previous next

Kolosiana 4

Ny amin'ny naman'i Paoly, sy fanaovam-beloma ny sakaizany tao Kolosia

1 Hianareo tompo, ataovy amin'ny mpanomponareo izay marina sy izay mety, satria fantatrareo fa ianareo koa mba manana Tompo any an-danitra.

2 Mahareta amin'ny fivavahana, ka miambena amin'izany amin'ny fisaorana,3 ary mangataha koa ho anay, mba hamohan'Andriamanitra varavarana ho an'ny teny hilazanay ny zava-niafina izay an'i Kristy, sady izany no namatorana ahy,

4 mba haharihariko tsara izany tahaka izay tokony hitenenako.
5 Mandehana amin'ny fahendrena amin'izay ao ivelany, hararaoty ny andro azo anaovan-tsoa.

6 Aoka ny fiteninareo ho amin'ny fahasoavana mandrakariva, ho mamy sira, mba ho fantatrareo izay tokony havalinareo ny olona rehetra.
7 Ny toetro rehetra dia holazain'i Tykiko aminareo, dia ilay rahalahy malala sy mpanompo mahatoky ary namako manompo ao amin'ny Tompo;8 ny anton'ny nanirahako azy ho atỳ aminareo indrindra dia ny hahafantaranareo ny toetray, sy ny mba hamporisihany ny fonareo;9 ary Onesimosy, rahalahy mahatoky sy malala izay avy aminareo, dia nirahiko koa. Izy roa lahy hampahafantatra anareo ny zavatra rehetra atỳ .10 Manao-veloma anareo Aristarko, mpiara-mifatotra amiko, sy Marka, havan'i Barnabasy (ny aminy dia efa nandidiana anareo, ka raha tonga atỳ aminareo izy, dia raiso),11 ary Jesosy, izay atao hoe Josto, avy amin'ny voafora ireo. Ireo ihany no mpiara-miasa amiko hampandroso ny fanjakan'Andriamanitra sady tonga fampiononana ahy.12 Manao veloma anareo Epafra, ilay anankiray avy aminareo sady mpanompon'i Kristy Jesosy ary mikely aina mandrakariva amin'ny fangatahana ho anareo, mba hitoeranareo marina, ka hatoky tsarat amin'izay rehetra mety ho sitrapon'Andriamanitra.13 Fa vavolombelony aho fa mikely aina fatratra ho anareo sy ho an'ny any Laodikia ary ho an'ny any Hierapolia izy.14 Manao veloma anareo Lioka malala, mpanao fanafody, sy Demasy.15 Manaova veloma ny rahalahy any Laodikia ary Nymfa sy ny fiangonana ao an- tranony.16 Ary rehefa voavaky atỳ aminareo ity epistily ity, dia asaovy hovakina ao amin'ny fiangonant'ny Laodikiana koa; ary vakionareo kosa ilay avy amin'ny Laodikiana.17 Ary lazao amin'i Arkipo hoe: Tandremo ny fanompoana izay noraisinao tao amin'ny Tompo mba hahatanterahanao izany.

18 Ity no veloma ataon'ny tanako, izaho Paoly. Tsarovy ny fifatorako. Ho aminareo anie ny fahasoavana.

Colossians 4

1 Masters, render unto your servants that which is just and equal; knowing that ye also have a Master in heaven.2 Continue stedfastly in prayer, watching therein with thanksgiving;3 withal praying for us also, that God may open unto us a door for the word, to speak the mystery of Christ, for which I am also in bonds;4 that I may make it manifest, as I ought to speak.5 Walk in wisdom toward them that are without, redeeming the time.6 Let your speech be always with grace, seasoned with salt, that ye may know how ye ought to answer each one.7 All my affairs shall Tychicus make known unto you, the beloved brother and faithful minister and fellow-servant in the Lord:8 whom I have sent you for this very purpose, that ye may know our state, and that he may comfort your hearts;9 together with Onesimus, the faithful and beloved brother, who is one of you. They shall make known unto you all things that are done here.10 Aristarchus my fellow-prisoner saluteth you, and Mark, the cousin of Barnabas (touching whom ye received commandments; if he come unto you, receive him),11 and Jesus that is called Justus, who are of the circumcision: these only are my fellow-workers unto the kingdom of God, men that have been a comfort unto me.12 Epaphras, who is one of you, a servant of Christ Jesus, saluteth you, always striving for you in his prayers, that ye may stand perfect and fully assured in all the will of God.13 For I bear him witness, that he hath much labor for you, and for them in Laodicea, and for them in Hierapolis.14 Luke, the beloved physician, and Demas salute you.15 Salute the brethren that are in Laodicea, and Nymphas, and the church that is in their house.16 And when this epistle hath been read among you, cause that it be read also in the church of the Laodiceans; and that ye also read the epistle from Laodicea.17 And say to Archippus, Take heed to the ministry which thou hast received in the Lord, that thou fulfil it.18 The salutation of me Paul with mine own hand. Remember my bonds. Grace be with you.