Marka 12
1 Ary niteny taminy Izy ka nanao fanoharana hoe: Nisy lehilahy anankiray nanao tanim-boaloboka ka namefy azy manodidina sy nihady famiazana ary nanao tilikambo, ka nahofany tamin'olona mpiasa tany izany, dia lasa nankany an-tany hafa izy.2 Ary nony tonga ny fotoana, dia naniraka mpanompo anankiray izy hankany amin'ny mpiasa tany handray amin'ny vokatry ny tanim-boaloboka.3 Fa ireo nisambotra ilay mpanompo sady nikapoka azy ka nampiala azy maina.4 Ary izy naniraka mpanompo anankiray koa ho any aminy indray, fa io koa, dia noratrainy ny lohany, ka nalany baraka izy.5 Ary naniraka anankiray koa izy, fa io kosa indray dia novonoiny ho faty; ary maro koa no nirahiny, fa ny sasany nokapohiny, ary ny sasany novonoiny ho faty.6 Ary mbola nanana anankiray izy, dia ny zananilahy malalany, ka nony farany dia naniraka azy hankany aminy izy ka nanao hoe: Hanaja ny zanako izy.7 Fa izany mpiasa tany izany niresaka hoe: Ity no mpandova; andeha hovonointsika izy, dia ho antsika ny lova.8 Ary rehefa nisambotra azy izy, dia nahafaty azy sy namoaka azy teo ivelan'ny tanim-boaloboka.9 Koa ahoana no hataon'ny tompon'ny tanim-boaloboka amin'izany? Ho avy izy, dia handringana ny mpiasa tany, ka homeny olon-kafa ny tanim-boaloboka.10 Ary tsy mbola novakinareo va izao Soratra Masina izao: Ny vato izay nolavin'ny mpanao trano, Dia izy no efa natao fehizoro;11 Avy tamin'i Jehovah izao Ka mahagaga eo imasontsika? (Sal. 118. 22, 23.)12 Ary nitady hisambotra Azy izy ireo, nefa natahotra ny vahoaka izy, satria fantany fa ny tenany no nolazainy tamin'izany fanoharana izany; dia nandao an'i Jesosy ny olona ka lasa.13 Ary nirahiny hankeo amin'i Jesosy ny sasany avy tamin'ny Fariseo sy ny Herodiana hamandrika Azy amin'ny teniny.14 Ary rehefa tonga izy ireo, dia nanao taminy hoe: Mpampianatra ô, fantatray fa marina Hianao, ka tsy mampaninona Anao ny hevitry ny olona, fa tsy mba mizaha tavan'olona Hianao, fa mampianatra marina ny lalan'Andriamanitra. Mety va ny mandoa vola hetra ho an'i Kaisara, sa tsia?15 Handoa va izahay, sa tsy handoa? Fa Izy nahalala ny fihatsaram-belatsihiny, ka dia nanao taminy hoe: Nahoana no maka fanahy Ahy ianareo? Itondray denaria etỳ amiko hizahako azy.16 Dia nitondrany Izy. Ary hoy Izy taminy: An'iza io sary sy soratra io? Ary hoy izy taminy: An'i Kaisara.17 Dia hoy Jesosy taminy: Aloavy ho an'i Kaisara izay an'i Kaisara, ary ho an'Andriamanitra izay an'Andriamanitra. Dia gaga taminy ireny.18 Ary ny Sadoseo, izay milaza fa tsy misy fitsanganan'ny maty, dia nisy sasany tonga teo aminy ka nanontany Azy hoe:19 Mpampianatra ô, Mosesy nanoratra ho antsika hoe: Raha misy manan-drahalahy maty momba, ka mbola velona ny vadin'ny maty, dia aoka ny rahalahiny hampakatra azy hiteraka hamelo-maso ny rahalahiny (Deo. 25. 5).20 Nisy fito mirahalahy; ary ny zokiny nampaka-bady, dia maty momba.21 Ary ny faharoa nampakatra an-dravehivavy, dia maty momba koa; ary ny fahatelo dia toy izany ihany koa.22 Ary izy fito mirahalahy dia samy maty momba avokoa. Koa faran'izy rehetra dia maty koa ravehivavy.23 Koa amin'ny fitsanganan'ny maty, ho vadin'iza moa ravehivavy, satria efa samy nanambady azy avokoa izy fito mirahalahy?24 Ary hoy Jesosy taminy: Tsy izao tsi-fahafantaranareo ny Soratra Masina sy ny herin'Andriamanitra izao va no mahadiso hevitra anareo?25 Fa amin'ny hitsanganana amin'ny maty dia tsy hisy hampaka-bady na havoaka hampakarina; fa tahaka ny anjely any an-danitra izy.26 Ka ny amin'ny hananganana ny maty, tsy mbola novakinareo va ny eo amin'ny bokin'i Mosesy, eo amin'ilay teny milaza ny Voaroy, dia ny nanaovan'Andriamanitra taminy hoe: Izaho no Andriamanitr'i Abrahama sy Andriamanitr'isaka ary Andriamanitr'i Jakoba? (Eks. 3. 6.)27 Tsy Andriamanitry ny maty Izy, fa an'ny velona; koa diso indrindra ianareo.28 Dia nanatona an'i Jesosy ny mpanora-dalàna anankiray, izay efa nahare ny niadiany hevitra tamin'ny Sadoseo ka nahalala fa namaly azy tsara Izy, dia nanontany Azy hoe: Ny didy manao ahoana no voalohany amin'izy rehetra?29 Ary Jesosy namaly hoe: Ny voalohany dia izao: Mihainoa, ry Isiraely: Jehovah Andriamanitsika dia Jehovah iray ihany;30 koa tiava an'i Jehovah Andriamanitrao amin'ny fonao rehetra sy ny fanahinao rehetra sy ny sainao rehetra ary ny herinao rehetra (Deo. 6. 4, 5).31 Ary ny faharoa dia izao: Tiava ny namanao tahaka ny tenanao (Lev. 19. 18). Tsy misy didy hafa lehibe noho ireo.32 Ary hoy ilay mpanora-dalàna taminy: Marina izany, Tompoko; tsara ny nilazanao fa iray ihany Andriamanitra, ary tsy misy afa-tsy Izy.33 Ary ny ho tia Azy amin'ny fo rehetra sy ny saina rehetra sy ny hery rehetra, ary ny ho tia ny namana tahaka ny tena, dia mihoatra lavitra noho ny fanatitra hodorana sy ny fanatitra hafa rehetra izany.34 Ary raha hitan'i Jesosy fa namaly tamim-pahendrena izy, dia hoy Izy taminy: Tsy lavitra ny fanjakan'Andriamanitra ianao. Ary tsy nisy sahy nanontany Azy intsony.35 Ary Jesosy, raha nampianatra teo an-kianjan'ny tempoly, dia namaly ka nanao hoe: Ahoana no lazain'ny mpanora-dalàna fa Kristy no Zanak'i Davida?36 Kanefa ny tenan'i Davida dia nampilazain'ny Fanahy Masina hoe: Jehovah nilaza tamin'ny Tompoko hoe: Mipetraha eo an-tanako ankavanana Ambara-panaoko ny fahavalonao ho fitoeran-tongotrao (Sal. 110. 1).
37 Ny tenan'i Davida manao Azy hoe Tompo, koa ahoana no maha-Zanany Azy? Ary ny vahoaka betsaka nihaino Azy tamin'ny hafaliana.
38 Ary hoy Izy amin'ny fampianarany: Mitandrema ny amin'ny mpanora-dalàna izay mazoto mandehandeha miakanjo akanjo lava sy te-hoharabain'olona eny an-tsena,39 ary tia ny fipetrahana aloha ao amin'ny synagoga sy ny fitoerana aloha ao amin'ny fanasana,
40 ary mandany ny tranon'ny mpitondratena ka manao vavaka lavareny mba ho fiolahana; ireo no hahazo fahamelohana mafimafy kokoa.
41 Ary raha nipetraka tandrifin'ny fandatsahan-drakitra Jesosy, dia nijery ny fandatsaky ny vahoaka tao; ary maro ny mpanankarena nandatsaka be tao.42 Fa nisy mpitondratena malahelo anankiray kosa tonga teo, ka nandatsaka farantsakelyt roa an-kevitry ny variroaventy avy.43 Ary Jesosy niantso ny mpianany hanatona Azy ka nanao taminy hoe: Lazaiko aminareo marina tokoa fa io mpitondratena malahelo io no efa nandatsaka be noho izay rehetra nandatsaka tao amin'ny fandatsahan-drakitra.
44 Fa ireo rehetra ireo, dia tamin'ny haben'ny fananany ho nandatsahany tao; fa izy kosa, tamin'ny alahelony no nandatsahany tao izay rehetra nananany, dia ny fivelomany rehetra.
Mark 12
1 And he began to speak unto them in parables. A man planted a vineyard, and set a hedge about it, and digged a pit for the winepress, and built a tower, and let it out to husbandmen, and went into another country.2 And at the season he sent to the husbandmen a servant, that he might receive from the husbandmen of the fruits of the vineyard.3 And they took him, and beat him, and sent him away empty.4 And again he sent unto them another servant; and him they wounded in the head, and handled shamefully.5 And he sent another; and him they killed: and many others; beating some, and killing some.6 He had yet one, a beloved son: he sent him last unto them, saying, They will reverence my son.7 But those husbandmen said among themselves, This is the heir; come, let us kill him, and the inheritance shall be ours.8 And they took him, and killed him, and cast him forth out of the vineyard.9 What therefore will the lord of the vineyard do? he will come and destroy the husbandmen, and will give the vineyard unto others.10 Have ye not read even this scripture: The stone which the builders rejected, The same was made the head of the corner;
11 This was from the Lord, And it is marvellous in our eyes?
12 And they sought to lay hold on him; and they feared the multitude; for they perceived that he spake the parable against them: and they left him, and went away.13 And they send unto him certain of the Pharisees and of the Herodians, that they might catch him in talk.14 And when they were come, they say unto him, Teacher, we know that thou art true, and carest not for any one; for thou regardest not the person of men, but of a truth teachest the way of God: Is it lawful to give tribute unto Caesar, or not?15 Shall we give, or shall we not give? But he, knowing their hypocrisy, said unto them, Why make ye trial of me? bring me a denarius, that I may see it.16 And they brought it. And he saith unto them, Whose is this image and superscription? And they said unto him, Caesar’s.17 And Jesus said unto them, Render unto Caesar the things that are Caesar’s, and unto God the things that are God’s. And they marvelled greatly at him.18 And there come unto him Sadducees, who say that there is no resurrection; and they asked him, saying,19 Teacher, Moses wrote unto us, If a man’s brother die, and leave a wife behind him, and leave no child, that his brother should take his wife, and raise up seed unto his brother.20 There were seven brethren: and the first took a wife, and dying left no seed;21 and the second took her, and died, leaving no seed behind him; and the third likewise:22 and the seven left no seed. Last of all the woman also died.23 In the resurrection whose wife shall she be of them? for the seven had her to wife.24 Jesus said unto them, Is it not for this cause that ye err, that ye know not the scriptures, nor the power of God?25 For when they shall rise from the dead, they neither marry, nor are given in marriage; but are as angels in heaven.26 But as touching the dead, that they are raised; have ye not read in the book of Moses, in the place concerning the Bush, how God spake unto him, saying, I am the God of Abraham, and the God of Isaac, and the God of Jacob?27 He is not the God of the dead, but of the living: ye do greatly err.28 And one of the scribes came, and heard them questioning together, and knowing that he had answered them well, asked him, What commandment is the first of all?29 Jesus answered, The first is, Hear, O Israel; The Lord our God, the Lord is one:30 and thou shalt love the Lord thy God with all thy heart, and with all thy soul, and with all thy mind, and with all thy strength.31 The second is this, Thou shalt love thy neighbor as thyself. There is none other commandment greater than these.32 And the scribe said unto him, Of a truth, Teacher, thou hast well said that he is one; and there is none other but he:33 and to love him with all the heart, and with all the understanding, and with all the strength, and to love his neighbor as himself, is much more than all whole burnt-offerings and sacrifices.34 And when Jesus saw that he answered discreetly, he said unto him, Thou art not far from the kingdom of God. And no man after that durst ask him any question.35 And Jesus answered and said, as he taught in the temple, How say the scribes that the Christ is the son of David?36 David himself said in the Holy Spirit, The Lord said unto my Lord, Sit thou on my right hand, Till I make thine enemies the footstool of thy feet.
37 David himself calleth him Lord; and whence is he his son? And the common people heard him gladly.38 And in his teaching he said, Beware of the scribes, who desire to walk in long robes, and to have salutations in the marketplaces,39 and chief seats in the synagogues, and chief places at feasts:40 they that devour widows’ houses, and for a pretence make long prayers; these shall receive greater condemnation.41 And he sat down over against the treasury, and beheld how the multitude cast money into the treasury: and many that were rich cast in much.42 And there came a poor widow, and she cast in two mites, which make a farthing.43 And he called unto him his disciples, and said unto them, Verily I say unto you, This poor widow cast in more than all they that are casting into the treasury:44 for they all did cast in of their superfluity; but she of her want did cast in all that she had, even all her living.