previous next

Efesiana 4

Fananarana enti-mamporisika azy mba hadio fitondran-tena, ary tsy hanan-tsiny amin'ny toetry ny tokan-tranony

1 Ary noho izany izaho, mpifatotra noho ny amint'ny Tompo, dia mangataka aminareo mba handeha miendrika ny fiantsoana izay niantsoana anareo,2 amin'ny fanetren-tena rehetra sy ny fahalemem-panahy, amin'ny fahari-po mifandefitra amin'ny fitiavana,3 mazoto mitana ny firaisana avy amin'ny Fanahy amin'ny fehim-pihavanana.4 Iray ny tena, ary iray ny Fanahy, dia toy ny niantsoana anareo ho amin'ny fanantenana iray momba ny fiantsoana anareo;5 iray ny Tompo, iray ny finoana, iray ny batisa,6 iray Andriamanitra sady Rain'izy rehetra, Izay ambonin'izy rehetra sy manerana azy rehetra ary ao amin'izy rehetra.7 Fa samy nomena ny fahasoavana araka ny ohatry ny fanomezan'i Kristy avy isika rehetra.8 Koa izany no ilazany hoe: Raha niakatra ho any amin'ny avo Izy, dia nitondra olona maro ho babo Ka nanome fanomezana ho an'ny olona (Sal. 68. 18).9 (Ary ny amin'ny hoe niakatra, inona moa izany, afa-tsy ny efa nidinat ho any ambanin'ny tany koa?10 Izay nidina, dia Izy koa no Ilay niakatra any ambonin'ny lanitra rehetra, hamenoany ny zavatra rehetra.)11 Ary Izy no nanome ny sasany ho Apostoly, ary ny sasany ho mpaminany, ary ny sasany ho evanjelista, ary ny sasany ho mpiandry sy mpampianatra,12 ho fanatanterahana ny olona masina, ho amin'ny asan'ny fanompoana amin'ny fiangonanat, ho amin'ny fampandrosoana ny tenan'i Kristy,13 mandra-pahatongantsika rehetra ho amin'ny firaisan'ny finoana sy ny fahalalana tsara ny Zanak'Andriamanitra, ka ho lehilahy lehibe, mahatratra ny ohatry ny halehiben'ny fahafenoan'i Kristy;14 mba tsy ho zaza intsony isika, ka ahilangilana sy ampitambolimbolenin'ny rivotry ny fampianarana samy hafa rehetra amin'ny saim-petsy ataon'ny olona sy ny fihendreny hahatanteraka ny hevitry ny famitahana;15 fa mba hanaraka ny marina amin'ny fitiavana ka hitombo amin'ny ny zavatra rehetra ho amin'izay Loha, dia Kristy;

16 Izy no itomboan'ny tena rehetra (izay akambana sy ampiarahina tsara) noho ny fifanompoan'ny isan-tonony, araka ny fiàsan'izay rehetra momba azy amin'izay mety ho anjara-asany avy ka hampandrosoany ny tenany amin'ny fitiavana.

17 Koa izao no lazaiko sady ambarako ao amin'ny Tompo: ny tsy mba handehananareo intsony tahaka ny fandehan'ny jentilisa amin'ny fahafoanan'ny sainy;18 fa efa tonga maizin-tsaina sy olon-ko azy amin'ny fiainan'Andriamanitra ireny noho ny tsi-fahalalana ny anatiny, noho ny hamafin'ny fony,19 dia olona tsy mahalala henatra intsony ka nanolo-tena ho amin'ny fijejojejoana hanao izay fahalotoana rehetra amin'ny fieremana.20 Fa ianareo kosa, dia tsy mba toy izany no nianaranareo an'i Kristy,21 raha Izy tokoa no renareo ka tao aminy no nampianarana anareo, araka ny fahamarinana izay ao amin'i Jesosy,22 mba hialanareo ny toetrareot taloha araka ny fitondran-tenanareo fahiny, izay mihasimba araka ny filan'ny fitaka;23 fa mba hohavaozina kosa ianareo amin'ny fanahin'ny sainareo,24 ary mba hotafinareo ny toetrat vaovao, izay noforonina araka an'Andriamanitra amin'ny fahitsiana sy ny fahamasinana momba ny fahamarinana.25 Koa esory ny lainga, ka samia milaza ny marina amin'ny namany avy ianareo rehetra; fa samy isan'ny momba ny tenan'ny namantsika avokoa isika.26 Tezera, fa aza manota; ary aoka tsy ho tratry ny masoandro milentika ny fahatezeranareo.27 Aza manome fitoerana ho an'ny devoly.28 Aoka izay nangalatra tsy hangalatra intsony; fa aleo hikely aina ka hiasa izay tsara amin'ny tànany, mba hisy homeny izay tsy manana.29 Aoka tsy haloaky ny vavanareo izay teny maloto, fa izay tsara ho fampandrosoana, araka izay tokony hanaovana, mba hahazoan'ny mihaino fahasoavana.30 Ary aza mampalahelo ny Fanahy Masin'Andriamanitra, Izay nanisiana tombo-kase anareo ho amin'ny andro fanavotana.31 Esory aminareo ny fo-lentikat rehetra sy ny fahavinirana sy ny fahatezerana sy ny fitabatabana sy ny fitenenan-dratsy ary ny lolompo rehetra;

32 ary aoka samy halemy fanahy amin'ny namany avy ianareo, ka hifampiantra sy hifamela heloka, tahaka ny namelan'Andriamanitra ny helokareo ao amin'i Kristy.

Ephesians 4

1 I therefore, the prisoner in the Lord, beseech you to walk worthily of the calling wherewith ye were called,2 with all lowliness and meekness, with longsuffering, forbearing one another in love;3 giving diligence to keep the unity of the Spirit in the bond of peace.4 There is one body, and one Spirit, even as also ye were called in one hope of your calling;5 one Lord, one faith, one baptism,6 one God and Father of all, who is over all, and through all, and in all.7 But unto each one of us was the grace given according to the measure of the gift of Christ.8 Wherefore he saith, When he ascended on high, he led captivity captive, And gave gifts unto men.9 (Now this, He ascended, what is it but that he also descended into the lower parts of the earth?10 He that descended is the same also that ascended far above all the heavens, that he might fill all things.)11 And he gave some to be apostles; and some, prophets; and some, evangelists; and some, pastors and teachers;12 for the perfecting of the saints, unto the work of ministering, unto the building up of the body of Christ:13 till we all attain unto the unity of the faith, and of the knowledge of the Son of God, unto a fullgrown man, unto the measure of the stature of the fulness of Christ:14 that we may be no longer children, tossed to and fro and carried about with every wind of doctrine, by the sleight of men, in craftiness, after the wiles of error;15 but speaking truth in love, we may grow up in all things into him, who is the head, even Christ;16 from whom all the body fitly framed and knit together through that which every joint supplieth, according to the working in due measure of each several part, maketh the increase of the body unto the building up of itself in love.17 This I say therefore, and testify in the Lord, that ye no longer walk as the Gentiles also walk, in the vanity of their mind,18 being darkened in their understanding, alienated from the life of God, because of the ignorance that is in them, because of the hardening of their heart;19 who being past feeling gave themselves up to lasciviousness, to work all uncleanness with greediness.20 But ye did not so learn Christ;21 if so be that ye heard him, and were taught in him, even as truth is in Jesus:22 that ye put away, as concerning your former manner of life, the old man, that waxeth corrupt after the lusts of deceit;23 and that ye be renewed in the spirit of your mind,24 and put on the new man, that after God hath been created in righteousness and holiness of truth.25 Wherefore, putting away falsehood, speak ye truth each one with his neighbor: for we are members one of another.26 Be ye angry, and sin not: let not the sun go down upon your wrath:27 neither give place to the devil.28 Let him that stole steal no more: but rather let him labor, working with his hands the thing that is good, that he may have whereof to give to him that hath need.29 Let no corrupt speech proceed out of your mouth, but such as is good for edifying as the need may be, that it may give grace to them that hear.30 And grieve not the Holy Spirit of God, in whom ye were sealed unto the day of redemption.31 Let all bitterness, and wrath, and anger, and clamor, and railing, be put away from you, with all malice:32 and be ye kind one to another, tenderhearted, forgiving each other, even as God also in Christ forgave you.