Marka 10
1 Ary niainga niala teo Jesosy, dia tonga tany amin'ny sisin-tanin'i Jodia sy tany an-dafin'i Jordana; ary nisy vahoaka betsaka indray niangona teo aminy; koa araka ny fanaony dia nampianatra azy indray Izy.
2 Ary nisy Fariseo nanatona Ary, dia naka fanahy Azy ka nanontany hoe: Mahazo misao-bady va ny lehilahy?3 Ary Izy namaly ka nanao taminy hoe: Ahoana no nandidian'i Mosesy anareo?4 Ary hoy izy: Navelan'i Mosesy hanoratra taratasy fisaoram-bady ny lehilahy ka hisao-bady (Deo. 24.1).5 Fa hoy Jesosy taminy: Ny hamafin'ny fonareo no nanoratany izany didy izany ho anareo;6 fa hatramin'ny fony vao nanaovana izao tontolo izao dia lahy sy vavy no nanaovany ny olona (Gen. 1.27).7 Ary noho izany ny lehilahy dia handao ny rainy sy ny reniny ka hikambana amin'ny vadiny;8 ary ho nofo iray izy roroa (Gen. 2. 24); ka dia tsy ho roa intsony izy, fa ho nofo iray ihany.9 Koa izay nakamban'Andriamanitra dia aoka tsy hampisarahin'olona.10 Ary nony mby tao an-trano, dia nanontany ny amin'izany koa ny mpianatra.11 Ary hoy izy taminy: Na zovy na zovy no misao-bady ka mampakatra vehivavy hafa, dia mijangajanga ka manala-baraka ny vadinyt.12 Ary raha ravehivavy kosa no misaotra ny lahy ka manambady olon-kafa, dia mijangajanga izy.13 Ary nisy nitondra zazakely ho eo aminy mba hametrahany tanana; fa ny mpianany niteny mafy ireny.14 Nefa tezitra Jesosy, raha nahita izany, ka hoy Izy taminy: Avelao ny zaza hanatona Ahy, ary aza raràna; fa an'ny toa azy ny fanjakan'Andriamanitra.15 Lazaiko aminareo marina tokoa: Na zovy na zovy no tsy handray ny fanjakan'Andriamanitra tahaka ny zaza, dia tsy ho tafiditra aminy akory.16 Ary nitrotro azy Izy, dia nametra-tanana taminy ka nitso-drano azy.17 Ary nony vao nivoaka nankeny an-dalana Jesosy, dia nisy olona anankiray nihazakazaka nanatona ka nandohalika teo anatrehany ary nanontany Azy hoe: Mpampianatra tsara ô, inona no hataoko handovako fiainana mandrakizay?18 Ary hoy Jesosy taminy: Nahoana Aho no ataonao hoe tsara? Tsy misy tsara afa-tsy Iray ihany, dia Andriamanitra.19 Fantatrao ny didy hoe: Aza mamono olona, Aza mijangajanga, Aza mangalatra, Aza mety ho vavolombelona mandainga, Aza manambaka, Manajà ny rainao sy ny reninao (Eks. 20. 12-17).20 Ary hoy izy taminy Mpampianatra ô, izany rehetra izany efa notandremako hatry ny fony aho mbola kely.21 Ary Jesosy nijery azy tsara, dia tia azy ka nanao taminy hoe: Diso zavatra iray loha ianao; mandehana, amidio izay rehetra anananao ka omeo ny malahelo, dia hanana rakitra any an-danitra ianao; ary avia hanaraka Ahy.22 Dia nanjombona terỳ ny tarehiny tamin'izany teny izany, ka niala tamin'alahelo izy, satria nanana harena be.23 Ary Jesosy nijery manodidina ka nanao tamin'ny mpianany hoe: Manao ahoana ny hasarotry ny hidiran'ny manan-karena amin'ny fanjakan'Andriamanitra!24 Ary ny mpianatra dia gaga tamin'ny teniny. Fa Jesosy namaly indray ka nanao taminy hoe: Anaka, manao ahoana ny hasarotry ny hidiran'ny matoky ny harena amin'ny fanjakan'Andriamanitra!25 Moramora kokoa ny hidiran'ny rameva amin'ny vodi-fanjaitra noho ny hidiran'ny manan-karena amin'ny fanjakan'Andriamanitra.26 Dia talanjona indrindra izy ka nanao taminyt hoe: Iza indray no azo hovonjena?27 Fa Jesosy nijery azy ka nanao hoe: Raha amin'ny olona, dia zavatra tsy hainy izany; fa tsy mba tahaka izany amin'Andriamanitra; fa ny zavatra rehetra dia hain'Andriamanitra.28 Ary hoy Petera taminy: Indro, izahay efa nahafoy ny zavatra rehetra ka nanaraka Anao.29 Hoy Jesosy: Lazaiko aminareo marina tokoa: Tsy misy olona efa nahafoy trano, na rahalahy, na anabavy, na reny, na ray, na zanaka, na tany, noho ny amiko sy ny filazantsara,30 ka tsy handray zato heny amin'izao andro ankehitriny izao-dia trano sy rahalahy sy anabavy sy reny sy zanaka sy tany mbamin'ny fanenjehana-ary amin'ny andro ho avy dia fiainana mandrakizay.
31 Nefa maro izay voalohany no ho farany, ary izay farany no ho voalohany.
32 Ary Jesosy sy ny mpianany dia teny an-dalana niakatra ho any Jerosalema, ary Jesosy nandeha eo alohany; dia gaga ny mpianany, ary izay nanaraka Azy dia natahotra. Ary naka ny roa ambin'ny folo lahy indray Izy, dia nilaza taminy izay efa hanjo Azy33 ka nanao hoe: Indro, miakatra ho any Jerosalema isika; ary ny Zanak'olona hatolotra ho amin'ireo lohan'ny mpisorona sy mpanora-dalàna; ary hohelohiny ho faty Izy ka hatolony amin'ny jentilisa;
34 ary hanao Azy ho fihomehezana ireny sy handrora Azy sy hikapoka Azy ary hahafaty Azy; fa rehefa afaka hateloana, dia hitsangana indray Izy.
35 Ary Jakoba sy Jaona, zanak'i Zebedio, nanatona an'i Jesosy ka nanao taminy hoe: Mpampianatra ô, tianay mba hataonao aminay izay angatahinay aminao.36 Ary hoy Izy taminy: Inona moa no tianareo hataoko aminareo?37 Dia hoy izy mirahalahy taminy: Mba ekeo ny hipetrahanay, ny anankiray ho eo amin'ny ankavananao, ary ny anankiray ho eo amin'ny an-kavianao, any amin'ny voninahitrao.38 Fa hoy Jesosy taminy: Tsy fantatrareo izay angatahinareo; hainareo va ny hisotro amin'ny kapoaka izay sotroiko, na ny hatao batisa amin'ny batisa izay anaovana Ahy batisa?39 Dia hoy izy mirahalahy taminy: Hainay ihany. Ary hoy Jesosy taminy: Raha ny kapoaka izay sotroiko, dia hosotroinareo ihany, ary ny batisa izay anaovana Ahy batisa dia hanaovana anareo ihany;40 fa ny hipetraka eo an-tanako ankavanana na eo an-tanako ankavia kosa, dia tsy Ahy ny hanome izany, fa izay nanamboarana izany no homena.41 Ary nony nandre izany izy folo lahy, dia tezitra noho ny nataon'i Jakoba sy Jaona izy.42 Fa Jesosy niantso azy hanatona Azy ka nanao taminy hoe: Fantatrareo fa izay eken'ny jentilisa ho mpanapaka dia mampanompo azy, ary ny lehibeny dia mifehy azy.43 Fa tsy mba toy izany aminareo; fa na iza na iza no te-ho lehibe eo aminareo, dia ho mpanompo anareo izy.44 Ary na iza na iza no te-ho ambony eo aminareo, dia ho mpanompon'izy rehetra.45 Fa ny Zanak'olona tsy tonga mba hotompoina, fa mba hanompo ka hanolotra ny ainy ho avotra hisolo ny maro.46 Ary tonga tao Jeriko izy; ary raha vao niala tao Jeriko Jesosy mbamin'ny mpianany sy ny vahoaka betsaka, dia nipetraka teo amoron-dalana Bartimeo jamba mpangataka, zanak'i Timeo.47 Ary nony reny fa, injay! Jesosy avy any Nazareta, dia niantso izy ka nanao hoe: Ry Jesosy, Zanak'i Davida ô, mamindrà fo amiko!48 Ary maro no niteny mafy azy mba hangina; fa vao mainka niantsoantso izy ka nanao hoe: Ry Zanak'i Davida ô, mamindrà fo amiko.49 Ary Jesosy nijanona, dia nanao hoe: Antsoy ilay jamba. Ary ny olona niantso azy ka nanao taminy hoe: Matokia, mitsangàna, miantso anao Izy.50 Dia nanary ny lambany izy ka niantsambotra nankeo amin'i Jesosy.51 Ary Jesosy namaly azy hoe: Inona no tianao hataoko aminao? Ary hoy ilay jamba taminy: Rabôny ô, ny mba hampahiratina ny masoko.
52 Ary hoy Jesosy taminy: Mandehana ianao, ny finoanao no efa namonjy anao. Dia nahiratra niaraka tamin'izay ny masony, ka nanaraka an'i Jesosy teny an-dalana izy.
Mark 10
1 And he arose from thence and cometh into the borders of Judaea and beyond the Jordan: and multitudes come together unto him again; and, as he was wont, he taught them again.2 And there came unto him Pharisees, and asked him, Is it lawful for a man to put away his wife? trying him.3 And he answered and said unto them, What did Moses command you?4 And they said, Moses suffered to write a bill of divorcement, and to put her away.5 But Jesus said unto them, For your hardness of heart he wrote you this commandment.6 But from the beginning of the creation, Male and female made he them.7 For this cause shall a man leave his father and mother, and shall cleave to his wife;8 and the two shall become one flesh: so that they are no more two, but one flesh.9 What therefore God hath joined together, let not man put asunder.10 And in the house the disciples asked him again of this matter.11 And he saith unto them, Whosoever shall put away his wife, and marry another, committeth adultery against her:12 and if she herself shall put away her husband, and marry another, she committeth adultery.13 And they were bringing unto him little children, that he should touch them: and the disciples rebuked them.14 But when Jesus saw it, he was moved with indignation, and said unto them, Suffer the little children to come unto me; forbid them not: for to such belongeth the kingdom of God.15 Verily I say unto you, Whosoever shall not receive the kingdom of God as a little child, he shall in no wise enter therein.16 And he took them in his arms, and blessed them, laying his hands upon them.17 And as he was going forth into the way, there ran one to him, and kneeled to him, and asked him, Good Teacher, what shall I do that I may inherit eternal life?18 And Jesus said unto him, Why callest thou me good? none is good save one, even God.19 Thou knowest the commandments, Do not kill, Do not commit adultery, Do not steal, Do not bear false witness, Do not defraud, Honor thy father and mother.20 And he said unto him, Teacher, all these things have I observed from my youth.21 And Jesus looking upon him loved him, and said unto him, One thing thou lackest: go, sell whatsoever thou hast, and give to the poor, and thou shalt have treasure in heaven: and come, follow me.22 But his countenance fell at the saying, and he went away sorrowful: for he was one that had great possessions.23 And Jesus looked round about, and saith unto his disciples, How hardly shall they that have riches enter into the kingdom of God!24 And the disciples were amazed at his words. But Jesus answereth again, and saith unto them, Children, how hard is it for them that trust in riches to enter into the kingdom of God!25 It is easier for a camel to go through a needle’s eye, than for a rich man to enter into the kingdom of God.26 And they were astonished exceedingly, saying unto him, Then who can be saved?27 Jesus looking upon them saith, With men it is impossible, but not with God: for all things are possible with God.28 Peter began to say unto him, Lo, we have left all, and have followed thee.29 Jesus said, Verily I say unto you, There is no man that hath left house, or brethren, or sisters, or mother, or father, or children, or lands, for my sake, and for the gospel’s sake,30 but he shall receive a hundredfold now in this time, houses, and brethren, and sisters, and mothers, and children, and lands, with persecutions; and in the world to come eternal life.31 But many that are first shall be last; and the last first.32 And they were on the way, going up to Jerusalem; and Jesus was going before them: and they were amazed; and they that followed were afraid. And he took again the twelve, and began to tell them the things that were to happen unto him,33 saying, Behold, we go up to Jerusalem; and the Son of man shall be delivered unto the chief priests and the scribes; and they shall condemn him to death, and shall deliver him unto the Gentiles:34 and they shall mock him, and shall spit upon him, and shall scourge him, and shall kill him; and after three days he shall rise again.35 And there come near unto him James and John, the sons of Zebedee, saying unto him, Teacher, we would that thou shouldest do for us whatsoever we shall ask of thee.36 And he said unto them, What would ye that I should do for you?37 And they said unto him, Grant unto us that we may sit, one on thy right hand, and one on thy left hand, in thy glory.38 But Jesus said unto them, Ye know not what ye ask. Are ye able to drink the cup that I drink? or to be baptized with the baptism that I am baptized with?39 And they said unto him, We are able. And Jesus said unto them, The cup that I drink ye shall drink; and with the baptism that I am baptized withal shall ye be baptized:40 but to sit on my right hand or on my left hand is not mine to give; but it is for them for whom it hath been prepared.41 And when the ten heard it, they began to be moved with indignation concerning James and John.42 And Jesus called them to him, and saith unto them, Ye know that they who are accounted to rule over the Gentiles lord it over them; and their great ones exercise authority over them.43 But it is not so among you: but whosoever would become great among you, shall be your minister;44 and whosoever would be first among you, shall be servant of all.45 For the Son of man also came not to be ministered unto, but to minister, and to give his life a ransom for many.46 And they come to Jericho: and as he went out from Jericho, with his disciples and a great multitude, the son of Timaeus, Bartimaeus, a blind beggar, was sitting by the way side.47 And when he heard that it was Jesus the Nazarene, he began to cry out, and say, Jesus, thou son of David, have mercy on me.48 And many rebuked him, that he should hold his peace: but he cried out the more a great deal, Thou son of David, have mercy on me.49 And Jesus stood still, and said, Call ye him. And they call the blind man, saying unto him, Be of good cheer: rise, he calleth thee.50 And he, casting away his garment, sprang up, and came to Jesus.51 And Jesus answered him, and said, What wilt thou that I should do unto thee? And the blind man said unto him, Rabboni, that I may receive my sight.52 And Jesus said unto him, Go thy way; thy faith hath made thee whole. And straightway he received his sight, and followed him in the way.