.4 Raha hiseho Kristy fiainantsika, dia hiara-miseho aminy koa amin'ny voninahitra ianareo.5 Koa vonoy ny momba ny tenanareo izay etỳ an-tany, dia fijangajangana, fahalotoana, firehetam-po, fanirian-dratsy ary fieremana, dia fanompoan-tsampy izany;6 fa izany zavatra izany no mahatonga ny fahatezeran'Andriamanitra amin'ny zanaky ny tsi-fanarahana;7 izany koa no nalehanareo fahiny, fony mbola velona taminy ianareo.8 Fa ankehitriny, esory koa izao rehetra izao, dia fahatezerana, fiafonafonana, lolompo, fitenenan-dratsy, teny mahamenatra avy amin'ny vavanareo.9 Aza mifandainga ianareo, fa efa narianareo ny toetrat taloha mbamin'ny asany;10 ary efa notafinareo ny toetrat vaovao, izay havaozina ho amin'ny fahalalana tsara araka ny endrik'izay nahary azy.11 Fa amin'izany dia tsy misy jentilisat sy Jiosy, na voafora sy tsy voafora, na barbariana sy Skytiana, na andevo sy tsy andevo, fa Kristy no zavatra rehetra sady amin'ny rehetra.12 Koa mitafia famindram-po sy fiantrana,, fahamoram-panahy, fanetren-tena, fahalemem-panahy, fandeferana, araka ny olom-boafidin'Andriamanitra sady masina no malala.13 Mifandefera,ka mifamelà heloka ianareo, raha misy manana alahelo amin'ny sasany; tahaka ny namelan'ny Tompot ny helokareo no aoka mba hamelanareo heloka kosa.14 Ary aoka ho ambonin'izany rehetra izany ny fitiavana, fa fehin'ny fahatanterahana izany.15 Ary aoka hanapaka ao am-ponareo ny fiadanan'i Kristy, fa ho amin'izany no niantsoana anareo ho tena iray; ary aoka ho feno fisaorana ianareo.16 Aoka ny tenin'i Kristy hitoetra betsaka ao aminareo amin'ny fahendrena rehetra, dia mifampianara ka mifananara amin'ny salamo sy ny fihirana ary ny tonon-kiram-panahy, mihira amin'ny fahasoavana ao am-ponareo ho an'Andriamanitra.17 Ary na inona na inona no ataonareo, na amin'ny teny, na amin'ny asa, dia ataovy amin'ny anaran'i Jesosy Tompo izany, ka misaora Andriamanitra Ray amin'ny alalany.18 Hianareo vehivavy, maneke ny vadinareo araka izay mety hatao ao amin'ny Tompo.19 Hianareo lehilahy, tiava ny vadinareo. ary aza sosotrat aminy.20 Hianareo zanaka, maneke ny ray aman-dreninareo amin'ny zavatra rehetra; fa ankasitrahana ao amin'ny Tompo izany.21 Hianareo ray, aza mampahasosotra ny zanakareo, fandrao mamoy fo izy.22 Hianareo mpanompo, maneke ny tomponareo araka ny nofo amin'ny zavatra rehetra, tsy amin'ny fanompoana eo imaso, tahaka ny mpila sitraka amin'olona, fa amin'ny fahatsoram-po, matahotra ny Tompo;23 ary na inona na inona no ataonareo, dia ataovy amin'ny fo, tahaka ny ho an'ny Tompo, fa tsy ho an'olona,24 satria fantatrareo fa ny Tompo no handraisanareo ny lova ho valiny; fa manompo an'i Kristy Tompo ianareo.

25 Fa izay manao ny tsy marina dia handray araka ny tsy marina nataony; fa tsy misy fizahan-tavan'olona,

Colossians 3

1 If then ye were raised together with Christ, seek the things that are above, where Christ is, seated on the right hand of God.2 Set your mind on the things that are above, not on the things that are upon the earth.3 For ye died, and your life is hid with Christ in God.4 When Christ, who is our life, shall be manifested, then shall ye also with him be manifested in glory.5 Put to death therefore your members which are upon the earth: fornication, uncleanness, passion, evil desire, and covetousness, which is idolatry;6 for which things’ sake cometh the wrath of God upon the sons of disobedience:7 wherein ye also once walked, when ye lived in these things;8 but now do ye also put them all away: anger, wrath, malice, railing, shameful speaking out of your mouth:9 lie not one to another; seeing that ye have put off the old man with his doings,10 and have put on the new man, that is being renewed unto knowledge after the image of him that created him:11 where there cannot be Greek and Jew, circumcision and uncircumcision, barbarian, Scythian, bondman, freeman; but Christ is all, and in all.12 Put on therefore, as God’s elect, holy and beloved, a heart of compassion, kindness, lowliness, meekness, longsuffering;13 forbearing one another, and forgiving each other, if any man have a complaint against any; even as the Lord forgave you, so also do ye:14 and above all these things put on love, which is the bond of perfectness.15 And let the peace of Christ rule in your hearts, to the which also ye were called in one body; and be ye thankful.16 Let the word of Christ dwell in you richly; in all wisdom teaching and admonishing one another with psalms and hymns and spiritual songs, singing with grace in your hearts unto God.17 And whatsoever ye do, in word or in deed, do all in the name of the Lord Jesus, giving thanks to God the Father through him.18 Wives, be in subjection to your husbands, as is fitting in the Lord.19 Husbands, love your wives, and be not bitter against them.20 Children, obey your parents in all things, for this is well-pleasing in the Lord.21 Fathers, provoke not your children, that they be not discouraged.22 Servants, obey in all things them that are your masters according to the flesh; not with eye-service, as men-pleasers, but in singleness of heart, fearing the Lord:23 whatsoever ye do, work heartily, as unto the Lord, and not unto men;24 knowing that from the Lord ye shall receive the recompense of the inheritance: ye serve the Lord Christ.25 For he that doeth wrong shall receive again for the wrong that he hath done: and there is no respect of persons.