Jaona 13
1 Ary talohan'ny andro firavoravoana tamin'ny Paska, satria fantatr'i Jesosy fa tonga ny fotoana hialany amin'izao tontolo izao ho any amin'ny Ray, ary efa tia ny Azy izay amin'izao tontolo izao Izy, dia tia azy hatramin'ny farany.2 Ary raha mbola teo amin'ny fisakafoana hariva, ary Jodasy Iskariota, zanak'i Simona, efa nomen'ny devoly saina rahateo mba hamadika Azy,3 sady fantatr'i Jesosy koa fa ny Ray efa nanolotra ny zavatra rehetra ho eo an-tànany, ary Andriamanitra no nihaviany, sady Andriamanitra koa no hiverenany,4 dia nitsangana niala teo am-pihinanana Izy ka nametraka ny lambany ary naka lamba famaohana, ka nisikinany;5 ary rehefa vita izany, dia nampidina rano tamin'ny tavy Izy ka nanomboka nanasa ny tongotry ny mpianatra sy namaoka azy tamin'ny lamba famaohana izay nisikinany.6 Dia nankeo amin'i Simona Petera Izy; fa hoy Petera taminy: Tompoko, Hianao va hanasa ny tongotro?7 Jesosy namaly ka nanao taminy hoe: Izay ataoko dia tsy fantatrao ankehitriny, fa ho fantatrao rahatrizay.8 Fa hoy Petera taminy: Sanatria raha hanasa ny tongotro Hianao. Jesosy namaly azy hoe: Raha tsy hosasako ianao, dia tsy manana anjara amiko.9 Dia hoy Simona Petera taminy: Tompoko, tsy ny tongotro ihany ary, fa ny tanako sy ny lohako koa.10 Fa hoy Jesosy taminy: Izay efa nandro tsy mila hosasana, afa-tsy ny tongotra ihany, fa efa madio avokoa; ary ianareo dia madio, nefa tsy ianareo rehetra.11 Fa fantany ilay efa hamadika Azy; koa izany no nilazany hoe: Tsy madio avokoa ianareo rehetra.12 Ary rehefa voasasany ny tongony, dia nandray ny lambany Izy ka nipetraka indray, dia nanao taminy hoe: Fantatrareo va izay nataoko taminareo?13 Hianareo manao Ahy hoe Mpampianatra sy Tompo; ary marina ny filazanareo, fa izany tokoa Aho.14 Koa raha Izaho, Tompo sy Mpampianatra aza, no nanasa ny tongotrareo, ianareo kosa mba tokony hifanasa tongotra.15 Fianarana no nomeko anareo, mba hanaovanareo araka izay nataoko taminareo.16 Lazaiko aminareo marina dia marina tokoa: Ny andevo tsy lehibe noho ny tompony, na ny iraka noho ny maniraka azy.17 Raha fantatrareo izany, dia sambatra ianareo, raha manao izany.18 Tsy milaza anareo rehetra Aho; fa fantatro izay nofidiko; fa mba hahatanteraka ny Soratra Masina hoe: Izay homana ny mofokot no nanangana ny ombelahin-tongony hamely Ahy (Sal. 41. 9).19 Hatramin'izao dia milaza aminareo Aho, raha tsy mbola tonga izany, mba hinoanareo, rehefa tonga, fa Izaho no Izy.20 Lazaiko aminareo marina dia marina tokoa: Izay mandray izay hirahiko dia mandray Ahy; ary izay mandray Ahy dia mandray izay naniraka Ahy.21 Rehefa nilaza izany Jesosy, dia nangorohoro ny fanahiny, ka nanambara hoe Izy: Lazaiko aminareo marina dia marina tokoa fa ny anankiray aminareo no hamadika Ahy.22 Dia nifampijerijery ny mpianatra ka nieritreritra izay iray nolazainy.23 Ary nisy mpianatra anankiray nipetraka nihinana teo anilan'i Jesosy, dia ilay tian'i Jesosy.24 Simona Petera nanatsika azy ka nanao taminy hoe: Lazao izay izy.25 Ary raha mbola nipetraka tahaka izany izy, dia niraika ho amin'ny tratran'i Jesosy ka nanao taminy hoe: Tompoko, iza moa izany?26 Dia namaly Jesosy ka nanao hoe: Ilay homeko ny sombin-kanina lemako no izy. Ary rehefa nolemany ny sombin-kanina, dia noraisiny ka nomeny an'i Jodasy, zanak'i Simona Iskariota.27 Ary manaraka izany no nidiran'i Satana tao aminy, ka hoy Jesosy taminy: Izay ataonao dia ataovy faingana.28 Fa tsy nisy tamin'izay nipetraka nihinana nahalala ny anton'ny nilazany izany taminy.29 Fa nataon'ny sasany fa satria Jodasy no nitondra ny kitapo, no nilazan'i Jesosy taminy hoe: Vidio ny zavatra ilaintsika amin'ny andro firavoravoana, na mba hanome zavatra ho an'ny malahelo.30 Ary rehefa nandray ny sombin-kanina izy, dia nivoaka niaraka tamin'izay; ary efa alina ny andro.31 Ary tamin'izay, nony efa nivoaka izy, dia hoy Jesosy: Ankehitriny dia efa ankalazaina ny Zanak'olona; ary Andriamanitra no ankalazaina eo aminy.32 Ary Andriamanitra kosa hankalaza Azy amin'ny tenany; eny, hankalaza Azy miaraka amin'izay Izy.33 Anaka, vetivety foana no sisa hitoerako eto aminareo. Hitady Ahy ianareo, ary araka ny voalazako tamin'ny Jiosy hoe: Izay alehako tsy azonareo haleha, dia toy izany koa no lazaiko aminareo ankehitriny.34 Didy vaovao no omeko anareo, dia ny mba hifankatiavanareo; eny, aoka ho tahaka ny fitiavako anareo no mba hifankatiavanareo kosa.35 Izany no hahafantaran'ny olona rehetra fa mpianatro ianareo, raha mifankatia.36 Hoy Simona Petera taminy: Tompoko, hankaiza moa Hianao? Jesosy namaly hoe: Izay alehako, dia tsy azonao anarahana Ahy ankehitriny fa hanaraka Ahy ihany ianao rahatrizay.37 Hoy Petera taminy: Tompoko, nahoana no tsy mahazo manaraka Anao ankehitriny aho? Na ny aiko aza dia hafoiko noho ny aminao.
38 Jesosy namaly hoe: Ny ainao va no hafoinao noho ny amiko? Lazaiko aminao marina dia marina tokoa: Tsy mbola hisy akoho haneno mandra-pandànao Ahy intelo.
John 13
1 Now before the feast of the passover, Jesus knowing that his hour was come that he should depart out of this world unto his Father, having loved his own that were in the world, he loved them unto the end.2 And during supper, the devil having already put into the heart of Judas Iscariot, Simon’s son, to betray him,3 Jesus, knowing that the Father had given all the things into his hands, and that he came forth from God, and goeth unto God,4 riseth from supper, and layeth aside his garments; and he took a towel, and girded himself.5 Then he poureth water into the basin, and began to wash the disciples’ feet, and to wipe them with the towel wherewith he was girded.6 So he cometh to Simon Peter. He saith unto him, Lord, dost thou wash my feet?7 Jesus answered and said unto him, What I do thou knowest not now; but thou shalt understand hereafter.8 Peter saith unto him, Thou shalt never wash my feet. Jesus answered him, If I wash thee not, thou hast no part with me.9 Simon Peter saith unto him, Lord, not my feet only, but also my hands and my head.10 Jesus saith to him, He that is bathed needeth not save to wash his feet, but is clean every whit: and ye are clean, but not all.11 For he knew him that should betray him; therefore said he, Ye are not all clean.12 So when he had washed their feet, and taken his garments, and sat down again, he said unto them, Know ye what I have done to you?13 Ye call me, Teacher, and, Lord: and ye say well; for so I am.14 If I then, the Lord and the Teacher, have washed your feet, ye also ought to wash one another’s feet.15 For I have given you an example, that ye also should do as I have done to you.16 Verily, verily, I say unto you, a servant is not greater than his lord; neither one that is sent greater than he that sent him.17 If ye know these things, blessed are ye if ye do them.18 I speak not of you all: I know whom I have chosen: but that the scripture may be fulfilled: He that eateth my bread lifted up his heel against me.19 From henceforth I tell you before it come to pass, that, when it is come to pass, ye may believe that I am he.20 Verily, verily, I say unto you, he that receiveth whomsoever I send receiveth me; and he that receiveth me receiveth him that sent me.21 When Jesus had thus said, he was troubled in the spirit, and testified, and said, Verily, verily, I say unto you, that one of you shall betray me.22 The disciples looked one on another, doubting of whom he spake.23 There was at the table reclining in Jesus’ bosom one of his disciples, whom Jesus loved.24 Simon Peter therefore beckoneth to him, and saith unto him, Tell us who it is of whom he speaketh.25 He leaning back, as he was, on Jesus’ breast saith unto him, Lord, who is it?26 Jesus therefore answereth, He it is, for whom I shall dip the sop, and give it him. So when he had dipped the sop, he taketh and giveth it to Judas, the son of Simon Iscariot.27 And after the sop, then entered Satan into him. Jesus therefore saith unto him, What thou doest, do quickly.28 Now no man at the table knew for what intent he spake this unto him.29 For some thought, because Judas had the bag, that Jesus said unto him, Buy what things we have need of for the feast; or, that he should give something to the poor.30 He then having received the sop went out straightway: and it was night.31 When therefore he was gone out, Jesus saith, Now is the Son of man glorified, and God is glorified in him;32 and God shall glorify him in himself, and straightway shall he glorify him.33 Little children, yet a little while I am with you. Ye shall seek me: and as I said unto the Jews, Whither I go, ye cannot come; so now I say unto you.34 A new commandment I give unto you, that ye love one another; even as I have loved you, that ye also love one another.35 By this shall all men know that ye are my disciples, if ye have love one to another.36 Simon Peter saith unto him, Lord, whither goest thou? Jesus answered, Whither I go, thou canst not follow now; but thou shalt follow afterwards.37 Peter saith unto him, Lord, why cannot I follow thee even now? I will lay down my life for thee.38 Jesus answereth, Wilt thou lay down thy life for me? Verily, verily, I say unto thee, The cock shall not crow, till thou hast denied me thrice.