Jaona 15
1 Izaho no tena voaloboka, ary ny Raiko no mpamboatra.2 Ny sampany rehetra eo amiko izay tsy mamoa dia esoriny; fa ny sampany rehetra izay mamoa kosa dia amboarinyt, mba hamoa bebe kokoa.3 Efa madio rahateo ianareo noho ny teniko, izay nolazaiko taminareo.4 Tomoera amiko ary Izaho aminareo. Tahaka ny sampany tsy mahay mamoa ho azy, raha tsy miray amin'ny voaloboka izy, dia toy izany koa ianareo, raha tsy miray amiko.5 Izaho no voaloboka, ianareo no sampany. Izay miray amiko, ary Izaho aminy, dia mamoa be izy; fa raha misaraka amiko kosa ianareo, dia tsy mahay manao na inona na inona.6 Raha misy tsy miray amiko, dia ariana eny ivelany tahaka ny sampany izy ka malazo; ary angonina izy ka atsipy ao anaty afo, dia ho may.7 Raha miray amiko ianareo, ka mitoetra ao anatinareo ny teniko, dia angataho izay tianareo na inona na inona, fa ho tonga aminareo izany.8 Izany no ankalazana ny Raiko, mba hamoazanareo be ka ho tonga mpianatro ianareo.9 Tahaka ny nitiavan'ny Ray Ahy no nitiavako anareo; tomoera amin'ny fitiavako ianareo.10 Raha mitandrina ny didiko ianareo, dia hitoetra amin'ny fitiavako, tahaka ny nitandremako ny didin'ny Raiko sy ny itoerako amin'ny fitiavany.11 Izany zavatra izany dia efa nolazaiko taminareo, mba ho ao aminareo ny fifaliako, ka ho tanteraka ny fifalianareo.12 Izao no didiko, dia ny mba hifankatiavanareo tahaka ny nitiavako anareo.13 Tsy misy manana fitiavana lehibe noho izao, dia ny manolotra ny ainy hamonjy ny sakaizany.14 Hianareo no sakaizako, raha manao araka izay andidiako anareo.15 Tsy hataoko hoe mpanompo intsony ianareo, fa ny mpanompo tsy mahalala izay ataon'ny tompony; fa efa nataoko hoe sakaiza ianareo, satria izay rehetra reko tamin'ny Raiko no nambarako taminareo.16 Tsy ianareo no nifidy Ahy, fa Izaho no nifidy anareo ka nanendry anareo mba handeha sy hamoa, ary mba haharetan'ny vokatrareo, mba homen'ny Ray anareo izay rehetra hangatahinareo amin'ny anarako na inona na inona.17 Izany zavatra izany no andidiako anareo, mba hifankatiavanareo.18 Raha halan'izao tontolo izao ianareo, dia aoka ho fantatrareo fa Izaho efa halany talohanareo.19 Raha namant'izao tontolo izao ianareo, dia ho tia ny azy izao tontolo izao; fa satria tsy namant'izao tontolo izao ianareo, fa Izaho efa nifidy anareo tamin'izao tontolo izao, dia halan'izao tontolo izao ianareo.20 Tsarovy ny teny izay nolazaiko taminareo hoe: Ny mpanompo tsy lehibe noho ny tompony. Raha nanenjika Ahy izy, dia hanenjika anareo koa; ary raha nitandrina ny teniko izy, dia hitandrina ny anareo koa.21 Fa izany rehetra izany no hataony aminareo noho ny anarako, satria tsy mahalala Izay naniraka Ahy izy.22 Raha tsy tonga Aho ka niteny taminy, dia tsy nanan-keloka izy; fa ankehitriny dia tsy misy fialàna azony atao ny amin'ny helony.23 Izay mankahala Ahy dia mankahala ny Raiko koa.24 Raha tsy nataoko teo aminy Izay asa tsy nataon'olona, dia tsy nanan-keloka izy; fa ankehitriny efa hitany sady efa halany Ahy sy ny Raiko koa;25 fa tonga izany mba hahatanteraka ny teny izay voasoratra ao amin'ny lalàny hoe: Halany foana Aho (Sal. 69. 4; 109. 3).26 Fa raha tonga ny Mpananatrat, Izay hirahiko ho aminareo avy amin'ny Ray, dia ny Fanahin'ny fahamarinana Izay mivoaka avy amin'ny Ray, dia Izy no ho vavolombelona hanambara Ahy.
27 Ary ianareo koa dia vavolombelona hanambara, satria ianareo efa teto amiko hatramin'ny voalohany.
John 15
1 I am the true vine, and my Father is the husbandman.2 Every branch in me that beareth not fruit, he taketh it away: and every branch that beareth fruit, he cleanseth it, that it may bear more fruit.3 Already ye are clean because of the word which I have spoken unto you.4 Abide in me, and I in you. As the branch cannot bear fruit of itself, except it abide in the vine; so neither can ye, except ye abide in me.5 I am the vine, ye are the branches: He that abideth in me, and I in him, the same beareth much fruit: for apart from me ye can do nothing.6 If a man abide not in me, he is cast forth as a branch, and is withered; and they gather them, and cast them into the fire, and they are burned.7 If ye abide in me, and my words abide in you, ask whatsoever ye will, and it shall be done unto you.8 Herein is my Father glorified, that ye bear much fruit; and so shall ye be my disciples.9 Even as the Father hath loved me, I also have loved you: abide ye in my love.10 If ye keep my commandments, ye shall abide in my love; even as I have kept my Father’s commandments, and abide in his love.11 These things have I spoken unto you, that my joy may be in you, and that your joy may be made full.12 This is my commandment, that ye love one another, even as I have loved you.13 Greater love hath no man than this, that a man lay down his life for his friends.14 Ye are my friends, if ye do the things which I command you.15 No longer do I call you servants; for the servant knoweth not what his lord doeth: but I have called you friends; for all things that I heard from my Father, I have made known unto you.16 Ye did not choose me, but I chose you, and appointed you, that ye should go and bear fruit, and that your fruit should abide: that whatsoever ye shall ask of the Father in my name, he may give it you.17 These things I command you, that ye may love one another.18 If the world hateth you, ye know that it hath hated me before it hated you.19 If ye were of the world, the world would love its own: but because ye are not of the world, but I chose you out of the world, therefore the world hateth you.20 Remember the word that I said unto you, A servant is not greater than his lord. If they persecuted me, they will also persecute you; if they kept my word, they will keep yours also.21 But all these things will they do unto you for my name’s sake, because they know not him that sent me.22 If I had not come and spoken unto them, they had not had sin: but now they have no excuse for their sin.23 He that hateth me hateth my Father also.24 If I had not done among them the works which none other did, they had not had sin: but now have they both seen and hated both me and my Father.25 But this cometh to pass, that the word may be fulfilled that is written in their law, They hated me without a cause.26 But when the Comforter is come, whom I will send unto you from the Father, even the Spirit of truth, which proceedeth from the Father, he shall bear witness of me:27 and ye also bear witness, because ye have been with me from the beginning.