Galatiana 5
Famporisihana ny Galatiana tsy hahavery ny fahafahany, fa hazoto handroso amin'ny fitondran-tena tsara
1 Ho amin'ny fahafahana no nanafahan'i Kristy antsika; ka tomoera tsara, fa aza mety hohazonin'ny zioga fanandevozana intsony.
2 Indro, izaho Paoly milaza aminareo fa raha mety hoforana ianareo, dia tsy hahasoa anareo na dia kely akory aza Kristy.3 Ary lazaiko marina indray amin'ny olona manaiky hoforana rehetra fa mpitrosa tsy maintsy mankatò ny lalàna rehetra izy.4 Dia tafasaraka amin'i Kristy ianareo na iza na iza izay mitady hohamarinina amin'ny lalàna; efa lavo niala tamin'ny fahasoavana ianareo.5 Fa izahay amin'ny Fanahy sy noho ny finoana dia miandry ny fanantenanat ny fahamarinana.6 Fa ao amin'i Kristy Jesosy dia tsy mahasoa na ny famorana na ny tsi-famorana, fa ny finoana izay miasa amin'ny fitiavana.7 Hianareo nihazakazaka tsara, iza no nisakana anareo tsy hanaiky ny marina?8 Izany fitaomana izany dia tsy avy tamin'ilay miantso anareo.9 Ny masirasira kely dia mahatonga ny vongana rehetra ho masirasira avokoa.
10 Izaho matoky anareo ao amin'ny Tompo fa tsy hisaina zavatra hafa akory ianareo; fa ilay mampitabataba anareo no hiharan'ny fanamelohana, na zovy na zovy izy.
11 Fa izaho, ry rahalahy, raha mbola mitory ny famorana ihany, nahoana aho no mbola enjehina? Dia afaka tokoa ny fahatafintohinana noho ny hazo fijaliana.12 Enga anie ka hiesotrat aza izay mampitabataba anareo.13 Fa efa nantsoina ho amin'ny fahafahana ianareo, ry rahalahy; kanefa aoka tsy ho entinareo hanaraka ny nofo izany fahafahana izany, fa mifampanompoa amin'ny fitiavana.14 Fa tanteraka amin'ny teny iray ihany ny lalàna rehetra, dia izao: Tiava ny namanao tahaka ny tenanao (Lev. 19. 18).15 Fa raha mifandramatra sy mifampihinana ianareo, tandremo fandrao mifandringana.16 Fa hoy izaho: Mandehana araka ny Fanahy, dia tsy hahatanteraka ny filan'ny nofo ianareo.17 Fa ny nofo manohitra ny Fanahy, ary ny Fanahy manohitra ny nofo; ary mifanohitra izy roroa, mba tsy hahazoanaroeo manao izay zavatra tianareo.18 Fa raha tarihin'ny Fanahy ianareo, dia tsy mba ambanin'ny lalàna.19 Fa miharihary ny asan'ny nofo, dia izao: Fijangajangana, fahalotoana, fijejojejoana,20 fanompoan-tsampy, fanaovana ody ratsy, fandrafiana, fifandirana, adi-lahy, fiafonafonana, fifampiandaniana, fisarahana, fitokoana,21 fialonana, fahamamoana, filalaovan-dratsy, ary ny toy izany, izay lazaiko aminareo rahateo, tahaka ny voalazako fahiny koa, fa izay manao izany dia tsy handova ny fanjakan'Andriamanitra.22 Fa ny vokatry ny Fanahy kosa dia fitiavana, fifaliana, fiadanana, fahari-po fahamoram-panahy, fanaovan-tsoa, fahamarinana,23 fahalemem-panahy, fahononam-po; tsy misy lalàna manohitra izany.24 Fa izay an'Kristy Jesosy dia efa nanombo ny nofony mbamin'ny faniriany sy ny filany tamin'ny hazo fijaliana.25 Raha velon'ny Fanahy isika, dia aoka handeha araka ny Fanahy.
26 Aoka isika tsy handrani-tena foana ka hifampihaika sy hifampialona.
Galatians 5
1 For freedom did Christ set us free: stand fast therefore, and be not entangled again in a yoke of bondage.2 Behold, I Paul say unto you, that, if ye receive circumcision, Christ will profit you nothing.3 Yea, I testify again to every man that receiveth circumcision, that he is a debtor to do the whole law.4 Ye are severed from Christ, ye would be justified by the law; ye are fallen away from grace.5 For we through the Spirit by faith wait for the hope of righteousness.6 For in Christ Jesus neither circumcision availeth anything, nor uncircumcision; but faith working through love.7 Ye were running well; who hindered you that ye should not obey the truth?8 This persuasion came not of him that calleth you.9 A little leaven leaveneth the whole lump.10 I have confidence to you-ward in the Lord, that ye will be none otherwise minded: but he that troubleth you shall bear his judgment, whosoever he be.11 But I, brethren, if I still preach circumcision, why am I still persecuted? then hath the stumbling-block of the cross been done away.12 I would that they that unsettle you would even go beyond circumcision.13 For ye, brethren, were called for freedom; only use not your freedom for an occasion to the flesh, but through love be servants one to another.14 For the whole law is fulfilled in one word, even in this: Thou shalt love thy neighbor as thyself.15 But if ye bite and devour one another, take heed that ye be not consumed one of another.16 But I say, walk by the Spirit, and ye shall not fulfil the lust of the flesh.17 For the flesh lusteth against the Spirit, and the Spirit against the flesh; for these are contrary the one to the other; that ye may not do the things that ye would.18 But if ye are led by the Spirit, ye are not under the law.19 Now the works of the flesh are manifest, which are these: fornication, uncleanness, lasciviousness,20 idolatry, sorcery, enmities, strife, jealousies, wraths, factions, divisions, parties,21 envyings, drunkenness, revellings, and such like; of which I forewarn you, even as I did forewarn you, that they who practise such things shall not inherit the kingdom of God.22 But the fruit of the Spirit is love, joy, peace, longsuffering, kindness, goodness, faithfulness,23 meekness, self-control; against such there is no law.24 And they that are of Christ Jesus have crucified the flesh with the passions and the lusts thereof.25 If we live by the Spirit, by the Spirit let us also walk.26 Let us not become vainglorious, provoking one another, envying one another.