previous next

Lioka 2

1 Ary tamin'izany andro izany dia nisy didy navoak'i Aogosto Kaisara hampanoratra ny anaran'ny vahoaka rehetra amin'ny fanjakany.2 (Izany no fanoratana voalohanyt natao fony Kyrenio nanapaka tany Syria.)3 Dia samy nankany amin'ny tanànany avy izy rehetra mba hosoratana.4 Ary Josefa koa niakatra avy tany Galilia, dia avy tao an-tanàna Nazareta, hankany Jodia, ho ao an-tanànan'i Davida, iza atao hoe Betlehema (satria avy tamin'ny taranak'i Davida sy ny mpianakaviny),5 mba hosoratana izy sy Maria fofom-badiny, izay efa bevohoka.6 Ary raha nitoetra teo Izy, dia tonga ny andro hahavelomany.7 Ary niteraka ny Lahimatoany izy, dia nohodidininy lamban-jaza ka nampandriny teo amin'ny fihinanam-bilona; fa tsy nisy nitoerany tao an-tranom-bahiny.8 Ary nisy mpiandry ondry tamin'izany tany izany nitoetra tany an-tsaha nitandrina ny ondriny tamin'ny alina.9 Ary nisy anjelin'ny Tompo nitsangana teo anilany, ary ny voninahitry ny Tompo nanelatrelatra manodidina azy, ka raiki-tahotra indrindra izy.10 Ary hoy ny anjely taminy: Aza matahotra; fa, indro, milaza teny soa mahafaly aminareo aho, dia fifaliana lehibe izay ho an'ny olona rehetra;11 fa Mpamonjy no teraka ho anareo anie ao an-tanànan'i Davida, dia Kristy Tompo.12 Ary izao no ho famantarana ho anareo: ianareo hahita Zazakely voahodidina lamban-jaza sady mandry ao am-pihinanam-bilona;13 Ary nisy anjely maro be avy any an-danitra niseho tampoka niaraka tamin'ilay anjely teo ka nidera an'Andriamanitra nanao hoe:14 Voninahitra any amin'ny avo Indrindra ho an'Andriamanitra! Ary fiadanana ho etỳ ambonin'ny tany amin'ny olona ankasitrahanyt.15 Ary tamin'izany rehefa niala teo aminy ireo anjely ireo ka nankany an- danitra, dia niresaka ireo lehilahy mpiandry ondry ka nanao hoe: Andeha isika hankany Betlehema ka hizaha izany zavatra vao tonga izany, izay nampahafantarin'ny Tompo antsika.16 Dia nandeha faingana izy ka nahita an'i Maria sy Josefa, ary ny Zazakely nandry teo am-pihinanam-bilona.17 Ary nony efa nahita izy, dia nampiely izay teny nolazaina taminy ny amin'izany Zaza izany.18 Ary izay rehetra nandre dia gaga tamin'izay zavatra nolazain'ny mpiandry ondry taminy.19 Fa Maria kosa nitadidy izany teny rehetra izany ka nieritreritra azy tao am-pony.20 Ary ny mpiandry ondry niverina nankalaza ny nidera an'Andriamanitra noho ny zavatra rehetra izay reny ny hitany, araka izay nolazaina taminy.

21 Ary rehefa tapitra ny havaloana, ka hoforana ny Zaza, dia nataony hoe Jesosy ny anarany, araka ilay nataon'ny anjely, fony tsy mbola torontoronina tao an-kibo Izy.
22 Ary rehefa tapitra ny andro fidiovany, araka ny lalàn'i Mosesy, dia nitondra Azy niakatra tany Jerosalema izy mba hatolotra ho an'ny Tompo23 araka ny voasoratra ao amin'ny lalàn'ny Tompo hoe: Ny lahy voalohan-teraka rehetra hatao hoe masina ho an'i Jehovah. (Eks. 13. 2)24 ary mba hanatitra fanatitra araka izay voalaza ao amin'ny lalàn'ny Tompo hoe: domohina roa, na zana-boromailala roa (Lev. 12. 8).25 Ary, indro, nisy lehilahy atao hoe Simeona tao Jerosalema; ary marina sady mpivavaka tsara izany lehilahy izany ka niandry ny fampiononana ny Isiraely; ary ny Fanahy Masina dia tao aminy.26 Ary efa nambaran'ny Fanahy Masina taminy fa tsy hahita fahafatesana izy mandra-pahitany ny Kristin'ny Tompo.27 Ary nentin'ny Fanahy Masina niditra teo an-kianjan'ny tempoly izy; ary rehefa nampidirin'ny ray aman-dreniny Jesosy zaza mba hanaovany araka ny fomban'ny lalàna ny amin'ny zaza,28 dia nitrotro Azy izy ka nidera an'Andriamanitra nanao hoe:29 Tompo ô, ankehitriny ny mpanomponao dia alefanao amin'ny fiadanana Araka ny teninao;30 Fa ny masoko efa nahita ny famonjenao,31 Izay namboarinao teo anatrehan'ny firenena rehetra,32 Dia fahazavana hahazava ny firenena sady voninahitry ny Isiraely olonao.33 Dia gaga ny ray aman-dreniny noho ny teny nilazana Azy.34 Ary Simeona nitso-drano azy ireo ka nanao tamin'i Maria, renin'ny Zaza, hoe: Indro, Ity Zaza ity no voatendry ho fandavoana sy ho fananganana ny maro ao amin'ny Isiraely ary ho famantarana holavina35 ary ny fanahinao aza dia hotsatohana sabatra - mba haseho ny hevitry ny fo maro.36 Ary nisy mpaminanivavy anankiray, dia Ana, zanakavavin'i Fanoela, avy tamin'ny firenen'i Asera; efa anti-panahy tokoa izy ary efa nitoetra tamin'ny vadiny fito taona taorian'ny naha-virijina azy,37 ary efa mpitondratena tokony ho efatra amby valo-polo taona; ary tsy niala teo an-kianjan'ny tempoly izy, fa nanompo tamin'ny fifadian-kanina sy ny fivavahana andro aman'alina.38 Ary nony niditra tamin'izany ora izany izy, dia nisaotra an'Andriamanitra ka nilaza Azy tamin'izay rehetra niandry ny fanavotana tao Jerosalema.39 Ary rehefa vitany ny zavatra rehetra araka ny lalàn'ny Tompo, dia niverina tany Galilia izy, dia tao Nazareta tanànany.

40 Ary ny Zaza dia nitombo ka nihahery sady feno fahendrena; ary ny fahasoavan'Andriamanitra no tao aminy.
41 Ary ny ray aman-dreniny nankany Jerosalema isan-taona, raha avy ny andro firavoravoana amin'ny Paska.42 Ary rehefa roa ambin'ny folo taona Jesosy, dia niakatra izy ireo, araka ny fanao amin'ny andro firavoravoana.43 Ary rehefa tapitra izany andro izany, ka nody izy, Jesosy zaza dia mbola nitoetra tany Jerosalema ihany, nefa tsy fantatry ny ray aman-dreniny izany;44 ary satria nataony fa niaraka tamin'ny niara-dia taminy Izy, dia nandeha lalana indray andro izy vao nitady Azy tamin'ny havany sy ny olom-pantany.45 Ary nony tsy nahita Azy izy, dia niverina ho any Jerosalema nitady Azy.46 Ary rehefa afaka hateloana, dia hitany teo an-kianjan'ny tempoly Izy nipetraka teo afovoan'ny mpampianatra ka nihaino sady nanontany azy.47 Ary talanjona izay rehetra nandre Azy noho ny fahalalany sy ny famaliany.48 Ary raha nahita Azy izy, dia talanjona, ka hoy ny reniny taminy: Anaka, nahoana no nanao toy izay taminay Hianao? He! izato alahelon-drainao sy izaho nitady Anao!49 Fa hoy Izy taminy: Nahoana no nitady Ahy ianareo? tsy fantatrareo va fa tsy maintsy ho eto an-tranont'ny Raiko Aho?50 Nefa tsy azon'ireo ny teny izay nolazainy taminy.51 Ary niara-nidina taminy nankany Nazareta Izy ka nanoa azy. Ary ny reniny nitahiry izany teny rehetra izany tao am-pony.

52 Ary Jesosy nitombo saina sy tenat sady nandroso fitia tamin'Andriamanitra sy ny olona.

Luke 2

1 Now it came to pass in those days, there went out a decree from Caesar Augustus, that all the world should be enrolled.2 This was the first enrolment made when Quirinius was governor of Syria.3 And all went to enrol themselves, every one to his own city.4 And Joseph also went up from Galilee, out of the city of Nazareth, into Judaea, to the city of David, which is called Bethlehem, because he was of the house and family of David;5 to enrol himself with Mary, who was betrothed to him, being great with child.6 And it came to pass, while they were there, the days were fulfilled that she should be delivered.7 And she brought forth her firstborn son; and she wrapped him in swaddling clothes, and laid him in a manger, because there was no room for them in the inn.8 And there were shepherds in the same country abiding in the field, and keeping watch by night over their flock.9 And an angel of the Lord stood by them, and the glory of the Lord shone round about them: and they were sore afraid.10 And the angel said unto them, Be not afraid; for behold, I bring you good tidings of great joy which shall be to all the people:11 for there is born to you this day in the city of David a Saviour, who is Christ the Lord.12 And this is the sign unto you: Ye shall find a babe wrapped in swaddling clothes, and lying in a manger.13 And suddenly there was with the angel a multitude of the heavenly host praising God, and saying,

14 Glory to God in the highest, And on earth peace among men in whom he is well pleased.

15 And it came to pass, when the angels went away from them into heaven, the shepherds said one to another, Let us now go even unto Bethlehem, and see this thing that is come to pass, which the Lord hath made known unto us.16 And they came with haste, and found both Mary and Joseph, and the babe lying in the manger.17 And when they saw it, they made known concerning the saying which was spoken to them about this child.18 And all that heard it wondered at the things which were spoken unto them by the shepherds.19 But Mary kept all these sayings, pondering them in her heart.20 And the shepherds returned, glorifying and praising God for all the things that they had heard and seen, even as it was spoken unto them.21 And when eight days were fulfilled for circumcising him, his name was called JESUS, which was so called by the angel before he was conceived in the womb.22 And when the days of their purification according to the law of Moses were fulfilled, they brought him up to Jerusalem, to present him to the Lord23 (as it is written in the law of the Lord, Every male that openeth the womb shall be called holy to the Lord),24 and to offer a sacrifice according to that which is said in the law of the Lord, A pair of turtledoves, or two young pigeons.25 And behold, there was a man in Jerusalem whose name was Simeon; and this man was righteous and devout, looking for the consolation of Israel: and the Holy Spirit was upon him.26 And it had been revealed unto him by the Holy Spirit, that he should not see death, before he had seen the Lord’s Christ.27 And he came in the Spirit into the temple: and when the parents brought in the child Jesus, that they might do concerning him after the custom of the law,28 then he received him into his arms, and blessed God, and said,

29 Now lettest thou thy servant depart, Lord, According to thy word, in peace;

30 For mine eyes have seen thy salvation,

31 Which thou hast prepared before the face of all peoples;

32 A light for revelation to the Gentiles, And the glory of thy people Israel.

33 And his father and his mother were marvelling at the things which were spoken concerning him;34 and Simeon blessed them, and said unto Mary his mother, Behold, this child is set for the falling and the rising of many in Israel; and for a sign which is spoken against;35 yea and a sword shall pierce through thine own soul; that thoughts out of many hearts may be revealed.36 And there was one Anna, a prophetess, the daughter of Phanuel, of the tribe of Asher (she was of a great age, having lived with a husband seven years from her virginity,37 and she had been a widow even unto fourscore and four years), who departed not from the temple, worshipping with fastings and supplications night and day.38 And coming up at that very hour she gave thanks unto God, and spake of him to all them that were looking for the redemption of Jerusalem.39 And when they had accomplished all things that were according to the law of the Lord, they returned into Galilee, to their own city Nazareth.40 And the child grew, and waxed strong, filled with wisdom: and the grace of God was upon him.41 And his parents went every year to Jerusalem at the feast of the passover.42 And when he was twelve years old, they went up after the custom of the feast;43 and when they had fulfilled the days, as they were returning, the boy Jesus tarried behind in Jerusalem; and his parents knew it not;44 but supposing him to be in the company, they went a day’s journey; and they sought for him among their kinsfolk and acquaintance:45 and when they found him not, they returned to Jerusalem, seeking for him.46 And it came to pass, after three days they found him in the temple, sitting in the midst of the teachers, both hearing them, and asking them questions:47 and all that heard him were amazed at his understanding and his answers.48 And when they saw him, they were astonished; and his mother said unto him, Son, why hast thou thus dealt with us? behold, thy father and I sought thee sorrowing.49 And he said unto them, How is it that ye sought me? knew ye not that I must be in my Father’s house?50 And they understood not the saying which he spake unto them.51 And he went down with them, and came to Nazareth; and he was subject unto them: and his mother kept all these sayings in her heart.52 And Jesus advanced in wisdom and stature, and in favor with God and men.