Jakoba 1
Ny amin'ny fakam-panahy, sy ny fandraisana ny tenin'Andriamanitra
1 Jakoba, mpanompon'Andriamanitra sy Jesosy Kristy Tompo, mamangy ny firenena roa ambin'ny folo monina any am-pielezana.2 Ry rahalahiko, ataovy ho fifaliana avokoa, raha iharan'ny fakam-panahyt samy hafa ianareo,3 satria fantatrareo fa ny fizahan-toetra ny finoanareo dia mahatonga faharetana.4 Ary aoka ny faharetana hisy asa tanteraka, mba ho tanteraka sy tonga ohatra ianareo, ka tsy hisy tsy ampy na inona na inona.5 Ary raha misy ianareo tsy manam-pahendrenat, aoka izy hangataka amin'Andriamanitra, Izay manome malalaka ho an'ny olona rehetra sady tsy mandatsa; ary dia homena azy izany.6 Nefa aoka hangataka amin'ny finoana izy ka tsy hiahanahana akory; fa izay miahanahana dia toy ny alon-dranomasina entin'ny rivotra ka atopatopany.7 Fa aoka tsy hanampo handray zavatra amin'ny Tompo izany olona izany:8 olona miroa saina izy, miovaova amin'ny alehany rehetra.9 Aoka ny rahalahy izay ambany hanao ny fisandratany ho reharehany;10 fa ny manan-karena kosa ny fietreny, satria ho levona tahaka ny vonin'ny ahitra izy.11 Fa miposaka ny masoandro mbamin'ny hainandro mahamay, dia mampahalazo ny ahitra, ka mihintsana ny voniny, ary levona ny hatsaran-tarehiny; dia toy izany koa no fahalazon'ny manan-karena amin'ny alehany.
12 Sambatra izay olona maharitra fakam-panahy; fa rehefa voazaha toetra izy, dia handray ny satro-boninahitra fiainana, izay nolazain'ny Tompo homena izay tia Azy.
13 Raha misy alaim-panahy, aoka izy tsy hanao hoe: Andriamanitra no maka fanahy ahy; fa Andriamanitra tsy azon'ny ratsy alaim-panahy, sady tsy mba maka fanahy olona Izy;14 fa samy alaim-panahy ny olona, raha tarihin'ny filany sy fitahiny izy.15 Ary ny filàna, rehefa torontoronina, dia miteraka ota; ary ny ota, rehefa tanteraka, dia miteraka fahafatesana.16 Aza mety hofitahina ianareo, sy rahalahy malalako.17 Ny fanomezan-tsoa rehetra sy ny fanomezana tanteraka rehetra dia avy any ambony ka midina avy amin'ny Rain'ny fanazavana, Izay tsy misy fiovaovana na aloka avy amin'ny fihodinana.18 Tamin'ny sitrapony no niterahany antsika tamin'ny teny fahamarinana, mba ho santatry ny zavatra noforoniny isika.19 Fantatrareo izany, sy rahalahy malalako. Kanefa aoka ny olona rehetra halady hihaino ho malai-miteny, ho malain-ko tezitra;20 fa ny fahatezeran'ny olona tsy ahefana izay marina eo imason'Andriamanitra.21 Koa ario ny fahalotoana sy ny lolompo rehetra, ary ekeo amin'ny fahalemem-panahy ny teny nambolena, izay mahavonjy ny fanahinareo.22 Fa aoka ho mpankatò ny teny ianareo, fa aza mpihaino fotsiny ihany ka mamitaka ny tenanareo.23 Fa raha misy mpihaino ny teny, nefa tsy mpankatò, dia toy ny olona mizaha ny tarehiny eo amin'ny fitaratra izy;24 fa mijery ny tenany izy, dia lasa, ary miaraka amin'izay dia hadinony ny tarehiny.25 Fa izay mandinika ny lalàna tanteraka, dia ny lalàn'ny fahafahana, ka maharitra amin'izany, raha tsy mpihaino manadino, fa mpanao ny asa, dia ho sambatra amin'ny asany izany olona izany.26 Raha misy manao azy ho mpivavaka, nefa tsy mamehy ny vavany, fa mamitaka ny fony, dia zava-poana ny fivavahan'izany olona izany.
27 Izao no fivavahana madio sady tsy misy loto eo anatrehan'Andriamanitra Ray: ny mamangy ny kamboty sy ny mpitondratena amin'ny fahoriany, sy ny miaro ny tena tsy hisy pentimpentina avy amin'izao tontolo izao.
James 1
1 James, a servant of God and of the Lord Jesus Christ, to the twelve tribes which are of the Dispersion, greeting.2 Count it all joy, my brethren, when ye fall into manifold temptations;3 Knowing that the proving of your faith worketh patience.4 And let patience have its perfect work, that ye may be perfect and entire, lacking in nothing.5 But if any of you lacketh wisdom, let him ask of God, who giveth to all liberally and upbraideth not; and it shall be given him.6 But let him ask in faith, nothing doubting: for he that doubteth is like the surge of the sea driven by the wind and tossed.7 For let not that man think that he shall receive anything of the Lord;8 a doubleminded man, unstable in all his ways.9 But let the brother of low degree glory in his high estate:10 and the rich, in that he is made low: because as the flower of the grass he shall pass away.11 For the sun ariseth with the scorching wind, and withereth the grass: and the flower thereof falleth, and the grace of the fashion of it perisheth: so also shall the rich man fade away in his goings.12 Blessed is the man that endureth temptation; for when he hath been approved, he shall receive the crown of life, which the Lord promised to them that love him.13 Let no man say when he is tempted, I am tempted of God; for God cannot be tempted with evil, and he himself tempteth no man:14 but each man is tempted, when he is drawn away by his own lust, and enticed.15 Then the lust, when it hath conceived, beareth sin: and the sin, when it is fullgrown, bringeth forth death.16 Be not deceived, my beloved brethren.17 Every good gift and every perfect gift is from above, coming down from the Father of lights, with whom can be no variation, neither shadow that is cast by turning.18 Of his own will he brought us forth by the word of truth, that we should be a kind of firstfruits of his creatures.19 Ye know this, my beloved brethren. But let every man be swift to hear, slow to speak, slow to wrath:20 for the wrath of man worketh not the righteousness of God.21 Wherefore putting away all filthiness and overflowing of wickedness, receive with meekness the implanted word, which is able to save your souls.22 But be ye doers of the word, and not hearers only, deluding your own selves.23 For if any one is a hearer of the word and not a doer, he is like unto a man beholding his natural face in a mirror:24 for he beholdeth himself, and goeth away, and straightway forgetteth what manner of man he was.25 But he that looketh into the perfect law, the law of liberty, and so continueth, being not a hearer that forgetteth but a doer that worketh, this man shall be blessed in his doing.26 If any man thinketh himself to be religious, while he bridleth not his tongue but deceiveth his heart, this man’s religion is vain.27 Pure religion and undefiled before our God and Father is this, to visit the fatherless and widows in their affliction, and to keep oneself unspotted from the world.