Hebreo 1
Fampitahana an'i Kristy sy ny anjely
1 Rehefa nampitenenin'Andriamanitra tamin'ny razana fahiny ny mpaminany tamin'ny andro samy hafa sy ny fanao samy hafa;2 dia amin'izao andro farany izao kosa no nampitenenany tamintsika ny Zanany, Izay voatendriny ho Mpandova ny zavatra rehetra; Izy no nahariany izao tontolo izao,3 Izy koa no famirapiratan'ny voninahiny sy endriky ny tenany indrindra ary mihazona ny zavatra rehetra amin'ny herin'ny teniny; ary rehefa nanao fanadiovana hahafaka ny fahotana Izy, dia nipetraka teo amin'ny tanana ankavanan'ny Lehibe any amin'ny avo4 ka natao tsara noho ny anjely, araka ny nandovany anarana tsara noho ireny.5 Fa anjely iza no mba nilazany hoe: "Zanako Hianao, Izaho niteraka Anao androany"? (Sal.2.7). Ary koa: "Izaho ho Rainy, Ary Izy ho Zanako"? (2 Sam. 7.14.)6 Ary raha mitondra ny Lahimatoa ho amin'izao fiainana izao indray, dia hoy Izy: "Ary aoka ny anjelin'Andriamanitra rehetra hiankohoka eo anoloany" (Sal. 97.7).7 Ary ny anjely dia ilazany hoe: "Izy manao ny anjeliny ho rivotra, Ary ny mpanompony ho lelafo" (Sal.104. 4).8 Fa ny Zanaka kosa dia nilazany hoe: "Ny seza fiandriananao, Andriamanitra ô, dia mandrakizay doria; Ary ny tehim-pahitsiana no tehim-panjakanao;9 Tianao ny fahamarinana, fa halanao ny heloka; Koa Andriamanitra, dia Andriamanitrao, efa nanoso-diloilo fifaliana Anao Mihoatra noho ny namanao" (Sal. 45.6, 7).10 Ary izao koa: "Hianao, Jehovah ô, tany aloha no nanorenanao ny tany, Ary asan'ny tananao ny lanitra;11 Ireo dia ho levona, fa Hianao no maharitra; Ary izy rehetra ho rovitra toy ny fitafiana,12 Ary toy ny lamba no hamalonanao azy, Dia toy ny fitafiana, ka hovana izy; Fa Hianao no tsy miova, Ary ny taonanao no tsy ho tapitra" (Sal 102.25-27).13 Fa anjely iza no mba nilazany hoe: "Mipetraha eo an-tanako ankavanana, Ambara-panaoko ny fahavalonao ho fitoeran-tongotrao"? (Sal. 110. 1.)
14 Tsy fanahy manompot va izy rehetra, nirahina hanao fanompoana ho an'izay handova famonjena?
Hebrews 1
1 God, having of old time spoken unto the fathers in the prophets by divers portions and in divers manners,2 hath at the end of these days spoken unto us in his Son, whom he appointed heir of all things, through whom also he made the worlds;3 who being the effulgence of his glory, and the very image of his substance, and upholding all things by the word of his power, when he had made purification of sins, sat down on the right hand of the Majesty on high;4 having become by so much better than the angels, as he hath inherited a more excellent name than they.5 For unto which of the angels said he at any time, Thou art my Son, This day have I begotten thee? and again, I will be to him a Father, And he shall be to me a Son?
6 And when he again bringeth in the firstborn into the world he saith, And let all the angels of God worship him.7 And of the angels he saith, Who maketh his angels winds, And his ministers a flame a fire:
8 but of the Son he saith, Thy throne, O God, is for ever and ever; And the sceptre of uprightness is the sceptre of thy kingdom.
9 Thou hast loved righteousness, and hated iniquity; Therefore God, thy God, hath anointed thee With the oil of gladness above thy fellows.
10 And, Thou, Lord, in the beginning didst lay the foundation of the earth, And the heavens are the works of thy hands:
11 They shall perish; but thou continuest: And they all shall wax old as doth a garment;
12 And as a mantle shalt thou roll them up, As a garment, and they shall be changed: But thou art the same, And thy years shall not fail.
13 But of which of the angels hath he said at any time, Sit thou on my right hand, Till I make thine enemies the footstool of thy feet?
14 Are they not all ministering spirits, sent forth to do service for the sake of them that shall inherit salvation?