previous next

Lioka 13

1 Ary tamin'izany andro izany nisy ny sasany teo izay nanambara tamin'i Jesosy ny nanjo ny Galiliana, izay naharoharon'i Pilato tamin'ny fanatiny ny ràny.2 Fa Jesosy namaly ka nanao taminy hoe: Ataonareo va fa ireny Galiliana ireny no mpanota mihoatra noho ny Galiliana rehetra, satria nozoin'izany zavatra izany izy?3 Tsia, hoy Izaho aminareo; fa raha tsy mibebaka ianareo, dia ho ringana tahaka azy koa ianareo rehetra.4 Ary ireny valo ambin'ny folo ireny, izay nianjeran'ny tilikambo tao Siloama ka maty, ataonareo va fa mpanota mihoatra noho ny olona rehetra izay monina ao Jerosalema ireny?5 Tsia, hoy Izaho aminareo; fa raha tsy mibebaka ianareo, dia ho ringana tahaka azy koa ianareo rehetra.6 Ary nanao ity fanoharana ity Izy hoe: Nisy olona nanana aviavy nambolena teo an-tanim-boalobony; dia nankeo izy nitady voa taminy, fa tsy nahita.7 Ka dia hoy izy tamin'ny mpamboatra ny tanim-boaloboka; Indro, efa telo taona izay aho no tonga nitady voa tamin'ity aviavy ity, fa tsy nahita; kapao io; nahoana io no manimba ny tany?8 Fa ny mpamboatra namaly ka nanao taminy hoe: Tompoko, avelao ihany izy amin'ity taona ity mandra-pihadiko manodidina azy, ka hasiako zezika;

9 angamba mbola hamoa izy; fa raha tsy izany, dia hokapainao ihany.
10 Ary nampianatra tao amin'ny synagoga anankiray Jesosy tamin'ny Sabata.11 Ary, indro, nisy vehivavy izay nanana fanahy mahafarofy valo ambin'ny folo taona, ary nanjoko izy ka tsy nahatraka akory.12 Ary rehefa nahita azy Jesosy, dia niantso azy ka nanao taminy hoe: Ravehivavy, afaka amin'ny rofinao ianao.13 Dia nametraka ny tànany taminy Izy; ary niaraka tamin'izay dia nitraka ravehivavy sady nankalaza an'Andriamanitra.14 Ary ny mpanapaka ny synagoga dia tezitra, satria Jesosy nahasitrana tamin'ny Sabata, dia namaly ka nanao tamin'ny vahoaka hoe: Henemana no azo anaovan-draharaha; koa avia hositranina amin'izany, fa tsy amin'ny andro Sabata.15 Fa namaly azy ny Tompo ka nanao hoe: Ry mpihatsaravelatsihy, moa tsy samy mamaha ny ombiny na ny borikiny hiala amin'ny fihinanam-bilona amin'ny Sabata va ianareo ka mitondra azy hisotro rano?16 Koa ity vehivavy zanak'i Abrahama ity, izay efa nafatotr'i Satana izao valo ambin'ny folo taona izao, moa tsy tokony hovahana ho afaka amin'izany fatorana izany amin'ny andro Sabata va?17 Ary raha nilaza izany Izy, dia nangaihay izay rehetra nanohitra Azy; fa ny vahoaka rehetra nifaly noho ny zavatra malaza rehetra nataony.18 Dia hoy Jesosy: Tahaka ny inona ny fanjakan'Andriamanitra? ary inona no hanoharako azy?

19 Tahaka ny voan-tsinapy izy, izay nalain'olona ka namboleny tao an-tanimboly, ary naniry ka tonga haro; ary ny voro-manidina nitoetra tao amin'ny rantsany.
20 Ary hoy koa Jesosy: Inona no hanoharako ny fanjakan'Andriamanitra?

21 Tahaka ny masirasira izy, izay nalain'ny vehivavy anankiray ka nataonyt tao amin'ny koba intelon'ny famarana, mandra-pahazon'ny masirasira azy rehetra.
22 Ary Jesosy nandeha nitety ny tanàna sy ny vohitra nampianatra sady nandroso hankany Jerosalema.23 Dia hoy ny anankiray taminy; Tompoko, moa vitsy va no hovonjena? Ary hoy Izy tamin'ny olona:24 Miseseha hiditra amin'ny varavarana etỳ ianareo; fa hoy Izaho aminareo: Maro no hitady hiditra, fa tsy ho afaka.25 Rehefa mitsangana ny tompon-trano ka manidy ny varavarana, ary ianareo mijanona eo ala-trano mandondòna ny varavarana ka manao hoe: Tompoko, vohay izahay, dia hamaly Izy ka hanao aminareo hoe: Tsy fantatro na avy taiza na avy taiza ianareo;26 ary amin'izay ianareo dia hanao hoe: Nihinana sy nisotro teo anatrehanao izahay, ary nampianatra teny an-dalambenay Hianao.27 Fa Izy hiteny hoe: Lazaiko aminareo: Tsy fantatro na avy taiza na avy taiza ianareo; mialà amiko, ianareo rehetra mpanao meloka.28 Any no hisy ny fitomaniana sy ny fikitroha-nify, raha mahita an'i Abrahama sy Isaka sy Jakoba ary ny mpaminany rehetra eo amin'ny fanjakan'Andriamanitra ianareo, fa ny tenanareo kosa dia voaroaka any ivelany.29 Ary ho tonga avy any atsinanana sy avy any andrefana ary avy any avaratra sy avy any atsimo ireny ka hipetraka hihinana eo amin'ny fanjakan'Andriamanitra.30 Ary, indro, misy ny aoriana ho aloha, ary misy ny aloha ho aoriana.31 Tamin'izany ora izany indrindra dia nisy Fariseo sasany nankeo amin'i Jesosy ka nanao taminy hoe: Mandehana Hianao, ka mialà eto; fa ta-hamono Anao Heroda.32 Fa hoy Izy taminy: Mandehana, lazao amin'izany amboahaolot izany hoe: Indro, mamoaka demonia sy mahasitrana Aho anio sy ampitso, ary raha afaka ampitso dia hotanterahina ny amiko.33 Kanefa tsy maintsy mandeha ihany Aho anio sy ampitso sy raha afaka ampitso; fa ny mpaminany tsy azo vonoina, raha tsy any Jerosalema.34 Ry Jerosalema, ry Jerosalema, izay mamono ny mpaminany sy mitora-bato izay nirahina any aminao, impiry Aho no ta-hanangona ny zanakao tahaka ny fanomban'ny akoho ny zanany ao ambanin'ny elany, fa tsy nety ianareo!

35 Indro, avela ho anareo ny tranonareo. ary lazaiko aminareo: Tsy hahita Ahy intsony ianareo mandra-pilazanareo hoe: Isaorana anie Izay avy amin'ny anaran'i Jehovah (Sal. 118. 26).

Luke 13

1 Now there were some present at that very season who told him of the Galilaeans, whose blood Pilate had mingled with their sacrifices.2 And he answered and said unto them, Think ye that these Galilaeans were sinners above all the Galilaeans, because they have suffered these things?3 I tell you, Nay: but, except ye repent, ye shall all in like manner perish.4 Or those eighteen, upon whom the tower in Siloam fell, and killed them, think ye that they were offenders above all the men that dwell in Jerusalem?5 I tell you, Nay: but, except ye repent, ye shall all likewise perish.6 And he spake this parable; A certain man had a fig tree planted in his vineyard; and he came seeking fruit thereon, and found none.7 And he said unto the vinedresser, Behold, these three years I come seeking fruit on this fig tree, and find none: cut it down; why doth it also cumber the ground?8 And he answering saith unto him, Lord, let it alone this year also, till I shall dig about it, and dung it:9 and if it bear fruit thenceforth, well; but if not, thou shalt cut it down.10 And he was teaching in one of the synagogues on the sabbath day.11 And behold, a woman that had a spirit of infirmity eighteen years; and she was bowed together, and could in no wise lift herself up.12 And when Jesus saw her, he called her, and said to her, Woman, thou art loosed from thine infirmity.13 And he laid his hands upon her: and immediately she was made straight, and glorified God.14 And the ruler of the synagogue, being moved with indignation because Jesus had healed on the sabbath, answered and said to the multitude, There are six days in which men ought to work: in them therefore come and be healed, and not on the day of the sabbath.15 But the Lord answered him, and said, Ye hypocrites, doth not each one of you on the sabbath loose his ox or his ass from the stall, and lead him away to watering?16 And ought not this woman, being a daughter of Abraham, whom Satan had bound, lo, these eighteen years, to have been loosed from this bond on the day of the sabbath?17 And as he said these things, all his adversaries were put to shame: and all the multitude rejoiced for all the glorious things that were done by him.18 He said therefore, Unto what is the kingdom of God like? and whereunto shall I liken it?19 It is like unto a grain of mustard seed, which a man took, and cast into his own garden; and it grew, and became a tree; and the birds of the heaven lodged in the branches thereof.20 And again he said, Whereunto shall I liken the kingdom of God?21 It is like unto leaven, which a woman took and hid in three measures of meal, till it was all leavened.22 And he went on his way through cities and villages, teaching, and journeying on unto Jerusalem.23 And one said unto him, Lord, are they few that are saved? And he said unto them,24 Strive to enter in by the narrow door: for many, I say unto you, shall seek to enter in, and shall not be able.25 When once the master of the house is risen up, and hath shut to the door, and ye begin to stand without, and to knock at the door, saying, Lord, open to us; and he shall answer and say to you, I know you not whence ye are;26 then shall ye begin to say, We did eat and drink in thy presence, and thou didst teach in our streets;27 and he shall say, I tell you, I know not whence ye are; depart from me, all ye workers of iniquity.28 There shall be the weeping and the gnashing of teeth, when ye shall see Abraham, and Isaac, and Jacob, and all the prophets, in the kingdom of God, and yourselves cast forth without.29 And they shall come from the east and west, and from the north and south, and shall sit down in the kingdom of God.30 And behold, there are last who shall be first, and there are first who shall be last.31 In that very hour there came certain Pharisees, saying to him, Get thee out, and go hence: for Herod would fain kill thee.32 And he said unto them, Go and say to that fox, Behold, I cast out demons and perform cures to-day and to-morrow, and the third day I am perfected.33 Nevertheless I must go on my way to-day and to-morrow and the day following: for it cannot be that a prophet perish out of Jerusalem.34 O Jerusalem, Jerusalem, that killeth the prophets, and stoneth them that are sent unto her! how often would I have gathered thy children together, even as a hen gathereth her own brood under her wings, and ye would not!35 Behold, your house is left unto you desolate: and I say unto you, Ye shall not see me, until ye shall say, Blessed is he that cometh in the name of the Lord.