Lioka 19
1 Ary Jesosy niditra ka nandeha namaky an'i Jeriko.2 Ary, indro, nisy lehilahy atao hoe Zakaiosy, izay lehiben'ny mpamory hetra sady nanan-karena.3 Ary nitady hahita izay Jesosy izy, kanefa ny afaka noho ny habetsahan'ny olona nifanety, satria fohy izy.4 Dia nihazakazaka nialoha izy ka nananika aviavy hizaha an'i Jesosy; fa efa handalo tamin'izany lalana izany Izy.5 Ary rehefa tonga teo Jesosy, dia niandrandra ka nanao taminy hoe: Ry Zakaiosy, midina faingana; fa tsy maintsy mitoetra ao an-tranonao Aho anio.6 Dia nidina faingana izy ka nampiantrano Azy sady faly.7 Ary raha nahita izany izy rehetra, dia nimonomonona ka nanao hoe: Lasa nandeha hiantrano amin'izay lehilahy mpanota Izy.8 Fa Zakaiosy kosa nitsangana ka nanao tamin'ny Tompo hoe: Indro, Tompoko, ny antsasaky ny fananako omeko ho an'ny malahelo; ary raha misy zavatr'olona nalaiko tamin'ny fanambakana, dia honerako avy efatra heny izany.9 Ary hoy Jesosy taminy: Anio no tonga eto amin'ity trano ity ny famonjena, fa izy dia zanak'i Abrahama koa.10 Fa efa tonga ny Zanak'olona hitady sy hamonjy ny very.11 Ary raha mbola nihaino izany ny olona, dia nandroso niteny ihany Jesosy ka nanao fanoharana, satria efa akaiky an'i Jerosalema Izy, ka nataon'ny olona fa hiseho faingana ny fanjakan'Andriamanitra.12 Dia hoy Izy: Nisy andriandahy anankiray nandeha nankany an-tany lavitra mba handray fahefana hanjaka, dia hiverina.13 Dia niantso folo lahy tamin'ny mpanompony izy ary nanome azy farantsat folo ka nanao taminy hoe: Mandrantoa mandra-pihaviko.14 Fa ny vahoakanyt nankahala azy, dia nampitondra reny nanaraka azy nanao hoe: Tsy manaiky hanjakan'iny lehilahy iny izahay.15 Ary nony tafaverina izy, rehefa nandray fahefana hanjaka, dia nasainy nantsoina hankeo aminy izany mpanompo nomeny ny vola izany mba hahitany izay azony tamin'ny fandrantoana.16 Dia tonga ny voalohany ka nanao hoe: Tompoko, ny farantsanao iray efa nahazoana tombony farantsa folo.17 Ary hoy izy taminy: Tsara izany, ry mpanompo tsara; satria nahatoky tamin'ny kely indrindra ianao, dia manapaha tanàna folo.18 Dia tonga ny anankiray koa ka nanao hoe: Tompoko, ny farantsanao iray efa tonga farantsa dimy.19 Ary hoy koa izy tamin'io: Manapaha tanàna dimy koa ianao.20 Fa tonga kosa ny anankiray ka nanao hoe: Tompoko, indry ny farantsanao, izay notehiriziko voafono amin'ny mosara.21 Fa natahotra anao aho, satria olona mila voatsiary ianao ka maka izay tsy napetrakao, ary mijinja izay tsy nafafinao.22 Ary hoy ny tompony taminy: Ny vavanao no hitsarako anao, ry mpanompo ratsy fanahy: fantatrao fa izaho dia olona mila voatsiary ka maka izay tsy napetrako, ary mijinja izay tsy nafafiko;23 koa nahoana no tsy napetrakao tamin'ny mpanana vola ny volako, ka rehefa tonga aho, dia ho nandray ny ahy mban-janany?24 Ary hoy izy tamin'izay nitsangana teo anilany: Alao ny farantsa eny aminy, ka omeo ilay manana farantsa folo25 (Fa hoy ireo taminy: Tompoko, efa manana farantsa folo izy.)26 Lazaiko aminareo: Izay rehetra manana dia homena; fa ny amin'izay tsy manana, na dia izay ananany aza dia halaina aminy.27 Fa ireo fahavaloko tsy nanaiky hanjakako ireo, dia ento atỳ , ka vonoy eto anatrehako.
28 Ary rehefa niteny izany Izy, dia nandeha nialoha hiakatra ho any Jerosalema.
29 Ary raha nanakaiky an'i Betifaga sy Betania teo an-tendrombohitra atao hoe Oliva Izy, dia naniraka roa lahy tamin'ny mpianatra30 ka nanao hoe: Mankanesa amin'iroa vohitra tandrifinareo iroa; ary raha vao miditra ao ianareo, dia hisy zana-boriky mifatotra ho hitanareo, izay tsy mbola nitaingenan'olona; vahao izy, ka ento erỳ .31 Ary raha misy manontany anareo hoe: Nahoana no vahanareo io? dia izao no holazainareo: Misy raharaha analan'ny Tompo azy.32 Ary nony nandeha ireo nirahina, dia nahita araka izay nolazainy taminy.33 Ary raha namaha ny zana-boriky izy, dia hoy ny tompony taminy: Nahoana no vahanareo ny zana-boriky?34 Ary hoy izy: Misy raharaha analan'ny Tompo azy.35 Dia nitondra azy ho any amin'i Jesosy izy ary nametraka ny lambany teo ambonin'ny zana-boriky, ka nampitaingeniny azy Jesosy.36 Ary raha nandeha Jesosy, dia namelatra ny lambany teny an-dalana izy lreo.37 Ary rehefa nanakaiky Izy ka tonga teo am-pidinana amin'ny tendrombohitra Oliva, dia nifaly avokoa ny mpianatra maro be ka nidera an'Andriamanitra tamin'ny feo mahery noho ny asa lehibe rehetra izay efa hitany38 ka nanao hoe: Isaorana anie ny Mpanjaka, Izay avy amin'ny anaran'i Jehovah. Fiadanana any an-danitra, ary voninahitra any amin'ny avo indrindra.39 Fa ny Fariseo sasany, izay teo amin'ny vahoaka, nanao taminy hoe: Mpampianatra ô, rarao ny mpianatrao.40 Fa Izy namaly ka nanao hoe: Lazaiko aminareo fa raha mangina ireo, dia ny vato no hiantsoantso.41 Ary raha nanakaiky Izy ka nahita ny tanàna, dia nitomany azy42 ka nanao hoe: Raha mba nahafantatra mantsy ianao na dia amin'ity andro ity aza izay momba ny fiadanana! - fa ankehitriny miafina amin'ny masonao izany.43 Fa ho avy aminao ny andro izay hananganan'ny fahavalonao tovon-tany manodidina anao, dia hanemitra anao izy ka hanidy anao manodidina44 ary hamongotra anao hatramin'ny tany mbamin'ny zanakao ao anatinao, ka tsy havelany hisy vato mifanongoa eo aminao, ho valin'ny tsy nahafantaranao ny andro namangiana anao.45 Ary niditra teo an-kianjan'ny tempoly Jesosy, dia nandroaka izay nivarotra46 ka nanao taminy hoe: Efa voasoratra hoe: Ny tranoko dia trano fivavahana (Isa. 56. 7); fa ianareo kosa nanao azy ho zohy fieren'ny jiolahy (Jery. 7. 11).47 Ary nampianatra isan'andro teo an-kianjan'ny tempoly Izy. Fa ny lohan'ny mpisorona sy ny mpanora-dalàna ary ny loholona nitady hahafaty Azy;
48 nefa tsy hitany izay hataony, satria ny vahoaka rehetra nazoto dia nazoto hihaino Azy.
Luke 19
1 And he entered and was passing through Jericho.2 And behold, a man called by name Zacchaeus; and he was a chief publican, and he was rich.3 And he sought to see Jesus who he was; and could not for the crowd, because he was little of stature.4 And he ran on before, and climbed up into a sycomore tree to see him: for he was to pass that way.5 And when Jesus came to the place, he looked up, and said unto him, Zacchaeus, make haste, and come down; for to-day I must abide at thy house.6 And he made haste, and came down, and received him joyfully.7 And when they saw it, they all murmured, saying, He is gone in to lodge with a man that is a sinner.8 And Zacchaeus stood, and said unto the Lord, Behold, Lord, the half of my goods I give to the poor; and if I have wrongfully exacted aught of any man, I restore fourfold.9 And Jesus said unto him, To-day is salvation come to this house, forasmuch as he also is a son of Abraham.10 For the Son of man came to seek and to save that which was lost.11 And as they heard these things, he added and spake a parable, because he was nigh to Jerusalem, and because they supposed that the kingdom of God was immediately to appear.12 He said therefore, A certain nobleman went into a far country, to receive for himself a kingdom, and to return.13 And he called ten servants of his, and gave them ten pounds, and said unto them, Trade ye herewith till I come.14 But his citizens hated him, and sent an ambassage after him, saying, We will not that this man reign over us.15 And it came to pass, when he was come back again, having received the kingdom, that he commanded these servants, unto whom he had given the money, to be called to him, that he might know what they had gained by trading.16 And the first came before him, saying, Lord, thy pound hath made ten pounds more.17 And he said unto him, Well done, thou good servant: because thou wast found faithful in a very little, have thou authority over ten cities.18 And the second came, saying, Thy pound, Lord, hath made five pounds.19 And he said unto him also, Be thou also over five cities.20 And another came, saying, Lord, behold, here is thy pound, which I kept laid up in a napkin:21 for I feared thee, because thou art an austere man: thou takest up that which thou layedst not down, and reapest that which thou didst not sow.22 He saith unto him, Out of thine own mouth will I judge thee, thou wicked servant. Thou knewest that I am an austere man, taking up that which I laid not down, and reaping that which I did not sow;23 then wherefore gavest thou not my money into the bank, and I at my coming should have required it with interest?24 And he said unto them that stood by, Take away from him the pound, and give it unto him that hath the ten pounds.25 And they said unto him, Lord, he hath ten pounds.26 I say unto you, that unto every one that hath shall be given; but from him that hath not, even that which he hath shall be taken away from him.27 But these mine enemies, that would not that I should reign over them, bring hither, and slay them before me.28 And when he had thus spoken, he went on before, going up to Jerusalem.29 And it came to pass, when he drew nigh unto Bethphage and Bethany, at the mount that is called Olivet, he sent two of the disciples,30 saying, Go your way into the village over against you; in which as ye enter ye shall find a colt tied, whereon no man ever yet sat: loose him, and bring him.31 And if any one ask you, Why do ye loose him? thus shall ye say, The Lord hath need of him.32 And they that were sent went away, and found even as he had said unto them.33 And as they were loosing the colt, the owners thereof said unto them, Why loose ye the colt?34 And they said, The Lord hath need of him.35 And they brought him to Jesus: and they threw their garments upon the colt, and set Jesus thereon.36 And as he went, they spread their garments in the way.37 And as he was now drawing nigh, even at the descent of the mount of Olives, the whole multitude of the disciples began to rejoice and praise God with a loud voice for all the mighty works which they had seen;38 saying, Blessed is the King that cometh in the name of the Lord: peace in heaven, and glory in the highest.39 And some of the Pharisees from the multitude said unto him, Teacher, rebuke thy disciples.40 And he answered and said, I tell you that, if these shall hold their peace, the stones will cry out.41 And when he drew nigh, he saw the city and wept over it,42 saying, If thou hadst known in this day, even thou, the things which belong unto peace! but now they are hid from thine eyes.43 For the days shall come upon thee, when thine enemies shall cast up a bank about thee, and compass thee round, and keep thee in on every side,44 and shall dash thee to the ground, and thy children within thee; and they shall not leave in thee one stone upon another; because thou knewest not the time of thy visitation.45 And he entered into the temple, and began to cast out them that sold,46 saying unto them, It is written, And my house shall be a house of prayer: but ye have made it a den of robbers.47 And he was teaching daily in the temple. But the chief priests and the scribes and the principal men of the people sought to destroy him:48 and they could not find what they might do; for the people all hung upon him, listening.