previous next

Marka 1

1 Ny niandohan'ny filazantsaran'i Jesosy Kristy, Zanak'Andriamanitra.2 Araka izay voasoratra ao amin'Isaia mpaminanyt hoe: Indro, Izaho maniraka ny irako hialoha Anao, Izay hamboatra ny lalanao (Mal 3. 1);3 Injany! misy feon'ny miantso mafy any an-efitra hoe: Amboary ny lalan'i Jehovah. Ataovy mahitsy ny lalan-kalehany (Isa 40. 3),4 dia niseho Jaona, izay nanao batisa tany an-efitra ka nitory ny batisan'ny fibebahana ho famelan-keloka.5 Dia nandeha nanatona azy ny tany Jodia rehetra sy ny mponina rehetra tany Jerosalema, ka nataony batisa tao amin'ny ony Jordana ireny, rehefa niaiky ny fahotany.6 Ary Jaona nitafy lamba volon-drameva; ary fehin-kibo hoditra no tamin'ny valahany, ary ny fihinany dia valala sy tantely remby.7 Ary nitory izy ka nanao hoe: Avy ao aoriako Ilay mahery noho izaho, ka tsy miendrika hiondrika hamaha ny fehin-kapany aza aho.

8 Izaho efa nanao batisa anareo tamin'ny rano, fa Izy kosa hanao batisa anareo amin'ny Fanahy Masina.
9 Ary tamin'izany andro izany dia tonga avy tany Nazareta any Galilia Jesosy ka nataon'i Jaona batisa tao Jordana.10 Ary raha vao niakatra avy teo amin'ny rano Izy, dia hitany ny lanitra nisokatra, ary ny Fanahy nidina tahaka ny voromailala ka nankeo amboniny.

11 Ary nisy feo avy tany an-danitra nanao hoe: Hianao no Zanako malalako, Hianao no sitrako.
12 Ary niaraka tamin'izay dia nampandehanint'ny Fanahy ho any an-efitra Izy.

13 Ary tany an-efitra efa-polo andro Izy ka nalain'i Satana fanahy; ary teo amin'ny bibi-dia Izy, ary ny anjely nanompo Azy.
14 Ary rehefa voasambotra Jaona, dia nankany Galilia Jesosy nitory ny filazantsaran'Andriamanitra

15 ka nanao hoe: Efa tonga ny fotoana, ka efa akaiky ny fanjakan'Andriamanitra; mibebaha ianareo ka minoa ny filazantsara.
16 Ary nony nandalo teny amoron'ny Ranomasin'i Galilia Izy, dia nahita an'i Simona sy Andrea, rahalahin'i Simona, nanarato teo amin'ny ranomasina; fa mpanarato izy.17 Ary hoy Jesosy taminy: Andeha hanaraka Ahy, fa hataoko mpanarato olona ianareo.18 Dia nandao ny harato niaraka tamin'izay izy ka nanaraka Azy.19 Ary rehefa nandroso kelikely Izy, nahita an'i Jakoba, zanak'i Zebedio, Jaona rahalahiny, izay teo an-tsambokely koa namboatra ny haratony.

20 Dia niantso azy niaraka tamin'izay Izy; ary izy mirahalahy nandao an'i Zebedio rainy teo an-tsambokely mbamin'ny olona nokaramainy, ka dia nanaraka an'i Jesosy.
21 Ary nankany Kapernaomy izy ireo; nony tamin'ny Sabata, dia niditra tao amin'ny synagoga niaraka tamin'izay Jesosy ka nampianatra.22 Dia talanjona ny olona tamin'ny fampianarany, satria nampianatra azy tahaka izay manana fahefana Izy, fa tsy mba tahaka ny mpanora-dalàna.23 Ary niaraka tamin'izay dia nisy olona teo amin'ny synagogany, izay azon'ny fanahy maloto; ary niantso mafy ralehilahy24 ka nanao hoe: Moa mifaninona akory izahay sy Hianao, ry Jesosy avy any Nazareta? Avy handringana anay va Hianao? Fantatro fa Ilay Masin'Andriamanitra Hianao.25 Ary Jesosy niteny mafy azy ka nanao hoe: Mangina ianao ka mivoaha aminy.26 Ary ny fanahy maloto nampifanintontsintona ny tenan'ilay marary, dia niantso tamin'ny feo mahery ka niala taminy.27 Dia gaga ny olona rehetra ka nifanontany hoe: Manao ahoana re izao zavatra izao? Fampianarana vaovao misy fahefana izao! fa ny fanahy maloto aza no didiany, ka dia manaiky Azy.28 Ary ny lazany dia niely niaraka tamin'izay teny tontolo eny tamin'ny tany rehetra eran'i Galilia.29 Ary niaraka tamin'izay, raha nivoaka avy tao amin'ny synagoga izy, dia niditra tao an-tranon'i Simona sy Andrea Jesosy ary Jakoba sy Jaona.30 Ary ny rafozam-bavin'i Simona nandry teo nanavin'ny tazo; ary niaraka tamin'izay dia nilaza azy taminy izy ireo.31 Dia nanatona Jesosy ka nandray ny tànany ary nanarina azy; dia afaka ny tazony, ka dia nanompo azy izy.32 Ary nony hariva ny andro, ka nilentika ny masoandro, dia nentina tany aminy ny marary rehetra sy ny demoniaka.33 Ary ny tao an-tanàna rehetra dia tafangona teo anoloan'ny varavarana avokoa.34 Ary nahasitrana olona maro izay nararin'ny aretina samy hafa Izy sady namoaka demonia maro; ary tsy navelany hiteny ny demonia, satria nahafantatra Azy ireny.35 Ary nifoha maraina alina koa Izy, dia nivoaka nankany an-tany foana ka nivavaka tany.36 Ary dia nandeha nitady Azy Simona sy ny namany.37 Ary nahita Azy izy, dia nanao taminy hoe: Ny olona rehetra mitady Anao.38 Fa hoy kosa Izy taminy: Andeha isika hiala hankany amin'ny tanàna akaiky, mba hitoriako teny any koa; fa izay no nahatongavako.39 Dia nandeha Izy ka nitori-teny tao amin'ny synagogan'ny olona eran'i Galilia sady namoaka ny demonia.40 Ary nisy boka nanatona Azy ka nitaraina taminy sady nandohalika teo anatrehany ka nanao taminy hoe: Raha mety Hianao, dia mahay manadio ahy.41 Ary Jesosy dia onena azy ka naninjitra ny tànany, dia nanendry azy ka nanao taminy hoe: Mety Aho; madiova ianao.42 Ary niaraka tamin'izay dia niala taminy ny habokany, ka dia nadio izy.43 Ary namepetra azy mafy Jesosy, dia nampandeha azy niaraka tamin'izay44 ka nanao taminy hoe: Tandremo tsara mba tsy hisy holazainao na amin'iza na amin'iza; fa mandehana, misehoa amin'ny mpisorona, ka manatera ny fanadiovana anao, izay nandidian'i Mosesy, ho vavolombelona amin'ireo.

45 Nefa lasa ralehilahy ka nilazalaza sy nampiely izany zavatra izany, ka dia tsy nahazo niditra miharihary tao an-tanàna intsony Jesosy; fa nitoetra tany ivelany tamin'ny tany foana Izy, dia nanatona Azy ny olona avy eny tontolo eny.

Mark 1

1 The beginning of the gospel of Jesus Christ, the Son of God.2 Even as it is written in Isaiah the prophet, Behold, I send my messenger before thy face, Who shall prepare thy way.3 The voice of one crying in the wilderness, Make ye ready the way of the Lord, Make his paths straight;4 John came, who baptized in the wilderness and preached the baptism of repentance unto remission of sins.5 And there went out unto him all the country of Judaea, and all they of Jerusalem; And they were baptized of him in the river Jordan, confessing their sins.6 And John was clothed with camel’s hair, and had a leathern girdle about his loins, and did eat locusts and wild honey.7 And he preached, saying, There cometh after me he that is mightier than I, the latchet of whose shoes I am not worthy to stoop down and unloose.8 I baptized you in water; But he shall baptize you in the Holy Spirit.9 And it came to pass in those days, that Jesus came from Nazareth of Galilee, and was baptized of John in the Jordan.10 And straightway coming up out of the water, he saw the heavens rent asunder, and the Spirit as a dove descending upon him:11 And a voice came out of the heavens, Thou art my beloved Son, in thee I am well pleased.12 And straightway the Spirit driveth him forth into the wilderness.13 And he was in the wilderness forty days tempted of Satan; And he was with the wild beasts; And the angels ministered unto him.14 Now after John was delivered up, Jesus came into Galilee, preaching the gospel of God,15 and saying, The time is fulfilled, and the kingdom of God is at hand: repent ye, and believe in the gospel.16 And passing along by the sea of Galilee, he saw Simon and Andrew the brother of Simon casting a net in the sea; for they were fishers.17 And Jesus said unto them, Come ye after me, and I will make you to become fishers of men.18 And straightway they left the nets, and followed him.19 And going on a little further, he saw James the son of Zebedee, and John his brother, who also were in the boat mending the nets.20 And straightway he called them: and they left their father Zebedee in the boat with the hired servants, and went after him.21 And they go into Capernaum; and straightway on the sabbath day he entered into the synagogue and taught.22 And they were astonished at his teaching: For he taught them as having authority, and not as the scribes.23 And straightway there was in their synagogue a man with an unclean spirit; and he cried out,24 saying, What have we to do with thee, Jesus thou Nazarene? art thou come to destroy us? I know thee who thou art, the Holy One of God.25 And Jesus rebuked him, saying, Hold thy peace, and come out of him.26 And the unclean spirit, tearing him and crying with a loud voice, came out of him.27 And they were all amazed, insomuch that they questioned among themselves, saying, What is this? a new teaching! with authority he commandeth even the unclean spirits, and they obey him.28 And the report of him went out straightway everywhere into all the region of Galilee round about.29 And straightway, when they were come out of the synagogue, they came into the house of Simon and Andrew, with James and John.30 Now Simon’s wife’s mother lay sick of a fever; and straightway they tell him of her:31 and he came and took her by the hand, and raised her up; and the fever left her, and she ministered unto them.32 And at even, when the sun did set, they brought unto him all that were sick, and them that were possessed with demons.33 And all the city was gathered together at the door.34 And he healed many that were sick with divers diseases, and cast out many demons; and he suffered not the demons to speak, because they knew him.35 And in the morning, a great while before day, he rose up and went out, and departed into a desert place, and there prayed.36 And Simon and they that were with him followed after him;37 and they found him, and say unto him, All are seeking thee.38 And he saith unto them, Let us go elsewhere into the next towns, that I may preach there also; for to this end came I forth.39 And he went into their synagogues throughout all Galilee, preaching and casting out demons.40 And there cometh to him a leper, beseeching him, and kneeling down to him, and saying unto him, If thou wilt, thou canst make me clean.41 And being moved with compassion, he stretched forth his hand, and touched him, and saith unto him, I will; be thou made clean.42 And straightway the leprosy departed from him, and he was made clean.43 And he strictly charged him, and straightway sent him out,44 and saith unto him, See thou say nothing to any man: but go show thyself to the priest, and offer for thy cleansing the things which Moses commanded, for a testimony unto them.45 But he went out, and began to publish it much, and to spread abroad the matter, insomuch that Jesus could no more openly enter into a city, but was without in desert places: and they came to him from every quarter.