previous next

Galatiana 3

Ny famonjena sy ny fahafahan'ny mino an'i Kristy ampitahaina amin'ny fahamelohana sy ny fahandevozan'izay miankina amin'ny lalàna

1 Ry Galatiana adala, iza no nanimbat anareo; kanefa teo imasonareo indrindra no nanehoana marimarina an'i Jesosy Kristy voahombo tamin'ny hazo fijaliana?2 Izao ihany no tiako holazainareo amiko: Moa ny asan'ny lalàna va no nandraisanareo ny Fanahy, sa ny fitoriana ny finoanat?3 Adala toy izany va ianareo? Rehefa nanomboka tamin'ny Fanahy ianareo, dia hahatanteraka amin'ny nofo va ankehitriny?4 Moa izany zavatra be izany dia efa niaretanareo foana, raha dia foana tokoa izany?5 Ary Izay manome anareo ny Fanahy sy mahavita asa lehibe eo aminareo, moa avy amin'ny asan'ny lalàna va izany, sa avy amin'ny fitoriana ny finoanat?6 Dia tahaka an'i Abrahama nino an'Andriamanitra, ka dia nasaina ho fahamarinany izany (Gen. 15. 6).7 Koa fantaro fa izay amin'ny finoana no zanak'i Abrahama.8 Ary satria hitan'ny Soratra Masina rahateo fa amin'ny finoana no anamarinan'Andriamanitra ny jentilisa, dia nitory ny filazantsara tamin'i Abrahama rahateo izy, nanao hoe: Aminao no hitahiana ny firenena rehetra (Gen. 12. 3);9 ka dia izay amin'ny finoana notahina mbamin'i Abrahama mpino.10 Fa izay rehetra amin'ny asan'ny lalàna dia eo ambanin'ny fanozonana; fa voasoratra hoe: Voaozona izay rehetra tsy maharitra mankatò ny zavatra rehetra voasoratra ao amin'ny bokin'ny lalàna (Deo. 27. 26).11 Ary hita marimarina fa amin'ny lalàna dia tsy misy olona hamarinina eo anatrehan'Andriamanitra ; fa ny marina amin'ny finoana no ho velonat (Hab. 2. 4).12 Ary ny lalàna tsy araka ny finoana; fa izay mahatandrina izany no ho velona aminy (Lev. 18. 5).13 Kristy nanavotra anay tamin'ny ozon'ny lalàna, satria tonga voaozona hamonjy anay Izy; fa voasoratra hoe : Voaozona izay rehetra mihantona amin'ny hazo (Deo. 21. 23),14 mba ho tonga amin'ny jentilisa ny fitahiana an'i Abrahama ao amin'i Kristy Jesosy, ary mba horaisintsika amin'ny finoana ny teny fikasana ny amin'ny Fanahy.15 Ry rahalahy - miteny araka ny fanaon'ny olona aho - na dia ny fanekenat ataon'olona ihany aza, rehefa vita mafy, dia tsy fanao ny manatsoaka na manampy izany.16 Ary tamin'i Abrahama sy ny taranany no nilazana ny teny fikasana. Tsy lazainy hoe: Ary ho an'ny taranaka, toy ny milaza ny maro; fa toy ny milaza ny anankiray, ary ho an'ny taranakao (Gen. 22. 18), dia Kristy izany.

17 Ary izao no lazaiko: Ny fanekena izay nataon'Andriamanitra mafy fahiny dia tsy tsoahan'ny lalàna, izay vao natao telo-polo amby efa-jato taona tato aoriana, hahafoana ny teny fikasana.

18 Fa raha avy amin'ny lalàna ny lova, dia tsy avy amin'ny teny fikasana intsony; nefa tamin'i Abrahama dia teny fikasana no nanomezan'Andriamanitra azy.
19 Inona ary ny lalàna ? Nanampy noho ny fahadisoana izy ambara-pihavin'ny taranaka izay nomena ny teny fikasana; ary nalahatr'anjely teo an-tànan'ny mpanalalana izany.20 Ary ny mpanalalana dia tsy an'ny irery, fa Andriamanitra dia iray ihany.21 Ka moa manohitra ny teny fikasan'Andriamanitra va ny lalàna? Sanatria izany! Fa raha nisy lalàna mahavelona nomena, dia avy tamin'ny lalàna tokoa ny fahamarinana22 Fa ny Soratra Masina efa nanidy azy rehetra teo amin'ny fahotana, mba homena ny mino ny teny fikasana noho ny finoana an i Jesosy Kristy.23 Fa fony tsy mbola tonga ny finoana, dia voambina tao ambanin'ny lalàna isika ka voahidy ho amin'ny finoana izay efa haseho ato aoriana.24 Koa ny lalàna dia mpitaiza antsika ho amin'i Kristy, mba hohamarinina noho ny finoana isika.25 Fa rehefa tonga ny finoana, dia tsy fehezin'izay mpitaiza intsony isika.26 Fa ianareo rehetra dia zanak'Andriamanitra amin'ny finoana an'i Kristy Jesosy.27 Fa na iza na iza ianareo no natao batisa ho an'i Kristy dia nitafy an'i Kristy.28 Tsy misy intsony na Jiosy na Grika, na andevo na tsy andevo, na lahy sy vavy; fa iray ihany ianareo rehetra ao amin'i Kristy Jesosy.

29 Fa raha an'i Kristy ianareo, dia taranak'i Abrahama sy mpandova araka ny teny fikasana.

Galatians 3

1 O foolish Galatians, who did bewitch you, before whose eyes Jesus Christ was openly set forth crucified?2 This only would I learn from you. Received ye the Spirit by the works of the law, or by the hearing of faith?3 Are ye so foolish? having begun in the Spirit, are ye now perfected in the flesh?4 Did ye suffer so many things in vain? if it be indeed in vain.5 He therefore that supplieth to you the Spirit, and worketh miracles among you, doeth he it by the works of the law, or by the hearing of faith?6 Even as Abraham believed God, and it was reckoned unto him for righteousness.7 Know therefore that they that are of faith, the same are sons of Abraham.8 And the scripture, foreseeing that God would justify the Gentiles by faith, preached the gospel beforehand unto Abraham, saying, In thee shall all the nations be blessed.9 So then they that are of faith are blessed with the faithful Abraham.10 For as many as are of the works of the law are under a curse: for it is written, Cursed is every one who continueth not in all things that are written in the book of the law, to do them.11 Now that no man is justified by the law before God, is evident: for, The righteous shall live by faith;12 and the law is not of faith; but, He that doeth them shall live in them.13 Christ redeemed us from the curse of the law, having become a curse for us; for it is written, Cursed is every one that hangeth on a tree:14 that upon the Gentiles might come the blessing of Abraham in Christ Jesus; that we might receive the promise of the Spirit through faith.15 Brethren, I speak after the manner of men: Though it be but a man’s covenant, yet when it hath been confirmed, no one maketh it void, or addeth thereto.16 Now to Abraham were the promises spoken, and to his seed. He saith not, And to seeds, as of many; but as of one, And to thy seed, which is Christ.17 Now this I say: A covenant confirmed beforehand by God, the law, which came four hundred and thirty years after, doth not disannul, so as to make the promise of none effect.18 For if the inheritance is of the law, it is no more of promise: but God hath granted it to Abraham by promise.19 What then is the law? It was added because of transgressions, till the seed should come to whom the promise hath been made; and it was ordained through angels by the hand of a mediator.20 Now a mediator is not a mediator of one; but God is one.21 Is the law then against the promises of God? God forbid: for if there had been a law given which could make alive, verily righteousness would have been of the law.22 But the scriptures shut up all things under sin, that the promise by faith in Jesus Christ might be given to them that believe.23 But before faith came, we were kept in ward under the law, shut up unto the faith which should afterwards be revealed.24 So that the law is become our tutor to bring us unto Christ, that we might be justified by faith.25 But now faith that is come, we are no longer under a tutor.26 For ye are all sons of God, through faith, in Christ Jesus.27 For as many of you as were baptized into Christ did put on Christ.28 There can be neither Jew nor Greek, there can be neither bond nor free, there can be no male and female; for ye all are one man in Christ Jesus.29 And if ye are Christ’s, then are ye Abraham’s seed, heirs according to promise.