previous next

Hebreo 5

Anatra sy famporisihana hampandroso tsara ny olona

1 Fa ny mpisoronabe rehetra dia alaina amin'ny olona ka tendrena ho solon'ny olona hanao ny raharahan'Andriamanitra, hanatitra fanomezana sy fanatitra hanafaka ota,2 dia olona izay mahay mitondra mora ny tsy mahalala sy ny mania, satria ny tenany koa dia mba hodidinin'ny fahalemena ihany;3 ary noho izany dia tsy maintsy hanao fanatitra hanafaka ota ho an'ny tenany koa izy, toy ny ataony ho an'ny olona ihany.4 Ary tsy misy maka izany voninahitra izany ho an'ny tenany afa-tsy izay antsoin'Andriamanitra, tahaka an'i Arona.5 Dia toy izany koa Kristy: tsy Izy no nanandratra ny tenany ho Mpisoronabe, fa Ilay nanao taminy hoe: "Zanako Hianao, Izaho niteraka Anao androany" (Sal.2.7);6 ary toy ny lazainy eo amin'ny teny hafa koa hoe: "Hianao no Mpisorona mandrakizay Araka ny fanaon'i Melkizedeka" (Sal.110.4).7 Tamin'ny andron'ny nofony, raha nanaot fivavahana sy fangatahana nomban'ny fitarainana mafy sy ny ranomaso be tamin'izay nahavonjy Azy tamin'ny fahafatesana Izy, sady voahaino noho ny fahatahorany an'Andriamanitrat,8 dia nianatra fanarahana tamin'izay fahoriana nentiny Izy, na dia Zanaka aza;9 ary rehefa natao tanteraka Izy, dia tonga loharanon'ny famonjena mandrakizay ho an'izay rehetra manaraka Azy,

10 fa notononin'Andriamanitra hoe Mpisoronabe "araka ny fanaon'i Melkizedeka."

11 Ny amin'izany dia manana teny maro izahay sady sarotra ambara, satria lalodalovana ny sofinareo.12 Fa na dia tokony ho efa mpampianatra aza ianareo noho ny fahelan'ny andro, dia mbola mila izay hampianatra anareo ny abidim-pianaran'ny tenin'Andriamanitra indray; ary efa toy izay tokony homen-dronono ianareo, fa tsy ventin-kanina.13 Fa izay rehetra mivelona amin'ny ronono dia tsy zatra amin'ny tenin'ny fahamarinana, satria mbola zaza-bodo.

14 Fa ho an'izay efa lehibet ny ventin-kanina, dia ho an'izay manana ny saina efa zatra nampiasaina tsara ka mahay manavaka ny tsara sy ny ratsy.

Hebrews 5

1 For every high priest, being taken from among men, is appointed for men in things pertaining to God, that he may offer both gifts and sacrifices for sins:2 who can bear gently with the ignorant and erring, for that he himself also is compassed with infirmity;3 and by reason thereof is bound, as for the people, so also for himself, to offer for sins.4 And no man taketh the honor unto himself, but when he is called of God, even as was Aaron.5 So Christ also glorified not himself to be made a high priest, but he that spake unto him, Thou art my Son, This day have I begotten thee:

6 as he saith also in another place, Thou art a priest for ever After the order of Melchizedek.

7 Who in the days of his flesh, having offered up prayers and supplications with strong crying and tears unto him that was able to save him from death, and having been heard for his godly fear,8 though he was a Son, yet learned obedience by the things which he suffered;9 and having been made perfect, he became unto all them that obey him the author of eternal salvation;10 named of God a high priest after the order of Melchizedek.11 Of whom we have many things to say, and hard of interpretation, seeing ye are become dull of hearing.12 For when by reason of the time ye ought to be teachers, ye have need again that some one teach you the rudiments of the first principles of the oracles of God; and are become such as have need of milk, and not of solid food.13 For every one that partaketh of milk is without experience of the word of righteousness; for he is a babe.14 But solid food is for fullgrown men, even those who by reason of use have their senses exercised to discern good and evil.