Lioka 22
1 Ary efa mby akaiky ny andro firavoravoana fihinanana ny mofo tsy misy masirasira, dia ilay andro atao hoe Paska.
2 Ary ny lohan'ny mpisorona sy ny mpanora-dalàna nitady izay hamonoany an'i Jesosy; nefa natahotra ny olona izy.
3 Fa Satana niditra tao anatin'i Jodasy, ilay atao hoe Iskariota, anankiray tamin'ny roa ambin'ny folo lahy;4 dia nankao amin'ny lohan'ny mpisorona sy ny lehiben'ny mpiambina izy ka niresaka taminy ny amin'izay hamadihany an'i Jesosy amin'ireo.5 Dia faly ireo ka nanaiky hanome vola azy.
6 Ary nanaiky izy ka nitady izay andro hahazoany hamadika Azy amin'ireo amin'ny tsy misy olona.
7 Ary tonga ny andro fihinanana ny mofo tsy misy masirasira, dia ilay tsy maintsy hamonoana ny Paska.8 Ary Jesosy naniraka an'i Petera sy Jaona ka nanao hoe: Mandehana, ka amboary ny Paska hohanintsika.9 Ary hoy ireo taminy: Aiza no tianao hanamboaranay azy?10 Dia hoy Izy taminy: Indro, raha miditra ao an-tanàna ianareo, dia hisy lehilahy mitondra siny feno rano hifanena aminareo; manaraha azy ao amin'ny trano izay hidirany.11 Dia lazao amin'ny tompon-trano hoe: Izao no lazain'ny Mpampianatra aminao: Aiza ny efi-trano hiarahako mihinana ny Paska amin'ny mpianatro?12 Ary izy hanoro anareo efi-trano malalaka ambony rihana, izay efa nasiana fipetrahana; any no amboary.13 Dia nandeha izy ka nahita araka izay efa nolazainy taminy; dia namboatra ny Paska izy.14 Ary nony tonga ny fotoana, dia nipetraka hihinana Izy mbamin'ny Apostoly.15 Ary hoy Izy taminy: Naniry koa raha naniry Aho hiara-mihinana ity Paska ity aminareo, dieny mbola tsy mijaly Aho.16 Fa lazaiko aminareo fa tsy mba hihinana izany intsony Aho ambara-pahatanterak'izany ao amin'ny fanjakan'Andriamanitra.17 Ary nandray kapoaka Izy, dia nisaotra ka nanao hoe: Raiso ity, ka zarao aminareo;18 fa lazaiko aminareo fa hatramin'izao dia tsy hisotro ny vokatry ny voaloboka intsony Aho mandra-pahatongan'ny fanjakan'Andriamanitra.19 Ary nandray mofo Izy, ary rehefa nisaotra, dia novakiny ka natolony azy sady nataony hoe : Ity no tenako izay omena ho anareo; izao no ataovinareo ho fahatsiarovana Ahy.20 Ary araka izany koa ny kapoaka, rehefa vita ny sakafo, dia hoy Izy: Ity kapoaka ity no fanekena vaovao amin'ny rako, izay aidina ho anareo.21 Fa, indro, ny tànan'izay mamadika Ahy dia eto amiko eto ambonin'ny latabatra.22 Fa ny Zanak'olona mandeha tokoa, araka izay nanendrena; nefa lozan'izay lehilahy hahazoana manolotra Azy!23 Ary ireo nifanontany izay anankiray eo aminy hahefa izany.24 Ary nisy koa fifandirana tao aminy ny amin'izay anankiray aminy hatao lehibe.25 Ary hoy Jesosy taminy: Ny mpanjakan'ny jentilisa mampanompo azy ary izay manapaka azy no atao hoe mpanao soa.26 Fa tsy mba toy izany ianareo; fa izay lehibe aminareo dia aoka ho toy ny zandry; ary izay manapaka dia aoka ho toy ny mpanompo.27 Fa iza moa no lehibe, izay mipetraka mihinana va, sa izay manompo? Tsy izay mipetraka mihinana va? Fa Izaho dia eo aminareo toy izay manompo.28 Ary ianareo no naharitra nanaraka Ahy tamin'ny fakam-panahy nihatra tamiko;29 koa Izaho dia manendry fanjakana ho anareo tahaka ny nanendren'ny Raiko ho Ahy,30 mba hihinana sy hisotro eo amin'ny latabatro amin'ny fanjakako ianareo sady hipetraka ambony seza fiandrianana hitsara ny firenen'isiraely roa ambin'ny folo,31 Ary hoy ny Tompo: Ry Simona, ry Simona, indro, Satana efa nilofo nitady anareo hokororohiny toy ny vary.32 Nefa Izaho nangataka ho anao, mba tsy ho levona ny finoanao; ary rehefa mibebaka ianao, dia ampaherezo ireo rahalahinao.33 Ary hoy izy taminy: Tompoko, vonona hanaraka Anao aho, na ho ao an-tranomaizina, na dia ho amin'ny fahafatesana aza.
34 Fa hoy Jesosy: Lazaiko aminao, ry Petera: Raha tsy mbola misy akoho maneno anio, dia handà intelo ho tsy mahalala Ahy ianao.
35 Ary hoy koa Izy taminy: Raha nirahiko tsy nitondra kitapom-bola na kitapom-batsy na kapa ianareo, moa nisy zavatra nahory anareo va? Dia hoy ireo: Tsy nisy.36 Fa hoy Izy taminy: Fa amin'izao kosa, izay manana kitapom-bola dia aoka hitondra azy; ary toy izany koa ny kitapom-batsy; ary izay tsy manan-tsabatra kosa, dia aoka hivarotra ny lambany izy ka hividy.37 Fa lazaiko aminareo: Tsy maintsy ho tanteraka amiko izao voasoratra izao hoe: Ary Izy natao ho isan'ny mpanota (Isa. 53. 12); fa efa ho tanteraka ny amiko.
38 Ary hoy ireo: Tompoko, indreto sabatra roa. Dia hoy Jesosy taminy: Aoka izay.
39 Ary nivoaka Jesosy, koa araka ny fanaony dia nankao an-tendrombohitra Oliva Izy, ary ny mpianatra koa nanaraka Azy.40 Ary raha vao tonga tao amin'izany tany izany, dia hoy Izy taminy: Mivavaha mba tsy hidiranareo amin'ny fakam-panahy.41 Ary Izy nihataka taminy tokony ho indray mitora-bato, dia nandohalika ka nivavaka hoe:42 Raiko ô, raha sitrakao, dia esory amiko ity kapoaka ity; nefa aoka tsy ny sitrapoko anie no hatao, fa ny Anao.43 Ary nisy anjely avy tany an-danitra niseho teo aminy ka nampahery Azy.44 Ary fadiranovana Izy, ka dia nivavaka mafimafy kokoa; ary ny dininy dia tahaka ny rà nipotrapotraka tamin'ny tany.45 Ary nony nitsangana avy nivavaka Izy, dia nankeo amin'ny mpianatra ka nahita azy matorin'alahelo.46 Dia hoy Izy taminy: Nahoana no dia matory ianareo? Mitsangàna, ka mivavaha, mba tsy hidiranareo amin'ny fakam-panahy.47 Ary raha mbola niteny Jesosy, indreo, tamy ny vahoaka, ary ilay atao hoe Jodasy, isan'ny roa ambin'ny folo lahy, dia nandeha teo alohany ka nanatona an'i Jesosy hanoroka Azy.48 Fa hoy Jesosy taminy: Ry Jodasy, fanorohana va no amadihanao ny Zanak'olona?49 Ary izay teo aminy, raha nahita izay efa hanjo, dia nanao hoe: Tompoko, hamely amin'ny sabatra va izahay?50 Ary ny anankiray teo aminy dia nikapa ny mpanompon'ny mpisoronabe ka nahafaka ny sofiny ankavanana.51 Fa Jesosy namaly ka nanao hoe: Aoka ihany na dia izao aza. Dia nanendry ny sofiny Izy ka nahasitrana azy.52 Ary hoy Jesosy tamin'ny lohan'ny mpisorona sy ny lehiben'ny mpiambina ny tempoly ary ny loholona izay tonga hisambotra Azy: Mivoaka mitondra sabatra sy langilangy toy ny hisambotra jiolahy va ianareo?
53 Raha teo aminareo isan'andro teo an-kianjan'ny tempoly Aho, dia tsy naninji-tanana tamiko ianareo; fa izao no fotoanareo sy herin'ny maizina.
54 Ary izy ireo nisambotra an'i Jesosy, dia nitondra Azy ho ao an-tranon'ny mpisoronabe. Ary Petera nanaraka teny lavidavitra eny.55 Ary raha namelona afo teo an-kianja ireo ka nipetraka, dia mba nipetraka teo aminy koa Petera.56 Ary ny ankizivavy anankiray, nony nahita azy nipetraka teo anilan'ny afo, dia nandinika azy ka nanao hoe: Ity koa nomba Azy.57 Fa izy nandà ka nanao hoe: Ravehivavy, tsy fantatro Izy.58 Ary vetivety foana rehefa afaka izany, dia nisy olona hafa koa nahita azy ka nanao hoe: Hianao koa mba naman'ireny. Fa Petera nanao hoe: Ralehilahy, tsy mba namany aho.59 Ary rehefa afaka tokony ho ora iray, dia nisy anankiray koa nitompo teny ka nanao hoe: Ilehio nomba Azy marina tokoa, fa Galiliana izy.60 Fa hoy Petera: Ralehilahy, tsy fantatro izay lazainao. Ary niaraka tamin'izay, raha mbola niteny izy, dia nisy akoho naneno.61 Ary ny Tompo nitodika, dia nijery an'i Petera. Ary Petera nahatsiaro ilay tenin'ny Tompo nolazainy taminy hoe: Raha tsy mbola misy akoho maneno anio, dia handà Ahy intelo ianao.62 Ary nivoaka Petera, dia nitomany mafy indrindra.63 Ary ny lehilahy izay nitana an'i Jesosy dia nanao Azy ho fihomehezana sady nikapoka Azy.64 Ary rehefa nanampi-maso Azy izy, dia nanontany Azy hoe: Maminania; iza moa no namely Anao?
65 Ary niteny ratsy izy nilaza zavatra maro hafa koa nanaratsiany Azy.
66 Ary raha vao nazava ny andro, niangona ny loholona, dia ny lohan'ny mpisorona sy ny mpanora-dalàna, ka nitondra an'i Jesosy ho eo amin'ny Synedriona, dia nanao hoe:67 Raha Hianao no Kristy, dia lazao aminay. Fa hoy Izy taminy: Na dia hilaza aminareo aza Aho, dia tsy hino ianareo.68 Ary na dia hanontany aza Aho, dia tsy hamaly akory ianareo.69 Fa hatramin'izao ny Zanak'olona dia hipetraka eo an-tanana ankavanan'ny herin'Andriamanitra.70 Dia hoy izy rehetra: Zanak'Andriamanitra va ary Hianao? Ary hoy Izy taminy: Voalazanareo fa Izaho no Izy.
71 Ary hoy ireo: Ka inona indray no ilantsika vavolombelona? fa ny tenantsika no efa nandre tamin'ny vavany.
Luke 22
1 Now the feast of unleavened bread drew nigh, which is called the Passover.2 And the chief priests and the scribes sought how they might put him to death; for they feared the people.3 And Satan entered into Judas who was called Iscariot, being of the number of the twelve.4 And he went away, and communed with the chief priests and captains, how he might deliver him unto them.5 And they were glad, and covenanted to give him money.6 And he consented, and sought opportunity to deliver him unto them in the absence of the multitude.7 And the day of unleavened bread came, on which the passover must be sacrificed.8 And he sent Peter and John, saying, Go and make ready for us the passover, that we may eat.9 And they said unto him, Where wilt thou that we make ready?10 And he said unto them, Behold, when ye are entered into the city, there shall meet you a man bearing a pitcher of water; follow him into the house whereinto he goeth.11 And ye shall say unto the master of the house, The Teacher saith unto thee, Where is the guestchamber, where I shall eat the passover with my disciples?12 And he will show you a large upper room furnished: there make ready.13 And they went, and found as he had said unto them: and they made ready the passover.14 And when the hour was come, he sat down, and the apostles with him.15 And he said unto them, With desire I have desired to eat this passover with you before I suffer:16 for I say unto you, I shall not eat it, until it be fulfilled in the kingdom of God.17 And he received a cup, and when he had given thanks, he said, Take this, and divide it among yourselves:18 for I say unto you, I shall not drink from henceforth of the fruit of the vine, until the kingdom of God shall come.19 And he took bread, and when he had given thanks, he brake it, and gave to them, saying, This is my body which is given for you: this do in remembrance of me.20 And the cup in like manner after supper, saying, This cup is the new covenant in my blood, even that which is poured out for you.21 But behold, the hand of him that betrayeth me is with me on the table.22 For the Son of man indeed goeth, as it hath been determined: but woe unto that man through whom he is betrayed!23 And they began to question among themselves, which of them it was that should do this thing.24 And there arose also a contention among them, which of them was accounted to be greatest.25 And he said unto them, The kings of the Gentiles have lordship over them; and they that have authority over them are called Benefactors.26 But ye shall not be so: but he that is the greater among you, let him become as the younger; and he that is chief, as he that doth serve.27 For which is greater, he that sitteth at meat, or he that serveth? is not he that sitteth at meat? but I am in the midst of you as he that serveth.28 But ye are they that have continued with me in my temptations;29 and I appoint unto you a kingdom, even as my Father appointed unto me,30 that ye may eat and drink at my table in my kingdom; and ye shall sit on thrones judging the twelve tribes of Israel.31 Simon, Simon, behold, Satan asked to have you, that he might sift you as wheat:32 but I made supplication for thee, that thy faith fail not; and do thou, when once thou hast turned again, establish thy brethren.33 And he said unto him, Lord, with thee I am ready to go both to prison and to death.34 And he said, I tell thee, Peter, the cock shall not crow this day, until thou shalt thrice deny that thou knowest me.35 And he said unto them, When I sent you forth without purse, and wallet, and shoes, lacked ye anything? And they said, Nothing.36 And he said unto them, But now, he that hath a purse, let him take it, and likewise a wallet; and he that hath none, let him sell his cloak, and buy a sword.37 For I say unto you, that this which is written must be fulfilled in me, And he was reckoned with transgressors: for that which concerneth me hath fulfilment.38 And they said, Lord, behold, here are two swords. And he said unto them, It is enough.39 And he came out, and went, as his custom was, unto the mount of Olives; and the disciples also followed him.40 And when he was at the place, he said unto them, Pray that ye enter not into temptation.41 And he was parted from them about a stone’s cast; and he kneeled down and prayed,42 saying, Father, if thou be willing, remove this cup from me: nevertheless not my will, but thine, be done.43 And there appeared unto him an angel from heaven, strengthening him.44 And being in an agony he prayed more earnestly; and his sweat became as it were great drops of blood falling down upon the ground.45 And when he rose up from his prayer, he came unto the disciples, and found them sleeping for sorrow,46 and said unto them, Why sleep ye? rise and pray, that ye enter not into temptation.47 While he yet spake, behold, a multitude, and he that was called Judas, one of the twelve, went before them; and he drew near unto Jesus to kiss him.48 But Jesus said unto him, Judas, betrayest thou the Son of man with a kiss?49 And when they that were about him saw what would follow, they said, Lord, shall we smite with the sword?50 And a certain one of them smote the servant of the high priest, and struck off his right ear.51 But Jesus answered and said, Suffer ye them thus far. And he touched his ear, and healed him.52 And Jesus said unto the chief priests, and captains of the temple, and elders, that were come against him, Are ye come out, as against a robber, with swords and staves?53 When I was daily with you in the temple, ye stretched not forth your hands against me: but this is your hour, and the power of darkness.54 And they seized him, and led him away, and brought him into the high priest’s house. But Peter followed afar off.55 And when they had kindled a fire in the midst of the court, and had sat down together, Peter sat in the midst of them.56 And a certain maid seeing him as he sat in the light of the fire, and looking stedfastly upon him, said, This man also was with him.57 But he denied, saying, Woman, I know him not.58 And after a little while another saw him, and said, Thou also art one of them. But Peter said, Man, I am not.59 And after the space of about one hour another confidently affirmed, saying, Of a truth this man also was with him; for he is a Galilaean.60 But Peter said, Man, I know not what thou sayest. And immediately, while he yet spake, the cock crew.61 And the Lord turned, and looked upon Peter. And Peter remembered the word of the Lord, how that he said unto him, Before the cock crow this day thou shalt deny me thrice.62 And he went out, and wept bitterly.63 And the men that held Jesus mocked him, and beat him.64 And they blindfolded him, and asked him, saying, Prophesy: who is he that struck thee?65 And many other things spake they against him, reviling him.66 And as soon as it was day, the assembly of the elders of the people was gathered together, both chief priests and scribes; and they led him away into their council, saying,67 If thou art the Christ, tell us. But he said unto them, If I tell you, ye will not believe:68 and if I ask you, ye will not answer.69 But from henceforth shall the Son of man be seated at the right hand of the power of God.70 And they all said, Art thou then the Son of God? And he said unto them, Ye say that I am.71 And they said, What further need have we of witness? for we ourselves have heard from his own mouth.