previous next

Efesiana 1

Fivavahana ho an'ny Kristiana tao Efesosy mba handrosoany hahalala ny hatsaran'ny famonjena, sy fampahatsiarovana azy ny halehiben'ny fitiavan'Andriamanitra

1 Paoly, Apostolin'i Kristy Jesosy noho ny sitrapon'Andriamanitra, mamangy ny olona masina any Efesosy, izay mahatokyt ao amin'i Kristy Jesosy:

2 ho aminareo anie ny fahasoavana sy ny fiadanana avy amin'Andriamanitra Raintsika sy Jesosy Kristy Tompo.
3 Isaorana anie Andriamanitra, Rain'i Jesosy Kristy Tompontsika, Izay nitahy antsika tao amin'i Kristy amin'ny fitahiam-panahy rehetra any an-danitra,4 araka ny nifidianany antsika tao aminy, fony tsy mbola ary ny fanorenan'izao tontolo izao, mba ho masina sady tsy misy tsiny eo anatrehany isika,5 rehefa notendreny rahateo amin'ny fitiavana isika mba ho Azyt amin'ny fananganan'anaka amin'ny alalan'i Jesosy Kristy, araka izay ankasitrahan'ny fony,6 ho fiderana ny voninahitry ny fahasoavany, izay nanasoavany antsika maimaimpoana ao amin'ny Malala.7 Izy no ananantsika fanavotana amin'ny ràny, dia ny famelana ny fahadisoantsika, araka ny haren'ny fahasoavany,8 izay nataony be ho antsika tamin'ny fahendrena sy ny fisainana rehetra,9 rehefa nampahafantariny ny zava-miafina ny amin'ny sitrapony isika, araka ny safidiny izay nokasain'ny tenany,10 hahatanterahany ny fitondrana hatao mandra-pahatapitry ny andro voatendry, hanangonanyt ny zavatra rehetra ho iray ao amin'i Kristy, na ny any an-danitra, na ny etỳ an-tany, dia ho ao aminy;11 ao aminy koa no nanaovana antsika ho lovanyt, rehefa notendrena rahateo isika araka ny fikasan'izay mahefa ny zavatra rehetra araka ny ankasitrahan'ny fony,12 mba ho fiderana ny voninahiny izahay, izay nanantena an'i Kristy rahateo.13 Ao aminy koa ianareo, rehefa renareo ny tenin'ny fahamarinana, dia ny filazantsara famonjena anareo,- eny, ao aminy koa ianareo, rehefa nino, no nasiana tombo-kase tamin'ny Fanahy Masina araka ny teny fikasana.

14 Izany Fanahy izany no santatry ny lovantsika ho amin'ny fanavotana ny olona izay nahiny ho an'ny tenany, ho fiderana ny voninahiny.

15 Ary noho izany izaho koa, rehefa nandre ny finoanareo an'i Jesosy Tompo izay hitant'ny olona masina rehetra,16 dia tsy mitsahatra misaotra noho ny aminareo ka mahatsiaro anareo amin'ny fivavahako,17 mba homen'Andriamanitr'i Jesosy Kristy Tompontsika, Rain'ny voninahitra, ho anareo ny fanahin'ny fahendrena sy ny fanambarana amin'ny fahalalana Azy tsara,18 ary mba hampahiratina ny mason'ny sainareo, mba ho fantatrareo izay fanantenana avy amin'ny fiantsoany sy izay haren'ny voninahitry ny lovany eo amin'ny olona masina,19 ary ny fihoaran'ny halehiben'ny heriny ho antsika izay mino, araka ny fiàsan'ny herin'ny faherezany,20 izay nataony tao amin'i Kristy tamin'ny nananganany Azy tamin'ny maty sy ny nampitoerany Azy eo amin'ny tànany ankavanana any an-danitra,21 ambony lavitra noho ny fanapahana rehetra sy ny fahefana sy ny hery sy ny fanjakana ary ny anarana rehetra izay tononina, tsy amin'izao fiainana izao ihany, fa amin'ny ho avy koa,22 dia nampanaiky ny zavatra rehetra ho eo ambanin'ny tongony Izy ka nanao Azy ho Lohany manapaka ny zavatra rehetra ho an'ny fiangonanat,

23 izay tenany, dia ny fahafenoan'izay mameno izao zavatra rehetra izao amin'ny rehetra.

Ephesians 1

1 Paul, an apostle of Christ Jesus through the will of God, to the saints that are at Ephesus, and the faithful in Christ Jesus:2 Grace to you and peace from God our Father and the Lord Jesus Christ.3 Blessed be the God and Father of our Lord Jesus Christ, who hath blessed us with every spiritual blessing in the heavenly places in Christ:4 even as he chose us in him before the foundation of the world, that we should be holy and without blemish before him in love:5 having foreordained us unto adoption as sons through Jesus Christ unto himself, according to the good pleasure of his will,6 to the praise of the glory of his grace, which he freely bestowed on us in the Beloved:7 in whom we have our redemption through his blood, the forgiveness of our trespasses, according to the riches of his grace,8 which he made to abound toward us in all wisdom and prudence,9 making known unto us the mystery of his will, according to his good pleasure which he purposed in him10 unto a dispensation of the fulness of the times, to sum up all things in Christ, the things in the heavens, and the things upon the earth; in him, I say,11 in whom also we were made a heritage, having been foreordained according to the purpose of him who worketh all things after the counsel of his will;12 to the end that we should be unto the praise of his glory, we who had before hoped in Christ:13 in whom ye also, having heard the word of the truth, the gospel of your salvation,-- in whom, having also believed, ye were sealed with the Holy Spirit of promise,14 which is an earnest of our inheritance, unto the redemption of God’s own possession, unto the praise of his glory.15 For this cause I also, having heard of the faith in the Lord Jesus which is among you, and the love which ye show toward all the saints,16 cease not to give thanks for you, making mention of you in my prayers;17 that the God of our Lord Jesus Christ, the Father of glory, may give unto you a spirit of wisdom and revelation in the knowledge of him;18 having the eyes of your heart enlightened, that ye may know what is the hope of his calling, what the riches of the glory of his inheritance in the saints,19 and what the exceeding greatness of his power to us-ward who believe, according to that working of the strength of his might20 which he wrought in Christ, when he raised him from the dead, and made him to sit at his right hand in the heavenly places,21 far above all rule, and authority, and power, and dominion, and every name that is named, not only in this world, but also in that which is to come:22 and he put all things in subjection under his feet, and gave him to be head over all things to the church,23 which is his body, the fulness of him that filleth all in all.