Galatiana 6
Anatra farany
1 Ry rahalahy, raha misy olona azon'ny ota tsy nahy azat, dia atsanganonareo izay manana ny Fanahy amin'ny fahamorana izy, ka mihevera ny tenanao, fandrao ianao koa mba halaim-panahy ihany.
2 Mifampitondrà izay mahavesatra, ary aoka izany no hahatanterahanareo ny lalàn'i Kristy.3 Fa raha misy manao ny tenany ho zavatra, kanjo tsinontsinona, dia mamitaka ny tenany izy.4 Fa aoka ny olona rehetra samy hizaha toetra ny asany avy, dia samy hanana hafaliana ny amin'ny tenany ihany izy, fa tsy ny amin'ny olon-kafa;
5 fa samy hitondra ny entany avy ny olona rehetra.
6 Aoka izay ampianarina ny teny mba hahafoy zava-tsoa ho an'izay mampianatra.
7 Aza mety hofitahina ianareo; Andriamanitra tsy azo vazivazina, fa izay afafin'ny olona no hojinjany.8 Fa izay mamafy ho an'ny nofony dia hijinja fahasimbana avy amin'ny nofo; ary izay mamafy ho an'ny Fanahy dia hijinja fiainana mandrakizay avy amin'ny Fanahy.9 Ary aza mba ketraka amin'ny fanaovan-tsoa isika; fa amin'ny fotoan'andro no hijinjantsika, raha tsy reraka isika.
10 Koa araka ny ananantsika andro hanaovana, dia aoka isika hanao soa amin'ny olona rehetra, indrindra fa amin'ny mpianakavin'ny finoana.
11 Indro ny havaventin'ny soratra izay soratan'ny tanako ho aminareo.12 Na iza na iza te-hiseho ho tsara amin'ny nofo, dia ireo no manery anareo hoforana, nefa noho izao ihany : fandrao henjehina noho ny hazo fijalian'i Kristy izy.13 Fa na dia ny tenan'izy voafora aza dia tsy mitandrina ny lalàna; kanefa tiany ho forana koa ianareo, mba hireharehany amin'ny nofonareo.14 Fa sanatria raha mba misy hataoko rehareha afa-tsy ny hazo fijalian'i Jesosy Kristy Tompontsika, Izayt nahavoahombo izao tontolo izao tamin'ny hazo fijaliana, raha ny amiko, ary izaho kosa, raha ny amin'izao tontolo izao.15 Fa samy tsy mahasoa na ny famorana na ny tsi-famorana, fa ny ho olom-baovao.16 Ary izay rehetra mandeha araka ity fitsipika ity, dia ho aminy anie ny fiadanana sy ny famindram-po, ary ho amin'ny Isiraelin'Andriamanitra.17 Amin'izao sisa izao aoka tsy hisy hanahirana ahy intsony; fa izaho mitondra ny marik'i Jesosy voatomboka eo amin'ny tenako.
18 Ho amin'ny fanahinareo anie, ry rahalahy, ny fahasoavan'i Jesosy Kristy Tompontsika. Amena.
Galatians 6
1 Brethren, even if a man be overtaken in any trespass, ye who are spiritual, restore such a one in a spirit of gentleness; looking to thyself, lest thou also be tempted.2 Bear ye one another’s burdens, and so fulfil the law of Christ.3 For if a man thinketh himself to be something when he is nothing, he deceiveth himself.4 But let each man prove his own work, and then shall he have his glorying in regard of himself alone, and not of his neighbor.5 For each man shall bear his own burden.6 But let him that is taught in the word communicate unto him that teacheth in all good things.7 Be not deceived; God is not mocked: for whatsoever a man soweth, that shall he also reap.8 For he that soweth unto his own flesh shall of the flesh reap corruption; but he that soweth unto the Spirit shall of the Spirit reap eternal life.9 And let us not be weary in well-doing: for in due season we shall reap, if we faint not.10 So then, as we have opportunity, let us work that which is good toward all men, and especially toward them that are of the household of the faith.11 See with how large letters I write unto you with mine own hand.12 As many as desire to make a fair show in the flesh, they compel you to be circumcised; only that they may not be persecuted for the cross of Christ.13 For not even they who receive circumcision do themselves keep the law; but they desire to have you circumcised, that they may glory in your flesh.14 But far be it from me to glory, save in the cross of our Lord Jesus Christ, through which the world hath been crucified unto me, and I unto the world.15 For neither is circumcision anything, nor uncircumcision, but a new creature.16 And as many as shall walk by this rule, peace be upon them, and mercy, and upon the Israel of God.17 Henceforth, let no man trouble me; for I bear branded on my body the marks of Jesus.18 The grace of our Lord Jesus Christ be with your spirit, brethren. Amen.