previous next

Jakoba 2

Ny fahafoanan'ny finoana tsy misy asa

1 Ry rahalahiko, aoka tsy hasiana fizahan-tavan'olona ny finoanareo ny Tompontsika, dia Jesosy Kristy, Tompon'ny voninahitra.2 Fa raha misy olona miditra eo amin'ny synagoganareo misy peratra volamena amin'ny rantsan-tànany sady miakanjo tsara, ary mba miditra kosa izay olona malahelo miakanjo ratsy,3 koa mijery ilay miakanjo tsara ianareo ka manao hoe: Mipetraha eto amin'ny fitoerana aloha ianao; ary manao amin'ilay malahelo kosa hoe: Mitoera eroa ianao, na: Mipetraha etsy amin'ny fitoeran-tongotro,-4 moa tsy miangatrat va ianareo amin'izany ka efa mpitsara manan-kevi-dratsy?5 Mihainoa, ry rahalahy malalako: Tsy efa nofidin'Andriamanitra va ny malahelo amin'izao fiainana izao ho mpanankarena amin'ny finoana sy ho mpandova ny fanjakana nolazainy homena izay tia Azy?6 Fa ianareo efa nanala-baraka ny malahelo. Moa tsy ny mpanankarena va no mampahory anareo? Ary tsy izy va no mitarika anareo ho eo amin'ny fitsarana?7 Tsy izy koa va no miteny ratsyt ny anarana tsara izay niantsoana anareo?8 Kanefa raha mankatò ilay didy ambony indrindrat ianareo, araka ny Soratra Masina hoe: "Tiava ny namanao tahaka ny tenanao" (Lev. 29.18), dia manao tsara ianareo.9 Fa raha mizaha tavan'olona kosa ianareo, dia manota ka helohin'ny lalàna ho mpanota.10 Fa na iza na iza mitandrina ny lalàna rehetra, nefa diso amin'ny iray loha dia meloka amin'izy rehetra.11 Fa Ilay nanao hoe: "Aza mijangajanga" no nanao hoe koa: "Aza mamono olona" (Eks. 20.13, 14). Fa raha tahìny tsy mijangajanga ianao, kanefa mamono olona ihany, dia mpandika ny lalàna ianao.12 Aoka ianareo hiteny sy hanao araka izay mahamendrika anareo, izay olona hotsarain'ny lalàn'ny fahafahana.

13 Fa fitsarana tsy misy famindram-po no ho anjaran'izay tsy mamindra fo; ary ny famindram-po kosa dia faly, fa tsy mba matahotra ny fitsarana.

14 Inona moa no soa azo, ry rahalahiko, raha misy milaza fa manam-pinoana izy, nefa tsy manana asa? Ny finoana va mahavonjy azy?15 Raha misy rahalahy na anabavy tsy manan-kitafy sady tsy manan-kohanina isan'andro,16 ka misy aminareo manao aminy hoe: Mandehana amin'ny fiadanana, mamindroa, mivokisa, kanefa tsy omenareo azy tsinona izay tandrifiny ho an'ny tenany, inona moa no soa azo amin'izany?17 Ary mba toy izany koa ny finoana, raha tsy misy asa, dia maty mihitsy.18 Fa angamba hisy hanao hoe: Hianao manam-pinoana, ary izaho manana asa; asehoy amiko tsy amin'ny asa ny finoanao, ary izaho kosa haneho aminao ny finoako amin'ny asako.19 Hianao manao fa iray ihany no Andriamanitra; koa tsara izany ataonao izany,- ny demonia koa mba mino izany ka dia mangovitra.20 Moa tsy fantatrao va, ry olom-poana, fa tsy vanona ny finoana tsy misy asa?21 Tsy nohamarinina tamin'ny asa va Abrahama razantsika tamin'ny nanaterany an'isaka zanany teo ambonin'ny alitara?22 Hitanao fa niara-niasa tamin'ny finoana ny asany, ary ny finoana dia notanterahina tamin'ny asa;23 ary tanteraka ny Soratra Masina manao hoe: "Ary Abrahama nino an'Andriamanitra, ka nisaina ho fahamarinany izany" (Gen. 25.6), ary natao hoe "Sakaizan'Andriamanitra" izy (Isa. 41.8).24 Koa dia hitanareo fa hamarinina amin'ny asa ny olona, fa tsy amin'ny finoana ihany.25 Ary toy izany koa Rahaba janga, tsy nohamarinina tamin'ny asa va izy tamin'ny nandraisany ireny iraka ireny sy ny nampandehanany azy tamin'ny lalan-kafa?

26 Fa maty ny tena, raha tsy misy fanahy, ary maty toy izany koa ny finoana, raha tsy misy asa.

James 2

1 My brethren, hold not the faith of our Lord Jesus Christ, the Lord of glory, with respect of persons.2 For if there come into your synagogue a man with a gold ring, in fine clothing, and there come in also a poor man in vile clothing;3 and ye have regard to him that weareth the fine clothing, and say, Sit thou here in a good place; and ye say to the poor man, Stand thou there, or sit under my footstool;4 Do ye not make distinctions among yourselves, and become judges with evil thoughts?5 Hearken, my beloved brethren; did not God choose them that are poor as to the world to be rich in faith, and heirs of the kingdom which he promised to them that love him?6 But ye have dishonored the poor man. Do not the rich oppress you, and themselves drag you before the judgment-seats?7 Do not they blaspheme the honorable name by which ye are called?8 Howbeit if ye fulfil the royal law, according to the scripture, Thou shalt love thy neighbor as thyself, ye do well:9 but if ye have respect of persons, ye commit sin, being convicted by the law as transgressors.10 For whosoever shall keep the whole law, and yet stumble in one point, he is become guilty of all.11 For he that said, Do not commit adultery, said also, Do not kill. Now if thou dost not commit adultery, but killest, thou art become a transgressor of the law.12 So speak ye, and so do, as men that are to be judged by a law of liberty.13 For judgment is without mercy to him that hath showed no mercy: mercy glorieth against judgment.14 What doth it profit, my brethren, if a man say he hath faith, but have not works? can that faith save him?15 If a brother or sister be naked and in lack of daily food,16 and one of you say unto them, Go in peace, be ye warmed and filled; and yet ye give them not the things needful to the body; what doth it profit?17 Even so faith, if it have not works, is dead in itself.18 Yea, a man will say, Thou hast faith, and I have works: show me thy faith apart from thy works, and I by my works will show thee my faith.19 Thou believest that God is one; thou doest well: the demons also believe, and shudder.20 But wilt thou know, O vain man, that faith apart from works is barren?21 Was not Abraham our father justified by works, in that he offered up Isaac his son upon the altar?22 Thou seest that faith wrought with his works, and by works was faith made perfect;23 and the scripture was fulfilled which saith, And Abraham believed God, and it was reckoned unto him for righteousness; and he was called the friend of God.24 Ye see that by works a man is justified, and not only by faith.25 And in like manner was not also Rahab the harlot justified by works, in that she received the messengers, and sent them out another way?26 For as the body apart from the spirit is dead, even so faith apart from works is dead.