Lioka 16
1 Ary hoy koa Jesosy tamin'ny mpianatra: Nisy olona manan-karena anankiray nanana mpitandrina ny fananany; ary ilehiny dia nampangain'olona taminy fa mandany ny fananany.2 Ary nampaka azy izy ka nanao taminy hoe: Ahoana izao fandrenesako anao izao? Mamoaha ny amin'ny fitandremanao ny fananako; fa tsy mahazo mitandrina ny fananako intsony ianao.3 Ary ilay mpitandrina ny fananana nanao anakampo hoe: Inona ange no hataoko, fa esorin'ny tompoko amin'ny fitandremana ny fananany aho? Ny miasa tany tsy tratry ny aiko; ny mangataka mahamenatra ahy.4 Fantatro izay hataoko, mba hisy handray ahy ho ao an-tranony, rehefa voaisotra amin'ny fitandremana ny fananana aho.5 Dia niantso izay rehetra nitrosa tamin'ny tompony izy hankao aminy ka nanao tamin'ny voalohany hoe: Hoatrinona no trosan'ny tompoko aminao?6 Ary hoy io: Diloilo injaton'ny famaranat. Dia hoy izy taminy koa: Inty, raiso ny taratasinao, ary mipetraha faingana, ka dimam-polo no soraty.7 Dia hoy izy tamin'ny anankiray koa: Hoatrinona kosa no trosa aminao? Ary hoy izy: Vary injaton'ny famaranat. Dia hoy izy taminy koa: Inty, raiso ny taratasinao ka valo-polo no soraty.8 Ary ny tompony nidera ilay mpitandrina tsy marina, satria nanan-tsaina izy; fa ny zanak'izao tontolo izao dia manan-tsaina kokoa ny amin'ny karazany noho ny zanaky ny mazava.9 Ary hoy Izaho aminareo: Aoka ny mamôna tsy marina ho entinareo mahazo sakaiza, mba horaisin'ireo ho any amin'ny fonenana mandrakizay ianareo, rehefa lany izany.10 Ary izay mahatoky amin'ny kely indrindra dia mahatoky koa amin'ny be; ary izay tsy marina amin'ny kely indrindra dia tsy marina koa amin'ny be.11 Koa raha tsy mahatoky amin'ny mamôna tsy marina ianareo, iza no hatoky anareo ny amin'ny tena harena?12 Ary raha tsy mahatoky amin'izay an'olona ianareo, iza no hanome anareo izay anareo?13 Tsy misy mpanompo mahay manompo tompo roa; fa ny anankiray ho halany, ary anankiray ho tiany; na ny anankiray hombany, ary ny anankiray hohamavoiny. Tsy mahay manompo an'Andriamanitra sy mamôna ianareo.14 Ary ny Fariseo, izay fatra-pitia vola, raha nandre izany rehetra izay, dia naneso an'i Jesosy.15 Ary hoy Jesosy taminy: Hianareo dia mpanamarin-tena eo anatrehan'ny olona, nefa Andriamanitra mahalala ny fonareo; fa izay zavatra heverin'ny olona ho ambony dia fahavetavetana eo anatrehan'Andriamanitra.16 Ny lalàna sy ny mpaminany dia hatramin'i Jaona; ary hatramin'izany no efa nitoriana ny filazantsaran'ny fanjakan'Andriamanitra, ary misesika izay rehetra miditra eo.17 Fa ho moramora kokoa ny hahafoanan'ny lanitra sy ny tany noho ny hahafoanan'ny tendron-tsoratra iray monja aza amin'ny lalàna.18 Izay rehetra misao-bady ka mampakatra ny hafa dia mijangajanga; ary izay mampakatra vehivavy voasaotra dia mijangajanga koa.19 Nisy lehilahy manan-karena anankiray niakanjo volomparasy sy rongony fotsy madinika sady nanaram-po fatratra isan'andro tamin'ny fahafinaretana.20 Ary nisy olo-malahelo ferena anankiray atao hoe Lazarosy napetraka teo anilan'ny vavahadiny;21 ary naniry mba hihinana izay latsaka avy tamin'ny latabatr'ilay manan-karena izy, fa ny alika kosa no avyt ka nilelaka ny feriny.22 Ary maty ilay malahelo, dia nentin'ny anjely ho any an-tratran'i Abrahama; ary maty koa ilay manan-karena, dia nalevina;23 ary raha nijaly tao amin'ny fiainan-tsi-hitat izy ka niandrandra, dia nahita an'i Abrahama teny lavitra eny sy Lazarosy teo an-tratrany.24 Ary izy niantso ka nanao hoe: Ry Abrahama raiko ô, mamindrà fo amiko, ka iraho Lazarosy mba hanoboka ny tendron'ny rantsan-tanany amin'ny rano mba hampangatsiaka ny lelako; fa fadiranovana aho eto anatin'ity lelafo ity.25 Fa hoy Abrahama: Anaka, tsarovy fa ianao efa nahazo ny zava-tsoanao tamin'ny andro niainanao, ary Lazarosy kosa ny zava-dratsy; fa ankehitriny izy no ampifalinay . ary ianao kosa no fadiranovana.26 Ary mihoatra noho izany rehetra izany, misy tevana makadiry ajadona ao anelanelantsika, mba tsy ho afa-mita hankeny aminareo izay te-hiala etỳ, ary ny ho afa-mita hanketỳ aminay izay eny.27 Dia hoy izy: Mangataka aminao ary aho, ry raiko: mba iraho Lazarosy hankany amin'ny tranon'ny raiko28 (fa manana rahalahy dimy aho), mba hilaza tsara aminy, fandrao mba ho tongay amin'ity fijaliana ity koa izy.29 Fa hoy Abrahama taminy: Manana an'i Mosesy sy ny mpaminany izy; aoka hihaino ireo izy.30 Fa hoy kosa izy: Tsia, ry Abrahama, raiko; fa raha misy miala amin'ny maty hankany aminy, dia hibebaka izy.
31 Fa hoy Abrahama taminy: Raha tsy mihaino an'i Mosesy sy ny mpaminany izy, dia tsy hety hino izy, na dia misy mitsangana amin'ny maty aza.
Luke 16
1 And he said also unto the disciples, There was a certain rich man, who had a steward; and the same was accused unto him that he was wasting his goods.2 And he called him, and said unto him, What is this that I hear of thee? render the account of thy stewardship; for thou canst be no longer steward.3 And the steward said within himself, What shall I do, seeing that my lord taketh away the stewardship from me? I have not strength to dig; to beg I am ashamed.4 I am resolved what to do, that, when I am put out of the stewardship, they may receive me into their houses.5 And calling to him each one of his lord’s debtors, he said to the first, How much owest thou unto my lord?6 And he said, A hundred measures of oil. And he said unto him, Take thy bond, and sit down quickly and write fifty.7 Then said he to another, And how much owest thou? And he said, A hundred measures of wheat. He saith unto him, Take thy bond, and write fourscore.8 And his lord commended the unrighteous steward because he had done wisely: for the sons of this world are for their own generation wiser than the sons of the light.9 And I say unto you, Make to yourselves friends by means of the mammon of unrighteousness; that, when it shall fail, they may receive you into the eternal tabernacles.10 He that is faithful in a very little is faithful also in much: and he that is unrighteous in a very little is unrighteous also in much.11 If therefore ye have not been faithful in the unrighteous mammon, who will commit to your trust the true riches?12 And if ye have not been faithful in that which is another’s, who will give you that which is your own?13 No servant can serve two masters: for either he will hate the one, and love the other; or else he will hold to one, and despise the other. Ye cannot serve God and mammon.14 And the Pharisees, who were lovers of money, heard all these things; and they scoffed at him.15 And he said unto them, Ye are they that justify yourselves in the sight of men; but God knoweth your hearts: for that which is exalted among men is an abomination in the sight of God.16 The law and the prophets were until John: from that time the gospel of the kingdom of God is preached, and every man entereth violently into it.17 But it is easier for heaven and earth to pass away, than for one tittle of the law to fall.18 Every one that putteth away his wife, and marrieth another, committeth adultery: and he that marrieth one that is put away from a husband committeth adultery.19 Now there was a certain rich man, and he was clothed in purple and fine linen, faring sumptuously every day:20 and a certain beggar named Lazarus was laid at his gate, full of sores,21 and desiring to be fed with the crumbs that fell from the rich man’s table; yea, even the dogs come and licked his sores.22 And it came to pass, that the beggar died, and that he was carried away by the angels into Abraham’s bosom: and the rich man also died, and was buried.23 And in Hades he lifted up his eyes, being in torments, and seeth Abraham afar off, and Lazarus in his bosom.24 And he cried and said, Father Abraham, have mercy on me, and send Lazarus, that he may dip the tip of his finger in water, and cool my tongue; for I am in anguish in this flame.25 But Abraham said, Son, remember that thou in thy lifetime receivedst thy good things, and Lazarus in like manner evil things: but now here he is comforted and thou art in anguish.26 And besides all this, between us and you there is a great gulf fixed, that they that would pass from hence to you may not be able, and that none may cross over from thence to us.27 And he said, I pray thee therefore, father, that thou wouldest send him to my father’s house;28 for I have five brethren; that he may testify unto them, lest they also come into this place of torment.29 But Abraham saith, They have Moses and the prophets; let them hear them.30 And he said, Nay, father Abraham: but if one go to them from the dead, they will repent.31 And he said unto him, If they hear not Moses and the prophets, neither will they be persuaded, if one rise from the dead.