Lioka 12
1 Ary tamin'izany, raha niangona ny vahoaka betsaka tsy hita isa ka nifanitsaka, Jesosy dia niteny tamin'ny mpianany aloha ka nanao hoe: Mitandremat ianareo, fandrao azon'ny masirasiran'ny Fariseo, dia ny fihatsaram-belatsihy.2 Fa tsy misy nafenina izay tsy haseho, na takona izay tsy ho fantatra.3 Koa na inona na inona teneninareo ao amin'ny maizina dia ho re eo amin'ny mazava; ary izay bitsihinareo mangingina ao amin'ny efi-trano dia hotorina eo amin'ny tampon-trano.4 Ary lazaiko aminareo sakaizako hoe: Aza matahotra izay mamono ny tena, nefa nony afaka izany, dia tsy mahay manao mihoatra noho izany.5 Fa hasehoko anareo izay hatahoranareo: Matahora Izay manam-pahefana hanary any amin'ny helot, rehefa novonoiny; eny, hoy Izaho aminareo: Matahora Azy.6 Tsy eranambatry va no vidin'ny tsintsina dimy? nefa tsy misy hadinoina eo anatrehan'Andriamanitra ireny na dia iray akory aza.7 Fa na dia ny volon-dohanareo aza dia voaisa avokoa. Aza matahotra; fa mihoatra noho ny tsintsina maro ianareo.8 Fa lazaiko aminareo: Na zovy na zovy no manaiky Ahy eo anatrehan'ny olona, dia heken'ny Zanak'olona kosa izy eo anatrehan'ny anjelin'Andriamanitra;9 Fa izay mandà Ahy eo anatrehan'ny olona, dia holavina kosa izy eo anatrehan'ny anjelin'Andriamanitra.10 Fa na zovy na zovy no hanao teny hanohitra ny Zanak'olona dia hahazo famelan-keloka; fa izay miteny ratsyt ny Fanahy Masina dia tsy mba hahazo famelan-keloka.11 Ary raha mitondra anareo ho ao amin'ny synagoga sy ny mpanapaka ary ny manam-pahefana izy, dia aza manahy izay havalinareo, na izay holazainareo;12 fa ny Fanahy Masina no hampianatra anareo amin'izany ora izany izay mety holazainareo.13 Ary nisy anankiray teo amin'ny vahoaka nanao tamin'i Jesosy hoe: Mpampianatra ô, teneno ny rahalahiko mba hizara lova amiko.14 Fa hoy Izy taminy: Ralehilahy, iza no nanendry Ahy ho mpitsara na mpizara ao aminareo?15 Ary hoy Izy tamin'ny olona: Mitandrema, ka miarova tena mba tsy ho azon'ny fieremana ianareo; fa ny ain'ny olona tsy miankina amin'ny habetsahan'ny zavatra ananany.16 Dia nanao fanoharana taminy Izy ka nanao hoe: Ny tanin'ny lehilahy manan-karena anankiray nahavokatra be.17 Ary izy nihevitra tao am-pony hoe: Ahoana no hataoko, fa tsy manana fitoerana hamoriako ny vokatro aho?18 Ary hoy izy: Izao no hataoko: handrava ny trano fitehirizako aho ka hanao izay lehibebe kokoa, ary ao no hamoriako ny variko rehetra sy ny fananako.19 Dia hilaza amin'ny fanahiko hoe aho: Ry fanahy ô, manana fananana be voatahiry ho amin'ny taona maro ianao; mitsahara, mihinàna, misotroa, mifalia.20 Fa Andriamanitra kosa nanao taminy hoe: Ry adala, anio alina no halaina aminao ny fanahinao, ka ho an'iza izay zavatra noharinao?21 Toy izany izay mihary harena ho an'ny tenany ihany, nefa tsy mba manan-karena ny amin'Andriamanitra.22 Ary hoy Jesosy tamin'ny mpianany: Noho izany dia lazaiko aminareo hoe: Aza manahy ny amin'ny ainareo, izay hohaninareo, na ny amin'ny tenanaren, izay hotafinareo.23 Fa ny aina mihoatra noho ny hanina, ary ny tena noho ny fitafiana.24 Hevero ny goaika; fa tsy mba mamafy na mijinja ireny; ary tsy manana fitoeran-javatra na trano fitehirizana, nefa Andriamanitra mamelona azy; tsy mihoatra lavitra noho ny vorona va ianareo?25 Ary iza moa ao aminareo, na dia manahy aza, no mahay manampy ny andro iainanyt, na dia kely monjat aza?26 Koa raha ny kely indrindra aza tsy hainareo, nahoana ianareo no manahy ny amin'ny sisa?27 Hevero ny fanirin'ny voninkazot; tsy mba miasa na mamoly ireny; nefa lazaiko aminareo: Na dia Solomona teo amin'ny voninahiny rehetra aza tsy mba nitafy tahaka ny anankiray amin'ireny.28 Ary raha ny ahitra izay any an-tsaha anio, nefa hatao ao am-patana rahampitso, no ampitafin'Andriamanitra toy izany, tsy mainka va ianareo ry kely finoana?29 Koa aza mitady izay hohaninareo na izay hosotroinareo ianareo, ary aza miahanahanat.30 Fa ny jentilisa amin'izao tontolo izao dia fatra-pitady izany rehetra izany; fa ny Rainareo mahalala fa tokony ho anareo izany zavatra izany.31 Kanefa katsaho ny fanjakanyt; dia hanampy ho anareo izany zavatra izany.32 Aza matahotra, ry ondry vitsy, fa efa sitraky ny Rainareo ny hanome anareo ny fanjakana.33 Amidio ny fanananareo, ka manaova fiantrana; manaova kitapom-bola tsy mety ho tonta ho anareo, dia harena any an-danitra tsy mety ho lany, izay tsy azon'ny mpangalatra, sady tsy misy kalalao manimba.34 Fa izay itoeran'ny harenareo, dia ho any koa ny fonareo.35 Aoka hisikina ny valahanareo sy hirehitra ny jironareo;36 ary aoka ianareo ho tahaka ny olona izay miandry ny tompony, raha mody avy amin'ny fampakaram-bady izy, ka nony tonga sy mandondòna izy, dia vohany miaraka amin'izay.37 Sambatra ny mpanompo izay ho hitan'ny tompony miambina, raha avy izy. Lazaiko aminareo marina tokoa fa hisikina ny tompony, dia hampipetraka azy hihinana, dia ho avy ka hanompo azy.38 Ary na avy amin'ny fiambenana faharoa amin'ny alina izy, na avy amin'ny fiambenana fahatelo, ka mahita toy izany, dia sambatra ireo mpanompo ireo.39 Ary fantaro izao, fa raha fantatry ny tompon-trano izay ora hihavian'ny mpangalatra, dia ho niambina izy ka tsy namela ny tranony hotamina.40 Dia miomàna koa ianareo; fa ho avy ny Zanak'olona amin'izay ora tsy ampoizinareo.41 Ary hoy Petera: Tompoko, izahay va no ilazanao izany fanoharana izany, sa ny olona rehetra?42 Ary hoy ny Tompo: Iza moa no mpitandri-draharaha mahatoky sy manan-tsaina, izay hotendren'ny tompony hifehy ny mpanompony mba hanome azy anjara hanina amin'ny fotoana?43 Sambatra ny mpanompo Izay ho hitan'ny tompony fa, indreo, manao toy izany, raha avy izy.44 Lazaiko aminareo marina fa hotendreny ho mpanapaka ny fananany rehetra izy.45 Fa raha manao anakampo kosa izany mpanompo izany hoe: Maharitra ela ny tompoko vao ho avy, ka dia mikapoka ny ankizilahy sy ny ankizivavy izy sady mihinana sy misotro ka mamo,46 dia ho avy ny tompon'izany mpanompo izany amin'ny andro izay tsy ampoiziny sy amin'ny ora izay tsy fantany, dia hotapahiny roat izy ka homeny anjara any amin'ny tsy mahatoky.47 Fa ilay mpanompo izay mahalala ny sitrapon'ny tompony ihany ka tsy miomana na manao izay sitraky ny fony dia hokapohina be.48 Fa izay tsy nahalala kosa ka nanao izay zavatra tokony hikapohana azy dia hokapohina kely. Fa izay nomena be, dia be no hotadiavina aminy; ary izay nampitehirizina be, dia bebe kokoa no hadinina aminy.49 Tonga hanipy afo etỳ ambonin'ny tany Aho, ka manao ahoana ny faniriako mba hirehetan'izany sahadyt?50 Ary manana batisa hanaovana Ahy batisa Aho, ka manao ahoana ny fahoriako ambara-pahatanterahany!51 Ataonareo va fa tonga hanome fihavanana ambonin'ny tany Aho? Tsia, hoy Izaho aminareo, fa fampisarahana.52 Fa hatramin'izao dia hisy dimy hisara-tsaina ao an-trano iray, ny telo hanohitra ny roa, ary ny roa hanohitra ny telo.53 Hisara-tsaina ireo, ka ny ray hanohitra ny zananilahy, ary ny zanakalahy hanohitra ny rainy; ny reny hanohitra ny zananivavy, ary ny zanakavavy hanohitra ny reniny; ny rafozam-bavy hanohitra ny vinantoni-vavy, ary ny vinantovavy hanohitra ny rafozani-vavy.54 Ary hoy Jesosy tamin'ny vahoaka: Raha mahita rahona miposaka any andrefana ianareo, miaraka amin'izay dia hoy ianareo: Ho avy ny ranonorana; dia tonga izany.55 Ary raha avy any atsimo ny rivotra, dia hoy ianareo: Hafana ny andro; dia tonga izany.56 Hianareo mpihatsaravelatsihy, ny tarehin'ny tany sy ny lanitra dia hainareo fantarina; fa ahoana kosa no tsy ahaizanareo mamantatra izao andro izao?57 Nahoana ianareo no tsy mahalala mitsara araka ny marinat?58 Fa raha miara-mandeha amin'ny manana ady aminao ianao hanatrika ny mpanapaka, raha mbola any an-dalana dia mazotoa manao izay hahafahanao aminy, fandrao hitondra anao any amin'ny mpitsara izy, ary ny mpitsara hanolotra anao amin'ny mpamatotra, ary ny mpamatotra hanao anao ao an-tranomaizina.
59 Lazaiko aminao fa tsy ho afaka ao ianao, ambara-pandoanao ny variraiventy farany indrindra.
Luke 12
1 In the mean time, when the many thousands of the multitude were gathered together, insomuch that they trod one upon another, he began to say unto his disciples first of all, Beware ye of the leaven of the Pharisees, which is hypocrisy.2 But there is nothing covered up, that shall not be revealed; and hid, that shall not be known.3 Wherefore whatsoever ye have said in the darkness shall be heard in the light; and what ye have spoken in the ear in the inner chambers shall be proclaimed upon the housetops.4 And I say unto you my friends, Be not afraid of them that kill the body, and after that have no more that they can do.5 But I will warn you whom ye shall fear: Fear him, who after he hath killed hath power to cast into hell; yea, I say unto you, Fear him.6 Are not five sparrows sold for two pence? and not one of them is forgotten in the sight of God.7 But the very hairs of your head are all numbered. Fear not: ye are of more value than many sparrows.8 And I say unto you, Every one who shall confess me before men, him shall the Son of man also confess before the angels of God:9 but he that denieth me in the presence of men shall be denied in the presence of the angels of God.10 And every one who shall speak a word against the Son of man, it shall be forgiven him: but unto him that blasphemeth against the Holy Spirit it shall not be forgiven.11 And when they bring you before the synagogues, and the rulers, and the authorities, be not anxious how or what ye shall answer, or what ye shall say:12 for the Holy Spirit shall teach you in that very hour what ye ought to say.13 And one out of the multitude said unto him, Teacher, bid my brother divide the inheritance with me.14 But he said unto him, Man, who made me a judge or a divider over you?15 And he said unto them, Take heed, and keep yourselves from all covetousness: for a man’s life consisteth not in the abundance of the things which he possesseth.16 And he spake a parable unto them, saying, The ground of a certain rich man brought forth plentifully:17 and he reasoned within himself, saying, What shall I do, because I have not where to bestow my fruits?18 And he said, This will I do: I will pull down my barns, and build greater; and there will I bestow all my grain and my goods.19 And I will say to my soul, Soul, thou hast much goods laid up for many years; take thine ease, eat, drink, be merry.20 But God said unto him, Thou foolish one, this night is thy soul required of thee; and the things which thou hast prepared, whose shall they be?21 So is he that layeth up treasure for himself, and is not rich toward God.22 And he said unto his disciples, Therefore I say unto you, Be not anxious for your life, what ye shall eat; nor yet for your body, what ye shall put on.23 For the life is more than the food, and the body than the raiment.24 Consider the ravens, that they sow not, neither reap; which have no store-chamber nor barn; and God feedeth them: of how much more value are ye than the birds!25 And which of you by being anxious can add a cubit unto the measure of his life?26 If then ye are not able to do even that which is least, why are ye anxious concerning the rest?27 Consider the lilies, how they grow: they toil not, neither do they spin; yet I say unto you, Even Solomon in all his glory was not arrayed like one of these.28 But if God doth so clothe the grass in the field, which to-day is, and to-morrow is cast into the oven; how much more shall he clothe you, O ye of little faith?29 And seek not ye what ye shall eat, and what ye shall drink, neither be ye of doubtful mind.30 For all these things do the nations of the world seek after: but your Father knoweth that ye have need of these things.31 Yet seek ye his kingdom, and these things shall be added unto you.32 Fear not, little flock; for it is your Father’s good pleasure to give you the kingdom.33 Sell that which ye have, and give alms; make for yourselves purses which wax not old, a treasure in the heavens that faileth not, where no thief draweth near, neither moth destroyeth.34 For where your treasure is, there will your heart be also.35 Let your loins be girded about, and your lamps burning;36 and be ye yourselves like unto men looking for their lord, when he shall return from the marriage feast; that, when he cometh and knocketh, they may straightway open unto him.37 Blessed are those servants, whom the lord when he cometh shall find watching: verily I say unto you, that he shall gird himself, and make them sit down to meat, and shall come and serve them.38 And if he shall come in the second watch, and if in the third, and find them so blessed are those servants.39 But know this, that if the master of the house had known in what hour the thief was coming, he would have watched, and not have left his house to be broken through.40 Be ye also ready: for in an hour that ye think not the Son of man cometh.41 And Peter said, Lord, speakest thou this parable unto us, or even unto all?42 And the Lord said, Who then is the faithful and wise steward, whom his lord shall set over his household, to give them their portion of food in due season?43 Blessed is that servant, whom his lord when he cometh shall find so doing.44 Of a truth I say unto you, that he will set him over all that he hath.45 But if that servant shall say in his heart, My lord delayeth his coming; and shall begin to beat the menservants and the maidservants, and to eat and drink, and to be drunken;46 the lord of that servant shall come in a day when he expecteth not, and in an hour when he knoweth not, and shall cut him asunder, and appoint his portion with the unfaithful.47 And that servant, who knew his lord’s will, and made not ready, nor did according to his will, shall be beaten with many stripes;48 but he that knew not, and did things worthy of stripes, shall be beaten with few stripes. And to whomsoever much is given, of him shall much be required: and to whom they commit much, of him will they ask the more.49 I came to cast fire upon the earth; and what do I desire, if it is already kindled?50 But I have a baptism to be baptized with; and how am I straitened till it be accomplished!51 Think ye that I am come to give peace in the earth? I tell you, Nay; but rather division:52 for there shall be from henceforth five in one house divided, three against two, and two against three.53 They shall be divided, father against son, and son against father; mother against daughter, and daughter against her mother; mother in law against her daughter in law, and daughter in law against her mother in law.54 And he said to the multitudes also, When ye see a cloud rising in the west, straightway ye say, There cometh a shower; and so it cometh to pass.55 And when ye see a south wind blowing, ye say, There will be a scorching heat; and it cometh to pass.56 Ye hypocrites, ye know how to interpret the face of the earth and the heaven; but how is it that ye know not how to interpret this time?57 And why even of yourselves judge ye not what is right?58 For as thou art going with thine adversary before the magistrate, on the way give diligence to be quit of him; lest haply he drag thee unto the judge, and the judge shall deliver thee to the officer, and the officer shall cast thee into prison.59 I say unto thee, Thou shalt by no means come out thence, till thou have paid the very last mite.