Lioka 21
1 Ary Jesosy nanopy ny masony nahita ny mpanankarena mandatsa-drakitra tao amin'ny fandatsahan-drakitra;2 ary nahita mpitondratena malahelo anankiray koa mandatsaka farantsakely roat teo Izy.3 Dia hoy Izy: Lazaiko aminareo marina tokoa fa io mpitondratena malahelo io no efa nandatsaka be noho izy rehetra.4 Fa ireo rehetra ireo, dia tamin'ny haben'ny fananany no nandatsahany tao amin'ny rakitra; fa izy kosa tamin'ny fahantrany no nandatsahany ny fivelomany rehetra izay nananany.5 Ary nisy nilaza ny tempoly, fa voaravaka vato tsara sy fanatitra izy; fa hoy Jesosy:6 Ny amin'ireo zavatra hitanareo ireo, dia ho avy ny andro, ka tsy havela hisy vato hifanongoa eto ka tsy horavana.7 Ary izy ireo nanontany Azy hoe: Mpampianatra ô, rahoviana no ho avy izany? ary inona no ho famantarana, rehefa ho tonga izany?8 Ary hoy Izy: Mitandrema, fandrao ho voafitaka ianareo; fa maro no ho avy amin'ny anarako sady hanao hoe: Izaho no Izy; ary koa: Efa akaiky ny andro; koa aza manaraka azy.9 Ary raha handre ady sy tabataba ianareo, aza matahotra; fa tsy maintsy ho tonga aloha izany, nefa tsy dia miaraka amin'izay ny farany.10 Ary hoy Izy taminy: Hisy firenena hitsangana hamely firenena, ary hisy fanjakana hitsangana hamely fanjakana.11 Ary hisy horohorontany lehibe ary mosary sy areti-mandringana any amin'ny tany samy hafa, ary hisy zava-mahatahotra sy famantarana lehibe avy any an-danitra.12 Ary raha tsy mbola tonga izany rehetra izany, dia hisambotra anareo izy ka hanenjika ary hanolotra anareo ao amin'ny synagoga sy ao an-tranomaizina, ka ho entina eo anatrehan'ny mpanjaka sy ny mpanapaka ianareo noho ny anarako.13 Dia ho tonga ho vavolombelona aminareo izany.14 Koa aoreno ao am-ponareo ny tsy hihevitra rahateo izay havalinareo;15 fa Izaho no hanome anareo vava sy saina, izay tsy ho azon'ny fahavalonareo rehetra valiana na resena.16 Ary hatolotry ny ray sy ny reny sy ny rahalahy ary ny havana aman-tsakaiza ianareo, koa ny sasany aminareo dia hovonoiny.17 Ary ho halan'ny olona rehetra ianareo noho ny anarako.18 Nefa tsy hisy ho very na dia singam-bolo iray eo amin'ny lohanareo aza.19 Amin'ny faharetanareo no hahatananareo ny ainareo.20 Ary raha mahita an'i Jerosalema voahodidin'ny miaramila ianareo, dia aoka ho fantatrareo fa efa mby akaiky ny fandravana azy.21 Ary izay any Jodia amin'izany andro izany aoka handositra ho any an-tendrombohitra; ary izay ao Jerosalema aoka handositra ho any ivelany; ary izay any an-tsaha aoka tsy hiditra ao an-tanàna intsony.22 Fa ireo dia andro famaliana mba hahatanteraka izay rehetra voasoratra.23 Fa lozan'ny bevohoka sy ny mitaiza kely amin'izany andro izany! satria hisy fahoriana lehibe eo amin'ny tany ary fahatezerana amin'ity firenena ity.24 Dia ho ringana amin'ny lelan-tsabatra izy ka ho entina ho babon'ny firenena rehetra, ary Jerosalema hohitsahin'ny jentilisa mandra-pahatanteraky ny andron'ny jentilisa.25 Ary hisy famantarana eo amin'ny masoandro sy ny volana ary ny kintana, ary etỳ ambonin'ny tany dia hisy fahorian'ny firenena amin'ny fahaverezan-kevitra noho ny firohondrohon'ny ranomasina sy ny fanonjany,26 ka ho reraka ny font'ny olona noho ny fahatahorany sy ny fiandrasany izay zavatra ho tonga ambonin'ny tany; fa ny herin'ny lanitra dia hohozongozonina.27 Ary amin'izany andro izany dia hahita ny Zanak'olona avy eo amin'ny rahona amin-kery sy voninahitra lehibe izy.28 Ary raha vao miandoha izany zavatra izany dia miandrandrà, ka asandrato ny lohanareo; fa manakaiky ny fanavotana anareo.29 Ary Izy nanao fanoharana taminy hoe: Jereo ny aviavy sy ny hazo rehetra.30 Raha hitanareo fa vao manaroka ireo, dia fantatrareo ihany fa efa akaiky sahady ny lohataona.31 Dia tahaka izany koa ianareo, raha vao hitanareo fa tonga izany zavatra izany, dia aoka ho fantatrareo fa akaiky ny fanjakan'Andriamanitra.32 Lazaiko aminareo marina tokoa fa tsy ho lany ity taranaka ity mandra-pahatongan'izany rehetra izany.33 Ny lanitra sy ny tany ho levona, fa ny teniko tsy mba ho levona.34 Ary mitandrema, fandrao ny fonareo hovesaran'ny vokatry ny fisotroan-toaka sy ny fahamamoana ary ny fiahiahian'izao fiainana izao, ka ho avy tampoka aminareo tahaka ny fandrika izany andro izany.35 Fa hihatra amin'izay rehetra mitoetra etỳ ambonin'ny tany rehetra izany.
36 Fa miambena ka mivavaha mandrakariva, mba hahery ianareo ka handositra izany zavatra ho avy rehetra izany ary hitsangana eo anatrehan'ny Zanak'olona.
37 Ary nony antoandro dia nampianatra teo an-kianjan'ny tempoly Izy; ary nony alina dia nivoaka Izy ka nitoetra teo an-tendrombohitra atao hoe Oliva.
38 Ary ny vahoaka rehetra nankeo aminy maraina koa teo an-kianjan'ny tempoly hihaino Azy.
Luke 21
1 And he looked up, and saw the rich men that were casting their gifts into the treasury.2 And he saw a certain poor widow casting in thither two mites.3 And he said, Of a truth I say unto you, This poor widow cast in more than they all:4 for all these did of their superfluity cast in unto the gifts; but she of her want did cast in all the living that she had.5 And as some spake of the temple, how it was adorned with goodly stones and offerings, he said,6 As for these things which ye behold, the days will come, in which there shall not be left here one stone upon another, that shall not be thrown down.7 And they asked him, saying, Teacher, when therefore shall these things be? and what shall be the sign when these things are about to come to pass?8 And he said, Take heed that ye be not led astray: for many shall come in my name, saying, I am he; and, The time is at hand: go ye not after them.9 And when ye shall hear of wars and tumults, be not terrified: for these things must needs come to pass first; but the end is not immediately.10 Then said he unto them, Nation shall rise against nation, and kingdom against kingdom;11 and there shall be great earthquakes, and in divers places famines and pestilences; and there shall be terrors and great signs from heaven.12 But before all these things, they shall lay their hands on you, and shall persecute you, delivering you up to the synagogues and prisons, bringing you before kings and governors for my name’s sake.13 It shall turn out unto you for a testimony.14 Settle it therefore in your hearts, not to meditate beforehand how to answer:15 for I will give you a mouth and wisdom, which all your adversaries shall not be able to withstand or to gainsay.16 But ye shall be delivered up even by parents, and brethren, and kinsfolk, and friends; and some of you shall they cause to be put to death.17 And ye shall be hated of all men for my name’s sake.18 And not a hair of your head shall perish.19 In your patience ye shall win your souls.20 But when ye see Jerusalem compassed with armies, then know that her desolation is at hand.21 Then let them that are in Judaea flee unto the mountains; and let them that are in the midst of her depart out; and let not them that are in the country enter therein.22 For these are days of vengeance, that all things which are written may be fulfilled.23 Woe unto them that are with child and to them that give suck in those days! for there shall be great distress upon the land, and wrath unto this people.24 And they shall fall by the edge of the sword, and shall be led captive into all the nations: and Jerusalem shall be trodden down of the Gentiles, until the times of the Gentiles be fulfilled.25 And there shall be signs in sun and moon and stars; and upon the earth distress of nations, in perplexity for the roaring of the sea and the billows;26 men fainting for fear, and for expectation of the things which are coming on the world: for the powers of the heavens shall be shaken.27 And then shall they see the Son of man coming in a cloud with power and great glory.28 But when these things begin to come to pass, look up, and lift up your heads; because your redemption draweth nigh.29 And he spake to them a parable: Behold the fig tree, and all the trees:30 when they now shoot forth, ye see it and know of your own selves that the summer is now nigh.31 Even so ye also, when ye see these things coming to pass, know ye that the kingdom of God is nigh.32 Verily I say unto you, This generation shall not pass away, till all things be accomplished.33 Heaven and earth shall pass away: but my words shall not pass away.34 But take heed to yourselves, lest haply your hearts be overcharged with surfeiting, and drunkenness, and cares of this life, and that day come on you suddenly as a snare:35 for so shall it come upon all them that dwell on the face of all the earth.36 But watch ye at every season, making supplication, that ye may prevail to escape all these things that shall come to pass, and to stand before the Son of man.37 And every day he was teaching in the temple; and every night he went out, and lodged in the mount that is called Olivet.38 And all the people came early in the morning to him in the temple, to hear him.