previous next

Efesiana 2

Ny famindram-pon'Andriamanitra amin'ny jentilisa amin'ny andraisany azy ho ao amin'ny fiangonana

1 Ary ianareo dia efa novelominy, fony mbola matin'ny fahadisoanareo sy ny fahotanareo,2 izay nalehanareo fahiny, araka ny fomban'izao tontolo izao, araka ny mpanapaka ny fanjakana eny amin'ny rivotra, dia ny fanahy izay miasa ankehitriny ao anatin'ny zanaky ny tsi-fanarahana;3 teo amin'ireo no nitondrantsika rehetra tena koa fahiny tamin'ny filan'ny nofontsika, ka nanaovantsika ny danin'ny nofo sy ny saina; ary araka ny toetsika dia zanaky ny fahatezerana toy ny sasany koa isika.4 Fa Andriamanitra, Izay manan-karena amin'ny famindram-po, noho ny halehiben'ny fitiavany izay nitiavany antsika,5 na dia fony mbola matin'ny fahadisoana aza isika, dia nahavelona antsika niaraka tamin'i Kristy (fahasoavana no namonjena anareo);6 ary niara-natsangany isika ka niara-napetrany any an-danitra ao amin'i Kristy Jesosy,7 mba hasehony amin'ny andro ho avy ny haben'ny haren'ny fahasoavany amin'ny fahamoram-panahiny amintsika ao amin'i Kristy Jesosy.8 Fa fahasoavana no namonjena anareo amin'ny finoana; ary tsy avy aminareo izany, fa fanomezana avy amin'Andriamanitra;9 tsy avy amin'ny asa, fandrao hisy hirehareha.

10 Fa asany isika, voaforona tao amin'i Kristy Jesosy mba hanao asa tsara, izay namboarin'Andriamanitra rahateo mba handehanantsika eo aminy.

11 Koa tsarovy fa fahiny ianareo izay jentilisa araka ny nofo, ka nolazain'ny voaforan-tanana teo amin'ny nofo hoe tsy voafora -12 eny, tsarovy fa tamin'izany andro izany dia tsy nanana an'i Kristy ianareo, fa olon-ko azy tamin'ny fanjakan'ny Isiraely ary vahiny tamin'ireo faneken'ny teny fikasana, dia tsy nanana fanantenana sady tsy nanana an'Andriamanitra teo amin'izao tontolo izao;13 fa ankehitriny kosa, ao amin'i Kristy Jesosy, ianareo izay lavitra fahiny dia efa nampanakeken'ny ran'i Kristy.14 Fa Izy no fihavanantsika, Izay nahiray antsika roa tonta ka nandrava ny efitry ny fisarahana,15 fa tao amin'ny nofony no nandravany ny fandrafiana, dia ny lalàna nisy didy natao hotandremana, mba hanakambanany antsika roa tonta ao amin'ny tenany ho olom-baovao iray, ka hanaovany fihavanana,16 ary hampihavana antsika roa tonta ho tena iray amin'Andriamanitra noho ny hazo fijaliana, izay namonoany ny fandrafiana.17 Ary tonga Izy ka nitory teny soa mahafaly milaza fihavananat taminareo izay lavitra ary fihavananat tamin'izay akaiky koa.18 Fa Izy no ananantsika roa tonta fanatonana amin'ny Fanahy iray ho any amin'ny Ray.19 Koa dia tsy mba vahiny sy mpivahiny intsony ianareo, fa tompon-tany, mpiray fanjakana amin'ny olona masina sady ankohonan'Andriamanitra,20 natsangana teo ambonin'ny fanorenan'ny Apostoly sy ny mpaminany, ary Kristy Jesosy no fehizoro indrindra;21 ao aminy no irafetan'ny rafitra rehetra, mitombo tsara ho tempoly masina ao amin'ny Tompo.

22 Ary ao aminy no miaraka aorina koa ianareo ho fonenan'Andriamanitra amin'ny Fanahy.

Ephesians 2

1 And you did he make alive, when ye were dead through your trespasses and sins,2 wherein ye once walked according to the course of this world, according to the prince of the powers of the air, of the spirit that now worketh in the sons of disobedience;3 among whom we also all once lived in the lust of our flesh, doing the desires of the flesh and of the mind, and were by nature children of wrath, even as the rest:--4 but God, being rich in mercy, for his great love wherewith he loved us,5 even when we were dead through our trespasses, made us alive together with Christ (by grace have ye been saved),6 and raised us up with him, and made us to sit with him in the heavenly places, in Christ Jesus:7 that in the ages to come he might show the exceeding riches of his grace in kindness toward us in Christ Jesus:8 for by grace have ye been saved through faith; and that not of yourselves, it is the gift of God;9 not of works, that no man should glory.10 For we are his workmanship, created in Christ Jesus for good works, which God afore prepared that we should walk in them.11 Wherefore remember, that once ye, the Gentiles in the flesh, who are called Uncircumcision by that which is called Circumcision, in the flesh, made by hands;12 that ye were at that time separate from Christ, alienated from the commonwealth of Israel, and strangers from the covenants of the promise, having no hope and without God in the world.13 But now in Christ Jesus ye that once were far off are made nigh in the blood of Christ.14 For he is our peace, who made both one, and brake down the middle wall of partition,15 having abolished in the flesh the enmity, even the law of commandments contained in ordinances; that he might create in himself of the two one new man, so making peace;16 and might reconcile them both in one body unto God through the cross, having slain the enmity thereby:17 and he came and preached peace to you that were far off, and peace to them that were nigh:18 for through him we both have our access in one Spirit unto the Father.19 So then ye are no more strangers and sojourners, but ye are fellow-citizens with the saints, and of the household of God,20 being built upon the foundation of the apostles and prophets, Christ Jesus himself being the chief corner stone;21 in whom each several building, fitly framed together, groweth into a holy temple in the Lord;22 in whom ye also are builded together for a habitation of God in the Spirit.