previous next

Jaona 8

1 [fa Jesosy kosa nankany an-tendrombohitra Oliva2 Ary nony maraina koa dia nankeo an-kianjan'ny tempoly indray Jesosy, ary ny vahoaka rehetra nanatona Azy, dia nipetraka Izy ka nampianatra azy3 Ary nisy vehivavy anankiray azo nijangajanga nentin'ny mpanora-dalàna sy ny Fariseo; ary rehefa napetrany teo afovoany izy,4 dia hoy ireo taminy: Mpampianatra ô, ity vehivavy ity azo olan-tanana nijangajanga5 Ary ao amin'ny lalàna Mosesy dia nandidy antsika fa hotoraham-bato izay vehivavy manao toy izany (Deo. 22. 22-24); fa ahoana kosa hoy Hianao?6 Izany no nolazainy hakany fanahy Azy, mba hahazoany izay hiampangany Azy. Fa Jesosy niondrika ka nanoratra teo amin'ny tany tamin'ny rantsan-tànany7 Ary raha naharitra nanontany Azy ireo, dia nitraka Izy ka nanao taminy hoe: Izay tsy nanota eo aminareo no aoka hitora-bato azy voalohany8 Dia niondrika indray Izy ka nanoratra teo amin'ny tany tamin'ny rantsan-tànany9 Ary raha nandre izany izy, dia nivoaka tsirairay hatramin'ny zokinjokiny ka hatramin'ny zandrinjandriny; ary Jesosy irery ihany no sisa teo sy ilay vehivavy teo10 Ary rehefa nitraka Jesosy, dia hoy Izy taminy; Ravehivavy, aiza ireny? Tsy nisy nanameloka anao va?11 Ary hoy izy: Tsy misy, Tompoko. Dia hoy Jesosy: Izaho koa dia tsy manameloka anao; mandehana, ary amin'izao sisa izao dia aza manota intsony]12 Ary Jesosy niteny tamin'ny olona indray ka nanao hoe: Izaho no fahazavan'izao tontolo izao; izay manaraka Ahy tsy mba handeha amin'ny maizina, fa hanana ny fahazavan'aina.13 Ary hoy ny Fariseo taminy: Hianao manambara ny tenanao, koa tsy marina ny fanambaranao.14 Jesosy namaly ka nanao taminy hoe: Na dia manambara ny tenako aza Aho, dia marina ny fanambarako, satria fantatro izay nihaviako sy izay alehako; fa ianareo kosa tsy mahalala izay ihaviako, na izay alehako.15 Hianareo mitsara araka ny nofo; Izaho tsy mitsara olona na dia iray akory aza.16 Ary na dia mitsara aza Aho, dia marina ny fitsarako, satria tsy irery Aho, fa Izaho sy ny Ray Izay naniraka Ahy.17 Ary voasoratra ao amin'ny lalànareo fa marina ny fanambaran'ny olona roa lahy (Deo. 19. 15).18 Izaho no manambara ny tenako, ary ny Ray Izay naniraka Ahy dia manambara Ahy koa.19 Dia hoy ireo taminy: Aiza izay Rainao? Jesosy namaly hoe: Samy tsy fantatrareo, na Izaho, na ny Raiko; raha nahalala Ahy ianareo, dia ho nahalala ny Raiko koa.20 Izany teny izany no nolazain'i Jesosy teo akaikin'ny fandatsahan-drakitra, raha nampianatra teo an-kianjan'ny tempoly Izy; ary tsy nisy olona nisambotra Azy, satria tsy mbola tonga ny fotoany.21 Ary hoy indray Jesosy taminy: Handeha Aho, ary hitady Ahy ianareo, ary ho faty amin'ny fahotanareo; izay alehako tsy azonareo haleha.22 Dia hoy ny Jiosy: Hamono tena va Izy, no manao hoe: Izay alehako tsy azonareo haleha?23 Fa hoy Izy taminy; Hianareo avy atỳ ambany; Izaho avy any ambony; ianareo avy amin'izao tontolo izao; Izaho tsy mba avy amin'izao tontolo izao;24 koa izany no nilazako taminareo fa ho faty amin'ny fahotanareo ianareo; fa raha tsy mino ianareo fa Izaho no Izy, dia ho faty amin'ny fahotanareo ianareo.25 Dia hoy ireo taminy: Iza moa Hianao? Hoy Jesosy taminy: Ilay nolazaiko taminareo hatramin'ny voalohanyt.26 Manana zavatra maro hilazana sy hitsarana anareo Aho, satria marina Izay naniraka Ahy; ary izay zavatra efa reko taminy no lazaiko amin'izao tontolo izao.27 Tsy fantany fa ny Ray no nolazainy taminy,28 ka dia hoy Jesosy: Rehefa asandratrareo ny Zanak'olona, dia ho fantatrareo fa Izaho no Izy, ary tsy manao na inona na inona ho Ahy Aho, fa araka ny nampianarin'ny Raiko Ahy no ilazako izany zavatra izany.29 Ary izay naniraka Ahy dia eto amiko; tsy nandao Ahy ho irery Izy, satria Izaho manao izay sitrany mandrakariva.30 Raha nanao izany teny izany Jesosy, dia maro no nino Azy.31 Dia hoy Jesosy tamin'ny Jiosy izay nino Azy: Raha maharitra amin'ny teniko ianareo, dia ho mpianatro tokoa;32 ka ho fantatrareo ny marina, ary ny marina hahafaka anareo tsy ho andevo.33 Ary ireo dia namaly Azy ka nanao hoe: Taranak'i Abrahama izahay, fa tsy mba andevon'olona hatrizay ela izay; koa nahoana no ataonao hoe: Ho afaka ianareo?34 Jesosy namaly azy hoe: Lazaiko aminareo marina dia marina tokoa fa izay rehetra manota dia andevon'ny ota.35 Fa ny andevo tsy mitoetra ao an-trano mandrakarivat; fa ny zanaka no mitoetra mandrakarivat.36 Koa raha ny Zanaka no hahafaka anareo, dia ho afaka tokoa ianareo.37 Fantatro ihany fa taranak'i Abrahama ianareo, nefa mitady hamono Ahy, satria ny teniko tsy mitombo ao anatinareo.38 Izay efa hitako tamin'ny Ray no lazaiko, ary ianareo kosa manao izay renareo tamin'ny rainareo.39 Dia namaly ireo ka nanao taminy hoe: Abrahama no rainay. Hoy Jesosy taminy: Raha zanak'i Abrahama ianareo, dia ny asan'i Abrahama no hataonareo.40 Fa ankehitriny ianareo mitady hamono Ahy, Izay Lehilahy nilaza ny marina taminareo, dia izay efa reko tamin'Andriamanitra; tsy mba nanao izany Abrahama.41 Hianareo manao ny asan'ny rainareo. Hoy ireo taminy: Tsy mba teraka avy tamin'ny fijangajangana izahay; iray Ray izahay, dia Andriamanitra ihany.42 Hoy Jesosy taminy: Raha Andriamanitra no Rainareo, dia ho tia Ahy ianareo, satria avy tamin'Andriamanitra no nivoahako sy nankanesako atỳ ; fa Izaho tsy tonga ho Ahy, fa Izy no naniraka Ahy.43 Nahoana no tsy azonareo ny teniko? satria tsy mahay mihaino ny teniko ianareo.44 Hianareo avy tamin'ny devoly rainareo, ka izay sitraky ny rainareo no tianareo hatao. Izy dia mpamono olona hatramin'ny taloha, ary tsy nitoetra tamint'ny marina, satria tsy misy marina aminy. Raha mandainga izy, dia ny azy no lazainy, satria mpandainga izy sady rain'ny lainga.45 Fa satria milaza ny marina Aho, dia tsy inoanareo.46 Iza moa aminareo no mampiseho Ahy ho nanota? Raha ny marina no lazaiko, nahoana ianareo no tsy mino Ahy?47 Izay avy amin'Andriamanitra dia mihaino ny tenin'Andriamanitra; izany no tsy ihainoanareo, satria tsy mba avy amin'Andriamanitra ianareo.48 Dia namaly ny Jiosy ka nanao taminy hoe: Tsy marina va ny filazanay fa Samaritana Hianao sady manana demonia?49 Jesosy namaly hoe: Izaho tsy manana demonia, fa mankalaza ny Raiko, ary ianareo kosa mahafa-boninahitra Ahy.50 Fa Izaho tsy mitady ny voninahitro; misy Iray mitady sy mitsara.51 Lazaiko aminareo marina dia marina tokoa: Raha misy olona mitandrina ny teniko, dia tsy mba hahita fahafatesana izy mandrakizay.52 Dia hoy ny Jiosy taminy: Fantatray ankehitriny fa manana demonia Hianao. Efa maty Abrahama sy ny mpaminany; nefa hoy Hianao: Raha misy olona mitandrina ny teniko, dia tsy mba hanandrana fahafatesana izy mandrakizay.53 Moa Hianao va lehibe noho Abrahama rainay izay efa maty? sady efa maty koa ny mpaminany; manao Anao ho iza moa Hianao?54 Jesosy namaly hoe: Raha mankalaza ny tenako Aho, dia tsinontsinona ny lazako; ny Raiko, Izay ataonareo fa Andriamanitrareo, Izy no mankalaza Ahy.55 Tsy fantatrareo Izy, fa Izaho no mahalala Azy; ary raha hoy Izaho: Tsy fantatro Izy, dia mba mpandainga tahaka anareo koa Aho; nefa mahalala Azy Aho ka mitandrina ny teniny.56 Ravoravo Abrahama rainareo hahita ny androko; ary nahita izy ka faly.57 Dia hoy ny Jiosy taminy: Tsy mbola dimam-polo taona akory Hianao, ka dia efa nahita an'i Abrahama va?58 Hoy Jesosy taminy: Lazaiko aminareo marina tokoa: Fony tsy mbola ary Abrahama, dia Izy Aho.

59 Dia naka vato hitoraka Azy ny olona; fa Jesosy niery ka niala teo an-kianjan'ny tempolyt.

John 8

1 but Jesus went unto the mount of Olives.2 And early in the morning he came again into the temple, and all the people came unto him; and he sat down, and taught them.3 And the scribes and the Pharisees bring a woman taken in adultery; and having set her in the midst,4 they say unto him, Teacher, this woman hath been taken in adultery, in the very act.5 Now in the law Moses commanded us to stone such: what then sayest thou of her?6 And this they said, trying him, that they might have whereof to accuse him. But Jesus stooped down, and with his finger wrote on the ground.7 But when they continued asking him, he lifted up himself, and said unto them, He that is without sin among you, let him first cast a stone at her.8 And again he stooped down, and with his finger wrote on the ground.9 And they, when they heard it, went out one by one, beginning from the eldest, even unto the last: and Jesus was left alone, and the woman, where she was, in the midst.10 And Jesus lifted up himself, and said unto her, Woman, where are they? did no man condemn thee?11 And she said, No man, Lord. And Jesus said, Neither do I condemn thee: go thy way; from henceforth sin no more.12 Again therefore Jesus spake unto them, saying, I am the light of the world: he that followeth me shall not walk in the darkness, but shall have the light of life.13 The Pharisees therefore said unto him, Thou bearest witness of thyself; thy witness is not true.14 Jesus answered and said unto them, Even if I bear witness of myself, my witness is true; for I know whence I came, and whither I go; but ye know not whence I come, or whither I go.15 Ye judge after the flesh; I judge no man.16 Yea and if I judge, my judgment is true; for I am not alone, but I and the Father that sent me.17 Yea and in your law it is written, that the witness of two men is true.18 I am he that beareth witness of myself, and the Father that sent me beareth witness of me.19 They said therefore unto him, Where is thy Father? Jesus answered, Ye know neither me, nor my Father: if ye knew me, ye would know my Father also.20 These words spake he in the treasury, as he taught in the temple: and no man took him; because his hour was not yet come.21 He said therefore again unto them, I go away, and ye shall seek me, and shall die in your sin: whither I go, ye cannot come.22 The Jews therefore said, Will he kill himself, that he saith, Whither I go, ye cannot come?23 And he said unto them, Ye are from beneath; I am from above: ye are of this world; I am not of this world.24 I said therefore unto you, that ye shall die in your sins: for except ye believe that I am he, ye shall die in your sins.25 They said therefore unto him, Who art thou? Jesus said unto them, Even that which I have also spoken unto you from the beginning.26 I have many things to speak and to judge concerning you: howbeit he that sent me is true; and the things which I heard from him, these speak I unto the world.27 They perceived not that he spake to them of the Father.28 Jesus therefore said, When ye have lifted up the Son of man, then shall ye know that I am he, and that I do nothing of myself, but as the Father taught me, I speak these things.29 And he that sent me is with me; he hath not left me alone; for I do always the things that are pleasing to him.30 As he spake these things, many believed on him.31 Jesus therefore said to those Jews that had believed him, If ye abide in my word, then are ye truly my disciples;32 and ye shall know the truth, and the truth shall make you free.33 They answered unto him, We are Abraham’s seed, and have never yet been in bondage to any man: how sayest thou, Ye shall be made free?34 Jesus answered them, Verily, verily, I say unto you, Every one that committeth sin is the bondservant of sin.35 And the bondservant abideth not in the house for ever: the son abideth for ever.36 If therefore the Son shall make you free, ye shall be free indeed.37 I know that ye are Abraham’s seed: yet ye seek to kill me, because my word hath not free course in you.38 I speak the things which I have seen with my Father: and ye also do the things which ye heard from your father.39 They answered and said unto him, Our father is Abraham. Jesus saith unto them, If ye were Abraham’s children, ye would do the works of Abraham.40 But now ye seek to kill me, a man that hath told you the truth, which I heard from God: this did not Abraham.41 Ye do the works of your father. They said unto him, We were not born of fornication; we have one Father, even God.42 Jesus said unto them, If God were your Father, ye would love me: for I came forth and am come from God; for neither have I come of myself, but he sent me.43 Why do ye not understand my speech? Even because ye cannot hear my word.44 Ye are of your father the devil, and the lusts of your father it is your will to do. He was a murderer from the beginning, and standeth not in the truth, because there is no truth in him. When he speaketh a lie, he speaketh of his own: for he is a liar, and the father thereof.45 But because I say the truth, ye believe me not.46 Which of you convicteth me of sin? If I say truth, why do ye not believe me?47 He that is of God heareth the words of God: for this cause ye hear them not, because ye are not of God.48 The Jews answered and said unto him, Say we not well that thou art a Samaritan, and hast a demon?49 Jesus answered, I have not a demon; but I honor my Father, and ye dishonor me.50 But I seek not mine own glory: there is one that seeketh and judgeth.51 Verily, verily, I say unto you, If a man keep my word, he shall never see death.52 The Jews said unto him, Now we know that thou hast a demon. Abraham died, and the prophets; and thou sayest, If a man keep my word, he shall never taste of death.53 Art thou greater than our father Abraham, who died? and the prophets died: whom makest thou thyself?54 Jesus answered, If I glorify myself, my glory is nothing: it is my Father that glorifieth me; of whom ye say, that he is your God;55 and ye have not known him: but I know him; and if I should say, I know him not, I shall be like unto you, a liar: but I know him, and keep his word.56 Your father Abraham rejoiced to see my day; and he saw it, and was glad.57 The Jews therefore said unto him, Thou art not yet fifty years old, and hast thou seen Abraham?58 Jesus said unto them, Verily, verily, I say unto you, Before Abraham was born, I am.59 They took up stones therefore to cast at him: but Jesus hid himself, and went out of the temple.