Jaona 11
1 Ary nisy lehilahy anankiray narary, dia Lazarosy avy any Betania, tanànan'i Maria sy Marta rahavaviny.2 Maria dia ilay nanosotra ny Tompo tamin'ny menaka manitra sy namaoka ny tongony tamin'ny volon-dohany, ary Lazarosy anadahiny no narary.3 Ary izy mirahavavy dia naniraka tany amin'i Jesosy hanao hoe: Tompoko, marary ilay tianao.4 Ary rehefa ren'i Jesosy izany, dia hoy Izy: Tsy ho fahafatesana no anton'izany aretina izany, fa ny hampisehoana ny voninahitr'Andriamanitra, mba hankalazana ny Zanak'Andriamanitra.5 Ary Jesosy tia an'i Marta sy ny rahavaviny ary Lazarosy.6 Koa nony ren'i Jesosy fa narary Lazarosy, dia mbola nitoetra indroa andro teo amin'izay nitoerany ihany Izy.7 Rehefa afaka izany, dia hoy Izy tamin'ny mpianatra: Andeha isika ho any Jodia indray.8 Hoy ny mpianatra taminy: Raby ô, vao haingana teo no nitadiavan'ny Jiosy hitora-bato Anao, ka hankany indray va Hianao?9 Jesosy namaly hoe: Tsy roa ambin'ny folo va ny ora amin'ny indray andro? Raha misy mandeha amin'ny antoandro, dia tsy mba tafintohina izy, fa mahita ny fahazavan'izao tontolo izao.10 Fa raha misy kosa mandeha amin'ny alina, dia ho tafintohina izay, ka tsy misy mazava ao aminy.11 Izany no nolazainy; ary rehefa afaka izany, dia hoy Izy taminy: Matory Lazarosy sakaizantsika; fa handeha hamoha azy Aho.12 Dia hoy ny mpianatra taminy: Tompoko, raha matory izy, dia ho tsara ihanyt.13 Nefa Jesosy nilaza ny fahafatesany; fa nataon'izy ireo kosa fa fialan-tsasatra amin'ny torimaso no nolazainy.14 Ary tamin'izany Jesosy dia nilaza tsotra taminy hoe: Maty Lazarosy;15 ary faly Aho noho ny aminareo, satria tsy teo Aho, mba hinoanareo; fa andeha isika hankany aminy.16 Dia hoy Tomasy (izay atao hoe Didymo) tamin'ny mpianatra namany: Andeha isika mba hiara-maty aminy.17 Ary nony tonga Jesosy, dia hitany fa efa nilevina hefarana izy.18 Ary Betania dia tao akaikin'i Jerosalema, tokony ho dimy ambin'ny folo stadiot no elanelany.19 Ary maro tamin'ny Jiosy no efa tonga teo amin'i Marta sy Maria hitsapa alahelo azy noho ny amin'ny anadahiny.20 Ary Marta, raha nandre fa tamy Jesosy, dia nandeha nitsena Azy; fa Maria kosa nitoetra tao an-trano.21 Ary hoy Marta tamin'i Jesosy: Tompoko, raha teto Hianao, dia tsy maty ny anadahiko.22 Nefa fantatro fa na dia ankehitriny izao aza na inona na inona no hangatahinao amin'Andriamanitra dia homen'Andriamanitra Anao.23 Hoy Jesosy taminy: Hitsangana ny anadahinao.24 Fa hoy Marta taminy: Fantatro ihany fa hitsangana izy amin'ny fitsanganan'ny maty amin'ny andro farany;25 Hoy Jesosy taminy: Izaho no fananganana ny maty sy fiainana; izay mino Ahy, na dia maty aza, dia ho velona indray.26 Ary izay rehetra velona ka mino Ahy dia tsy ho faty mandrakizay. Mino izany va ianao?27 Hoy izy taminy: Eny, Tompoko; mino aho fa Hianao no Kristy, Zanak'Andriamanitra, Ilay ho tonga amin'izao tontolo izao.28 Ary rehefa nilaza izany izy, dia lasa nandeha ka niantso mangingina an'i Maria rahavaviny, nanao hoe: Tonga ny Mpampianatra ka miantso anao.29 Ary raha vao nandre izany Maria, dia nitsangana faingana izy ka nankeo aminy.30 Fa Jesosy tsy mbola tonga tao an-tanàna, fa mbola teo amin'ilay nitsenan'i Marta Azy ihany.31 Ary ny Jiosy izay tao amin'i Maria tao an-trano ka nitsapa alahelo azy, raha nahita azy nitsangana faingana ka nivoaka, dia nanaraka azy, satria nataony fa nankany amin'ny fasana hitomany any izy.32 Ary Maria, rehefa tonga teo amin'nitoeran'i Jesosy ka nahita Azy, dia niankohoka teo amin'ny tongony ka nanao taminy hoe: Tompoko, raha teto Hianao, dia tsy maty ny anadahiko.33 Ary Jesosy nony nahita azy nitomany sy ny Jiosy izay niaraka taminy nitomany koa, dia vonto ny fanahiny, ka tora-kovitra Izy;34 ary hoy Izy: Aiza moa no nandevenanareo azy? Dia hoy ireo taminy: Tompoko, andeha hizaha.35 Jesosy nitomany.36 Dia hoy ny Jiosy: Akory ity haben'ny fitiavany azy!37 Fa hoy ny sasany: Moa tsy hain'ilehity, Izay nampahiratra ny mason'ilay jamba va, ny manao izay tsy ho nahafaty an-dralehilahy ity?38 Dia vonto indray ny fanahin'i Jesosy ka nankeo amin'ny fasana Izy; ary zohy izany, sady nisy vato narindrina teo.39 Hoy Jesosy: Esory ny vato. Hoy Marta, anabavin'ny maty, taminy: Tompoko, maimbo izy izao, fa efa hefarana izay.40 Hoy Jesosy taminy: Tsy voalazako va fa raha hino ianao, dia ho hitanao ny voninahitr'Andriamanitra?41 Dia nesoriny ny vato. Ary Jesosy dia nanandratra ny masony ka nanao hoe: Ray ô, misaotra Anao Aho, fa efa nihaino Ahy Hianao.42 Raha Izaho, dia fantatro fa mihaino Ahy mandrakariva Hianao; fa noho ny vahoaka mitsangana manodidina no nilazako izany, mba hinoany fa Hianao no naniraka Ahy.43 Ary rehefa nanao izany teny izany Izy, dia niantso tamin'ny feo mahery hoe: Ry Lazarosy, mivoaha!44 Dia nivoaka ny maty nisy fehim-paty ny tànany sy ny tongony, sady voafehy mosara koa ny tavany. Hoy Jesosy tamin'ny olona: Vahao izy, ka avelao handeha.45 Ary maro tamin'ny Jiosy, dia ireo nankeo amin'i Maria ka nahita ny zavatra nataon'i Jesosy ireo, no nino Azy.46 Fa ny sasany tamin'ireo kosa dia lasa nankany amin'ny Fariseo ka nilaza taminy izay nataony.47 Ary ny lohan'ny mpisorona sy ny Fariseo nanangona ny Synedriona ka nanao hoe: Ahoana no hataontsika? fa iny Lehilahy iny dia manao famantarana maro.48 Raha avelantsika hanao toy izany ihany Izy, dia hino Azy avokoa ny olona rehetra; ary ho avy ny Romana ka handrava ny fonenantsika sy ny firenentsika.49 Ary ny anankiray taminy, dia Kaiafa, mpisoronabe tamin'izany taona izany, nanao taminy hoe: Hianareo tsy mahalala na inona na inona,50 na misaina akory fa tsara ho anareo, raha ny lehilahy iray no ho faty hamonjy ny firenena, mba tsy ho rava avokoa ity firenena ity.51 Ary tsy niteny izany ho azy izy, fa satria mpisoronabe tamin'izany taona izany izy, dia naminany fa Jesosy ho faty hamonjy ny firenena;52 ary tsy hamonjy io firenena io ihany, fa mba hanangona ny zanak'Andriamanitra izay efa niely ho antoko iray.53 Koa hatramin'izany andro izany dia nihendry hahafaty Azy ireo.54 Ary Jesosy tsy nandeha niharihary teny amin'ny Jiosy intsony; fa niala teo Izy nankany amin'ny tany akaikin'ny efitra, ho any an-tanàna atao hoe Efraima, ary nitoetra tany Izy mbamin'ny mpianatra.55 Ary efa akaiky ny Pasky ny Jiosy; ary maro avy tany an-tsaha no niakatra ho any Jerosalema talohan'ny Paska mba hanadio ny tenany.56 Dia nitady an'i Jesosy ireo, raha nijanona teo an-kianjan'ny tempoly, ka niresaka hoe: Ahoana no hevitrareo? Tsy mba ho tonga amin'ny andro firavoravoana va Izy?
57 Ary ny lohan'ny mpisorona sy ny Fariseo efa nandidy fa raha misy olona mahalala izay itoerany, dia tsy maintsy milaza, mba hisamborany Azy.
John 11
1 Now a certain man was sick, Lazarus of Bethany, of the village of Mary and her sister Martha.2 And it was that Mary who anointed the Lord with ointment, and wiped his feet with her hair, whose brother Lazarus was sick.3 The sisters therefore sent unto him, saying, Lord, behold, he whom thou lovest is sick.4 But when Jesus heard it, he said, This sickness is not unto death, but for the glory of God, that the Son of God may be glorified thereby.5 Now Jesus loved Martha, and her sister, and Lazarus.6 When therefore he heard that he was sick, he abode at that time two days in the place where he was.7 Then after this he saith to the disciples, Let us go into Judaea again.8 The disciples say unto him, Rabbi, the Jews were but now seeking to stone thee; and goest thou thither again?9 Jesus answered, Are there not twelve hours in the day? If a man walk in the day, he stumbleth not, because he seeth the light of this world.10 But if a man walk in the night, he stumbleth, because the light is not in him.11 These things spake he: and after this he saith unto them, Our friend Lazarus is fallen asleep; but I go, that I may awake him out of sleep.12 The disciples therefore said unto him, Lord, if he is fallen asleep, he will recover.13 Now Jesus had spoken of his death: but they thought that he spake of taking rest in sleep.14 Then Jesus therefore said unto them plainly, Lazarus is dead.15 And I am glad for your sakes that I was not there, to the intent ye may believe; nevertheless let us go unto him.16 Thomas therefore, who is called Didymus, said unto his fellow-disciples, Let us also go, that we may die with him.17 So when Jesus came, he found that he had been in the tomb four days already.18 Now Bethany was nigh unto Jerusalem, about fifteen furlongs off;19 and many of the Jews had come to Martha and Mary, to console them concerning their brother.20 Martha therefore, when she heard that Jesus was coming, went and met him: but Mary still sat in the house.21 Martha therefore said unto Jesus, Lord, if thou hadst been here, my brother had not died.22 And even now I know that, whatsoever thou shalt ask of God, God will give thee.23 Jesus saith unto her, Thy brother shall rise again.24 Martha saith unto him, I know that he shall rise again in the resurrection at the last day.25 Jesus said unto her, I am the resurrection, and the life: he that believeth on me, though he die, yet shall he live;26 and whosoever liveth and believeth on me shall never die. Believest thou this?27 She saith unto him, Yea, Lord: I have believed that thou art the Christ, the Son of God, even he that cometh into the world.28 And when she had said this, she went away, and called Mary her sister secretly, saying, The Teacher is here, and calleth thee.29 And she, when she heard it, arose quickly, and went unto him.30 (Now Jesus was not yet come into the village, but was still in the place where Martha met him.)31 The Jews then who were with her in the house, and were consoling her, when they saw Mary, that she rose up quickly and went out, followed her, supposing that she was going unto the tomb to weep there.32 Mary therefore, when she came where Jesus was, and saw him, fell down at his feet, saying unto him, Lord, if thou hadst been here, my brother had not died.33 When Jesus therefore saw her weeping, and the Jews also weeping who came with her, he groaned in the spirit, and was troubled,34 and said, Where have ye laid him? They say unto him, Lord, come and see.35 Jesus wept.36 The Jews therefore said, Behold how he loved him!37 But some of them said, Could not this man, who opened the eyes of him that was blind, have caused that this man also should not die?38 Jesus therefore again groaning in himself cometh to the tomb. Now it was a cave, and a stone lay against it.39 Jesus saith, Take ye away the stone. Martha, the sister of him that was dead, saith unto him, Lord, by this time the body decayeth; for he hath been dead four days.40 Jesus saith unto her, Said I not unto thee, that, if thou believedst, thou shouldest see the glory of God?41 So they took away the stone. And Jesus lifted up his eyes, and said, Father, I thank thee that thou heardest me.42 And I knew that thou hearest me always: but because of the multitude that standeth around I said it, that they may believe that thou didst send me.43 And when he had thus spoken, he cried with a loud voice, Lazarus, come forth.44 He that was dead came forth, bound hand and foot with grave-clothes; and his face was bound about with a napkin. Jesus saith unto them, Loose him, and let him go.45 Many therefore of the Jews, who came to Mary and beheld that which he did, believed on him.46 But some of them went away to the Pharisees, and told them the things which Jesus had done.47 The chief priests therefore and the Pharisees gathered a council, and said, What do we? for this man doeth many signs.48 If we let him thus alone, all men will believe on him: and the Romans will come and take away both our place and our nation.49 But a certain one of them, Caiaphas, being high priest that year, said unto them, Ye know nothing at all,50 nor do ye take account that it is expedient for you that one man should die for the people, and that the whole nation perish not.51 Now this he said not of himself: but, being high priest that year, he prophesied that Jesus should die for the nation;52 and not for the nation only, but that he might also gather together into one the children of God that are scattered abroad.53 So from that day forth they took counsel that they might put him to death.54 Jesus therefore walked no more openly among the Jews, but departed thence into the country near to the wilderness, into a city called Ephraim; and there he tarried with the disciples.55 Now the passover of the Jews was at hand: and many went up to Jerusalem out of the country before the passover, to purify themselves.56 They sought therefore for Jesus, and spake one with another, as they stood in the temple, What think ye? That he will not come to the feast?57 Now the chief priests and the Pharisees had given commandment, that, if any man knew where he was, he should show it, that they might take him.