previous next

Efesiana 3

Ny nanendrena an'i Paoly ho Apostolin'ny jentilisa, sy ny vavaka aman-tsaotra nataony ho an'ny fiangonana tao Efesosy

1 Ary noho izany, izaho Paoly, mpifatotra an'i Kristy Jesosy, noho ny aminareo jentilisa, -2 raha mba renareo ny fitondrana ny fahasoavan'Andriamanitra izay nomena ahy ho anareo,3 fa fanambarana no nampahafantarana ahy ny zava-niafina, araka ny voasoratro tamin'ny teny fohifohy teo.4 Ary araka izany, raha mamaky ianareo, dia ho hainareo fantarina ny fahafantarako ny zava-niafina ny amin'i Kristy,5 izay tsy mbola nampahafantarina ny zanak'olombelona tamin'ny taranaka lasa tahaka ny fanambaran'ny Fanahy ankehitriny amin'ny Apostoly masina sy ny mpaminany,6 dia ny ahatongavan'ny jentilisa ho mpiray lova sy ho tena iray ary ho mpiombona ny teny fikasana ao amin'i Kristy Jesosy noho ny filazantsara,7 izay nanaovana ahy ho mpanompo araka ny fanomezan'ny fahasoavan'Andriamanitra, izay nomena ahy araka ny fiàsan'ny heriny.8 Eny, izaho, izay kely noho ny kely indrindra amin'ny olona masina rehetra, no nomena izao fahasoavana izao, dia ny hitory amin'ny jentilisa ny haren'i Kristy tsy hita lany,9 ary ny hampahazava ny olona rehetra mba hahalalany izay fitondrana ny zava-miafina, dia Ilay voafina hatramin'ny nanaovana izao tontolo izao tao amin'Andriamanitra, Izay nanao ny zavatra rehetra;10 mba hampahafantarina ireo fanapahana sy fahefana any an-danitra amin'izao ankehitriny izao ny mahamaro samy hafa ny fahendren'Andriamanitra amin'ny fitondrany ny fiangonanat,11 araka ny fikasana hatrizay hatrizay izay nataony tao amin'i Kristy Jesosy Tompontsika,12 Izay ananantsika fahasahiana sy fanatonana amin'ny fahatokiana noho ny finoana Azy.13 Koa izany no angatahako aminareo mba tsy ho ketraka amin'ny fahoriako ho anareo, fa voninahitrareo izany.14 Ary noho izany no andohalehako amin'ny Ray15 Izay ahazoan'ny fianakaviana rehetra any an-danitra sy etỳ an-tany anarana,16 mba homeny anareo, araka ny haren'ny voninahiny, ny mba hohatanjahina fatratra amin'ny Fanahiny ny toe-panahinareo;17 mba hitoeran'i Kristy ao am-ponareo amin'ny finoana, ka hamaka sy hiorina mafy amin'ny fitiavana ianareo,18 mba hahaizanareo mbamin'ny olona masina rehetra ny hahafantatra tsara izay sakany sy lavany ary hahavony sy halavany.19 ary hahalala ny fitiavan'i Kristy, izay mihoatra noho ny fahalalana, mba hamenoana anareo ho amin'ny fahafenoan'Andriamanitra rehetra.20 Ary ho an'izay mahay manao mihoatra noho ny zavatra rehetra, eny, mihoatra lavitra noho izay rehetra angatahintsika na heverintsika aza, araka ny hery izay miasa ato amintsika,

21 ho Azy anie ny voninahitra ao amin'ny fiangonanat sy ao amin'i Kristy Jesosy hatramin'ny taranaka farany indrindra mandrakizay mandrakizay. Amena.

Ephesians 3

1 For this cause I Paul, the prisoner of Christ Jesus in behalf of you Gentiles,--2 if so be that ye have heard of the dispensation of that grace of God which was given me to you-ward;3 how that by revelation was made known unto me the mystery, as I wrote before in few words,4 whereby, when ye read, ye can perceive my understanding in the mystery of Christ;5 which in other generations was not made known unto the sons of men, as it hath now been revealed unto his holy apostles and prophets in the Spirit;6 to wit, that the Gentiles are fellow-heirs, and fellow-members of the body, and fellow-partakers of the promise in Christ Jesus through the gospel,7 whereof I was made a minister, according to the gift of that grace of God which was given me according to the working of his power.8 Unto me, who am less than the least of all saints, was this grace given, to preach unto the Gentiles the unsearchable riches of Christ;9 and to make all men see what is the dispensation of the mystery which for ages hath been hid in God who created all things;10 to the intent that now unto the principalities and the powers in the heavenly places might be made known through the church the manifold wisdom of God,11 according to the eternal purpose which he purposed in Christ Jesus our Lord:12 in whom we have boldness and access in confidence through our faith in him.13 Wherefore I ask that ye may not faint at my tribulations for you, which are your glory.14 For this cause I bow my knees unto the Father,15 from whom every family in heaven and on earth is named,16 that he would grant you, according to the riches of his glory, that ye may be strengthened with power through his Spirit in the inward man;17 that Christ may dwell in your hearts through faith; to the end that ye, being rooted and grounded in love,18 may be strong to apprehend with all the saints what is the breadth and length and height and depth,19 and to know the love of Christ which passeth knowledge, that ye may be filled unto all the fulness of God.20 Now unto him that is able to do exceeding abundantly above all that we ask or think, according to the power that worketh in us,21 unto him be the glory in the church and in Christ Jesus unto all generations for ever and ever. Amen.