previous next

Jaona 16

1 Izany teny izany dia efa nolazaiko taminareo, mba tsy hahatafintohina anareo.2 Handroaka anareo hiala amin'ny synagoga izy; eny, ho avy ny androt, ka hataon'izay rehetra mamono anareo fa manatitra fanompoam-pivavahana ho an'Andriamanitra izy.3 Ary izany no hataony, satria tsy fantany ny Ray na Izaho.4 Fa izany teny izany efa nolazaiko taminareo, mba hotsaroanareo, raha tonga ny fotoan'androny, fa Izaho efa nilaza izany taminareo. Ary tsy mba nolazaiko taminareo hatramin'ny voalohany izany, satria mbola tatỳ aminareo ihany Aho.5 Fa ankehitriny mankany amin'izay naniraka Ahy Aho, ary tsy misy aminareo manontany Ahy hoe: Hankaiza Hianao?6 Fa satria nilaza izany taminareo Aho, dia vonton'alahelo ny fonareo.7 Fa Izaho milaza ny marina aminareo; mahatsara anareo ny fialàko; fa raha tsy hiala Aho, dia tsy ho avy aminareo ny Mpananatrat; fa raha handeha Aho, dia hirahiko hoy aminareo Izy.8 Ary raha tonga Izy, dia hampiaiky izao tontolo izao ny fahotana sy ny fahamarinana ary ny fitsarana:9 ny fahotana, satria tsy mino Ahy izy;10 ny fahamarinana, satria mankany amin'ny Ray Aho, ka tsy mahita Ahy intsony ianareo;11 ny fitsarana, satria ny andrianan'izao tontolo izao dia efa voatsara.12 Mbola manana zavatra maro holazaina aminareo Aho, nefa tsy zakanareo ankehitriny.13 Fa raha tonga ny Fanahin'ny fahamarinana, dia Izy no hitari-dalana anareo ho amin'ny marina rehetra; fa tsy hiteny ho Azy Izy, fa izay ho reny dia holazainy avokoa; ary ny zavatra ho avy aza dia hambarany aminareo.14 Izy hankalaza Ahy; fa handray avy amin'ny Ahy Izy ka hanambara izany aminareo.15 Izay rehetra ananan'ny Ray dia Ahy avokoa, koa izany no nilazako fa mandray avy amin'ny Ahy Izy ka hanambara izany aminareo.16 Vetivety foana dia tsy hahita Ahy intsony ianareo; ary vetivety foana indray dia hahita Ahy ianareo.17 Ary ny mpianany sasany niresaka hoe: Inona izany nolazainy tamintsika hoe: Vetivety foana dia tsy hahita Ahy ianareo; ary vetivety foana indray dia hahita Ahy ianareo, ary, satria mankany amin'ny Ray Aho?18 Ary hoy koa ireo: Inona izany lazainy hoe vetivety foana izany? Tsy fantatsika izay lazainy.19 Ary Jesosy nahalala fa ta-hanontany Azy ireo, dia hoy Izy taminy: Mifanontany va ianareo, satria hoy Izaho: Vetivety foana dia tsy hahita Ahy ianareo, ary vetivety foana indray dia hahita Ahy ianareo?20 Lazaiko aminareo marina dia marina tokoa: Hitomany sy hisaona ianareo, fa izao tontolo izao kosa hifaly; ary ianareo halahelo, nefa ny alahelonareo hody fifaliana.21 Manam-pahoriana ny vehivavy raha miteraka, satria tonga ny fotoany; fa rehefa velon-jaza izy, dia tsy tsaroany intsony ilay fahoriany, noho ny fifaliany fa misy zaza nateraka ho ambonin'ny tany.22 Ary ianareo dia manana alahelo ankehitriny; fa hahita anareo indray Aho, dia ho faly ny fonareo, ary tsy misy olona manaisotra ny fifalianareo aminareo.23 Ary amin'izany andro izany dia tsy hanontany Ahy na inona na inona ianareo; lazaiko aminareo marina dia marina tokoa fa na inona na inona hangatahinareo amin'ny Ray dia homeny anareo amin'ny anarako izany.24 Mandraka ankehitriny dia tsy mbola nangataka na inona na inona tamin'ny anarako ianareo; mangataha, dia hahazo ianareo, mba ho tanteraka ny fifalianareo.25 Fanoharana no nilazako izany zavatra izany taminareo; fa ho avy ny androt izay tsy hilazako fanoharana aminareo intsony, fa hambarako tsotra aminareo ny amin'ny Ray.26 Amin'izany andro izany dia hangataka amin'ny anarako ianareo; ary tsy milaza aminareo Aho fa Izaho no hangataka amin'ny Ray ho anareo;27 fa ny Ray dia tia anareo satria ianareo efa tia Ahy, ary efa nino fa nivoaka avy tamin'ny Ray Aho.28 Eny, nivoaka avy tamin'ny Ray Aho ka tonga amin'izao tontolo izao; ary hiala amin'izao tontolo izao indray Aho ka hankany amin'ny Ray.29 Hoy ny mpianany: Indro, milaza tsotra Hianao ankehitriny, fa tsy manao fanoharana akory.30 Ankehitriny dia fantatray fa mahalala ny zavatra rehetra Hianao ka tsy mitady olona hanontany Anao; izany no inoanay fa nivoaka avy tamin'Andriamanitra Hianao.31 Jesosy namaly azy hoe: Mino va ianareo ankehitriny?32 Indro, avy ny androt, eny, efa tonga, izay hielezanareo samy ho any amin'ny azy avy, ary hilaozanareo ho irery Aho; kanefa tsy irery Aho, fa ny Ray no ato amiko.

33 Izany teny izany efa nolazaiko taminareo mba hanananareo fiadanana amiko. Atỳ amin'izao tontolo izao no ahitanareo fahoriana; nefa matokia; Izaho efa naharesy izao tontolo izao.

John 16

1 These things have I spoken unto you, that ye should not be caused to stumble.2 They shall put you out of the synagogues: yea, the hour cometh, that whosoever killeth you shall think that he offereth service unto God.3 And these things will they do, because they have not known the Father, nor me.4 But these things have I spoken unto you, that when their hour is come, ye may remember them, how that I told you. And these things I said not unto you from the beginning, because I was with you.5 But now I go unto him that sent me; and none of you asketh me, Whither goest thou?6 But because I have spoken these things unto you, sorrow hath filled your heart.7 Nevertheless I tell you the truth: It is expedient for you that I go away; for if I go not away, the Comforter will not come unto you; but if I go, I will send him unto you.8 And he, when he is come, will convict the world in respect of sin, and of righteousness, and of judgment:9 of sin, because they believe not on me;10 of righteousness, because I go to the Father, and ye behold me no more;11 of judgment, because the prince of this world hath been judged.12 I have yet many things to say unto you, but ye cannot bear them now.13 Howbeit when he, the Spirit of truth, is come, he shall guide you into all the truth: for he shall not speak from himself; but what things soever he shall hear, these shall he speak: and he shall declare unto you the things that are to come.14 He shall glorify me: for he shall take of mine, and shall declare it unto you.15 All things whatsoever the Father hath are mine: therefore said I, that he taketh of mine, and shall declare it unto you.16 A little while, and ye behold me no more; and again a little while, and ye shall see me.17 Some of his disciples therefore said one to another, What is this that he saith unto us, A little while, and ye behold me not; and again a little while, and ye shall see me: and, Because I go to the Father?18 They said therefore, What is this that he saith, A little while? We know not what he saith.19 Jesus perceived that they were desirous to ask him, and he said unto them, Do ye inquire among yourselves concerning this, that I said, A little while, and ye behold me not, and again a little while, and ye shall see me?20 Verily, verily, I say unto you, that ye shall weep and lament, but the world shall rejoice: ye shall be sorrowful, but your sorrow shall be turned into joy.21 A woman when she is in travail hath sorrow, because her hour is come: but when she is delivered of the child, she remembereth no more the anguish, for the joy that a man is born into the world.22 And ye therefore now have sorrow: but I will see you again, and your heart shall rejoice, and your joy no one taketh away from you.23 And in that day ye shall ask me no question. Verily, verily, I say unto you, if ye shall ask anything of the Father, he will give it you in my name.24 Hitherto have ye asked nothing in my name: ask, and ye shall receive, that your joy may be made full.25 These things have I spoken unto you in dark sayings: the hour cometh, when I shall no more speak unto you in dark sayings, but shall tell you plainly of the Father.26 In that day ye shall ask in my name: and I say not unto you, that I will pray the Father for you;27 for the Father himself loveth you, because ye have loved me, and have believed that I came forth from the Father.28 I came out from the Father, and am come into the world: again, I leave the world, and go unto the Father.29 His disciples say, Lo, now speakest thou plainly, and speakest no dark saying.30 Now know we that thou knowest all things, and needest not that any man should ask thee: by this we believe that thou camest forth from God.31 Jesus answered them, Do ye now believe?32 Behold, the hour cometh, yea, is come, that ye shall be scattered, every man to his own, and shall leave me alone: and yet I am not alone, because the Father is with me.33 These things have I spoken unto you, that in me ye may have peace. In the world ye have tribulation: but be of good cheer; I have overcome the world.