previous next

Lioka 23

1 Ary ny olona rehetra nitsangana ka nitondra an'i Jesosy tany amin'i Pilato,2 dia niampanga Azy ka nanao hoe: Ilehity hitanay nampiodina ny firenenay sady nandrara tsy handoa hetra ho an'i Kaisara ka nilaza ny tenany ho Kristy Mpanjaka.3 Ary Pilato nanontany Azy hoe: Hianao va no Mpanjakan'ny Jiosy? Ary Izy namaly azy ka nanao hoe: Voalazanao.4 Dia hoy Pilato tamin'ny lohan'ny mpisorona sy ny vahoaka: Tsy hitako izay helok'ity Lehilahy ity.5 Fa vao mainka nandentika ireo ka nanao hoe: Nampiodina ny olona Izy sady nampianatra eran'i Jodia rehetra, nanomboka hatrany Galilia ka hatraty.6 Raha nandre izany Pilato, dia nanontany raha olona avy any Galilia Jesosy.7 Ary rehefa fantany fa avy tamin'ny tany tapahin'i Heroda Izy, dia nampanatitra Azy tany amin'i Heroda izy, fa tany Jerosalema koa Heroda tamin'izany andro izany.8 Ary faly dia faly Heroda, raha nahita an'i Jesosy; fa efa naniry ela hahita Azy izy, satria efa nandre ny aminy ary nanantena hahita famantarana hataony.9 Ary izy nanontany Azy teny maro; fa tsy namaly teny azy akory Jesosy.10 Ary ny lohan'ny mpisorona sy ny mpanora-dalàna nijanona teo dia nitompo teny fatratra hiampanga Azy.11 Ary Heroda sy ny miaramilany namingavinga Azy ka nanao Azy ho fihomehezana, dia nampiakanjo Azy akanjo tsara ka namerina Azy tany amin'i Pilato.12 Ary tonga nisakaiza Heroda sy Pilato tamin'izany andro izany; kanefa nifandrafy izy roa lahy talohan'izany.13 Ary rehefa nasain'i Pilato novorina ny lohan'ny mpisorona sy ny mpanapaka ary ny vahoaka,14 dia hoy izy taminy: Entinareo atỳ amiko ity Lehilahy ity toy ny nampiodina ny vahoaka; ary, indro, efa nanadina Azy teto anatrehanareo aho, nefa tsy hitako izay helok'ity Lehilahy ity amin'izay iampanganareo Azy.15 Tsia, na dia Heroda koa aza, fa namerina Azy hoy amintsika izy; ary, indro, tsy nisy zavatra nataony izay tokony hahafaty Azy;16 koa hofaizako Izy, dia halefakot.18 Fa izy rehetra niantso mafy indray miredona nanao hoe: Vonoy Io, ka Barabasy no alefaso ho anay!19 Nefa natao tao an-tranomaizina io Barabasy io noho ny fikomiana tao an-tanàna sy ny vonoan-olona.20 Ary satria tian'i Pilato halefa Jesosy, dia niteny indray izy.21 Fa ny olona niantso kosa ka nanao hoe: Homboy, homboy amin'ny hazo fijaliana Izy!22 Fa hoy izy taminy fanintelony: Ka inona ary no ratsy nataony: tsy hitako izay helony tokony hahafaty Azy koa hofaizako Izy, dia halefako.23 Fa niantso tamin'ny feo mafy ny olona ka nangataka hanomboana an'i Jesosy amin'ny hazo fijaliana. Ary nahery ny feon'ny olona.24 Ary Pilato dia nandidy hanao izay nangatahiny.25 Ary dia nalefany ilay natao tao an-tranomaizina noho ny fikomiana sy ny vonoan-olona, satria io no nangatahiny; fa Jesosy kosa natolony hataony araka ny sitrapony.26 Ary raha nitondra an'i Jesosy izy, dia nitana lehilahy Kyreniana anankiray atao hoe Simona, izay vao avy any an-tsaha, ka nampitondra iny ny hazo fijaliana hanaraka an'i Jesosy.27 Ary nisy vahoaka betsaka nanaraka Azy ary vehivavy maro izay niteha-tratra sady nitomany Azy.28 Fa Jesosy nitodika azy ka nanao hoe: Ry zanakavavin'i Jerosalema, aza mitomany Ahy, fa mitomania ny tenanareo sy ny zanakareo.29 Fa, indro, ho avy ny andro izay hilazany hoe: Sambatra ny momba sy ny kibo izay tsy niteraka ary ny nono izay tsy ninonoan-jaza.30 Dia hilaza amin'ny tendrombohitra hoe izy: Mianjerà aminay; ary amin'ny havoana hoe: Saròny izahay (Hos. 10. 8).31 Fa raha ataony amin'ny hazo maitso izany hatao ahoana amin'ny maina?

32 Ary nisy olon-dratsy roa lahy nentina hiaraka hovonoina aminy koa.
33 Ary rehefa tonga teo amin'ny tany atao hoe Ikarandoha izy, dia teo no namonoany an'i Jesosy sy ireo olon-dratsy ireo, ny anankiray teo ankavanany ary ny anankiray teo ankaviany.34 Ary hoy Jesosy: Raiko ô, mamelà ny helony, fa tsy fantany izay ataony.Dia nanaovany loka no fizara ny fitafiany.35 Ary ny olona nijanona teo ka nijery. Ary ny loholona kosa mba nandatsa ka nanao hoe: Namonjy ny sasany Izy; aoka hovonjeny ny tenany, raha Izy no Kristin'Andriamanitra, dia Ilay nofidina.36 Ary ny miaramila koa nihomehy Azy, dia nankeo ka nanome Azy vinaingitra,37 sady nanao hoe: Raha Hianao no Mpanjakan'ny Jiosy, vonjeo ny tenanao.

38 Ary nisy soratra teo amboniny nanao hoe: ITY NO MPANJAKAN'NY JIOSY.
39 Ary ny anankiray tamin'ireo olon-dratsy nahantona teo ireo dia niteny ratsy Azy ka nanao hoe: Tsy Hianao va no Kristy? vonjeo ny tenanao sy izahay.40 Fa namaly kosa ilay anankiray, sady nananatra ny namany ka nanao hoe: Moa ianao koa tsy mba matahotra an'Andriamanitra na dia izao samy voaheloka izao aza?41 Ary marina ny anamelohany antsika, satria mandray ny valin'ny nataontsika isika; fa ity Lehilahy ity kosa tsy mbola nanao zavatra tsy mety na dia kely akory aza.42 Ary hoy izy: Jesosy ô, tsarovy aho, rehefa avy amin'ny fanjakanao Hianao.43 Dia hoy Jesosy taminy: Lazaiko aminao marina tokoa: Anio no hihaonanao amiko any Paradisa.44 Ary rehefa tokony ho tamin'ny ora fahenina, dia maizina ny tany rehetra ka naharitra hatramin'ny ora fahasivy izany,45 satria nihamaizina ny masoandro, ary triatra misasaka ny efitra lamba teo amin'ny tempoly.46 Ary niantso tamin'ny feo mahery Jesosy ka nanao hoe: Raiko ô, eo an-tananao no atolotro ny fanahiko (Sal. 31. 5); ary rehefa niteny izany Izy, dia afaka ny ainy.47 Ary ny kapiteny, raha nahita izay zavatra tonga teo, dia nankalaza an'Andriamanitra ka nanao hoe: Lazaiko tokoa fa marina io Lehilahy io.48 Ary ny vahoaka rehetra izay vory teo mba hijery izany, raha nahita ny zavatra tonga teo, dia niverina miteha-tratra.

49 Fa ny olom-pantany rehetra sy ny vehivavy izay nanaraka Azy avy tany Galilia dia nijanona teny lavidavitra eny nijery izany zavatra izany.
50 Ary, indro, nisy lehilahy atao hoe Josefa, izay isan'ny Synedriona, dia lehilahy tsara fanahy sady marina.51 Izany lehilahy izany tsy nanaiky ny hevitra sy ny nataon'ny sasany; avy tany Arimatia, tanànan'ny Jiosy, izy sady niandry ny fanjakan'Andriamanitra.52 Izany lehilahy izany dia nankao amin'i Pilato ka nangataka ny fatin'i Jesosy.53 Dia nampidininy ny faty ka nofonosiny hariry madinika, dia naleviny tao amin'ny fasana nolavahana tamin'ny vatolampy, izay tsy mbola nandevenana olona.54 Ary andro fiomanana izany andro izany, ka efa antomotra ny Sabata.55 Ary ny vehivavy izay nomba Azy avy tany Galilia dia nanaraka teo aoriana ka nahita ny fasana sy izay fampandriny ny faty.

56 Ary niverina ireo ka namboatra zava-manitra sy menaka manitra. Ary tamin'ny Sabata dia nitsahatra ihany izy araka ny lalàna.

Luke 23

1 And the whole company of them rose up, and brought him before Pilate.2 And they began to accuse him, saying, We found this man perverting our nation, and forbidding to give tribute to Caesar, and saying that he himself is Christ a king.3 And Pilate asked him, saying, Art thou the King of the Jews? And he answered him and said, Thou sayest.4 And Pilate said unto the chief priests and the multitudes, I find no fault in this man.5 But they were the more urgent, saying, He stirreth up the people, teaching throughout all Judaea, and beginning from Galilee even unto this place.6 But when Pilate heard it, he asked whether the man were a Galilaean.7 And when he knew that he was of Herod’s jurisdiction, he sent him unto Herod, who himself also was at Jerusalem in these days.8 Now when Herod saw Jesus, he was exceeding glad: for he was of a long time desirous to see him, because he had heard concerning him; and he hoped to see some miracle done by him.9 And he questioned him in many words; but he answered him nothing.10 And the chief priests and the scribes stood, vehemently accusing him.11 And Herod with his soldiers set him at nought, and mocked him, and arraying him in gorgeous apparel sent him back to Pilate.12 And Herod and Pilate became friends with each other that very day: for before they were at enmity between themselves.13 And Pilate called together the chief priests and the rulers and the people,14 and said unto them, Ye brought unto me this man, as one that perverteth the people: and behold, I having examined him before you, found no fault in this man touching those things whereof ye accuse him:15 no, nor yet Herod: for he sent him back unto us; and behold, nothing worthy of death hath been done by him.16 I will therefore chastise him, and release him.17 Now he must needs release unto them at the feast one prisoner.18 But they cried out all together, saying, Away with this man, and release unto us Barabbas: --19 one who for a certain insurrection made in the city, and for murder, was cast into prison.20 And Pilate spake unto them again, desiring to release Jesus;21 but they shouted, saying, Crucify, crucify him.22 And he said unto them the third time, Why, what evil hath this man done? I have found no cause of death in him: I will therefore chastise him and release him.23 But they were urgent with loud voices, asking that he might be crucified. And their voices prevailed.24 And Pilate gave sentence that what they asked for should be done.25 And he released him that for insurrection and murder had been cast into prison, whom they asked for; but Jesus he delivered up to their will.26 And when they led him away, they laid hold upon one Simon of Cyrene, coming from the country, and laid on him the cross, to bear it after Jesus.27 And there followed him a great multitude of the people, and of women who bewailed and lamented him.28 But Jesus turning unto them said, Daughters of Jerusalem, weep not for me, but weep for yourselves, and for your children.29 For behold, the days are coming, in which they shall say, Blessed are the barren, and the wombs that never bare, and the breasts that never gave suck.30 Then shall they begin to say to the mountains, Fall on us; and to the hills, Cover us.31 For if they do these things in the green tree, what shall be done in the dry?32 And there were also two others, malefactors, led with him to be put to death.33 And when they came unto the place which is called The skull, there they crucified him, and the malefactors, one on the right hand and the other on the left.34 And Jesus said, Father, forgive them; for they know not what they do. And parting his garments among them, they cast lots.35 And the people stood beholding. And the rulers also scoffed at him, saying, He saved others; let him save himself, if this is the Christ of God, his chosen.36 And the soldiers also mocked him, coming to him, offering him vinegar,37 and saying, If thou art the King of the Jews, save thyself.38 And there was also a superscription over him, THIS IS THE KING OF THE JEWS.39 And one of the malefactors that were hanged railed on him, saying, Art not thou the Christ? save thyself and us.40 But the other answered, and rebuking him said, Dost thou not even fear God, seeing thou art in the same condemnation?41 And we indeed justly; for we receive the due reward of our deeds: but this man hath done nothing amiss.42 And he said, Jesus, remember me when thou comest in thy kingdom.43 And he said unto him, Verily I say unto thee, To-day shalt thou be with me in Paradise.44 And it was now about the sixth hour, and a darkness came over the whole land until the ninth hour,45 the sun’s light failing: and the veil of the temple was rent in the midst.46 And Jesus, crying with a loud voice, said, Father, into thy hands I commend my spirit: and having said this, he gave up the ghost.47 And when the centurion saw what was done, he glorified God, saying, Certainly this was a righteous man.48 And all the multitudes that came together to this sight, when they beheld the things that were done, returned smiting their breasts.49 And all his acquaintance, and the women that followed with him from Galilee, stood afar off, seeing these things.50 And behold, a man named Joseph, who was a councillor, a good and righteous man51 (he had not consented to their counsel and deed), a man of Arimathaea, a city of the Jews, who was looking for the kingdom of God:52 this man went to Pilate, and asked for the body of Jesus.53 And he took it down, and wrapped it in a linen cloth, and laid him in a tomb that was hewn in stone, where never man had yet lain.54 And it was the day of the Preparation, and the sabbath drew on.55 And the women, who had come with him out of Galilee, followed after, and beheld the tomb, and how his body was laid.56 And they returned, and prepared spices and ointments. And on the sabbath they rested according to the commandment.